Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana

Faminaniana

Hafatra avy amin’Andriamanitra; fampahafantarana na fanambarana ny sitrapony sy fikasany. Mety ho fampianarana avy amin’Andriamanitra, fanambarana ny didiny na didim-pitsarany, na filazana zavatra ho avy ny faminaniana. Tsy filazana mialoha ny hoavy no tena dikan’ny matoanteny fototeny hebreo (navaʼ) sy grika (prôfeteoô), nefa lafiny mampiavaka ny faminanian’ny Baiboly izany.​—Jereo MPAMINANY.

Nasaina ‘naminany tamin’ny rivotra’ i Ezekiela, tao amin’ny fahitana iray, ka nilaza ny baikon’Andriamanitra tamin’ny rivotra. (Ezk 37:9, 10) Nisy olona nanarona ny tarehin’i Jesosy sy namely tehamaina azy, tamin’izy notsaraina. Hoy izy ireo avy eo: “Maminania aminay, ry Kristy! Iza ilay namely anao teo?” Tsy nanontany momba ny hoavy akory izy ireo, fa te hamantatra kosa raha nolazain’Andriamanitra taminy hoe iza no namely azy. (Mt 26:67, 68; Lk 22:63, 64) “Mpaminany” i Jesosy, hoy ilay vehivavy samaritanina nantsaka rano, satria fantany ny fiainan-dravehivavy taloha. Noho ny herin’Andriamanitra anefa no nahalalan’i Jesosy izany. (Jn 4:17-19; ampit. Lk 7:39.) Azo lazaina koa hoe faminaniana ny toritenin’i Jesosy teo an-tendrombohitra sy ny fanamelohany an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. (Mt 23:1-36) ‘Nilaza’ ny fomba fihevitr’Andriamanitra mantsy izy, toy ny nataon’i Isaia, Jeremia, ary ny mpaminany hafa fahiny.​—Ampitahao Is 65:13-16 sy Lk 6:20-25.

Maro be koa anefa ny faminanian’ny Baiboly milaza mialoha ny hoavy, toy ny ao amin’ny Genesisy 3:14-19; 9:24-27; 27:27-40; 49:1-28; Deoteronomia 18:15-19.

Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny tena faminaniana, ary nampitainy tamin’ny alalan’ny fanahy masina na anjely izany indraindray. (2Pe 1:20, 21; He 2:1, 2) Manomboka toy izao matetika ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo: “Henoy ny tenin’i Jehovah.” (Is 1:10; Je 2:4) Hafatra na faminaniana avy aminy mazàna ilay hoe ‘teny.’​—Is 44:26; Je 21:1; Ezk 33:30-33; ampit. Is 24:3.

Inona no dikan’ny hoe “ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny faminaniana”?

Hoy ny anjely iray tamin’ny apostoly Jaona, tao amin’ny fahitana: “Ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny [a.b.t.: fanahin’ny] faminaniana.” (Ap 19:10) “Zava-miafina masin’Andriamanitra” i Kristy, hoy ny apostoly Paoly, ary ‘tsara afina ao aminy ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.’ (Kl 2:2, 3) Notendren’i Jehovah Andriamanitra hanatanteraka ny fikasany mantsy ilay Zanany, dia ny fikasany hanamasina ny anarany sy hamerina ny tany sy ny olona ho toy ny efa nikasany azy tamin’ny voalohany. ‘Nanangana fitantanan-draharaha’ àry i Jehovah, “rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.” (Ef 1:9, 10; ampit. 1Ko 15:24, 25.) I Jesosy no hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra rehetra (ampit. Kl 1:19, 20), ka nanambara an’io Zanany io daholo ny faminaniana na hafatra nolazain’ny mpanompony. Ny hitory momba an’i Jesosy, izay nataon’i Jehovah “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jn 14:6), àry no “fanahin’ny” (zava-kendrena sy tanjon’ny) faminaniana (Ap 19:10), na faminaniana nambara talohan’ny nanompoan’i Jesosy teto an-tany ilay izy na taorian’izay.​—As 2:16-36.

