Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampihavanana

Fampihavanana

FAMPIHAVANANA

Ny hoe mampihavana dia midika hoe manampy olona niady mba hifandray tsara na hifanaraka indray; mandamina tsy fifanarahana na mamitram-pihavanana. Avy amin’ny matoanteny allassô midika hoe “manova”, ny teny grika iray tarika amin’ny hoe fampihavanana.—As 6:14; Ga 4:20.

Lasa nidika hoe “mampihavana” ny teny hoe katallassô, na dia “manakalo” aza no tena dikany. (Ro 5:10) Katallassô, ohatra, no nampiasain’i Paoly rehefa nilaza izy hoe tokony “hody” amin’ny vadiny ny vehivavy nisintaka. (1Ko 7:11) Ny matoanteny diallassômai kosa no nampiasain’i Jesosy, rehefa nilaza izy fa tokony ‘hihavana’ amin’ny rahalahiny aloha ny olona, vao hanolotra fanatitra eo amin’ny alitara.—Mt 5:24.

Mihavana amin’Andriamanitra. Nampiasa ny teny hoe katallassô sy apôkatallassô (teny fanamafisana) i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina sy ny taratasiny hafa, rehefa nilaza fa ny soron’i Kristy Jesosy no mampihavana ny olona amin’Andriamanitra.

Nila nihavana tamin’Andriamanitra ny olona satria lasa tafasaraka taminy, ka tsy nifandray tsara na tsy nifanaraka taminy intsony. Lasa fahavalony mihitsy aza izy ireo. Nanota mantsy i Adama, ilay lehilahy voalohany, ka lasa mpanota sy tsy lavorary koa ny taranany rehetra. (Ro 5:12; ampit. Is 43:27.) Hoy àry i Paoly: “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo. Sady tsy eo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra mantsy ny nofo, no tsy mety ho toy izany [noho izy io tsy lavorary sy mpanota]. Koa tsy afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra àry ny olona araka ny nofo.” (Ro 8:7, 8) Lasa fahavalon’Andriamanitra ny olona, satria tsy afaka ny hankasitraka na hanala tsiny ny faharatsiana mihitsy Izy noho ireo fitsipiny lavorary. (Sl 5:4; 89:14) Nanana toetra lavorary toa an-dRainy ny Zanany, araka ny voalaza hoe: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna.” (He 1:9) Marina fa ‘fitiavana Andriamanitra’ ary ‘lehibe tokoa ny fitiavany an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana’ mba hamonjena azy ireo. Fahavalon’Andriamanitra ihany anefa ny olon-drehetra ka fitiavana baikon’ny fitsipika (gr.: agape) no nasehony tamin’izy ireo, izany hoe tiany toy ny fahavalony izy ireo fa tsy tiany toy ny namany (gr.: filia).—1Jn 4:16; Jn 3:16; ampit. Jk 4:4.

Tonga lafatra ny fahamarinan’Andriamanitra, ka tsy afaka ny hankasitraka ny ota mihitsy izy. Tsy firaharahana ny sitrapony mantsy ny ota. “Tsara fanahy sy mamindra fo” izy sady “manankarena famindram-po” (Sl 145:8, 9; Ef 2:4), kanefa tsy mampandefitra ny rariny mihitsy. Mety tsara ny nanoharan’ny rakipahalalana iray ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona amin’ny fifandraisan’ny “mpanjaka mpitsara sy ny mpanao heloka bevava nandika ny lalàny sy nanohitra ny fahefany, ka nentina toy ny fahavalo.” (Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong, 1894, Boky Faha-8, p. 958) Toa an’io mpanao heloka bevava io ny olombelona, noho izy nandova ota avy tamin’i Adama razambeny.

Ny fomba nampihavanana. Ny sorom-panavotan’i Kristy ihany no ahafahan’ny olona tena mihavana amin’Andriamanitra. I Jesosy mantsy no “lalana”, ary tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany. (Jn 14:6) “Sorona fampihavanana [gr.: hilasmôn] noho ny fahotantsika” ny fahafatesany. (1Jn 2:2; 4:10) “Fomba fampitonena” na “fandrakofam-pahotana” no dikan’ny hoe hilasmôs. Tsy ‘fomba nampitonena’ ny fahatezeran’Andriamanitra akory ny soron’i Jesosy Kristy, satria tsy nampitony azy mihitsy ny nahita ny Zanany malala novonoina. Nampitony kosa io sorona io, amin’ny heviny hoe io no fomba eken’Andriamanitra fa mifanaraka amin’ny fitsipiny ara-drariny, mba hahafahany mamela heloka. Amin’izay dia “ho marina izy rehefa manambara fa marina ny olona [nandova ota] mino an’i Jesosy.” (Ro 3:24-26) Nanonitra tanteraka ny fahotan’ny olona sy ny fandikan-dalàna nataony ny soron’i Kristy, ka azon’ny olona atao ny mifandray tsara indray amin’ilay Mpanjaka Fara Tampony.—Ef 1:7; He 2:17; jereo VIDIM-PANAVOTANA.

