Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fambolena sy Fiompiana

Fambolena sy Fiompiana

Fampaniriana sy fikarakarana voa, taho, sns, mba hahazoana vokatra, ary famelomana sy fikarakarana biby. Niandoha tao Edena ny fambolena. Napetraka tao “mba hiasa sy hikarakara an’ilay zaridaina” mantsy i Adama raha vao noforonina. (Ge 2:5, 15) Nanota anefa izy sy ny vadiny, ka tsy nitatra naneran-tany ilay Paradisa. Nozonin’Andriamanitra ny tany, ka tsy maintsy tsemboka sy niasa mafy ny olona vao nihinana ny vokatra avy aminy.​—Ge 3:17-19.

“Mpiasa tany” i Kaina lahimatoan’i Adama sy Eva, fa i Abela kosa mpiandry ondry. (Ge 4:2-4) “Nanomboka ny asan’ny mpamboly” i Noa taorian’ny Safodrano, ka nanao tanimboaloboka. (Ge 9:20) Tatỳ aoriana kosa, dia lasa mpiompy sy mpifindrafindra monina i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, toa an’i Jabala izay velona talohan’ny Safodrano. (Ge 4:20) Namboly koa anefa i Isaka sy Jakoba, ka varimbazaha no tena namboleny.​—Ge 26:12; 27:37; 30:14; 37:7.

Tany Israely. Anisan’ny mpamboly sy mpiompy voalohandohany ny olona tany amin’ny faritr’i Palestina, araka ny hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Lonaka be ny Tany Nampanantenaina. “Tahaka ny zaridainan’i Jehovah” sy “tahaka ny tany Ejipta” ny faritr’i Jordana “hatrany Zoara”, tamin’ny andron’i Lota. (Ge 13:10) Nahay tsara momba ny fambolena ny Israelita talohan’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta, satria namboly varimbazaha, rongony, vary orza, kôkômbra, pasteky, poarô, tongolobe, tongolo lay, ary vokatra hafa ny Ejipsianina. (Ek 9:25, 26, 31, 32; No 11:5; De 11:10) Nirenireny 40 taona tany an-tany efitra izy ireo avy eo, nefa tsy dia nifandray tamin’ny firenena mpanompo sampy.

Lasa mpamboly sy mpiompy ilay firenena, rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Soa ihany fa tany efa voavoly no azon’izy ireo. Efa maty tany an-tany efitra mantsy ny ankamaroan’ny Hebreo nahalala tsara momba ny fambolena tany Ejipta. Vitsy àry, raha nisy aza, ny mpamboly za-draharaha afaka namboly tao amin’ilay tany vaovao tamin’izy ireo. (No 14:22-30; He 3:16, 17) Nahazo tombony be ny Israelita satria nandova ‘trano feno ny zava-tsoa rehetra, lavaka fanangonan-drano, tanimboaloboka efa novolena ary hazo oliva efa nambolena’ sy namokatra.​—De 6:10, 11; 8:6-9.

Nozarazaraina tamin’ireo foko ilay tany, ary avy eo tamin’ny fianakaviana, ka tady fandrefesana no nampiasaina. (Sl 78:55; Ezk 40:3; Am 7:17; Mi 2:4, 5) Tsy azo nakisaka na nesorina ireo fetra namaritra ny anjaran-tany.​—De 19:14; 27:17; Oh 22:28; Ho 5:10; ampit. Jb 24:2.

