Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany

Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany

Avy amin’ny teny hebreo hoe milloʼim, izay midika ara-bakiteny hoe “mameno”, izany hoe mameno fahefana ny tanana, na manome fahefana. (Ek 29:22; Le 8:33; jereo TANANA, FENOINA FAHEFANA.) Adika koa hoe “mandraikitra” vato amin’ny firavaka io teny io.​—1Ta 29:2.

Kehatita avy tamin’ny fokon’i Levy i Arona sy ny zanany lahy, ary voatendry ho mpisorona. (Ek 6:16, 18, 20; 28:1) Fito andro, toa ny 1-7 Nisana 1512 T.K., no nametrahana azy ireo teo amin’ny toerany, rehefa nitoby teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay tany amin’ny Saikinosin’i Arabia ny Israely. (Ek 40:2, 12, 17) Vita sy voatsangana ny tranolay fihaonana ny andro voalohan’ilay volana. Nofidin’i Jehovah ny mpisorona, ary nasainy nanamasina sy nametraka azy ireo teo amin’ny toerany i Mosesy rahalahin’i Arona sady mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna. Resahin’ny Eksodosy toko faha-29 ny toromarika nomena an’i Mosesy, ary resahin’ny Levitikosy toko faha-8 ny fomba nanatanterahany izany.

Nisy andry rahona teo ambonin’ny tranolay masina tamin’io andro io, satria nanatrika teo i Jehovah. (Ek 40:33-38) Nangonin’i Mosesy ny omby, ondrilahy roa, harona fasiana mofo tsy misy lalivay, menaka fanosorana, ary akanjon’ny mpisorona. Novoriny teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, teo ivelan’ny lamba namefy ny tokotany, ny fiangonan’Israely, izany hoe ireo anti-panahy solontenan’izy io. Mety ho nesorina ny lamba fanakonana ny vavahadin’ny tokotany (20 hakiho na 8,9 m ny sakany), matoa hitan’izy ireo izay nitranga teo amin’ilay tokotany.​—Le 8:1-5; Ek 27:16.

Nosasan’i Mosesy (na nasainy nisasa) teo amin’ilay koveta varahina teo an-tokotany i Arona sy ny zanany lahy, dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara. Nampanaoviny an’i Arona ny akanjon’ny mpisoronabe avy eo. (No 3:2, 3) Tsara tarehy sy mihaja ilay izy, ary nifanentana tamin’ny mpisoronabe sy ny andraikiny. Nohosoran’i Mosesy ny tranolay masina sy ny fitaovana rehetra tao, ny alitaran’ny fanatitra dorana sy ny kovetabe ary ny fitaovany rehetra. Nohamasinina izy rehetra ireo, ka voatokana hanompoana an’Andriamanitra irery ihany. Farany, nandrarahan’i Mosesy menaka masina ny lohan’i Arona ka nohosorany izy.​—Le 8:6-12; Ek 30:22-33; Sl 133:2.

Omby natao fanatitra noho ny ota. Nampanaovin’i Mosesy akanjo avy eo ny zanak’i Arona. Napetrany teo amin’ny lohan’ny omby hatao fanatitra noho ny ota ny tanan’i Arona sy ny zanany, ho fiekena fa natolotra noho ny fahotan’ny mpisorona ilay izy. Novonoin’i Mosesy ilay omby. Nisy nahosony teo amin’ny alitara ny ra ary nararany teo am-pototry ny alitara ny ambin-dra, ho fanadiovana azy io. Mpanota mantsy ny mpisorona hanolotra fanatitra eo. Nahosotra teo amin’ny tandroky ny alitara ny ra, satria ny ra nalatsaka no mahatonga ny sorona hanan-kery hanadio sy handrakotra fahotana. (He 9:22) Nafafy teo amin’ny alitara koa ny ran’ny fanatitra hafa. (Le 1:5, 11; 3:2; 4:6; 16:18) Tsy nentina tao amin’ny Masina Indrindra anefa ny ran’ilay omby, satria ‘andro fanendrena’ mpisorona tamin’izay, fa tsy andro fandrakofana ny fahotan’ilay firenena. (Jereo Le 16:14.) Natao teo ambony alitara ny taviny teo amin’ny tsinay sy aty, ary ny voa roa sy ny taviny teo amboniny, toy ny fanao tamin’ny fanatitra noho ny ota. (Le 4:8-10, 20, 26, 31) Nodorana tany ivelan’ny toby kosa ny ambin’ilay omby sy ny hodiny ary ny tainy.​—Le 8:13-17.

Ondrilahy roa natao sorona. Napetrak’i Arona sy ny zanany teo amin’ilay ondrilahy atao fanatitra dorana ny tanany. Novonoina ilay izy avy eo, ary nisy nafafy teo amin’ny alitara ny rany. Norasarasaina ilay ondry, nosasana, ary nodorana teo ambony alitara afa-tsy ny tainy sy ny hodiny. (Le 7:8) Nodorana tanteraka ilay ondrilahy fa tsy nisy navela hohanin’ny olona. Nohamasinina tanteraka hanao fanompoana masina ho an’i Jehovah koa àry ireo mpisorona.​—Le 8:18-21; ampit. Le 1:3-9.