Nanomboka ‘nitory momba an’i Jesosy’ i Jehovah taorian’ny fikomiana tany Edena, rehefa naminany momba ilay ‘taranaka hanorotoro ny lohan’ny menarana’ fahavalon’Andriamanitra. (Ge 3:15) Ny fifanekena natao tamin’i Abrahama koa dia faminaniana momba an’ilay Taranaka, sy momba ny hitahiany ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany ary ny handreseny an’ilay Fahavalo sy ny ‘taranany.’ (Ge 22:16-18; ampit. Ga 3:16.) Hipoitra avy amin’ny fokon’i Joda ilay Taranaka nampanantenaina, izay antsoina koa hoe “Silo” (midika hoe “Ilay Tompony; Izy no Tompony”). (Ge 49:10) Nokasain’i Jehovah hatao ‘fanjaka-mpisorona sy firenena masina’ ny firenen’Israely. (Ek 19:6; ampit. 1Pe 2:9, 10.) Nanao sorona biby ny Israelita, araka ny notakin’ny Lalàna, ary nanana mpisorona. Mifanitsy amin’izany ny hoe nanao sorona ny ainy ilay Zanak’Andriamanitra, ary ho mpisorona any an-danitra (miaraka amin’ny mpisorona hafa) mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. (He 9:23, 24; 10:1; Ap 5:9, 10; 20:6) ‘Mpitaiza nitarika ho amin’i Kristy’ àry ny Lalàna.​—Ga 3:23, 24.

Hoy i Paoly momba ny zava-nitranga niavaka teo amin’ny tantaran’ny Israely: “Nanjo azy ireny izany mba ho anatra [na “tandindona”], ary nosoratana ho fampitandremana ho antsika [mpianatr’i Kristy Jesosy], dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.” (1Ko 10:11) Mifanitsy amin’i Davida mpanjaka nalaza i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, ary izy ilay taranak’i Davida handova fanjakana mandrakizay. (Is 9:6, 7; Ezk 34:23, 24; Lk 1:32; As 13:32-37; Ap 22:16) Niady tamin’ny fahavalo ireo mpanjaka tsy nivadika (notarihin’ny mpaminanin’Andriamanitra sy nampirisihiny) ka nandresy. Hiady amin’ny fahavalon’ilay Fanjakana koa ny Zanak’Andriamanitra, ka handresy an’ireo tafik’i Satana ary hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra.​—Sl 110:1-5; Mi 5:2-6; As 4:24-28; Ap 16:14, 16; 19:11-21.

Momba ny fanjakan’ilay Voahosotr’Andriamanitra (Mesia na Kristy) sy ny fitahiana hoentin’izy io ny faminaniana maro nosoratana tamin’ny andron’ny mpanjaka. Resahin’ny faminaniana sasany koa fa henjehina sy hampijalina ilay Mpanompon’Andriamanitra. (Ampit. Is 11:1-10; 53:1-12; As 8:29-35.) Hoy ny apostoly Petera: “Nanadihady hatrany [ny mpaminany fahiny] hoe rahoviana na hanao ahoana ny fotoana voatondro momba an’i Kristy [Mesia], araka izay notondroin’ny fanahy masina tao amin’izy ireny, rehefa nambaran’io fanahy io mialoha ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra aorian’izany.” Naharihary tamin’izy ireo anefa fa amin’ny hoavy vao ho tanteraka ireo faminaniana.​—1Pe 1:10-12; ampit. Da 9:24-27; 12:1-10.

‘Tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny fahamarinana’, satria tanteraka taminy daholo ireo faminaniana ireo. “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany.” (Jn 1:17; 2Ko 1:20; ampit. Lk 18:31; 24:25, 26, 44-46.) Nilaza koa i Petera fa i Jesosy no “nambaran’ny mpaminany rehetra.”​—As 3:20-24; 10:43; ampit. 28:23.

Antony nanoratana faminaniana sy fotoana ahatanterahany. Nahasoa an’ireo nandre azy voalohany sy ireo mbola hino ny fampanantenan’Andriamanitra ny faminaniana, izay mety ho filazana mialoha ny hoavy, fampianaran’Andriamanitra, na fananarana. Nahazo toky ireo nandre an’ilay izy fa tsy hanova ny fikasany mihitsy Andriamanitra, fa hanaja ny fifanekeny sy hanatanteraka ny fampanantenany kosa. (Ampit. Sl 77:5-9; Is 44:21; 49:14-16; Je 50:5.) Resahin’ny bokin’i Daniela, ohatra, izay nitranga taorian’ny nanoratana an’ireo boky faramparany anisan’ny Soratra Hebreo sy talohan’ny niavian’ny Mesia. Resahiny koa ny amin’ireo firenena matanjaka indrindra hifandimby. Natoky àry ireo Jiosy nofehezin’ny Fanjakana Persianina, Grika, ary Romanina (ary natoky koa ny Kristianina) fa efa nambaran’i Jehovah mialoha ny zavatra iainan’izy ireo, ary tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany. Lasa tsy niantehitra tamin’ireny fanjakana tsy nateza ireny izy ireo, fa nanao zavatra tamim-pahendrena kosa.​—Ampit. Da 8:20-26; 11:1-20.

