Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta

Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta

Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama (talohan’ny 1933 T.K.), rehefa avy nampanantena fa ny taranany no handova ny tany Kanana: “Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo, ka hampahoriny efajato taona. Hotsaraiko anefa ilay firenena hotompoin’izy ireo. Ary hivoaka hitondra zava-tsoa maro izy ireo aorian’izany. ... Fa amin’ny andron’ny zafiafiny kosa izy ireo vao hiverina eto, satria mbola tsy mahatratra ny fara tampony ny fahadisoan’ny Amorita.”​—Ge 15:13-16.

Tsy maintsy ho nipoitra aloha ilay ‘taranaka’ nampanantenaina, vao hanomboka ilay fampahoriana haharitra 400 taona. Efa tany Ejipta i Abrahama rehefa nisy mosary tany Kanana, ary nahita olana tamin’i Farao izy. Mbola tsy niteraka anefa izy tamin’izay. (Ge 12:10-20) Niteraka zazalahy taminy ilay Ejipsianina mpanompovaviny sady vadikeliny, tsy ela taorian’ny nilazan’Andriamanitra ny amin’ilay fampahoriana haharitra 400 taona. Ismaela no anaran’ilay zaza, ary 86 taona i Abrahama tamin’izay (1932 T.K.). Efa 14 taona tatỳ aoriana (1918 T.K.) anefa vao nitera-dahy taminy i Saraha vadiny. Nilaza Andriamanitra fa amin’ny alalan’io zanany io, izany hoe Isaka, no hiavian’ilay Taranaka nampanantenaina. Mbola tsy tonga anefa ny fotoana hanomezan’Andriamanitra an’i Abrahama na ny taranany ny tany Kanana. “Ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy” àry aloha izy ireo.​—Ge 16:15, 16; 21:2-5; He 11:13.

Fotoana nisehoan’ilay fanafahana. Oviana no nanomboka ilay fampahoriana haharitra 400 taona, ary oviana no nifarana? Voalazan’ny lovantsofina jiosy fa nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Isaka izy io. Ny andro nampisaraha-nono an’i Isaka anefa vao tena nanomboka ilay fampahoriana. Taona 1913 T.K. tamin’izay, fony 5 taona teo ho eo i Isaka fa i Ismaela kosa 19 taona teo ho eo. “Nanenjika an’ilay nateraka araka ny fanahy ilay nateraka araka ny nofo”, izany hoe Ismaela. (Ga 4:29) Nialona sy nankahala an’i Isaka i Ismaela, metisy ejipsianina, ka “nihomehy naneso” an’ilay zazalahikely. Tsy adiadin’ankizy fotsiny àry ilay izy! (Ge 21:9) Ny Baiboly hafa manao hoe “nihomehy” (Prot.; Kat.) na “naneso” (JM). Nitohy nandritra ny androm-piainan’i Isaka ny fampahoriana ny taranak’i Abrahama. Marina fa notahin’i Jehovah i Isaka rehefa lehibe. Nila sotasota taminy anefa ny mponin’i Kanana, ka voatery nifindrafindra monina izy. (Ge 26:19-24, 27) Nandeha nipetraka tany Ejipta ilay ‘taranaka’, rehefa antitra i Jakoba zanak’i Isaka. Lasa andevo izy ireo tatỳ aoriana.

Inona no porofo omen’ny Baiboly ka manampy antsika hahafantatra ny daty nanafahana ny Israely tany Ejipta?

Nanomboka tamin’ny 1913 T.K. àry ilay fampahoriana naharitra 400 taona, ary nifarana tamin’ny 1513 T.K. Namindra fo na nandefitra tamin’ny Kananita (ny Amorita no foko lehibe indrindra) Andriamanitra nandritra io fotoana io. Hahatratra ny fara tampony mantsy ny fahadisoan’ny Amorita rehefa hifarana io fotoana io, ka mendrika ny horoahina tanteraka hiala amin’ilay tany izy ireo. Hikarakara ny vahoakany any Ejipta anefa i Jehovah alohan’izay, ka hanafaka sy hitondra azy ireo hiverina ho any amin’ny Tany Nampanantenaina.​—Ge 15:13-16.

Ireo 430 taona. Manampy antsika hahalala ny daty nanafahana ny Israelita koa ny Eksodosy 12:40, 41, manao hoe: “Ary nivahiny an-tanin’olona nandritra ny telopolo sy efajato taona ny zanak’Israely izay nonina tany Ejipta. Ary tamin’ilay andro nifaranan’ny telopolo sy efajato taona iny indrindra, no nivoaka avy tao Ejipta ny tafik’i Jehovah rehetra.” Hoy ny fanamarihana ambany pejin’ny Eksodosy 12:40 (Rbi8), eo amin’ilay teny hoe “izay nonina”: ‘Matoanteny milaza maro amin’ny teny hebreo. Azo inoana kokoa fa ilay hoe “zanak’Israely” fa tsy ilay hoe “nivahiny an-tanin’olona”, no tondroin’ilay mpamaritra ʼasher nadika hoe “izay.”’ Toy izao no ilazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ilay andininy faha-40: ‘Telopolo sy efajato taona no nivahinian’ny zanak’Israely tany Ejipta sy tany Kanana.’ Hoy koa ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina: “... tany Kanana sy tany Ejipta.” Tsy ny fotoana nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta fotsiny àry no voafaoka amin’ilay hoe 430 taona.

Nolazain’ny apostoly Paoly fa nanomboka tamin’ny fotoana nampanan-kery ny fifanekena tamin’i Abrahama ireo 430 taona ireo (Ek 12:40), ary nifarana rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israely. Hoy izy: “Izao koa no lazaiko: Raha ny amin’ilay fifanekena [tamin’i Abrahama] izay nataon’Andriamanitra nanan-kery fahiny, dia tsy ny Lalàna izay niseho telopolo sy efajato taona tatỳ aoriana [tamin’ny taona nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta] no tsy mampanan-kery azy ka hahafoana an’ilay fampanantenana. ... Kanefa tamin’ny alalan’ny fampanantenana no nanomezan’Andriamanitra azy io tamin-katsaram-panahy an’i Abrahama.”​—Ga 3:16-18.

