Fampiharihariana
Avy amin’ny teny grika hoe apôkalypsis, izay midika hoe “fanalana sarona” na “fampahafantarana”, ary matetika ilazana fampiharihariana an’izay momba an’Andriamanitra na ny sitrapony sy ny fikasany. (Lk 2:32; 1Ko 14:6, 26; 2Ko 12:1, 7; Ga 1:12; 2:2; Ef 1:17; Ap 1:1) Vokatry ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra izany fampiharihariana izany. Hoy ny apostoly Paoly momba ny fampiharihariana ny “zava-miafina masina”: “Ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha dia tsy nampahafantarina an’io zava-miafina io hoatran’izao ampiharihariana azy amin’ny apostoliny masina sy ny mpaminaniny izao, amin’ny alalan’ny fanahy masina. Izao izany zava-miafina izany: Tokony ho mpiray lova sy anisan’ny vatana iray ireo hafa firenena, sady hiara-manana ilay fampanantenana amintsika, ary ho tafaray amin’i Kristy Jesosy, noho ny vaovao tsara.”—Ef 3:1-6; Ro 16:25.
Hamafisin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa naharihary tamin’ny alalan’ny fanahy masina ilay zava-miafina masina. Notarihin’ny fanahy i Petera sy Paoly ary Barnabasy ka nitory tamin’ny tsy Jiosy. Nisy lasa mpino ny tsy Jiosy na “hafa firenena” tsy voafora, ka nahazo ny fanahy masina. Nitondra ny anaran’Andriamanitra àry izy ireo. (As 10:9-48; 13:2-4) Efa naminany momba izany i Amosa, ary tanteraka tamin’ny taonjato voalohany ny faminaniany, noho ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra.—As 15:7-20; ampit. Am 9:11, 12.
Hisy koa “ny fampiharihariana ny fitsarana marin’Andriamanitra” (Ro 2:5), sy “ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:19) “Haharihary [koa] i Jesosy Kristy” sy “ny voninahiny.” (1Pe 1:13; 4:13) Fantatra avy amin’ny teny manodidina sy ny andininy hafa hoe rahoviana ireo zavatra ireo no hitranga. Hahazo valisoa sy fitahiana ny olo-marina ary haringana ny ratsy fanahy, rehefa mitranga tsirairay ireo fampiharihariana ireo.
Ro 8:14-18) Hovan’i Jesosy Kristy Tompo ny vatan’izy ireo nambanina mba hitovy endrika amin’ny vatany be voninahitra (Fi 3:20, 21), ka hiara-manjaka aminy izy ireo. (2Ti 2:12) ‘Haharihary [àry] ireo zanak’Andriamanitra’ rehefa omem-boninahitra sy miara-manjaka amin’i Kristy Jesosy izy ireo. Ho lehibe tokoa ny voninahitra haharihary amin’ny alalan’izy ireo, ka ho toy ny tsinontsinona ny fijaliany rehetra teto an-tany. (Ro 8:18, 19) Hoy i Paoly momba ny fitahiana be dia be hoentin’izany: “Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Ro 8:21.
Fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra. Nilaza i Paoly fa “zanak’Andriamanitra” ireo natsangany ho zanany sy mpiara-mandova amin’i Kristy, ka homem-boninahitra. (Fampiharihariana ny fitsarana marin’Andriamanitra. Hitranga amin’ny ‘andro fahatezeran’Andriamanitra’ izany (Ro 2:5), rehefa “hamaly ny tsirairay araka izay nataony avy izy”: Hiaina mandrakizay ireo maharitra manao ny tsara, fa haringana kosa ireo mankatò ny tsy fahamarinana.—Ro 2:6-8.
Fampiharihariana an’i Jesosy Kristy. Hovalian-tsoa ny Kristianina tsy mivadika, fa hiharan’ny didim-pitsarana kosa ireo tsy tia an’Andriamanitra, rehefa “haharihary i Jesosy Kristy” sy ny “voninahiny”, izany hoe rehefa miharihary fa Mpanjaka be voninahitra manam-pahefana hamaly soa sy hanasazy izy. ‘Hiravoravo’ amin’izay ny Kristianina voahosotra izay efa niaritra fijaliana sy tsy nivadika. (1Pe 4:13) Hitondra fiderana sy voninahitra ary haja koa ny finoan’izy ireo vita sedra, ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy ireo. (1Pe 1:7, 13) Haringana mandrakizay kosa ireo tsy mahalala an’Andriamanitra sy tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo, ka hafahana izay nampahorin’izy ireo.—2Te 1:6-10.