Hitan’ny olona tso-po fahiny fa tanteraka tamin’ny androny ny faminaniana maro. Niaiky àry izy ireo fa vitan’i Jehovah ny manatanteraka ny fikasany, na dia maro aza ny sakana. Izy tokoa no tena Andriamanitra, ary izy irery ihany no afaka milaza mialoha izay hitranga sy manatanteraka izany. (Is 41:21-26; 46:9-11) Lasa fantatr’izy ireo tsara kokoa Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny fitsipika arahiny rehefa manao zavatra sy mitsara izy. Afaka nampifanaraka ny fiainany tamin’izay fantany àry izy ireo.​—Is 1:18-20; 55:8-11.

Maro be ny faminaniana tanteraka tamin’ny andron’ireo olona nandre azy ireny, anisan’izany ny fanamelohan’Andriamanitra ny Israely sy ireo firenena nanodidina azy, ny faharesen’ny Israely sy Joda ary ny fampodiana azy ireo tany amin’ny taniny. Mbola nahasoa ny olona velona tatỳ aoriana sy ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy ankehitriny anefa ireny faminaniana ireny. Hoy i Paoly: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Ro 15:4) Tsy miova ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fikasany. (Ml 3:6; He 6:17, 18) Hoatran’izay nitondrany ny Israely ihany àry no hitondrany an’izay manao toy ny nataon’izy ireo. Nisy, ohatra, faminaniana efa tanteraka fahiny, nefa nolazain’i Jesosy sy ny mpianany koa hoe tanteraka tamin’ny androny. (Mt 15:7, 8; As 28:25-27) Niresaka fotsiny momba ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany sy izay hitranga aorian’izay kosa ny faminaniana sasany momba ny hoavy. (Is 53; Da 9:24-27) Rehefa tonga àry ny Mesia, dia fantatry ny olona hoe iza izy. Fantany koa fa nirahin’Andriamanitra izy, ary marina ny hafatra nampitainy.​—Jereo MESIA.

Ny Soratra Hebreo sy ireo faminaniana ao ary ny fampianaran’i Jesosy no nanampy ny Kristianina hahazo ny dikan’ireo zava-nitranga nifanesy, taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Nanana fahasahiana àry izy ireo satria marim-pototra ny fitoriany sy ny fampianarany. Be herim-po koa izy ireo rehefa nenjehina. (As 2:14-36; 3:12-26; 4:7-12, 24-30; 7:48-50; 13:40, 41, 47) Hitan’izy ireo fa mahasoa mba “hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, [ary] hanafaizana araka ny fahamarinana” ny boky nosoratana fahiny teo ambany herin’ny fanahy masina. (2Ti 3:16, 17; Ro 9:6-33; 1Ko 9:8-10; 10:1-22) Vao mainka natoky an’ireo faminaniana i Petera rehefa nahita an’i Jesosy niova tarehy. Hoy izy: “Koa manana ny teny faminaniana isika, ary natao azo antoka kokoa izy io. Tsara àry ny ataonareo raha mandinika azy io ianareo, toy ny fandinika jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina.” (2Pe 1:16-19; Mt 16:28–17:9) Ireo faminaniana fahiny sy ny fampianaran’i Jesosy àry no nampiasain’Andriamanitra hitarihana ny fiangonana kristianina, toy ny rehefa nanapa-kevitra momba ny Kristianina hafa firenena izy ireo.​—As 15:12-21; Ro 15:7-12.

Mampitandrina koa ny faminaniana hoe rahoviana no ilaina ny manao zavatra haingana. Nampitandrina, ohatra, i Jesosy hoe horavana i Jerosalema, ary nanome famantarana ny fotoana tokony handosiran’ny mpianany ho amin’ny toerana azo antoka izy. (Lk 19:41-44; 21:7-21) Misy fampitandremana koa ny faminaniana momba ny fanatrehan’i Kristy.​—Ampit. Mt 24:36-42.