Nampiasain’Andriamanitra àry i Kristy mba ‘hampihavanina aminy indray ny zavatra hafa rehetra amin’ny alalan’ny [ran’i Jesosy] nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana.’ Nisy olona ‘lavitra an’Andriamanitra sady fahavalony’ taloha, satria nifantoka tamin’ny asa ratsy ny sain’izy ireo. “Nampihavanin’Andriamanitra taminy” anefa izy ireo, “tamin’ny alalan’ny vatana ara-nofo [nananan’i Jesosy], tamin’ny nahafatesany. Amin’izay dia mba ho masina sy tsy misy tsiny ary tsy misy hokianina [izy ireo] rehefa atolotra eo anatrehany.” (Kl 1:19-22) Azon’i Jehovah Andriamanitra atao izao ny ‘manambara ho marina’ an’ireo nofidiny ho zanany ara-panahy. Tsy hisy ho afaka hiampanga azy ireo intsony, satria efa nampihavanina taminy izy ireo.—Ampit. As 13:38, 39; Ro 5:9, 10; 8:33.

Ahoana kosa ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra velona talohan’ny nahafatesan’i Kristy? Anisan’izany i Abela, izay ‘nambara ho marina, ka Andriamanitra no nanaporofo fa nankasitrahany ny fanomezana nataony’; Enoka izay ‘nanambarana fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra’; Abrahama izay “nantsoina hoe ‘naman’i Jehovah’ ”; Mosesy, Josoa, Samoela, Davida, Daniela, Jaona Mpanao Batisa, ary ny mpianatr’i Kristy (izay nilazan’i Jesosy talohan’ny nahafatesany hoe ‘Tia anareo ny Ray’). (He 11:4, 5; Jk 2:23; Da 9:23; Jn 16:27) Nifandray tamin’izy rehetra ireo i Jehovah sady nitahy azy. Nahoana àry no mbola nilaina ny nahafatesan’i Kristy mba hampihavanana azy ireo taminy?

Azo lazaina hoe efa nihavana tamin’Andriamanitra ihany izy ireo. Mbola nandova ota toy ny olon-drehetra ihany anefa izy ireo, ary niaiky izany izy ireo matoa nanolotra sorona biby. (Ro 3:9, 22, 23; He 10:1, 2) Marina fa misy olona manota kokoa noho ny hafa na mikomy an-kitsirano mihitsy aza. Rehefa ota anefa dia ota, na kely izany na lehibe. Mpanota daholo àry ny taranak’i Adama ka mila hampihavanina amin’Andriamanitra, ary ny soron’ilay Zanany no ahafahana manao izany.

Ny finoan’ireo olona taloha ireo no nahatonga azy ireo ho lasa naman’Andriamanitra. Nino mantsy izy ireo fa hanafaka tanteraka azy ireo amin’ny ota Andriamanitra amin’ny fotoana voatondrony. (Ampit. He 11:1, 2, 39, 40; Jn 1:29; 8:56; As 2:29-31.) Afaka nihavana taminy àry izy ireo, satria efa nikasa ny hanome vidim-panavotana Izy. ‘Neken’Andriamanitra’ na ‘nisainy’ ho isan’ny olo-marina izy ireo noho ny finoany. (Jereo MANAMBARA HO MARINA.) Efa azon’Andriamanitra antoka koa fa hanome vidim-panavotana ny tenany. Tsy mandika ny fitsipiny ara-drariny àry Izy raha lasa namany izy ireo. (Ro 4:3, 9, 10, TV sy Prot.; ampit. Ro 3:25, 26; 4:17.) Tsy maintsy aloa ihany anefa ny vidim-panavotana mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fitsipiny ara-drariny. Miavaka tokoa àry ny toerana tanan’i Kristy! Raha tsy amin’ny alalany mantsy, dia tsy hisy olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra na hahazo sitraka aminy.—Ampit. Is 64:6; Ro 7:18, 21-25; 1Ko 1:30, 31; 1Jn 1:8-10.

