Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famiazana

Famiazana

Fitaovana fanapotsehana voankazo mba hahazoana ny ranony. Taorian’ny fiotazam-boaloboka ny fiotazana oliva, ka matetika ilay fitaovana namiazana voaloboka ihany no namiazana oliva. Nisy koa anefa fitaovana toy ny andry izay famiazana oliva.

Vatosokay roa nolavahana natao miendrika tavy ary tsy dia lalina ny famiazana fahiny. Nifanao ambaratonga izy ireo ary nifandray. (No 18:27, 30; 2Mp 6:27) Nohitsakitsahina na noporetina tao amin’ilay tavy ambony (gat, Ne 13:15) ny voaloboka na oliva, ary nikoriana nankao amin’ilay tavy ambany (yekev, Mpts 7:25; Oh 3:10; Jl 2:24; Hg 2:16) ny ranony. Hoy ny Joela 3:13 momba ireo tavy roa: “Avia, midìna fa feno be ny lavaka famiazam-boaloboka [gat], ary tondraka ny ao anatin’ny fanantazana [hayekavim, mr.; tkn.: yekev] ka mihoatra.” Toa famiazana nampiasana tavy iray monja koa ny hoe yekev, ka tao no nanitsakitsahana ny voaloboka sady nanangonana ny ranony. (Jb 24:11; Is 5:2; 16:10; Je 48:33) Nisolampy kokoa ny fanambaniny, ka niangona teny amin’ny ilany ambany kokoa ny ranom-boaloboka. Porah kosa no niantsoana ny famiazana lavalava sy teritery toy ny tavy fampihinanana biby. (Is 63:3) Lenôs (Mt 21:33) sy hypôleniôn (Mr 12:1) indray no nadika hoe “lavaka famiazam-boaloboka”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

Nanana tavy ambony nirefy 2,4 m ny lavany sy sakany ary 38 sm ny halaliny ny famiazam-boaloboka iray. Nielanelana 60 sm teo ho eo izy io sy ny tavy ambany, izay kely kokoa ary nirefy 1,2 m ny lavany sy sakany ary 90 sm ny halaliny. Tao amin’ny lavaka famiazam-boaloboka toy izany i Gideona no nively varimbazaha.​—Mpts 6:11.

Noporetina tamin’ny vatobe ny voankazo tao anaty famiazana, na nohitsakitsahin’ny olona roa ka hatramin’ny fito na mihoatra. I Jehovah irery anefa, hoy i Isaia, no hanitsakitsaka ny voaloboka ao anaty lavaka famiazana. (Is 63:3) Nisy hazo nitsivalana teo ambonin’ireo nanitsakitsaka voaloboka. Nasiana tady hotazonin’izy ireo ilay izy mba tsy hianjerany. Nipitipitihan’ny “ram-boaloboka” ny akanjon’izy ireo ivelany ka naloto. (Ge 49:11; Is 63:2) Niasa mafy ireo nanitsakitsaka voaloboka, nefa faly koa. Nihorakoraka sy nihira izy ireo, sady nanitsakitsaka ihany. (Mpts 9:27; Je 25:30; 48:33) Ahitana hoe “ny Gitita” (nadika hoe “famiazam-boaloboka” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina) ny teny mampiditra ny Salamo telo (8, 81, 84). Mety ho hira natao rehefa nanao divay ireo salamo ireo.

Heviny an’ohatra. Maromaro ny famiazam-boaloboka an’ohatra resahin’ny Baiboly. (Is 63:2, 3; Ft 1:15) Rehefa tonga ny andron’i Jehovah ka tafavory eo amin’ny lemaka ivan’ny didim-pitsarana ireo vahoaka, dia hivoaka ny baiko hoe: “Arosoy ny antsy fijinjana, fa masaka ny vokatra. Avia, midìna fa feno be ny lavaka famiazam-boaloboka, ary tondraka ny ao anatin’ny fanantazana ka mihoatra. Fa nanjary nitombo be ny faharatsian’ireo firenena.” (Jl 3:13, 14) Natsipy “tao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra” ny “voaloboky ny tany” tao amin’ny fahitan’i Jaona. Famiazam-boaloboky ny “fisafoaky ny fahatezeran’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra” koa izy io, ary ilay “Mendri-pitokisana sy Marina” na “Ny Tenin’Andriamanitra” no manitsakitsaka ny ao anatin’izy io. “Nisy ra nivoaka avy tao. Ary tafakatra hatreo amin’ny lamboridin-tsoavaly ny ra.”​—Ap 14:19, 20; 19:11-16.