Nisy firy taona àry nanomboka tamin’ny fotoana nampanan-kery an’ilay fifanekena tamin’i Abrahama, ka hatramin’ny nifindran’ny Israelita tany Ejipta? Araka ny Genesisy 12:4, 5, dia 75 taona i Abrahama tamin’izy niala tao Harana sy niampita ny Eofrata ho any Kanana (1943 T.K.). Tamin’izay no nanan-kery ilay fifanekena natao taminy, dia ilay fampanantenana tany Oran’ny Kaldeanina. Hita koa avy amin’izay voalazan’ny Genesisy 12:4; 21:5; 25:26 momba ny taranak’i Abrahama sy avy amin’ny tenin’i Jakoba ao amin’ny Genesisy 47:9, fa nisy 215 taona nanomboka tamin’ny fotoana nampanan-kery an’ilay fifanekena tamin’i Abrahama, ka hatramin’ny nifindran-dry Jakoba mianakavy tany Ejipta. Midika izany fa 215 taona (1728-1513 T.K.) no tena nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta. Mifanaraka amin’ny daty manan-tantara hafa koa izany.

Ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta ka hatramin’ny nanorenana ny tempoly. Manamarina an’ilay fanazavana etsy aloha ny daty manan-tantara roa hafa. Nanorina tempoly i Solomona tamin’ny taona fahefatra nanjakany (1034 T.K.). Milaza ny 1 Mpanjaka 6:1 fa tamin’ny “taona fahavalopolo sy efajato” taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta (1513 T.K.) izany.

Teo amin’ny ‘450 taona teo ho eo.’ Niresaka ny amin’ny fotoana naharitra “dimampolo sy efajato taona teo ho eo” koa i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:17-20, rehefa nitory tany Antiokia, any Pisidia. Natombony tamin’ny fotoana ‘nifidianan’Andriamanitra ny razan’izy ireo’ ny tantaran’ny Israely, izany hoe tamin’ny fotoana nahaterahan’i Isaka, ilay taranaka nampanantenaina (1918 T.K.). (Momba mantsy i Saraha, ka rehefa teraka i Isaka vao fantatra mazava hoe iza ilay taranaka nolazain’Andriamanitra.) Noresahin’i Paoly avy eo ny zavatra nataon’Andriamanitra ho an’ny vahoaka nofidiny, mandra-pahatongan’ny fotoana ‘nanomezany mpitsara azy ireo, hatreo amin’i Samoela mpaminany.’ Nanomboka tamin’ny 1918 T.K., taona nahaterahan’i Isaka, àry ireo “dimampolo sy efajato taona teo ho eo”, ary nifarana tamin’ny 1467 T.K., na 46 taona taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta tamin’ny 1513 T.K. (lany tany an-tany efitra ny 40 taona, ary nanafihana ny tany Kanana ny 6 taona). (De 2:7; No 9:1; 13:1, 2, 6; Js 14:6, 7, 10) Hitantsika avy amin’izany ny nahazoana ireo “dimampolo sy efajato taona teo ho eo” noresahin’ilay apostoly. Hamarinin’ireo daty roa manan-tantara ireo (ny nanorenana ny tempoly sy ireo 450 taona teo ho eo) fa tamin’ny 1513 T.K. tokoa no nafahana avy tany Ejipta ny Israelita. Mifanaraka amin’ny fotoana nisian’ny mpanjaka sy mpitsara tany Israely, izay resahin’ny Baiboly koa izany.​—Jereo FANISAN-TAONA (Tamin’ny 1943 T.K. ka hatramin’ny nanafahana ny Israelita tany Ejipta).

Fomba fihevitra hafa. Misy mpanakiana milaza fa aloha loatra raha tamin’ny 1513 T.K. no nafahana avy tany Ejipta ny Israelita. Aloha loatra koa, hono, raha tamin’ny 1473 T.K., izany hoe 40 taona taorian’izay, ny Israelita no nanafika an’i Kanana sy nandrava an’i Jeriko. Tokony ho tamin’ny taonjato faha-14 na faha-13 T.K. mihitsy aza, hono, vao nitranga izany. Misy tokoa mpikaroka ny any ambanin’ny tany milaza fa tamin’ny taonjato faha-13 i Jeriko no rava. Ireo zavatra vita amin’ny tanimanga hitany no mahatonga azy ireo hilaza izany, fa tsy noho ireo asa soratra fahiny na porofo ara-tantara hafa. Tombantombana fotsiny anefa ny daty nomen’ireo mpikaroka nandinika zavatra vita amin’ny tanimanga ireo. Porofon’izany ny vokatry ny fandinihan’ireo mpikaroka ny zavatra hita tany Jeriko. Nifanohitra be mantsy ny fanatsoahan-kevitra sy daty nomen’izy ireo.​—Jereo ARKEOLOJIA (Daty samy hafa); FANISAN-TAONA (Daty omen’ny arkeology).

Samy hafa be koa ny daty omen’ny manam-pahaizana momba an’i Ejipta, raha ny amin’ny fotoana nisian’ireo tarana-mpanjaka tany. Efa ho taonjato maro be izao ny elanelany, ka tsy azo ampiasaina ny daty omeny. Sarotra àry ny hilaza hoe iza marina ilay Farao nanjaka tamin’ny andro nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Misy milaza fa i Thoutmosis III ilay izy, ny hafa indray hoe i Amenofisy II, na i Ramsès II, na Farao hafa. Samy tsy tena voaporofo anefa izany!

Marina ny voalazan’ny Eksodosy. Misy milaza fa tsy marina ny Eksodosy satria tsy nisy Faraon’i Ejipta nirakitra an-tsoratra an’izay voatantara ao. Tsy mahagaga anefa izany, satria na ny mpanjaka sasany tatỳ aoriana kokoa aza tsy niresaka afa-tsy ny fandreseny. Nezahin’izy ireo nofafana tsy ho anisan’ny tantara koa izay rehetra mety ho nanaratsy laza azy na ny fireneny na ny firehan-kevitra tiany halentika ao an-tsain’ny vahoakany. Vao haingana aza no nisy mpitondra nitady hamotika ny zava-bita sy ny lazan’ireo mpitondra talohany. Nesorin’ny Ejipsianina tao amin’ny asa sorany na tsy noresahiny, izay rehetra tsy tiany na nahamenatra azy. Izany, ohatra, no nataon’i Thoutmosis III. Nesoriny ny anaran’i Hatshepsout, ilay mpanjakavavy talohany, ary nopotehiny ny sariny teo amin’ilay rindrim-bato tao Deir el-Bahri, any Ejipta.​—Jereo Ny Arkeolojia sy ny Tantara ao Amin’ny Baiboly, nataon’i J. Free, 1964, p. 98 sy ny sary manarakaraka ny p. 94.

