Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampitana Vaovao sy Hafatra

Fampitana Vaovao sy Hafatra

Isan-karazany ny fomba nifampitan’olona vaovao sy hafatra tany Palestina fahiny. Nampitaina am-bava ny ankamaroan’ny vaovao teo an-toerana sy avy tany ivelany. (2Sa 3:17, 19; Jb 37:20) Nampita vaovao ny olona avy tany an-tany hafa (matetika niaraka tamin’ny mpiara-manao dia lavitra), rehefa nijanona hisakafo, hisotro rano, na hividy vatsy tao amin’izay tanàna nolalovany. Niavaka ny toerana nisy an’i Palestina, noho izy fandalovan’ny mpanao dia lavitra ho any Azia sy Afrika ary Eoropa na avy tany. Mora tamin’ny mponina tao àry ny nahare vaovao lehibe avy tany an-tany hafa. Re tany an-tsena matetika ny vaovao avy tany sy avy teo an-toerana.

Feo na teny na zavatra hita maso no nampitana vaovao indraindray, raha tsy lavitra ilay niresahana. (Js 8:18, 19; 1Sa 20:20-22, 35-39) Nasaina nanao trompetra volafotsy roa i Mosesy, taorian’ny nialan’ny Israely tany Ejipta. Notsofin’ny mpisorona taranak’i Arona izy ireny rehefa nila novorina ny vahoaka na ny mpiadidy, rehefa niainga ny toby, na nantsoina hiady tamin’ny fahavalo ny Israelita. (No 10:1-10) Ny nitsofan’i Gideona anjombona no famantarana ho an’ny olony fa nanomboka ny ady tamin’ny Midianina (izay ho resin’izy ireo).​—Mpts 7:18-22; jereo TANDROKA, ANJOMBONA; TROMPETRA.

Mpihazakazaka no nampitondrain’ny manam-pahefana hafatra na taratasy matetika. (2Sa 18:19-32) Nitety an’i Israely sy Joda, ohatra, izy ireny nitondra taratasy avy tamin’i Hezekia Mpanjaka, izay nampiantso ny vahoaka hankalaza ny Paska any Jerosalema. (2Ta 30:6-12) Nitaingina soavaly haingam-pandeha kosa ny iraka nalefan’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa hitondra didy hitsipaka ny baikon’i Hamana, izay nitetika ny handripaka ny Jiosy tao amin’ny Fanjakana Persianina. (Es 8:10-17) Tena nilain’ny ankamaroan’ny mpitondra fahiny ny soratra mba hampandeha tsara ny raharaham-panjakana, ka teo amin’ny takelaka tanimanga, taratasy papyrus, na hodi-biby no nanoratana, arakaraka ny fotoana sy ny toerana. Nahita soratra fahiny maro nataon’ny fanjakana na mpivarotra ny mpikaroka. Nambaran’ny mpitondra hafatra ny didin’ny mpanjaka. (Da 3:4-6) Nampiasa iraka koa ny olon-kafa, fa tsy ny mpitondra ihany.​—Jereo IRAKA; MPITONDRA HAFATRA.

Tena nilaina ny lalana mba hampitana vaovao tao amin’ny tany iray na tany amin’ny toerana lavitra kokoa. Tsara sy voakojakoja ny lalana tany Israely sy Joda fahiny. Nanao lalana nampifandray an’i Roma tamin’ny faritra rehetra nofeheziny ny Romanina, ka nanamora ny fampitan’ny fanjakana hafatra sy ny fivezivezen’ny tafika. Maro ny nandeha tamin’ireny lalana tsara ireny tamin’ny andron’i Jesosy Kristy. Nandeha tamin’ireny koa ny Kristianina, toa an’i Paoly sy ny misionera namany, rehefa nankany Azia Minora sy Eoropa mba hanorina sy hitsidika indray an’ireo fiangonana.

Nampitaina tamin’ny alalan’ny sambo namakivaky ny Ranomasina Mediterane koa ny hafatra avy amin’ny fitondrana sy ny vaovao, mba hateriny any amin’ny seranana samihafa. Nampiasa sambo hampitana hafatra ny fitondrana romanina rehefa vanin-taona mafana, nefa toa fitaterana an-tanety no tena nampiasainy noho izy ireny azo antoka kokoa.

Nampiasa iraka mpitondra taratasy ny Romanina, saingy taratasy ofisialy fotsiny no nentiny. Ny olon-tsotra kosa nampitondra taratasy an’izay olom-pantany. Nampitondraina olona ny taratasy nampahafantatra ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema momba ny famorana (As 15:22-31), sy ireo taratasy anisan’ny Soratra Masina. Nampitondrain’i Paoly an’i Tykiko sy Onesimosy, ohatra, ilay nosoratany ho an’ny Kolosianina.​—Kl 4:7-9; jereo TARATASY.

Tia mampahafantatra ny tenany i Jehovah, ka nasainy nosoratana ho an’ny mpanompony ny hafatra avy aminy. Izy mihitsy no nanoratra ny Didy Folo teo amin’ny takela-bato. (Ek 31:18) Nomeny ny fanahiny koa ny lehilahy hebreo tsy nivadika maromaro (i Mosesy no voalohany, tamin’ny 1513 T.K.) mba hanoratra ny hafany.