Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famantarana

Famantarana

Zavatra na fihetsika na fisehoan-javatra tsy mahazatra, izay misy heviny ary natao hampahafantarana zava-mitranga ankehitriny na amin’ny hoavy. Mety ho porofo fanamarinana na porofon’ny fananana fahefana, na fampitandremana amin’ny loza, na fampahafantarana ny zavatra tsara tokony hatao ny hoe famantarana (heb.: ʼôht; gr.: semeiôn).

Maro be ny famantarana nomen’i Jehovah hitari-dalana ny olombelona. Voalohany amin’izany ireo zavatra manome hazavana eny amin’ny lanitra, toy ny Masoandro sy ny Volana. (Ge 1:14) Ahafantarana ny fotoana sy ny fisian’Andriamanitra ary ny toetrany izy ireny. (Sl 19:1-4; Ro 1:19, 20) “Mihorohoro” ireo firenena rehefa mijery ny Masoandro sy ny Volana ary ny kintana, noho izy ireo manandro ka mitady fambara avy amin’izy ireny.​—Je 10:2.

Zava-kendren’ny famantarana. Nanome famantarana i Jehovah mba hanamafisana fa marina sy azo antoka ny teniny. (Je 44:29; 1Sa 2:31-34; 10:7, 9; 2Mp 20:8-11) Nasehon’ireny famantarana ireny fa Andriamanitra no naniraka an’i Mosesy sy ny mpanompony hafa (Ek 3:11, 12; ampit. Mpts 6:17, 20-22), ary Izy koa no nifidy apostoly iray (2Ko 12:12), sy ny fiangonana kristianina (1Ko 14:22).

Tsy voatery hisy famantarana foana vao azo lazaina hoe nampian’Andriamanitra ny olona iray, toa an’i Jaona Mpanao Batisa, ohatra. (Jn 10:41; Mt 11:9-11) Mety hanao famantarana koa ny mpaminany sandoka, nefa nanome fomba amantarana azy ireny i Jehovah.​—De 13:1-5; 18:20-22; Is 44:25; Mr 13:22; 2Te 2:9; Ap 13:13, 14; 19:20.

Natao ho fampahatsiahivana sy ho fahatsiarovana ny famantarana sasany. (Ge 9:12-14; 17:11; Ro 4:11) Ny Sabata sy ny Paska, ohatra, dia famantarana natao ho fahatsiarovana ho an’ny Jiosy. (Ek 13:3-9; 31:13; Ezk 20:12, 20) Mety hamantaran-javatra koa ny famantarana, na ara-bakiteny izy io na tsia.​—No 2:2; Ek 12:13.

Nangatahana famantarana i Jesosy. Nanao famantarana maro i Jesosy teo amin’ny fanompoany, ka maro no nino azy. (Jn 2:23) Tsy nino azy anefa ireo mafy fo na teo aza ireny rehetra ireny. (Lk 2:34; Jn 11:47, 53; 12:37; ampit. No 14:11, 22.) Indroa nangataka famantarana avy tany an-danitra tamin’i Jesosy ny mpitondra fivavahana mba hanaporofoana fa izy no Mesia. Azo inoana fa ilay famantarana voalazan’ny Daniela 7:13, 14 no nangatahin’izy ireo, izany hoe hiseho eny amin’ny rahon’ny lanitra ny “zanak’olona” mba handray fahefana ho mpanjaka. Mbola tsy tamin’izay anefa ny fotoana nokendren’Andriamanitra hahatanterahan’io faminaniana io, sady tsy i Kristy mihitsy no hampideradera fahaizana mba hampifaliana an’ireo olona tia tena ireo. (Mt 12:38; 16:1) Nilaza tamin’izy ireo kosa i Jesosy fa “ilay famantarana ny amin’i Jona mpaminany” ihany no homena azy ireo. (Mt 12:39-41; 16:4) Nijanona telo andro teo ho eo tao an-kibon’ny trondro be iray i Jona vao nandeha nitory tany Ninive. Lasa “famantarana” ho an’ilay renivohitr’i Asyria àry i Jona. Hitan’ny olona tamin’ny andron’i Jesosy koa ilay “famantarana ny amin’i Jona”, satria nijanona telo andro teo ho eo tao am-pasana i Kristy, dia natsangana tamin’ny maty, ary nitory izany ny mpianany. Lasa famantarana ho an’ny olona tamin’izany andro izany àry i Kristy, nefa mbola tsy nino ihany ny ankamaroan’ny Jiosy.​—Lk 11:30; 1Ko 1:22.