Nanoratra tantara tamin’ny teny grika i Manéthon, mpisorona ejipsianina nankahala ny Jiosy, tamin’ny 280 T.K. tany ho any. Nilaza, hono, izy io, araka ny tenin’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa “maro be [ny razamben’ny Jiosy] no nankany Ejipta, ka nandresy ny mponina tany.” “Niaiky” koa, hono, i Manéthon fa “noroahina niala tao amin’ilay tany izy ireo tatỳ aoriana. Nankany amin’ilay tany antsoina ankehitriny hoe Jodia izy ireo, ary nanorina an’i Jerosalema sy ny tempoly.”​—Diso Hevitra i Apion, I, 228 (26).

Matetika no tsy marina ny zavatra notantarain’i Manéthon, kanefa zava-dehibe ny nilazany fa efa tany Ejipta ny Jiosy ary niala tany avy eo. Nanoratra koa, hono, izy tatỳ aoriana, hoy i Josèphe, fa i Mosesy no Osarsifa, mpisorona ejipsianina. Midika izany fa tany Ejipta tokoa ny Jiosy, ary i Mosesy no mpitarika azy ireo, na dia tsy miresaka momba izany aza ireo tsangambato ejipsianina. Noresahin’i Josèphe koa fa nisy mpahay tantara ejipsianina atao hoe Chérémon, nilaza fa niara-noroahina niala tany Ejipta i Josefa sy Mosesy. Nitantara zavatra toy izany koa, hono, i Lysimaque.​—Diso Hevitra i Apion, I, 228, 238 (26); 288, 290 (32); 299 (33); 304-311 (34).

Ny isan’ireo Israelita nafahana. Milaza ny Eksodosy 12:37 fa nisy 600 000 ireo ‘vatan-dehilahy nandeha an-tongotra’, ankoatra “ny zaza madinika.” Rehefa natao ny fanisam-bahoaka, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, dia 603 550 no isan’ireo lehilahy 20 taona no ho miakatra. (No 1:2, 3, 45, 46) Tsy anisan’izany ny Levita (No 2:32, 33) izay niisa 22 000 ny lahy rehetra “hatramin’ny iray volana no ho miakatra.” (No 3:39) Tsy mahafaoka ny vehivavy ilay teny hebreo hoe gevarim (vatan-dehilahy). (Ampit. Je 30:6.) Ny hoe “zaza madinika” kosa dia avy amin’ny teny hebreo hoe taf, izay manondro ankizikely vao miana-mandeha. Tsy maintsy notrotroina ny ankamaroan’izy ireny, ary azo inoana fa tsy nahavita nandeha an-tongotra nandritra ilay dia manontolo.

“Amin’ny andron’ny zafiafiny.” Tadidio fa nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa hiverina any Kanana ny taranany amin’ny andron’ny zafiafin’izy ireo, izany hoe amin’ny andron’ny taranak’izy ireo fahatelo. (Ge 15:16) Na ela velona aza anefa ny olona tamin’izany, dia tsy taranaka telo monja no nisy nandritra ireo 430 taona, nanomboka tamin’ny fotoana nampanan-kery ny fifanekena tamin’i Abrahama ka hatramin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Efa hitantsika koa fa 215 taona monja ny Israelita no tena nipetraka tany Ejipta. Ahoana àry no hamaritana an’izany hoe taranaka telo izany? Haka ohatra ny amin’ny fokon’i Levy isika. Ireto no taranaka telo nifandimby avy amin’i Levy: 1) Kehata, 2) Amrama, ary 3) Mosesy.​—Ek 6:16, 18, 20.

Nety ho maherin’ny telo tapitrisa ny olona nivoaka avy tany Ejipta raha nisy 600 000 ny vatan-dehilahy, ankoatra ny zaza amam-behivavy. Mitombina tsara io isa io, na dia tsy eken’ny sasany aza. Marina fa nisy taranaka telo monja avy teo amin’i Levy ka hatramin’i Mosesy. Samy ela velona anefa izy ireo, ka azo inoana fa nahita taranaka vitsivitsy nifandimby, na nahita ny nahaterahan’ny ankizy maro nandritra ny androm-piainany. Na ankehitriny aza, dia mety hahita ny zafikeliny sy ny zafiafiny mihitsy (miara-belona amin’ny taranany telo) ny lehilahy iray 60 na 70 taona.

Fitomboana tsy nisy toy izany. Hoy ny Baiboly: “Ary nihamaro ny zanak’Israely ka lasa be dia be. Nihanitombo isa sy nihanahery tsy nisy toy izany izy ireo ka henika azy ilay tany.” (Ek 1:7) Lasa be dia be mihitsy izy ireo, ka hoy ny mpanjakan’i Ejipta: “Jereo fa lasa maro sy mahery noho isika ny zanak’Israely.” “Vao mainka nihamaro sy niely hatraiza hatraiza anefa ny zanak’Israely, arakaraka ny nampahorian’ny Ejipsianina azy. Koa raiki-tahotra mafy ny Ejipsianina.” (Ek 1:9, 12) Tsy mahagaga raha nitombo hatramin’ny 600 000 ny isan’ireo lehilahy lehibe tamin’izany, satria azon’izy ireo natao ny nanana vady sy vadikely maro ary nisy koa nanambady vehivavy ejipsianina.

Nisy 70 ny mpianakavin’i Jakoba nidina tany Ejipta. Nisy tamin’izy ireo koa angamba teraka tany taoriana kelin’izay. (Ge 46) Raha tsy isaintsika i Jakoba, ny zanany 12 lahy, Dina zanany vavy, Sera zafikeliny, ireo zanak’i Levy telo lahy, ary ny loham-pianakaviana hafa niteraka rehefa tonga tany Ejipta, dia mety ho 50 sisa tavela. (Tsy isaina ny zanak’i Levy, toy ny tsy nanisana ny Levita tamin’ireo 603 550.) Aoka àry hatao hoe 50 ireo loham-pianakaviana. Milaza anefa ny Baiboly fa “nihamaro ny zanak’Israely ka lasa be dia be. Nihanitombo isa sy nihanahery tsy nisy toy izany izy ireo ka henika azy ilay tany.” (Ek 1:7) Avy amin’izany no anaporofoantsika fa mety ho nahatratra 600 000 tokoa ny isan’ireo lehilahy teo anelanelan’ny 20 sy 50 taona, izay azo nalefa tao amin’ny tafika, ka velona tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Diniho izao:

Maro anaka ny fianakaviana tamin’izany, ary naniry hiteraka ny Israelita mba hanatanterahana ny fampanantenan’Andriamanitra. Mety ho niteraka 10 teo ho eo (lahy ny antsasany) àry ny loham-pianakaviana tsirairay, nanomboka tamin’izy 20 ka hatramin’ny 40 taona. Aoka anefa hatao hoe tsy niteraka ireo loham-pianakaviana 50 noraisintsika tetsy aloha, raha tsy afaka 25 taona taorian’ny nahatongavany tany Ejipta. Azo ahena 20 isan-jato koa ny isan’ny zanakalahin’izy ireo afaka miteraka, satria mety ho tsy nanan-janaka ny sasany noho izy ireo maty aloha be na noho ny antony hafa, na mety ho efa tsy niteraka intsony izy ireo talohan’ny nahatratrarany 40 taona. Raha tsorina, dia aoka hatao hoe ny 200 ihany amin’ireo zanakalahy 250 nateraky ny loham-pianakaviana 50, no hanan-janaka mandritra ny 20 taona.

