Fahitana
Zavatra hitan’ny olona ao an-tsainy amin’ny antoandro na amin’ny alina. Amin’ny fomba tsy mahazatra no ahazoana fahitana matetika, ary mbola manonofy ilay olona indraindray. (As 10:3; Ge 46:2) Matetika no sarotra avahana ny fahitana sy ny nofy ao amin’ny Baiboly, ary nisy niara-nitranga.
Tsy natory fa nahatsiaro saina tsara ny olona nahazo fahitana, indraindray. Nataon’Andriamanitra tao an-tsainy ilay fahitana ka tadidiny tsara tatỳ aoriana. Afaka nilazalaza na nanoratra momba an’ilay izy àry ilay olona. Nisy koa anefa nahazo ‘fahitana tamin’ny alina’, toa an’i Daniela sy Nebokadnezara. Toa nataon’Andriamanitra tao an-tsainy ilay fahitana, tamin’izy ireo natory.
Nataon’Andriamanitra nahazo sary an-tsaina ny fikasany na nahazo fahitana ny olona sasany niasan’ny fanahiny. Sondriana lalina na toy ny matory ilay olona tamin’izay. Ny teny grika hoe ekstasis no ilazan’ny Soratra Grika Kristianina ny “fahitana” hitan’ny olona toy izany. Midika ara-bakiteny hoe manaisotra na mamindra toerana izy io, ary manana heviny an’ohatra hoe manova ny saina mba tsy hiasa toy ny mahazatra. Tsy mahita sy tsy mahare an’izay mitranga manodidina azy ny olona sondriana lalina toy izany, ka vonona hahita fahitana.—As 22:17, 18.
Fanomezan-toky hoe sitrak’Andriamanitra. Nanome fahitana ny mpanompony i Jehovah indraindray, mba hampahafantarana azy ireo fa miahy sy mankasitraka azy ireo izy. Niteny tamin’i Abrama (Abrahama) tao amin’ny fahitana, ohatra, izy hoe: “Aza matahotra, ry Abrama. Izaho no ampinganao. Ary ho lehibe tokoa ny valisoanao.” (Ge 15:1) Nanao fifanekena taminy izy avy eo. (Ge 15:2-21) Nilaza tamin’i Jakoba tao amin’ny fahitana koa i Jehovah, taona maro tatỳ aoriana, mba tsy hatahotra hidina any Ejipta. Hataony firenena lehibe mantsy izy any, ary avy eo hoentiny hiakatra avy any.—Ge 46:1-4; ampit. 2Sa 7:1-17; 1Ta 17:1-15.
Toromarika avy amin’Andriamanitra. Nanome fahitana koa i Jehovah mba hampahafantarana ny fomba anaovana ny sitrapony. Hitan’i Saoly avy any Tarsosy tao amin’ny fahitana, ohatra, fa nisy lehilahy atao hoe Ananiasy nametra-tanana taminy mba hahitan’ny masony indray. Jamba nandritra ny andro vitsivitsy mantsy izy taorian’ny nisehoan’i Jesosy Kristy be voninahitra taminy. Natoro an’i Ananiasy tao amin’ny fahitana koa ny trano nisy an’i Saoly tany Damaskosy.—As 9:1-19.
Nahita anjely tao amin’ny fahitana i Kornelio, lehilahy hafa firenena mpivavaka be tany Kaisaria, tamin’ny taona 36. Nasain’izy io nampiantso an’i Simona Petera tany Jopa izy. (As 10:1-8) Hitan’i Petera (tany Jopa) tao amin’ny fahitana ny zavatra iray nisy karazam-biby maloto nampidinina avy any an-danitra. Io no fomba nanazavana taminy fa tsy tokony hoheveriny ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra. Vonona hitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa firenena tsy voafora izy, nanomboka teo.—As 10:9-23; 11:5-12.
Tao amin’ny fahitana koa no nilazan’Andriamanitra tamin’i Paoly hoe aiza izy no tokony hitory. Nahita lehilahy makedonianina tao amin’ny fahitana izy indray alina tany Troasy, nandritra ny diany misionera faharoa. Niangavy azy izy io hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” (As 16:8-12) Niteny taminy tao amin’ny fahitana koa ny Tompo, tatỳ aoriana, ka nijanona herintaona sy tapany tao Korinto izy mba hampianatra ny Tenin’Andriamanitra.—As 18:8-11.
Faminaniana. Faminaniana na fanazavana an’ireo faminaniana nampitain’Andriamanitra Da 1:17) Nolazain’Andriamanitra taminy tao amin’ny ‘fahitana tamin’ny alina’ ny nofin’i Nebokadnezara Mpanjaka (sarivongana ngezabe) sy ny dikan’izy io (firenena matanjaka maro).—Da 2:19, 28; ampit. Da 4:5, 10, 13, 20-22.
tamin’ny alalan’ny fahitana sy nofy ny fahitana sasany avy aminy. “Nahay namantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy” i Daniela mpaminany, “na inona na inona karazan’izany.” (Nahita biby ngezabe efatra niakatra avy ao an-dranomasina i Daniela tao amin’ny ‘fahitana tamin’ny alina.’ Faminaniana izy io hoe hisy “mpanjaka” efatra hitsangana avy amin’ny tany. (Da 7:1-3, 17) Hitany tao amin’ny fahitana koa Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be nanome fitondrana sy voninahitra ary fanjakana an’ilay “toy ny zanak’olona.”—Da 7:13, 14.
Nahazo fahitana avy tamin’Andriamanitra koa ny mpanoratra Baiboly, toa an’i Isaia (1:1; 6:1-13) sy Amosa (7:1-9, 12; 8:1, 2) ary Ezekiela (1:1). Miandoha toy izao ny fanamelohan’i Obadia an’i Edoma: “Ny fahitan’i Obadia.” (Ob 1) Momba ny fanamelohana an’i Ninive kosa ny “fahitan’i Nahoma.”—Na 1:1.
Misy fahitana maromaro hitan’ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy, izay avy amin’ny teny grika hoe Apôkalypsis midika hoe “Fanalana Sarona” na “Fampiharihariana.” Mety tsara io anarana io satria ahariharin’ilay boky ny zavatra maro hitranga ela be atỳ aoriana.—Ap 1:1.
Fahitana sandoka. ‘Fahitana avy tao am-pony fotsiny’ no nolazain’ireo mpaminany sandoka tao Jerosalema, talohan’ny nandravana azy io tamin’ny 607 T.K. (Je 23:16) Tsy nisy nilana azy ny fahitan’izy ireo satria tsy avy amin’i Jehovah. (Ft 2:9, 14) Nilaza zavatra tsy marina sy “nahita fahitana mandainga” izy ireo, ka nomelohin’i Jehovah.—Ezk 13.
Hisy hahita fahitana. Naminany i Joela fa “hahita fahitana” ireo tovolahy hiasan’ny fanahin’Andriamanitra. Fahitana avy amin’Andriamanitra izany, fa tsy fahitana sandoka. (Jl 2:28) Tanteraka tamin’ny Pentekosta taona 33 io faminaniana io, hoy i Petera, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina ny mpianatr’i Jesosy Kristy, ka nanambara tamin’ny fiteny maro “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.”—As 2:1-4, 11, 15-17.