Zava-dehibe tamin’ny Israelita ny resaka fambolena sy fiompiana, rehefa jerena ny Lalàna. An’i Jehovah ny tany ka tokony homena hasiny. (Le 25:23) Tsy azo natao varo-maty ny tany. Naverina tamin’ny tompony izy io (afa-tsy ny trano tao anaty tanàna nimanda) rehefa taon-jobily, raha toa ka voatery nivarotra azy io ny tompony satria tra-pahasahiranana. (Le 25:10, 23-31) Nisy sabata fialan-tsasatra ho an’ny tany isaky ny fito taona, mba tsy ho lany tsiro izy io. Izany koa ny tanjon’ireo mampifandimby voly eo amin’ny taniny ankehitriny. (Ek 23:10, 11; Le 25:3-7) Mety ho nampanahy an’ilay firenena ny nitandrina ilay sabata. Hita koa anefa tamin’izay raha ninoany ny fampanantenan’Andriamanitra hoe hanome izay ilain’izy ireo Izy mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana ny taona nanaraka. Nampirisika azy ireo ho malina sy hitsinjo ny vodiandro ho merika koa ilay izy. Niala sasatra koa ny tany rehefa taon-jobily (isaky ny 50 taona).​—Le 25:11, 12.

Nifanitsy tamin’ny vanim-potoanan’ny fambolena ireo fety telo fanaon’ny Israely isan-taona: Tamin’ny fotoam-pijinjana vary orza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, tamin’ny fotoam-pijinjana varimbazaha ny Pentekosta, ary tamin’ny fotoana nifaranan’ny fanangonana ny vokatra tamin’ny taona teo aloha ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. (Ek 23:14-16) Ny fizaran-taona sy fotoam-pijinjana no tena namaritan’ny Israelita ny fotoana, fa tsy ny anaram-bolana tao amin’ny kalandrie loatra. Niaro azy ireo tamin’ny fivavahan-diso koa ny asa fambolena. Tsy nila niantehitra tamin’ny firenen-kafa mantsy izy ireo mba hahazoany izay nilainy, ary zara raha nifampiraharaha ara-barotra tamin’ireny.

Tojo olana ihany ny mpamboly israelita, na dia hoe “tany tondra-dronono sy tantely” sady notahin’Andriamanitra aza ny tanin’izy ireo. Tsy nila nanao lakandrano maro anefa izy ireo, raha nankatò. (De 8:7; 11:9-17) Nanomboka tany antenatenan’ny Oktobra ny vanim-potoanan’ny orana, ary nifarana tany antenatenan’ny Aprily. (De 11:14) Maina sy nafana ireo dimy volana nanaraka, kanefa mando ihany ny tany sady velona ny zavamaniry satria betsaka ny ando nirotsaka rehefa alina.​—Ge 27:28; De 33:28; jereo ANDO.

Namboly teny amin’ny havoana koa ny Israelita. Natao an-tanantohatra ny tehezan-kavoana ary toa nasiana vato nanohana, mba tsy hokaohin’ny riaka ny nofon-tany. Nisy 60 na mahery ny tany novolena nifanao an-tanantohatra nofongarin’ny mpikaroka. Nasiana trano rantsankazo na tilikambo ho an’ny mpiambina mihitsy tao amin’ny tanimboaloboka na saha, mba hahafahany hanara-maso ny manodidina sy hiaro ny voly.​—Is 1:8; 5:2; Mt 21:33.

Voly an-tanantohatra fahita any Israely

Voalaza fa “tia fambolena [a.b.t.: ny tany]” i Ozia Mpanjaka.​—2Ta 26:10.

Tsy nankatò an’Andriamanitra ny Israelita tatỳ aoriana, ka tsy notahiny. Tsy niroborobo intsony ny fambolena satria lasa ratsy ny vokatra, nisy hain-tany, andiam-balala, aretin-javamaniry ary olana hafa. Ripaka koa ny ala rehefa nandeha ny fotoana, ary tsy notohizina intsony ny voly an-tanantohatra, ka betsaka ny nofon-tany nokaohin’ny riaka tany Palestina. Na izany aza, dia mbola mamokatra be foana ny tany any hatramin’izao.​—Jereo ASA ENY AM-PAMOLOANA; FIJINJANA; MPAMAFY, MAMAFY sy ny lahatsoratra hafa mifandray amin’ny fambolena.