Dingana ilaina hatao. Ny olona no tsy maintsy mihavana amin’Andriamanitra, fa tsy Andriamanitra no tokony hihavana amin’ny olona, satria ny lalàny no nodikaina sy mbola dikaina. (Sl 51:1-4) Ambony noho ny olona Andriamanitra, ary tsy miovaova na mila hahitsy ny fitsipiny. (Is 55:6-11; Ml 3:6; ampit. Jk 1:17.) Tsy maintsy arahina àry ny fepetra takiny mba hihavanana aminy, fa tsy azo iadiam-barotra na ampandeferina. (Ampit. Jb 40:1, 2, 6-8; Is 40:13, 14.) Baiboly maro no mandika ny Isaia 1:18 hoe: “Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah” (Prot.; jereo koa Kat.; DIEM; JM), kanefa mety kokoa ny hoe: “‘Avia hifandamina isika’, hoy i Jehovah.” Ny nataon’ny olona mantsy no nahatapaka ny fihavanana, fa tsy ny nataon’Andriamanitra.—Ampit. Ezk 18:25, 29-32.

Be famindram-po anefa Andriamanitra, ka izy indray no nanao ny dingana voalohany mba hihavanan’ny olona aminy, tamin’ny alalan’ny Zanany. Hoy i Paoly: “Fa fony isika mbola nalemy, dia maty ho an’ny ratsy fanahy i Kristy, tamin’ny fotoana voatondro. Mahalana vao misy manaiky ho faty ho an’ny olo-marina, fa angamba mety hisy ihany ho sahy ho faty ho an’ny olona tsara fanahy. Andriamanitra kosa anefa naneho ny fitiavany [agapen] antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy. Koa vao mainka matoky isika fa hovonjena amin’ny alalany ho afaka amin’ny fahatezerana, satria nambara ho marina isika ankehitriny noho ny rany. Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, dia vao mainka hovonjena amin’ny fahavelomany isika, amin’izao efa nampihavanina tamin’Andriamanitra izao. Ary tsy izany ihany fa mifaly amin’Andriamanitra koa isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fampihavanana amin’Andriamanitra, ankehitriny.” (Ro 5:6-11) “Tsy nanota mihitsy” i Jesosy nefa ‘natao ota hamonjena antsika’, izany hoe natao fanatitra noho ny ota mba hanavotana ny olona amin’ny fanamelohan’ny ota. Afaka ny “ho lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra” àry izy ireo ‘amin’ny alalan’i Jesosy.’—2Ko 5:18, 21.

Maniraka ambasadaoro koa Andriamanitra, noho izy mamindra fo sy be fitiavana. Tamin’ny fotoanan’ny ady no nirahina taloha ny ambasadaoro (ampit. Lk 19:14) mba hijery sao azo sorohina ihany ilay ady, na mba hanao raharaham-pihavanana. (Is 33:7; Lk 14:31, 32; jereo AMBASADAORO.) Maniraka an’ireo Kristianina ambasadaorony koa Andriamanitra, mba hahafahan’ny olona mpanota hihavana aminy. Hoy i Paoly: “Ambasadaoro solon’i Kristy àry izahay, toy ny hoe miangavy amin’ny alalanay Andriamanitra. Solon’i Kristy izahay ka miangavy hoe: ‘Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!’” (2Ko 5:20) Tsy hoe milefitra amin’ny faharatsiana akory Andriamanitra raha miangavy toy izany. Be famindram-po kosa izy, ka mampirisika an’ireo manao fahadisoana mba hihavana aminy sao hiharan’ny fahatezerany izy ireo. Ho ringana mantsy izay rehetra mikiry manohitra ny sitrapony. (Ampit. Ezk 33:11.) Na ny Kristianina aza mila mitandrina sao ‘manaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra nefa manadino ny zava-kendren’izany.’ Mila miezaka mitady sitraka aminy foana izy ireo, mandritra ny “fotoana fanehoana fankasitrahana” sy ny “andro famonjena” izay mbola avelany hitohy.—2Ko 6:1, 2.

Tsy maintsy mibebaka izay olona miaiky fa mila mihavana amin’Andriamanitra, sy izay manaiky fa ny soron’ny Zanany no fomba nofidin’Andriamanitra hihavanana aminy. Tsy maintsy miverina koa izy, izany hoe tsy manao ny fanaon’ity tontolo mpanota ity intsony. Ho voavela heloka sy hihavana amin’Andriamanitra izy, raha miangavy azy noho ny finoany ny vidim-panavotan’i Kristy. Ho “fotoana mamelombelona avy amin’i Jehovah” izany (As 3:18, 19), ka hilamin-tsaina sy hanana fo tony izy. (Fi 4:6, 7) “Niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana” izy, satria tsy fahavalon’Andriamanitra intsony ka tsy hiharan’ny fahatezerany. (Jn 3:16; 5:24) Tsy maintsy miezaka hahazo sitraka amin’Andriamanitra foana izy aorian’izay, izany hoe “miantso azy araka ny fahamarinana”, sy ‘maharitra amin’ny finoana ary tsy voafindra hiala amin’ny fanantenana an’ilay vaovao tsara.’—Sl 145:18; Fi 4:9; Kl 1:22, 23.