Nilatsahan’ny fanahy masina ny Kristianina tamin’ny Pentekosta, ka nisy lasa nahay naminany sy niteny tamin’ny fiteny hafa mbola tsy hainy. Afaka nilaza mialoha ny hoavy ny Kristianina sasany nahay naminany, toa an’i Agabo. (As 11:27, 28; 21:8-11) Afaka niomana hiatrika fitsapana na olana lehibe tampoka àry ny fiangonana na ny Kristianina tsirairay. Nilaza mialoha ny hoavy koa ireo taratasy ekena fa anisan’ny Soratra Masina. Nampitandrina izy ireo fa hisy ny fivadiham-pinoana, ary hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra. Nampahafantatra fahamarinana mbola tsy takatra koa izy ireo, ary nanazava an’izay efa nampahafantarina. (As 20:29, 30; 1Ko 15:22-28, 51-57; 1Te 4:15-18; 2Te 2:3-12; 1Ti 4:1-3; 2Ti 3:1-13; 4:3, 4; ampit. Jd 17-21.) Feno faminaniana mirakitra fampitandremana ny Apokalypsy. Afaka mamantatra ny “dikan’ny famantarana ny fotoana voatondro” (Mt 16:3) àry ny mpamaky azy io, ka manao zavatra haingana.​—Ap 1:1-3; 6:1-17; 12:7-17; 13:11-18; 17:1-12; 18:1-8.

Nilaza anefa i Paoly fa hofoanana ireo fahaizana mahagaga, anisan’izany ny fahaiza-maminany. (1Ko 13:2, 8-10) Asehon’ny porofo fa nitranga izany rehefa maty ireo apostoly, satria efa tratra ny zava-kendren’ireny fahaizana ireny. Efa vita koa ny Baiboly manontolo tamin’izay.

Mitovitovy amin’ny fanoharana sasany nataon’ny mpaminany fahiny ireo nataon’i Jesosy. (Ampit. Ezk 17:1-18; 19:1-14; Mt 7:24-27; 21:33-44.) Tanteraka tamin’ny andron’i Jesosy ny ankamaroan’ny fanoharana nolazainy. Misy indray mirakitra toro lalana. (Mt 18:21-35; Lk 18:9-14) Misy kosa tanteraka hatramin’ny fotoana fanatrehan’i Jesosy sy ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”​—Mt 13:24-30, 36-43; 25:1-46.

Tanteraka imbetsaka. Mety ho tanteraka mihoatra noho ny indray mandeha ny faminaniana iray. Toy izany ireo faminaniana notononin’i Jesosy sy ny mpianany, sy ny faminanian’i Habakoka izay tanteraka voalohany rehefa noravan’i Babylona i Joda, ary tanteraka koa tamin’ny andron’i Paoly. (Ha 1:5, 6; As 13:40, 41) Nilaza i Jesosy fa ho tanteraka amin’ilay taranaka velona tamin’ny androny ny faminanian’i Daniela momba ilay “zava-maharikoriko mahatonga faharavana.” Ho tanteraka amin’ny “fotoanan’ny farany” koa anefa izy io. (Da 9:27; 11:31-35; Mt 24:15, 16) Resahin’ny Daniela 12:1 fa “hitsangana” i Mikaela, izany hoe hanao zavatra ho an’ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany i Jesosy Kristy Mpanjaka. (Jereo MIKAELA No. 1.) Asehon’ny faminanian’i Jesosy momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity koa fa ho avy amin-kery izy rehefa lasa Mpanjaka. Tsy tamin’ny taonjato voalohany anefa izany. (Mt 24:29, 30; Lk 21:25-32) Ho tanteraka indroa àry ilay faminanian’i Daniela. Nanazava koa ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1894) fa misy faminaniana tanteraka indroa. Hoy izy io: “Toa izany no azo anazavana an’ilay faminanian’ny Tompo teo an-tendrombohitra. Tanteraka ilay izy rehefa rava i Jerosalema sy rehefa tapitra ny vanim-potoana kristianina.”​—Boky Faha-8, p. 635.

Fomba nilazana faminaniana. Tsy voatery ho hafatra nampitain’ny mpaminanin’i Jehovah (angamba narahiny fihetsika nanana heviny an’ohatra [1Mp 11:29-31] na filazana fanoharana) ny faminaniana. Indraindray koa mifanitsy amin’ny olona iray fahiny ny olona iray ambaran’ny faminaniana. Mifanitsy amin’i Davida (voaresaka tetsy aloha), Melkizedeka mpanjaka sady mpisorona (He 7:15-17), Mosesy mpaminany (As 3:20-22), ary olon-kafa, ohatra, i Kristy Jesosy, na ny Mesia. Tsy voatery mifanitsy amin’ny lafiny rehetra anefa izy ireo. Telo andro tao an-kibon’ilay trondro ngezabe i Jona. Telo andro tao amin’ny Fasana koa i Jesosy. Nisy lafiny hafa tsy nampitovy an’i Jona sy ny Zanak’Andriamanitra anefa. Tsy nazoto namita iraka, ohatra, i Jona. Nilaza i Jesosy fa “lehibe noho i Solomona” ny tenany, satria mihoatra noho ny an’i Solomona ny fahendreny sy ny fiadanana hoentin’ny Fanjakany. Tsy hoatran’i Solomona anefa i Jesosy satria tsy nivadika mihitsy izy.​—Mt 12:39-42.