Didin’i Farao. Teo koa ilay didin’i Farao hoe vonoina ny zazalahy vao teraka rehetra. Tsy nandaitra anefa io didy io, ary vetivety ihany no nanan-kery. Teraka telo taona teo ho eo talohan’i Mosesy (tamin’ny 1597 T.K.), ohatra, i Arona nefa mbola tsy nivoaka io didy io. Milaza koa ny Baiboly fa tsy nankatò azy io ny olona sasany. Anisan’izany, ohatra, ireo vehivavy hebreo atao hoe Sifra sy Poha, izay azo inoana fa lehiben’ny mpampivelona. Toa tsy nandidy an’ireo mpampivelona teo ambany fahefany hankatò an’io didy io izy ireo. Inona no vokany? “Vao mainka nihamaro sy tena nihanahery ny vahoaka.” Nodidian’i Farao àry ny vahoakany manontolo mba hanipy ny zazalahy israelita vao teraka rehetra tao amin’ny reniranon’i Neily. (Ek 1:15-22) Tsy dia hoe nankahala be an’ireo Israelita anefa ny Ejipsianina, ka hahavita izany. Na ny zanakavavin’i Farao aza namonjy an’i Mosesy. Tonga saina ihany angamba i Farao hoe hamoy andevo maro be izy raha mbola arahina ilay didy navoakany. Izany indrindra no nahatonga an’ilay Farao ao amin’ny Eksodosy tsy namela an’ireo Hebreo handeha, tatỳ aoriana.

Andeha anefa mbola hahenantsika ihany ilay isa 200 noraisintsika teo, noho ilay didy navoakan’i Farao. Aoka hatao hoe hanalana ampahatelony ny isan’ireo zazalahikely velona nandritra ny dimy taona.

Kajy. Na eo aza izany rehetra izany, dia mbola nitombo be ihany ny Israelita satria notahin’Andriamanitra. Mety ho toy izao ny isan’ny zaza teraka isaky ny dimy taona, nanomboka tamin’ny 1563 T.K. (izany hoe 50 taona talohan’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta), ka hatramin’ny 1533 (20 taona talohan’ilay fanafahana):

ISAN’NY LEHILAHY ISRAELITA

T.K.

Zazalahy teraka

1563 hatramin’ny 1558

47 350

1558 hatramin’ny 1553

62 300

1553 hatramin’ny 1548

81 800

1548 hatramin’ny 1543

103 750

1543 hatramin’ny 1538

133 200

1538 hatramin’ny 1533

172 250

Tontaliny 600 650*

* Tombantombana momba ny isan’ny lehilahy israelita 20-50 taona tamin’ny 1513 T.K.

Tsara homarihina fa na dia hovana kely fotsiny aza ireo isa ireo, dia hitombo be mihitsy ny tontaliny. Ho lasa iray tapitrisa mahery, ohatra, io tontaliny io raha ampiana iray monja ny zazalahy nateraky ny lehilahy tsirairay.

Maro be tokoa ve ny olona nandao an’i Ejipta niaraka tamin’i Mosesy?

Ankoatra ireo vatan-dehilahy 600 000 voalazan’ny Baiboly, dia nisy koa lahiantitra be dia be sy zaza amam-behivavy mbola maro kokoa aza, ary “olona maro hafa firenena.” (Ek 12:38) Mety ho nahatratra telo tapitrisa mahery àry ny isan’ny olona nandao an’i Ejipta. Tsy mahagaga raha tsy naniry handefa andevo maro be toy izany ilay mpanjaka ejipsianina! Niteraka fatiantoka be ho an’ny fireneny mantsy izany.

Maro be tamin’ireo no lehilahy mpiady, ka hoy ny Baiboly: “Nihorohoro mafy ny Moabita noho ny hamaroan’ny zanak’Israely, ka raiki-tahotra mafy izy ireo.” (No 22:3) Tsy ny asa mahagaga nataon’i Jehovah ho an’ny Israelita ihany no nampahatahotra ny Moabita, fa ny hamaroan’izy ireo koa. Tsy ho natahotra toy izany ny Moabita raha an’arivony monja izy ireo. Tsy dia nitombo firy anefa ny isan’ny Israelita tany an-tany efitra, satria maro taminy no nivadika ka maty tany.​—No 26:2-4, 51.

Nisaina mitokana ny Levita rehefa voaisa ilay vahoaka, fotoana fohy taorian’ny nialana tany Ejipta. Nisy 22 000 ny Levita iray volana no ho miakatra. (No 3:39) Nahoana anefa no 22 273 monja ny isan’ireo lahimatoa iray volana no ho miakatra, teo anivon’ireo foko 12? (No 3:43) Noho ireto antony ireo: Tsy nisaina ny loham-pianakaviana; mety ho niteraka lahy be dia be ny lehilahy iray noho izy nanana vady maro, nefa iray ihany ny lahimatoany; ary ny lahimatoan’ilay lehilahy no nisaina fa tsy ny an’ny vadiny.

Raharaha niadian-kevitra. Araka ny efa nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama, dia tonga ny fotoana hanafahany ny firenen’Israely avy tany Ejipta, izay nantsoina hoe “fatana fandrendreham-by.” Zanak’i Jehovah lahimatoa no fiheverany ny firenen’Israely, noho ilay fampanantenany tamin’i Abrahama. An-tsitrapo no nankanesan’i Jakoba sy ny ankohonany tany Ejipta, fa ny taranany kosa lasa andevo. Tian’i Jehovah ilay zanany lahimatoa, ary nanan-jo hanafaka azy maimaim-poana avy tany Ejipta izy.​—De 4:20; 14:1, 2; Ek 4:22; 19:5, 6.

