Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faikan-divay

Faikan-divay

Zavatra mitsingevana izay midina sy mihandrona eny ambany avy eo, rehefa tsy ahetsiketsika elaela ny divay. Miseho indimy io teny io ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany, ary amin’ny endriny milaza maro (heb.: shemarim) foana. Mihamadio sy mihamahery ny divay tsara izay avela hiotrika ela ‘miaraka amin’ny faikany’, ary mihatsara ny tsirony. (Is 25:6, f.a.p.) Ratsy ny divay raha ratsy ny voaloboka nanaovana azy, ka na avela hiotrika miaraka amin’ny faikany aza, dia tsy hihatsara ny tsirony sy ny fofony. Manamafy izany ny fanoharana nolazain’ny mpaminany. (Je 48:11; Ze 1:12) Tsy maintsy hisotro sy hanapitra ny divay an’ohatra ao anatin’ny kaopin’ny fahatezeran’i Jehovah “ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany”, ka handany izany hatramin’ny faikany.​—Sl 75:8; ampit. Ezk 23:32-34; jereo DIVAY SY TOAKA.