Famantarana ny fanatrehan’i Kristy. Nanontany toy izao ny apostoly taloha kelin’ny hahafatesan’i Jesosy: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Mt 24:3; Mr 13:4; Lk 21:7) Tena tsy nitovy io fanontaniana io sy ny fangatahana famantarana nataon’ireo mpitondra fivavahana. Nahita an’i Jesosy sy ny zavatra nataony ireo mpitondra fivavahana nefa tsy nanaiky azy ho Mesia sy Mpanjaka voatendry. (Jn 19:15) Nangataka famantarana izy ireo indray mandeha “mba hamandrihana azy.” (Lk 11:16) Te hahita an’i Jesosy manao famantarana fotsiny koa ny olona sasany, toa an’i Heroda. (Lk 23:8) Tsy toy izany kosa ireo mpianatra nangataka famantarana ny fanatrehan’i Kristy satria efa nanaiky an’i Jesosy ho Mesia sy Mpanjaka izy ireo. (Mt 16:16) Efa nilaza i Jesosy fa ‘tsy mibaribary ny fahatongavan’ilay Fanjakana.’ (Lk 17:20) Marina fa diso hevitra ny apostoly satria nino fa hiorina eto an-tany ilay Fanjakana. (As 1:6) Tsy te hitovy amin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy anefa izy ireo rehefa tonga ilay Fanjakana, ka tsy hahafantatra hoe efa manatrika i Kristy. Nangataka famantarana hitranga amin’ny hoavy àry izy ireo fa tsy fahagagana teo no ho eo.

Namaly azy ireo i Jesosy ka nilaza “famantarana” misy lafiny maro, toy ny ady, ny horohoron-tany, ny fanenjehana ny Kristianina, ary ny fitoriana ilay Fanjakana. (Mt 24:4-14, 32, 33) Teo am-piresahana momba ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny ireo mpianatra no nanontany an’ilay “famantarana” tamin’i Jesosy. (Lk 21:5-7) Faminaniana momba an’i Jerosalema sy Jodia, izay tanteraka tamin’ny andron’izy ireo no valiny nomen’i Jesosy. (Lk 21:20; Mt 24:15) Anisan’io valin-tenin’i Jesosy io koa ny momba ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataon’izy io ho an’ny olombelona rehetra.​—Lk 21:31, 35.

“Famantarana ny Zanak’olona.” Hoy koa i Jesosy tamin’izay: “Ary hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona. Dia hikapo-tratra sy hitomany ny foko rehetra eto an-tany, ary ho hitan’izy ireo ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra.” (Mt 24:30; Lk 21:27) Vao avy niresaka momba an’i Daniela mpaminany i Jesosy tamin’izay. (Mt 24:15; Da 9:27; 11:31) Hita fa ny teniny dia nalaina avy tao amin’ilay fahitana ao amin’ny Daniela 7:13, 14, izay milaza fa ‘nisy toy ny zanak’olona teny amin’ny rahon’ny lanitra’ nanatona an’Ilay “Efa Nisy Hatry ny Ela Be”, ka nomena ‘fanjakana tsy ho rava.’ Mifandray àry “ny famantarana ny Zanak’olona” sy ny fotoana handraisan’i Jesosy fahefana ho mpanjaka. Nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany ny hoe “Zanak’olona” sy ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 7:13, 14.​—Mt 26:63, 64; Mr 14:61, 62.

Nanoratra momba ny hoavy i Jaona tamin’ny taona 96 tany ho any, 26 taona taorian’ny naharava an’i Jerosalema, ary hitany tao amin’ny fahitana i Jesosy Kristy “ho avy” “eny amin’ny rahona. Ary hahita azy ny maso rehetra sy ireo nandefona azy.” (Ap 1:1, 7) Samy milaza an’i Jesosy ho avy eny amin’ny rahona sy ho hitan’ny olona rehetra na ny tenin’i Jaona izay mbola ho tanteraka any aorian’ny taona 96, na ny tenin’i Jesosy momba “ny famantarana ny Zanak’olona.” (Jereo RAHONA.) Mety hidika ara-bakiteny hoe “mahita, mijery” ilay matoanteny grika hoe hôraô, nadika hoe “mahita” ao amin’ny Matio 24:30 sy Apokalypsy 1:7. Mety hidika koa hoe “mahatsikaritra, mahatakatra” anefa io teny io rehefa ampiasaina an’ohatra.​—Rakibolana Grika-Anglisy, nataon’i H. Liddell sy R. Scott, nohavaozin’i H. Jones, 1968, p. 1245, tsang. 1.

Mba hahitana ny tsy fitovian’ny hoe “fahagagana”, “fambara” ary “famantarana”, dia jereo FAHAGAGANA sy FAMBARA.