Tsy te hamoy an’ireo andevony maro be anefa i Farao, ka notoheriny ny fikasan’i Jehovah. Rehefa nankany aminy i Mosesy, ka nangataka tamin’ny anaran’i Jehovah ny handefasany ny Israelita mba hankalaza fety ho Azy any an-tany efitra, dia hoy izy: “Fa i Jehovah moa no iza no tokony hihaino ny feony aho, ka handefa ny Israely? Tsy fantatro mihitsy izany Jehovah izany.” (Ek 5:2) Azo antoka fa efa nandre an’ireo Hebreo nampiasa imbetsaka an’ilay anarana i Farao. Nihevi-tena ho andriamanitra anefa izy, ary tsy nekeny ny fahefan’i Jehovah. Efa hatry ny ela ny mpanompon’i Jehovah no nahalala ny anaran’Andriamanitra. Niantso azy hoe Jehovah mihitsy aza i Abrahama.​—Ge 2:4; 15:2.

Noho ny fihetsik’i Farao sy ny nataony, dia nipoitra ilay fanontaniana hoe: ‘Iza marina no tena Andriamanitra?’ Nilain’i Jehovah àry ny nisandratra ho ambonin’ireo andriamanitr’i Ejipta, anisan’izany i Farao, izay notompoina toy ny andriamanitra. Nahatonga Loza Folo tany Ejipta izy, ka nafahana ny Israelita. (Jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY [Ireo Loza Folo].) Nasaina niomankomana hivoaka an’i Ejipta ny Israelita teo am-pihinanana ny Paska nandritra ny loza farany, dia ny fahafatesan’ireo lahimatoa. Tsy nandeha tanam-polo anefa izy ireo, na dia nandodona azy aza ny Ejipsianina, izay nilaza hoe: “Ho faty eto daholo izahay.” (Ek 12:33) Nentin’izy ireo àry ny ondry sy ombiny, ny kobany mbola tsy nisy lalivay, ary ny vilia famolavolany koba. Nomen’ny Ejipsianina azy ireo koa izay nangatahiny, toy ny zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena ary ny lamba fitafy. Tsy hoe nandroba ny Ejipsianina akory izy ireo. Tokony ho nanome karama azy ireo mantsy ny Ejipsianina rehefa nampiasa azy, satria tsy nanan-jo hanandevo azy.​—Ek 12:34-38.

Nisy “olona maro hafa firenena” koa niaraka tamin’ny Israelita. (Ek 12:38) Nanompo an’i Jehovah daholo izy ireo, matoa hoe tsy maintsy vonona hiainga niaraka tamin’ny Israelita raha mbola nandevina an’ireo zanany maty ny Ejipsianina. Nitandrina ny Paska koa izy ireo, matoa tsy nisaona sy tsy nanao an’ireo fombafomba fandevenan’ny Ejipsianina. Nanana rohim-pihavanana tamin’ny Israelita angamba ny ankamaroany. Maro mantsy ny lehilahy sy vehivavy israelita nanambady Ejipsianina. Zanaky ny iray tamin’izy ireny, ohatra, no novonoina tany an-tany efitra satria niteny ratsy ny anaran’i Jehovah. Ejipsianina ny rainy, ary Selomita no anaran-dreniny izay avy amin’ny fokon’i Dana. (Le 24:10, 11) Tsara homarihina koa fa nomen’i Jehovah toromarika mazava momba ny fepetra takina amin’ny vahiny sy ny mpanompo te hankalaza ny Paska ny Israely, rehefa tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina.​—Ek 12:25, 43-49.

Ny lalana nalehan’ny Israelita niala tany Ejipta. Tsy hoe niara-niainga tamin’ny toerana iray daholo akory ny Israelita. Nisy avy tany an-toeran-kafa, ka namonjy an’ireo namany teny an-dalana. Avy tao amin’ny tanàna na faritr’i Ramesesa ny Israelita no niainga, ary tany Sokota no nijanonany voalohany. (Ek 12:37) Misy manam-pahaizana milaza fa ry Mosesy no niainga avy tao Ramesesa, fa ny Israelita hafa kosa avy tany amin’ny faritra hafan’i Gosena ka tao Sokota no fotoana.​—SARINTANY, Boky 1, p. 536.

Maimaika no nialan’ny Israelita tany Ejipta, nefa nilamina tsara izy ireo. “Nilahatra toy ny tafika ny zanak’Israely rehefa niakatra avy tany Ejipta”, angamba toy ny tafika nizara dimy. Tao ny loha laharana sy ny vodilaharana, ny teo afovoany, ary ny sisiny roa. Nahay nitarika azy ireo i Mosesy, nefa nanomboka nitarika azy ireo koa i Jehovah tamin’izy ireo nitoby tao Etama. Andry rahona no nitarihany azy nandritra ny andro, ary andry afo kosa nandritra ny alina mba hampahazava azy ireo.​—Ek 13:18-22.

Misy 400 km eo ho eo ny lalana akaiky indrindra, avy eo avaratr’i Memfisa mankany Lakisy any amin’ny Tany Nampanantenaina. Ho nanaraka ny morontsirak’i Mediterane sy ho nandalo tamin’ny tanin’ny Filistinina anefa ny Israelita, raha nandeha tamin’io lalana io. Efa nahita olana tamin’ny Filistinina i Abrahama sy Isaka razamben’izy ireo. Fantatr’Andriamanitra fa nety ho kivy izy ireo raha notafihin’ny Filistinina. Tsy zatra ady mantsy izy ireo sady niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny biby fiompiny. Nodidian’Andriamanitra àry izy ireo hiverina sy hitoby eo akaikin’i Pihahirota, izay eo anelanelan’i Migdola sy ny ranomasina tandrifin’i Bala-zefona. Teo izy ireo no nitoby, teo akaikin’ny ranomasina.​—Ek 14:1, 2.

Tsy hay hoe taiza marina ny lalana nalehan’ny Israelita avy eo Ramesesa nankany amin’ny Ranomasina Mena, satria tsy tena fantatra hoe taiza no nisy an’ireo tanàna voaresaka ao amin’ny Eksodosy. Boky maro no milaza fa namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat, any amin’ny faritry ny Vinany any Ejipta, izy ireo. Izay tokoa no lalan’izy ireo raha toa ka teo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny faritry ny Vinany no nisy an’i Ramesesa. Hoy anefa i John Wilson, manam-pahaizana momba an’i Ejipta: “Mampalahelo fa tsy miray hevitra ireo manam-pahaizana hoe taiza marina no nisy an’i Ramesesa. Fanaon’ireo Farao nantsoina hoe Ramsès mantsy, indrindra fa i Ramsès II, ny nampitovy ny anaran’ny tanàna sasany tamin’ny anarany. Marina fa miresaka momba [an’i Ramesesa] ny zavatra sasany nofongarina tao amin’ireo tanàna teo amin’ny Vinany, nefa tsy midika izany hoe ny iray tamin’ireo tanàna ireo [i Ramesesa].”​—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-4, p. 9.

