Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famoriam-bola

Famoriam-bola

Hoy i Paoly tamin’ny Korintianina, tamin’izy tany Efesosy (taona t. 55): “Mikasika ilay famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia aoka koa ianareo hanao araka izay nandidiako an’ireo fiangonana any Galatia.” (1Ko 16:1, 2) Efa hatramin’ny taonjato fahatelo T.K. no nampiasana ny teny grika hoe lôgia (“famoriam-bola”). Ireo andininy roa ireo monja no ahitana azy io ao amin’ny Baiboly.

Resahin’ny Matio 17:24 fa nisy “lehilahy namory ny hetra drakma roa”, saingy lambanô ny teny grika nampiasaina eo, izay midika koa hoe “mandray.”​—Ampit. Prot.

Manokana ilay famoriam-bola noresahin’i Paoly, ary efa fantatry ny Korintianina ilay izy matoa nataony hoe “ilay famoriam-bola.” Nanome toromarika momba ny fomba hanaovana an’ilay izy fotsiny izy. Samy hanokana vola “any an-tokantranony” ny tsirairay, “arakaraka izay azony”, ary natao an-tsitrapo izany. Toy izany koa no nataon’ireo ‘fiangonana tany Galatia.’​—1Ko 16:1, 2.

Tsy nanao didy jadona na nibaikobaiko i Paoly rehefa ‘nandidy’, fa niandraikitra sy nanara-maso an’ilay famoriam-bola kosa, satria fiangonana maromaro no voakasika. (1Ko 16:1) Efa nandamina tsara an’ilay izy mantsy izy sy ny olon-kafa. Tsy izay nilain’ireo fiangonana teo amin’ny lafiny ara-panahy ihany no noeritreretin’i Paoly, fa izay hanampiana ny Kristianina mahantra koa. Toa natao indrindra ho an’ny Kristianina sahirana mafy tany Jodia ilay famoriam-bola (Ga 2:10), izay nantsoin’i Paoly koa hoe: “Fanomezana ho an’izay mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema” (Ro 15:26), “fanompoana ny olona masina” (2Ko 9:1), “fanomezana ataonareo amim-pahalalahan-tanana”, “izao fanompoana ho an’ny besinimaro izao” (2Ko 9:5, 12), ary “fanomezana ho an’ny mahantra” (As 24:17). Anisan’ny nampiavaka ny Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny fiahiana sy fitiavan-drahalahy toy izany.​—Jn 13:35; jereo FANOMEZANA.