Nataon’i Jehovah sary an’ohatra koa ny fiainan’ny olona na firenena iray, mba hilazana zavatra hitranga sasany mifandray amin’ny fahatanterahan’ny fikasany. “Sary an’ohatra”, hoy i Paoly, izy roa lahy zanak’i Abrahama tamin’i Saraha sy Hagara mpanompovavy. “Fifanekena roa” izy roa vavy, amin’ny heviny hoe mifanitsy aminy ny vehivavy an’ohatra roa izay niteraka zanaka tafiditra ao anatin’ireo fifanekena ireo. Mifanitsy amin’i Hagara i Jerosalema teto an-tany, izay sady nanda an’ilay Mpamonjy nambaran’ny Lalàna no nifikitra tamin’ny Lalàna efa nofaranan’Andriamanitra. Andevon’ny Lalàna àry i Jerosalema teto an-tany sy ny zanany. Mifanitsy amin’i Saraha, vehivavy afaka, kosa “ilay Jerosalema any ambony” na ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Niteraka io vadin’Andriamanitra io, araka an’ilay fifanekena natao tamin’i Abrahama. (Ga 4:21-31; ampit. Jn 8:31-36.) Mifanitsy amin’izay nitranga talohan’ny Safodrano sy ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa koa ny fanatrehan’i Kristy sy izay hanjo an’ireo manohitra an’Andriamanitra.​—Mt 24:36-39; ampit. 1Ko 10:1-11.

Indraindray koa misy toerana manana heviny ara-paminaniana, toy ny tanànan’i Jerosalema teo an-tendrombohitra Ziona. Mifanitsy amin’izy io ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, na ilay ‘renin’ny’ Kristianina voahosotra. (Ga 4:26) Ny ‘ampakarin’i’ Kristy any an-danitra kosa ilay “Jerosalema Vaovao”, na ny fiangonana kristianina be voninahitra. (Ap 21:2, 9-14; ampit. Ef 5:23-27, 32, 33; Ap 14:1-4.) Nivadika anefa ny ankamaroan’ny mponina tao Jerosalema, ka sary an’ohatra ilazana fivadiham-pinoana koa ilay tanàna. (Ga 4:25; ampit. Ezk 16:1-3, 8-15; jereo JEROSALEMA [Tanàna niavaka].) Nisy heviny ara-paminaniana koa i Sodoma, Ejipta, Megido, Babylona, ary ny Lohasahan’i Hinoma na Gehena.​—Ap 11:8; 16:16; 18:2; Mt 23:33.

Misy zavatra sy fomba fiasa koa manana heviny ara-paminaniana. “Tandindona fotsiny sady aloky ny zavatra any an-danitra”, ohatra, ny tranolay masina sy ireo kojakojany ary ny fanompoana sy sorona natao tao.​—He 8:5; 9:23, 24.

Famantarana ny tena faminaniana sy ny heviny. Nilaza i Jaona fa tsy tokony hinoana izay ‘fanambarana avy amin’ny fanahy’ na faminaniana rehetra, satria misy avy amin’ny mpaminany sandoka. Hoy izy: “Fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.” (1Jn 4:1) Avy amin’Andriamanitra, hoy izy, ilay fampianarana hoe tonga tamin’ny nofo i Kristy. Tsy io fampianarana io ihany anefa no avy amin’Andriamanitra, saingy io angamba no niadian-kevitra be tamin’ny andron’i Jaona. (1Jn 4:2, 3) Tokony hifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny sitrapony ny tena faminaniana (De 13:1-5; 18:20-22), ary tokony hifanaraka an-tsakany sy an-davany, fa tsy hoe amin’ny ampahany fotsiny. Tsy ho diso koa amin’izay ny fanazavana azy io. (Jereo MPAMINANY [Tena izy sy sandoka].) ‘Nahay namantatra ny fanambarana avy amin’ny fanahy’ (1Ko 12:10) ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka nahalala hoe marina sa tsia ny faminaniana iray. Nitsahatra anefa io fahaizana mahagaga io. Na izany aza, dia mbola ampian’Andriamanitra hahazo ny hevitry ny faminaniana ny fiangonana kristianina, indrindra amin’izao “fotoanan’ny farany” izao, rehefa mazoto mandalina sy mianatra ary mampitaha faminaniana amin’ny zava-mitranga.​—Ampit. Da 12:4, 9, 10; Mt 24:15, 16; 1Ko 2:12-14; 1Jn 4:6; jereo FANDIKAN-TENY, FANAZAVANA.