Nisy toerana samy hafa nolazaina fa Ramesesa. Anisan’izany, ohatra, i Tanis (San el-Hagar ankehitriny), any amin’ny 56 km atsimoandrefan’i Port-Saïd izay eo amoron’ny Ranomasina Mediterane. Nolazaina indray anefa avy eo fa tsy i Tanis no Ramesesa fa i Kantir, izay any amin’ny 20 km atsimo kokoa. Misy asa soratra ejipsianina milaza fa tanàna roa samy hafa i Tanis sy (Per-)Ramesesa. Nisy avy any an-toeran-kafa koa ireo zavatra nofongarina avy tao Tanis. Nilaza àry i John Wilson fa “ny fahitana ny soratra hoe Ramesesa teo amin’ny toerana iray akory tsy midika hoe io toerana io no Ramesesa.” Nahitana soratra miresaka momba an’i Ramsès II tokoa tany Tanis sy Kantir. Nisy ifandraisany tamin’io Farao io fotsiny anefa ireo tanàna ireo, fa tsy hoe ny iray tamin’izy ireo no ilay Ramesesa resahin’ny Baiboly hoe fitehirizana entana sy vokatra talohan’ny nahaterahan’i Mosesy. (Ek 1:11) Sarotra ny milaza fa i Ramsès II ilay Farao resahin’ny Eksodosy, araka ny hita ao amin’ilay lahatsoratra hoe RAMESESA.

Misy koa milaza fa namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat ny Israelita. Betsaka mantsy no mihevitra fa tsy tena ny Ranomasina Mena no niampitan’izy ireo, fa toerana iray teo avaratr’izy io. Misy aza manam-pahaizana milaza fa nanaraka ny moron’ny Farihy Serbonisy (ao amin’ny faritry ny Ranomasina Mediterane) izy ireo. Nianavaratra nankany amoron-dranomasina, hono, ny Israelita rehefa avy teo amin’ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat. Mifanohitra amin’ny Baiboly anefa izany, satria voalaza ao fa tsy nentin’Andriamanitra tany amin’ny lalana mankany amin’ny tanin’ny Filistinina izy ireo. (Ek 13:17, 18) Amin’ireo milaza fa namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat ny Israelita, dia misy koa mihevitra fa ny Farihy Mangidy, any avaratr’i Suez, ilay “ranomasina” niampitan’izy ireo.

Ranomasina Mena, fa tsy ‘ranomasina bararata.’ Midika ara-bakiteny hoe “ranomasina harefo, na bararata, na zozoro” ilay teny hebreo hoe yam-sof (nadika hoe “Ranomasina Mena”). Misy àry mihevitra fa tsy ny Ranomasina Mena, fantatra amin’ny hoe Hoalan’i Suez, no niampitan’ny Israelita fa ranomasina bararata, izay honahona sahala amin’ny faritr’ireo Farihy Mangidy. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo anefa mampiasa ny teny grika hoe erytra talassa, izay midika ara-bakiteny hoe “Ranomasina Mena”, mba handikana ny hoe yam-sof. Samy nampiasa an’io teny grika io koa, na i Lioka izay nanoratra ny Asan’ny Apostoly (tamin’izy nitatitra ny tenin’i Stefana), na ny apostoly Paoly, rehefa nitantara ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta.​—As 7:36; He 11:29; jereo RANOMASINA MENA.

Tsy ho fahagagana lehibe koa izay nitranga raha honahona fotsiny no niampitan’ny Israelita. Tsy ho “natelin’ny” Ranomasina Mena ireo Ejipsianina, ary tsy ho “nandifotra azy ireo ny rano manonja” ka tsy ho “nilentika tao amin’ny lalina tahaka ny vato” izy ireo. (He 11:29; Ek 15:5) Niresaka an’io fahagagana mahatalanjona io anefa i Mosesy sy Josoa tatỳ aoriana. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa natao batisa ka tafaray tamin’i Mosesy ny Israelita, fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina. Midika izany fa teo amin’ny andaniny roa ny ranomasina, ary teo ambonin’izy ireo sy tao aoriany ilay rahona. (1Ko 10:1, 2) Midika koa izany fa lalina kokoa noho ny honahona ilay rano niampitan’ny Israelita.

Ho haintsika hoe taiza no lalana nalehan’ny Israelita raha fantatsika ny toerana nisy ny renivohitr’i Ejipta tamin’izany, sy ilay rano niampitan’izy ireo. Tsy misy antony tokony hisalasalantsika hoe ny Ranomasina Mena ilay niampitan’izy ireo, satria izay no lazain’ny Soratra Grika Kristianina. Azo inoana koa fa i Memfisa no renivohitr’i Ejipta, satria saika tany foana no foiben’ny fitondrana. (Jereo MEMFISA.) Mety ho teo akaikin’i Memfisa àry ireo Israelita no niainga. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho afaka nampanantsoina teo anatrehan’i Farao taorian’ny misasakalina i Mosesy, ny alin’ny Paska. Tsy afaka ny ho tonga ara-potoana tany Ramesesa koa izy avy eo mba handeha ho any Sokota, talohan’ny nifaranan’ny 14 Nisana. (Ek 12:29-31, 37, 41, 42) Nilaza i Josèphe fa araka ny lovantsofina jiosy tranainy indrindra, dia tany avaratra kelin’i Memfisa no niainga ireo Israelita.​—Rakitry ny Ela Jiosy, II, 315 (xv, 1).

Ho lavitra loatra an’ilay toerana avaratr’i Memfisa anefa ny lalan’ireo Israelita, raha toa ka namakivaky ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat izy ireo. Maro àry ny mpivaofy teny ara-baiboly milaza fa mety ho ny iray amin’ireo lalana be mpahalala falehan’ny “mpanao fivahiniana masina” no nalehan’ireo Israelita. Anisan’izany, ohatra, ny lalana El Hadj avy eo Le Caire mankany Suez (Clysma taloha, ary Kolsom tatỳ aoriana), eo amin’ny farany avaratry ny Hoalan’i Suez.

Taiza ho aiza tamin’ny Ranomasina Mena ireo Israelita no niampita?