Novonoina ilay ondrilahy hafa ‘natao sorona mba hametrahana mpisorona eo amin’ny toerany’, rehefa avy nametraka ny tanany teo aminy ny mpisorona. Ny rany kosa natao teo amin’ny ravintsofina sy ankiben-tanana ary ankiben-tongotr’i Arona sy ny zanany, ka ny ankavanana ihany no nasiana. Tokony hampiasain’izy ireo tsara àry ireo rantsambatana ireo rehefa nanompo izy ireo. Ny ambin-dra kosa nafafin’i Mosesy teo amin’ny alitara.​—Le 8:22-24.

Napetraka teo ambonin’ny fe ankavanan’ilay ondry ny taviny teo amin’ireo taovany (natolotra tamin’ny fomba mahazatra avy eo), sy ny mofo telo tsy misy lalivay (nakana iray avy ireo karazany telo tao anaty harona). Natao teo amin’ny felatanan’i Arona sy ny zanany izy rehetra, ka nahetsiketsik’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah rehefa nataony teo ambanin’ny tanan’izy ireo ny tanany. ‘Nomena fahefana’ àry izy ireo, satria nofenoina fanomezana natao fanatitra ny tanany ary nahazo fahefana feno hanao sorona. Nahazo nanolotra ny tavin’ny sorona teo ambony alitara izy ireo, ary nahazo nandray an’ireo fanomezana maro be nasain’i Jehovah nomena ny mpisorona. Anjaran’ilay mpisorona nanao fanatitra ny fe ankavanan’ny ondrilahy natao fanatitra ahetsiketsika. (Le 7:32-34; No 18:18) Teto anefa, dia nodoran’i Mosesy teo ambony alitara ilay izy. Naseho (nahetsiketsika) teo anatrehan’i Jehovah sy natolotra ilay izy, mba hampisehoana fa nomen’i Jehovah ho anjaran’ny mpisorona ilay izy.​—Le 8:25-28.

Nanao ny asan’ny mpisorona i Mosesy rehefa nametraka an’ireo mpisorona teo amin’ny toerany. Nomena ho anjarany àry ny tratran’ilay ondrilahy, rehefa avy nataony fanatitra ahetsiketsika.​—Le 8:29; jereo koa Ek 29:26-28.

Nohamasinina i Arona sy ny zanany ary ny akanjon’izy ireo, rehefa nisy nafafy taminy ny ran’ilay ondrilahy sy ny menaka masina fanosorana (toa nafangaro ireo). Voatendry ho mpisorona àry izy ireo, noho ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra. Tsy nandrarahana menaka anefa ny lohan’ny zanak’i Arona, tsy toy ny an’i Arona.​—Le 8:30.

Nandrahoin’i Arona sy ny zanany teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ny henan’ilay ondry tsy nodorana teo ambony alitara sy tsy nomena an’i Mosesy. Nohanin’izy ireo ilay izy sy ireo ambi-mofo tao anaty harona. Izay tsy lany kosa nodorana ny ampitso. Midika izany fa tena zava-dehibe ny hoe madio, ary nohamasinina tanteraka izy ireo sady afaka nanompo tsara. Tsy nisy simba na nialina andro mantsy izay nohaniny, ary nodorana tanteraka ny ambiny. Tsy nisy lalivay koa ireo mofo.​—Le 8:31, 32; Ek 29:31-34.

Vita ilay fametrahana mpisorona teo amin’ny toerany. Naharitra fito andro ilay izy, ka rehefa tapitra vao afaka nanao ny asany ny mpisorona. Omby iray no natao sorona noho ny ota isan’andro, mba hanadiovana ny alitara ho afaka amin’ny ota. Tsy nahazo niala teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana ireo mpisorona ireo tamin’izay, na andro na alina, mba hanao an’ilay “fotoam-piambenana tsy maintsy atao sy takin’i Jehovah” ka tsy ho faty.​—Le 8:33-36; Ek 29:35-42.

Voapetraka tanteraka teo amin’ny toerany ny mpisorona, ka nanomboka ny asany ny andro fahavalo (tsy nampian’i Mosesy intsony). Nanao fandrakofam-pahotana ho an’ny firenen’Israely izy ireo. Nila nodiovina ho afaka tamin’ny ota mantsy ilay firenena, satria mpanota sady vao avy nivavaka tamin’ilay zanak’omby volamena ka nampahatezitra an’i Jehovah. (Le 9:1-7; Ek 32:1-10) Nankasitraka an’io fanompoana voalohany io i Jehovah, ary nanamafy ny fanendreny an’ireo mpisorona. Nandatsaka afo avy teo amin’ilay andry rahona teo ambonin’ny tranolay masina àry izy, ka levona ny ambiny tamin’ilay sorona teo ambony alitara.​—Le 9:23, 24.

Tsy resahin’ny Baiboly hoe napetraka teo amin’ny toerany ireo nandimby an’i Arona. Ilay natao tamin’ny voalohany iny mantsy dia efa ampy mba hametrahana ny lehilahy rehetra taranak’i Arona ho mpisorona mandritra ny fotoana tsy voafetra, mandra-pahatongan’ilay tena mpisoronabe mandrakizay, dia i Jesosy Kristy.​—He 7:12, 17; 9:11, 12; jereo MPISORONA; MPISORONABE.