Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famelan-keloka

Famelan-keloka

Ny hoe mamela heloka dia mamindra fo amin’izay nanao zavatra tsy nety, tsy tezitra aminy intsony, ary tsy mitaky sazy.

Nadika hoe mamela heloka ilay matoanteny hebreo hoe salah. Amin’Andriamanitra ihany no ampiasana azy io, ohatra hoe rehefa misy mpanota mivavaka mafy mba ho voavela heloka, na misy olon-kafa mivavaka ho azy, ka mahazo sitraka amin’Andriamanitra indray ilay mpanota.​—No 14:19, 20; 1Mp 8:30.

Misy teny hebreo hafa (nasaʼ) koa nadika indraindray hoe “famelan-keloka”, ary mety hidika hoe famelan-keloka avy amin’Andriamanitra na avy amin’olona izy io. (Ge 18:24, 26; 50:17) Ampiasain’ny Soratra Masina koa io teny io mba hilazana hoe ‘manangana’, ‘mampiakatra’ (Ge 45:19; Ek 6:8; 2Mp 2:16) ary maka na ‘alaina’ (Ge 27:3; No 16:15). ‘Mizaka ny vokatry ny’ sy ‘mitondra’ anefa no hevitr’izy io, amin’ny ankapobeny. (Ge 47:30; 1Mp 2:26; Ezk 44:12, 13) Mbola ao ihany izay heviny izay na dia azo adika marina tsara hoe “famelan-keloka” aza izy io. Milaza mantsy ny Soratra Masina fa nitondra ny fahotan’ny olona ny osilahy ho an’i Azazela. Voalaza koa fa nitondra ny fahadisoan’ny olona ny Mesia. (Le 16:8, 10, 22; Is 53:12) Afaka mahazo famelan-keloka ny olona, noho izany.​—Jereo AZAZELA.

Ilay teny grika hoe afiemi no andikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’ilay teny hebreo hoe nasaʼ indraindray, rehefa famelan-keloka no heviny. “Mamela handeha” no dikan’ny afiemi, amin’ny ankapobeny, ary mety hidika hoe “mamela heloka” izy io. Nanonona ny Salamo 32:1 (31:1, LXX) ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 4:7. Milaza io salamo io fa mamela ‘heloka’ i Jehovah, ary endriny hafa amin’ny hoe afiemi no ampiasain’ny LXX handikana ny teny hebreo hoe nasaʼ. Ahitana an’io afiemi io koa ny andininy hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary ilazana famelana ny fahotana na fanafoanana trosa izy io, ka Andriamanitra na olona no manao izany.​—Mt 6:12, 14, 15; 18:32, 35.

Milaza ny lalàn’Andriamanitra fa tsy ho voavela heloka ny Israelita nanota tamin’Andriamanitra na tamin’olona, raha tsy hoe honerany araka izay takin’ny Lalàna ny tsy nety nataony. Matetika koa ilay nanota no nila nanolotra fanatitra alatsa-dra ho an’i Jehovah. (Le 5:5–6:7) Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Saika ny zava-drehetra no diovina amin’ny ra, araka ny Lalàna. Ary raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.” (He 9:22) Tsy mahavita manaisotra ny ota na manadio tanteraka ny feon’ny fieritreretana anefa ny ran’ny biby natao sorona. (He 10:1-4; 9:9, 13, 14) Ny fifanekena vaovao kosa no efa nambara hoe hahazoana tena famelan-keloka, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Je 31:33, 34; Mt 26:28; 1Ko 11:25; Ef 1:7) Nanasitrana lehilahy nalemy àry i Jesosy mba hanaporofoana fa nanana fahefana hamela heloka izy, na dia mbola tetỳ an-tany aza.​—Mt 9:2-7.