Nandidy an’i Mosesy Andriamanitra mba “hiverina, ka hitoby eo akaikin’i Pihahirota ... akaikin’ny ranomasina”, rehefa tonga tao amin’ny toerana faharoa nitobiany izy ireo, izany hoe tao Etama “teo an-tsisin’ny tany efitra.” Nanjary nihevitra i Farao fa ‘nivenjivenjy fotsiny tsy nahita lalana’ ny Israelita. (Ek 13:20; 14:1-3) Misy manam-pahaizana mino hoe ny lalana El Hadj no nalehan’ny Israelita. Milaza izy ireo fa matoanteny fanamafisana ilay teny hebreo nadika hoe “hiverina” eto, ka midika hoe miverin-dalana na mihodina fa tsy hoe “mivily lalana” fotsiny. Milaza koa izy ireo fa niverin-dalana ny Israelita rehefa tonga tany amin’ny farany avaratry ny Hoalan’i Suez, ka nankany atsinanan’i Jebel ʽAtakah, tandavan-tendrombohitra andrefan’ilay Hoala. Tsy ho tafavoaka haingana avy tao ireo Israelita maro be, raha toa ka nisy nanenjika avy tany avaratra. Ny ranomasina mantsy no ho eo anoloany, ka ho tapi-dalan-kaleha izy ireo.

Milaza zavatra toy izany ny lovantsofina jiosy tamin’ny taonjato voalohany. (Jereo PIHAHIROTA.) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mifanaraka amin’izay voalazan’ny Baiboly izany, tsy tahaka ny hevitry ny manam-pahaizana maro. (Ek 14:9-16) Azo antoka fa tsy teny akaikin’ny farany avaratr’ilay Hoala (sampana andrefan’i Ranomasina Mena) ireo Israelita no niampita, raha tsy izany dia ho mora tamin’ny tafik’i Farao ny hihodidina an’ilay Hoala, ka hifanehatra amin’ny Israelita teny ampita.​—Ek 14:22, 23.

Nanenina indray i Farao nandefa ny Israelita, raha vao reny hoe lasa izy ireo. Hiteraka fatiantoka be ho an’i Ejipta mantsy ny famoizana andevo maro be toy izany. Tsy ho sarotra tamin’ny kalesiny ny hanatratra an’ilay vahoaka, indrindra fa rehefa ‘niverina’ izy ireo. Nihevitra i Farao fa nivenjivenjy fotsiny tsy nahita lalana ny Israelita, ka natoky izy hoe ho tratrany izy ireo. Nentiny àry ireo miaramilany sangany nitaingina kalesy voafantina 600, ny kalesy mpiady hafa rehetra tany Ejipta, ny mpitaingin-tsoavaliny, ary ny miaramilany rehetra, ka tratrany tao Pihahirota ny Israelita.​—Ek 14:3-9.

Toa ratsy toerana be ny Israelita tamin’izay. Teo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra mantsy izy ireo, ary tao aoriany ny Ejipsianina. Natahotra ny Israelita satria toa tapi-dalan-kaleha, ka nanome tsiny an’i Mosesy. Nanao zavatra àry Andriamanitra mba hiarovana azy ireo. Nafindrany tany aorian’izy ireo ilay rahona, ka tao anaty haizina ny Ejipsianina. Ny Israelita kosa nazava satria nanazava ny alina izy io. Nasain’i Jehovah nanainga ny tehiny i Mosesy, ka nisaraka ilay ranomasina mba hahafahan’ny Israelita handia tany maina. Ilay rahona kosa nisakana ny Ejipsianina tsy hanafika azy ireo.​—Ek 14:10-21.

Ny velaran’ilay toerana niampitana. Tsy tery ilay toerana niampitan’ny Israelita, matoa alina iray monja izy ireo dia tafampita an’ilay ranomasina. Mety ho iray kilaometatra na mahery ny elanelan’ny sisiny havia sy havanana. Na dia nifanety sy nilahatra tsara aza ny Israelita, dia mety ho 8 km2 na mahery vao antonona azy ireo sy ny saretiny, ny entany, ary ny biby fiompiny. Malalaka ihany àry ilay toerana niampitan’izy ireo. Mety ho nahatratra 5 km na mahery ny elanelan’ny loha laharana sy ny vodilaharana teo amin’ny Israelita, raha toa ka 1,5 km teo ho eo ny sisiny havia ka hatramin’ny sisiny havanana. Raha toa ka 2,5 km teo ho eo kosa ny elanelan’ireo sisiny roa ireo, dia mety ho 3 km na mahery ny elanelan’ny loha laharana sy ny vodilaharana. Tsy maintsy ho nila ora maromaro ireo olona ireo vao tafidina teo amin’ny fanambanin’ilay ranomasina sy tafampita azy io. Azo antoka fa nandeha haingankaingana ihany izy ireo, na dia tsy nisahotaka aza fa nilahatra toy ny tafika.

Ho mora tamin’ireo Ejipsianina ny hahatratra sy handripaka Israelita maro be, raha tsy nisy an’ilay rahona. (Ek 15:9) Tazan’izy ireo niampita an’ilay ranomasina ny Israelita ka nenjehiny, rehefa nifindra nankany alohan’ny Israelita ilay rahona. Azo antoka àry fa lehibe tokoa ny velaran’ilay toerana niampitana, satria be dia be ny miaramilan’i Farao. Tapa-kevitra ny handripaka sy haka indray an’ireo andevony teo aloha ny tafik’i Farao, ka nirohotra nanaraka azy ireo. Nojeren’i Jehovah avy tao amin’ilay rahona anefa ny tobin’ny Ejipsianina nandritra ny fiambenana maraina, nanomboka tamin’ny roa ka hatramin’ny enina maraina teo ho eo, ka nataony nifanaritaka ary nesoriny ny kodiaran’ny kalesin’izy ireo.​—Ek 14:24, 25.

Tafita soa aman-tsara terỳ ampita atsinanana ny Israelita, rehefa nadiva haraina. Nasaina natsotran’i Mosesy ny tanany, ka niverina ny rano ary nanarona an’ireo Ejipsianina. “Nanomboka niverina tamin’ny laoniny ny ranomasina”, ka nandositra ny Ejipsianina mba tsy hotsenain’ny rano. Hita avy amin’izany fa nifanalavitra be ny andaniny roa tamin’ilay ranomasina rehefa nosarahina, raha tsy izany dia ho saron’ny rano avy hatrany ireo Ejipsianina. Nandositra an’ilay rano izy ireo, ka namonjy ny morontsiraka andrefana. Nifanatona ihany anefa ny rano, ka difotra tanteraka daholo ny kalesin’ady sy ny mpitaingin-tsoavaly tao amin’ny tafik’i Farao. Tsy nisy niangana izy ireo na iray aza!

