Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fambara

Fambara

Zavatra heverina fa manampy hamantarana ny hoavy; zava-miseho ahafahana maminavina hoe hisy zavatra tsara na ratsy hitranga; fahagagana. (Ge 30:27; No 24:1) Noraran’ny lalàn’Andriamanitra ny Israelita tsy hitady fambara amin’ny alalan’ny sikidy. (Le 19:26; De 18:10) Mbola nitady fambara ihany anefa ireo mpivadi-pinoana, toa an’i Manase mpanjakan’ny Joda. (2Mp 17:17; 21:6) Hafetsena kosa ny an’i Josefa, lehilahy tsy nivadika, rehefa nilaza izy fa nampiasa kaopy volafotsy mba hamantarana ny hevitry ny fambara. (Ge 44:5, 15) Nino an’i Jehovah mantsy izy, kanefa tiany haseho tamin’izay hoe manam-pahefana ambony tao amin’ny tanin’ny mpanompo sampy izy. Tsy te ho fantatry ny rahalahiny koa izy, ka mody nasehony hoe tsy nisy itovizan’izy ireo.​—Jereo SIKIDY.

Midika hoe “fahagagana”, toy ny fahagagana nataon’i Mosesy sy Arona tany Ejipta, ny teny hebreo hoe môhfet. Midika hoe “fambara” koa anefa izy io indraindray, toy ny fambara na famantarana (ho tanteraka amin’ny hoavy) omen’ny mpaminany na mpanonofy mba hanaporofoana fa marina ny faminaniany.​—De 13:1-3.

Mety ho fahagagana ahitana ny herin’Andriamanitra ny hoe fambara (môhfet). Nataony nitresaka, ohatra, ny alitara naorin’i Jeroboama, ho fambara fa horavana izy io amin’ny hoavy ary hiharan’ny didim-pitsarany ireo nanolotra sorona teo amin’izy io. (1Mp 13:1-5; ampitahao amin’ny 2Mp 23:16-20, izay miresaka momba ny fahatanterahan’izany 300 taona teo ho eo tatỳ aoriana.) Nantsoina hoe fambara koa ny zavatra tsy nahazatra nataon’ny olona iray. Nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa, ohatra, i Isaia ho fambara ny amin’izay hanjo an’i Ejipta sy Etiopia rehefa resin’ny mpanjakan’i Asyria. (Is 20:3-6) Noloahan’i Ezekiela kosa ny rindrina (angamba ny rindrin’ny tranony) sady navoakany teo ny entany, ho fambara fa hatao sesitany ny mponin’i Joda.​—Ezk 12:5-11; ampit. 24:18-27.

Famantarana zavatra mbola ho avy ny hoe fambara, ka misy mpanoratra mety hampiasa ny hoe môhfet (fambara, na fahagagana) mba hilazana izany, fa ny hafa kosa mampiasa ny hoe ʼôht (famantarana). (Ampitahao ny 2Ta 32:24 sy 2Mp 20:8, 9.) Azo ilazana zavatra ankehitriny na ho avy ny hoe “famantarana”, fa ny “fambara” kosa ilazana zavatra mbola ho avy foana. Ny teny hoe “famantarana” dia manasongadina fa tena zava-dehibe ilay trangan-javatra, na ankehitriny na amin’ny hoavy. Ny “fambara” kosa manasongadina fa hisy heviny lehibe ilay izy amin’ny hoavy.

Niresaka ny amin’ireo ‘fambara [gr.: teras, mr.] eny amin’ny lanitra ambony sy famantarana [semeiôn, mr.] eny amin’ny tany ambany’ ny apostoly Petera, rehefa namerina ny voalazan’ny Joela 2:30 momba ireo “fambara [heb.: môhfet, mr.] eny amin’ny lanitra sy eny amin’ny tany.” (As 2:14, 19) Miaraka foana ny hoe teras (izay nadika koa hoe “zava-mahagaga”) sy semeiôn (“famantarana”) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary samy amin’ny endriny milaza maro.​—As 7:36; 14:3; 15:12; 2Ko 12:12.

Azo adika hoe “fahagagana” koa indraindray ny hoe teras, satria midika hoe zavatra na fisehoan-javatra mahavariana. (Mt 24:24; Jn 4:48) “Fambara” kosa no tsara andikana azy, rehefa zavatra ho avy no resahina. Ny “fahagagana sy fambara ary famantarana” nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy no porofo fa i Jesosy tokoa “Ilay Nirahiny.” (As 2:22) Tsy hoe fahagagana fotsiny anefa ny fanasitranana sy ny fananganana ny maty nataon’i Jesosy. Fambara ny amin’ireo zavatra lehibe hataony amin’ny hoavy koa ireny (Jn 6:54; ampit. Jn 1:50, 51; 5:20, 28), toy ny hoe ho Mpisoronaben’Andriamanitra hamela heloka sy hitsara izy, (Mt 9:2-8; Jn 5:1-24), ary hanana fahefana sy hery hanoherana an’i Satana sy ny demoniany, ka hanipy azy ireo ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. (Mt 12:22-29; Lk 8:27-33; ampit. Ap 20:1-3.) Nasehon’ireny zavatra nataon’i Jesosy teto an-tany ireny ny zavatra hataony rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy.

Nampian’Andriamanitra hanao ‘famantarana sy fambara ary fahagagana maro samihafa’ koa ny mpianatr’i Jesosy, izay nahita azy nampianatra ny olona sy nanangana ny maty. (He 2:3, 4; As 2:43; 5:12) Porofo izany fa ny fiangonana kristianina vao niforona indray izao no nankasitrahan’Andriamanitra. Fambara koa izany fa hampiasa an’io fiangonana io izy amin’ny hoavy, mba hanatanterahana ny sitrapony sy ny fikasany.​—Ampit. Jn 14:12.

Nisy mpaminany sandoka tany Israely fahiny. Efa voalaza koa fa hisy “lehilahy mpandika lalàna” hivadi-pinoana eo anivon’ny fiangonana kristianina. “Araka ny asan’i Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra” ny fanatrehan’izy io. (2Te 2:3-12) Tsy zavatra kely na maivana àry ny porofo aroson’ireo mpivadi-pinoana, fa hampiharihary kosa ny herin’i Satana. Lainga sy fitaka fotsiny anefa ireny fambara ireny, sady mahatonga ny olona hanatsoaka hevi-diso. Toy ny hoe tahin’Andriamanitra sy ankasitrahany izy ireo, nefa mitaona ny olona handao an’ilay Loharanon’aina sy hiala amin’ny lalan’ny fiainana, raha ny marina.​—Ampit. 2Ko 11:3, 12-15; jereo FAHAGAGANA; FAMANTARANA; HERIN’ANDRIAMANITRA.