Andriamanitra miavaka i Jehovah, satria mamela ny helok’izay mangataka famelan-keloka. “Tena mamela heloka tanteraka” izy. Izany no asehon’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka adala sy momba ilay mpanjaka namela ny trosan’ny mpanompony nitentina talenta 10 000 (60 000 000 denaria, na 40 000 000 dolara). Io mpanompo io anefa tsy namela ny trosan’ny mpanompo iray nitentina denaria 100 monja (70 dolara). (Is 55:7; Lk 15:11-32; Mt 18:23-35) Tsy entin’ny fihetseham-po fotsiny anefa i Jehovah rehefa mamela heloka, satria tsy avelany ho afa-maina izay nahavita heloka lehibe. (Sl 99:8) Sanatria azy koa ny tsy hanasazy an’izay minia manohitra azy sy ny fitsipiny marina. (Ek 34:6, 7) Nampitandrina ny Israely i Josoa fa tsy hamela an’izay nivadi-pinoana i Jehovah.​—Js 24:19, 20; ampit. Is 2:6-9.

Izao no takin’Andriamanitra amin’izay te ho voavela heloka: Mila miaiky ny fahotany izy, manaiky fa nanota tamin’Andriamanitra, mibaboka ny fahadisoany, malahelo mafy noho ny fahotana vitany, ary tapa-kevitra ny hiala amin’izany. (Sl 32:5; 51:4; 1Jn 1:8, 9; 2Ko 7:8-11) Tsy maintsy manao izay rehetra azony atao izy mba hanonerana ny ratsy vitany. (Mt 5:23, 24) Mila mangataka famelan-keloka miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy koa izy.​—Ef 1:7; jereo FIBEBAHANA.

Tsy maintsy mamela ny helok’izay nanao fahadisoana taminy ny Kristianina, na impiry izany na impiry. (Lk 17:3, 4; Ef 4:32; Kl 3:13) Tsy mamela an’izay tsy mety mamela ny hafa Andriamanitra. (Mt 6:14, 15) Na izay nanao fahotana lehibe aza ka voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana satria “mpanao ratsy”, dia mety ho voavela heloka any aoriana any, raha tena mibebaka. Afaka manaporofo ny fitiavany azy ny rehetra eo anivon’ny fiangonana amin’izay fotoana izay. (1Ko 5:13; 2Ko 2:6-11) Tsy voatery kosa ny Kristianina hamela ny heloky ny olona zatra manota an-tsitrapo mba hahavoa ny hafa, raha tsy mibebaka ilay olona. Lasa fahavalon’Andriamanitra mantsy ny olona toy izany.​—He 10:26-31; Sl 139:21, 22.

Mety ny mivavaka mba hamelan’Andriamanitra ny heloky ny hafa na ny heloky ny fiangonana manontolo mihitsy. Niaiky ny fahotan’ny firenen’Israely, ohatra, i Mosesy ary nangataka famelan-keloka ho an’ilay firenena, ka neken’i Jehovah. (No 14:19, 20) Nivavaka koa i Solomona tamin’ny fitokanana ny tempoly, ka nangataka mba hamelan’i Jehovah ny heloky ny vahoakany, raha niala tamin’ny fahotany sy ny fanao ratsiny izy ireo. (1Mp 8:30, 33-40, 46-52) Nisolo tena ny Jiosy tafaverina an-tanindrazana i Ezra, ka niaiky ampahibemaso ny helok’izy ireo. Nisy vokany ny vavaka vokatry ny fo nataony sy ny fampirisihana nomeny, hany ka nanitsy ny fahadisoany ny vahoaka mba hahazoany famelan-keloka. (Ezr 9:13–10:4, 10-19, 44) Nampirisihin’i Jakoba ny marary ara-panahy mba hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana hivavaka ho azy. ‘Raha nanota izy, dia havela ny helony.’ (Jk 5:14-16) “Ota mahafaty” kosa no ataon’ny olona iray raha manota amin’ny fanahy masina izy ary minia manota sy zatra manota. Tsy ho voavela ny helok’izany olona izany, ary tsy tokony hisy Kristianina hivavaka ho azy.​—1Jn 5:16; Mt 12:31; He 10:26, 27; jereo FANAHY; OTA.