Tsy ho safotry ny rano toy izany ny Ejipsianina raha toa ka honahona marivo kely ilay niampitana. Tsy ho nentin’ny rano ho eny amin’ny morony koa ny fatin’izy ireo. Voalaza anefa fa “hitan’ny Israely ny fatin’ny Ejipsianina niampatrampatra teny amoron-dranomasina.”​—Ek 14:22-31; SARINTANY sy SARY, Boky 1, p. 537.

“Nivaingana” ny rano. Lazain’ny Baiboly fa nivaingana ny rano manonja mba hahafahan’ny Israelita niampita. (Ek 15:8) Mampiasa hoe “nivaingana” koa ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, sy ny Baiboly Amin’ny Teny Frantsay Andavanandro, ary ny Baiboly Dikan-teny Iombonana (frantsay). Ny Fandikan-teny Protestanta sy ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy kosa mandika azy io hoe “nandry.” Toy izao no amaritan’ny diksionera iray ilay teny hoe ‘mivaingana’: ‘Ranon-javatra lasa mivaingana rehefa tratran’ny hatsiaka; lasa ranomandry; lasa maditidity na marihidrihitra: mivongana, mihamafy.’ Ilay teny hebreo nadika hoe ‘mivaingana’ eto dia nadika hoe “mandry” ao amin’ny Joba 10:10 mba hilazana ronono mandry. Midika izany fa tsy voatery ho lasa nivongana toy ny havandra ilay rano, fa nety ho toy ny habobo na yaorta. Tsy nisy zavatra hita maso nanohana ny Ranomasina Mena. Toy ny hoe nivaingana na nandry ny fahitana azy, ka toy ny rindrina teny amin’ny andaniny roa. Tsy niantonta nanafotra ny Israelita ilay rano. Toy izany no fahitan’i Mosesy azy, rehefa nisy rivo-mahery nitsoka avy any atsinanana nampisaraka ny ranomasina sy nanova ny fanambaniny ho tany maina. Tsy namotaka ilay fanambaniny na lasa nivaingana toy ny ranomandry, fa mora niampitana.

Nalalaka tsara ny toerana niampitan’ireo Israelita mety ho telo tapitrisa, matoa efa tafita teny amin’ny morony atsinanana izy rehetra ny maraina. Lasa nitosaka sy nifanatona avy eo ny ranomasina, ka nanjary nanonja be sy nanarona an’ireo Ejipsianina. Ny Israelita kosa nijoro teo amin’ny morony atsinanana, nitazana ny fomba mahagaga nanafahan’i Jehovah ny vahoakany teo am-pelatanan’ilay firenena natanjaka indrindra tamin’izany. Tanteraka tokoa ny tenin’i Mosesy hoe: “Ireo Ejipsianina hitanareo androany ireo, dia tsy ho hitanareo intsony mihitsy.”​—Ek 14:13.

Tamin’izany fampisehoan-kery lehibe izany no nanandratan’i Jehovah ny anarany sy nanafahany ny Israelita. Nihira i Mosesy sy ny zanak’Israely, rehefa tafita soa aman-tsara teny amin’ny morony atsinanana. I Miriama mpaminanivavy sady anabavin’i Mosesy kosa naka ampongatapaka, ary nitarika an’ireo vehivavy nitondra ampongatapaka sady nandihy. Namaly ny hiran’ireo lehilahy koa izy ireo. (Ek 15:1, 20, 21) Ela ny ela ka afaka tanteraka teo ambany fifehezan’ny fahavalony ny Israelita. Tsy navela hisy hanisy ratsy azy ireo, na olona na biby, tamin’izy ireo niala tany Ejipta. Tsy nisy alika, na iray aza, nierona na nivovò taminy. (Ek 11:7) Tsy resahin’ny Eksodosy hoe niara-maty tamin’ny tafiny tao an-dranomasina i Farao. Ny Salamo 136:15 kosa anefa milaza fa “nanakifika an’i Farao sy ny tafiny ho ao amin’ny Ranomasina Mena” i Jehovah.

Misy fisehoan-javatra mifanitsy aminy atỳ aoriana kokoa. Toy ny zanany no fiheveran’i Jehovah ny firenen’Israely rehefa nafahany avy tany Ejipta, araka ny efa nampanantenainy an’i Abrahama. Nantsoiny hoe “zanako lahimatoa” izy ireo, araka ny nolazainy tamin’i Farao. (Ek 4:22) Hoy i Jehovah tatỳ aoriana: “Fony mbola zaza ny Israely, dia tiako izy. Ary nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.” (Ho 11:1) Tanteraka tamin’ny andron’i Heroda koa io faminaniana momba ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta io. Niala tany Ejipta mantsy i Josefa sy Maria ary Jesosy rehefa maty i Heroda. Nanorim-ponenana tao Nazareta izy ireo avy eo. Nampiharin’i Matio, mpahay tantara, tamin’i Josefa tokoa ilay faminanian’i Hosea. Hoy izy: “Nijanona tany izy mandra-pahafatin’i Heroda, mba hahatanteraka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny hoe: ‘Nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.’”​—Mt 2:15.

Nolazain’ny apostoly Paoly fa anisan’ny zavatra azo akana fianarana ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. (1Ko 10:1, 2, 11) Ilazana an’ohatra zavatra lehibe kokoa àry izy io. Mifanitsy amin’ny Israely ara-nofo ny Israely ara-panahy na Israelin’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly. (Ga 6:15, 16) Niresaka ny amin’ny fiavian’ny mpaminany iray toa azy koa i Mosesy. (De 18:18, 19) Nanantena ireo Jiosy fa ho mpitarika sy mpanafaka lehibe izy io. Nampahafantarin’ny apostoly Petera fa i Jesosy Kristy no ilay mifanitsy amin’i Mosesy. (As 3:19-23) Mifanitsy amin’ny fanafahana ny Israelita tao amin’ny Ranomasina Mena sy ny fandringanana ny tafika ejipsianina àry ny fanafahana ny Israely ara-panahy. Hafahana amin’ireo fahavalony ao Ejipta an’ohatra mantsy ny Israely ara-panahy, amin’ny alalan’ny fahagagana lehibe ataon’i Jesosy Kristy. Halaza hatraiza hatraiza ny anaran’i Jehovah amin’izay fotoana izay, toy ny nanandratany ny anarany rehefa nanao fahagagana teo amin’ny Ranomasina Mena Izy.​—Ek 15:1.