Inona no dikan’ny hoe ‘nampihavanin’Andriamanitra taminy izao tontolo izao’?

Hoy i Paoly: “Nampihavanin’Andriamanitra taminy tamin’ny alalan’i Kristy izao tontolo izao, ka tsy nisainy ny helok’izy ireo.” (2Ko 5:19) Tsy hoe tonga dia mampihavana ny olon-drehetra amin’Andriamanitra anefa ny soron’i Jesosy. Noresahin’i Paoly mantsy avy eo fa miangavy ny olona toy izao ireo ambasadaoro: “Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!” (2Ko 5:20) Efa nanome an’i Jesosy ho sorona Andriamanitra mba ho afaka hihavana aminy izay rehetra vonona hanaiky an’ilay fanasana. Tonga “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro” àry i Jesosy, ka “izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.”—Mt 20:28; Jn 3:36; ampit. Ro 5:18, 19; 2Te 1:7, 8.

Efa fikasan’i Jehovah Andriamanitra anefa ny ‘hanangona indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.’ (Ef 1:10) Marina fa haringana izay tsy mety “hifandamina” (Is 1:18) amin’i Jehovah, kanefa hihavana tanteraka aminy izao rehetra izao aorian’izay. Ho lasa naman’Andriamanitra indray ny olona, ary handrotsahany fitahiana tondraka toy ny tany Edena.—Ap 21:1-4.

Nolavin’i Jehovah Andriamanitra ny firenen’Israely nanaovany fifanekena, satria nivadika taminy sy nanda ny Zanany. (Mt 21:42, 43; He 8:7-13) Azo inoana fa izany no tian’i Paoly horesahina rehefa nilaza izy hoe “midika ho fampihavanana an’izao tontolo izao amin’Andriamanitra ny fanariana azy ireo.” (Ro 11:15) Resahin’ny teny manodidina mantsy fa lasa afaka mihavana amin’Andriamanitra koa ny tsy Jiosy. Afaka ny hiditra ao amin’ny fifanekena vaovao izy ireo sy ny Jiosy sisa tsy nivadika, ka ho lasa anisan’ny firenena vaovao antsoina hoe Israely ara-panahy.—Ampit. Ro 11:5, 7, 11, 12, 15, 25.

Efa nihavana tamin’Andriamanitra ihany ny Jiosy, satria efa nanaovan’i Jehovah fifanekena ka lasa ‘fananany manokana.’ (Ek 19:5, 6; 1Mp 8:53; Sl 135:4) Mbola nila nihavana tanteraka taminy anefa izy ireo, tamin’ny alalan’ilay Mpanavotra nambara mialoha na ny Mesia. (Is 53:5-7, 11, 12; Da 9:24-26) Ny tsy Jiosy kosa tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra, satria ‘tafasaraka tamin’ny firenen’Israely ka vahiny raha ny amin’ireo fifanekena momba ny fampanantenana, ary tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra, teo amin’izao tontolo izao.’ (Ef 2:11, 12) Efa fikasan’Andriamanitra anefa ny hitondra fitahiana ho an’ny “firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany”, araka ny zava-miafina masina momba ilay Taranaka. (Ge 22:15-18) Lasa “akaiky” àry ny tsy Jiosy “noho ny ran’i Kristy”, na dia lavitra aza fahiny. (Ef 2:13) Noravan’ny soron’i Jesosy koa ny rindrina nanasaraka ny Jiosy sy ny tsy Jiosy, satria notanterahin’izy io ny fifaneken’ny Lalàna ary nofoanany. ‘Nampihavana tanteraka azy roa tonta tamin’Andriamanitra’ i Kristy, ‘ka tonga vatana iray izy ireo, amin’ny alalan’ny hazo fijaliana, satria ny tenany no namonoany ilay fandrafiana [ilay fisarahana vokatry ny fifaneken’ny Lalàna].’ Samy afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy àry ny Jiosy sy ny tsy Jiosy. Ho tafiditra ao amin’ilay fifanekena vaovao koa ireo tsy Jiosy, ka ho mpiara-mandova amin’i Kristy.—Ef 2:14-22; Ro 8:16, 17; He 9:15.