Fanahiana
Teny hebreo maromaro no midika hoe fanahiana na tebiteby. Manana heviny ara-bakiteny, ohatra, ny hoe tsarar, ary nadika hoe ‘fonosina’, “voasembantsembana”, ary ‘tototra.’ (Ek 12:34; Oh 4:12; 26:8) Manana heviny an’ohatra koa izy io hoe “mitebiteby; mafy ny manjo.” (Ge 32:7; 1Sa 28:15) Ny hoe daʼag kosa nadika hoe “mampanahy; mihorohoro.” Iray tarika amin’izy io ilay hoe deʼagah, midika hoe “tebiteby.” (1Sa 9:5; Is 57:11; Oh 12:25) Nadika hoe “fanahiana” ilay teny grika hoe merimna, ary hoe “manahy” ilay matoanteny hoe merimnaô.—Mt 13:22; Lk 12:22.
Manimba ny fahasalamana ny fanahiana. Mety ho kivy be ilay olona ka tsy hahavita na tsy harisika hanao zavatra intsony. Hoy ny Ohabolana 12:25: “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony.” Hoy koa ilay boky hoe Fomba Mampitony, momba ny vokatry ny tebiteby eo amin’ny vatana: “Fantatry ny dokotera fa misy fiantraikany eo amin’ny vatana ny fanahiana. Mety hiakatra (na hidina) ny tosidra; mety hitombo ny isan’ny liofotsy; ary mety hampiova tampoka ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ra ny adrenalinina ao amin’ny aty. Mety hiova koa ny fitepon’ny fo. Hoy ny Dr. Charles Mayo: ‘Misy fiantraikany eo amin’ny fikorianan’ny ra, ny fo, ny fihary, ary ny rafi-pitatitra manontolo ny tebiteby.’”—Nataon’ny Dr. P. Steincrohn sy D. LaFia, 1970, p. 14.
Misy vokany ratsy kokoa anefa ny fanahiana be loatra, satria manimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Mangeja tanteraka ny “tenin’Andriamanitra” ny fanahiana momba ny olana mpitranga eo amin’ny fiainana, hoy i Jesosy Kristy, ka lasa tsy mankasitraka azy io intsony ilay olona. Misakana ny voa tsy haniry sy tsy hamoa ny tsilo. Toy izany koa fa misakana ny olona tsy hamoa eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fanahiana, izany hoe misakana azy tsy hifandray amin’Andriamanitra sy tsy hidera Azy. (Mt 13:22; Mr 4:18, 19; Lk 8:7, 11, 14) Avelany hibahana eo amin’ny fiainany ny fanahiana, ka tsy misy toerana ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra intsony. Tsy hankasitraka azy ireo àry ny Zanak’Andriamanitra rehefa miverina amim-boninahitra, ka ho ringana mandrakizay izy ireo.—Lk 21:34-36.
Tsy voatery ho ratsy foana. Rariny raha manahy isika sao tsy mampifaly an’i Jehovah Andriamanitra, ka tsy hahazo an’ireo fitahiana homeny an’ireo mahafoy tena ho azy. Tokony hahatsapa toy izao izay nanao fahotana lehibe: “Nampiady saina ahy ny fahotako.” (Sl 38:18) Voatosika hiaiky heloka, hibebaka, hiala amin’ilay zava-dratsy nataony ka hiova, ary hihavana indray amin’ny Avo Indrindra àry ilay olona.
Tokony hifampiahy eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo ny Kristianina rehetra. (1Ko 12:25-27) Izany no nahatonga ny apostoly Jaona hanoratra tamin’i Gaio hoe: “Ry malala, mivavaka ho anao aho mba handeha tsara ny zava-drehetra, toy ny hatramin’izay, ary mba ho salama tsara ianao.” (3Jn 2) ‘Nanahy momba ny fiangonana rehetra’ koa ny apostoly Paoly. (2Ko 11:28) Natahotra mafy mantsy izy sao hisy hivadika ireo mpianatry ny Zanak’Andriamanitra.
Ny hoe “manahy ny amin’izay an’ny Tompo” kosa, dia midika hoe mifantoka amin’izay hampandrosoana ny asa nampanaovin’ny Zanak’Andriamanitra. Afaka mifantoka kokoa amin’izany ny Kristianina mpitovo, satria tsy manana vady aman-janaka hokarakaraina ka tsy manahy firy “ny amin’izay an’izao tontolo izao.”—1Ko 7:32-35.
“Manahy ny amin’izay an’izao tontolo izao” kosa ny Kristianina manambady, hoy i Paoly, ka mieritreritra zavatra hafa tsy eritreretin’ny mpitovo. Mety ho tsy ampy ho an’ny fianakaviana iray, ohatra, ny sakafo sy fitafiana ary fialofana ampy ho an’ny olona iray tsy manambady. Mifandray am-po koa ny mpivady, ka rariny raha mieritreritra ny hampifaly ny andaniny ny ankilany rehefa manome izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-panahy. Tsy voatery hoe misy marary na kilemaina na tratran’ny loza tampoka na manana olana hafa ny mpianakavy, nefa tsy maintsy manokana fotoana bebe kokoa amin-javatra “an’izao tontolo izao”, na amin’ny asa aman-draharaha andavanandro, ny mpivady manan-janaka.
Tsy tokony hibahan-toerana be anefa ny asa aman-draharaha, araka ny nohazavain’i Jesosy Kristy tamin’i Marta anabavin’i Lazarosy. Nivahiny tao aminy i Jesosy, ary nanahy be momba izay haroso azy i Marta ka tsy nanam-potoana hihainoana azy. I Maria kosa nifidy “ny tsara kokoa” satria nihaino ny fampianaran’ilay Zanak’Andriamanitra.—Lk 10:38-42.
Aza manahy be loatra. Tsy hanahy be loatra izay matoky fa tia sy miahy an’ireo mpanompony i Jehovah. (Je 17:7, 8) Nilaza toy izany koa i Jesosy Kristy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Hoy izy avy eo: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.” (Mt 6:25-34) Fantatry ny Kristianina fa efa ampy ny olana miseho amin’ny andro tsirairay, ka tsy tokony hampiana fanahiana momba an’izay mety hitranga ny ampitso izany. Mety tsy hitranga mihitsy koa mantsy ilay zavatra mampanahy.
Mety hoentina eo anatrehan’ny manam-pahefana ny Kristianina mba hofotopotorana, rehefa misy fanenjehana. Tsy hanahy anefa izy satria matoky fa hanampy azy Andriamanitra. Hanohana azy amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah, ka ho afaka hitory izy.—Mt 10:18-20; Lk 12:11, 12.
Tokony hivavaka amin’ilay Rainy any an-danitra ny Kristianina, isaky ny misy zavatra mampanahy sy mampiady saina ary mampitebiteby azy. ‘Apetrany amin’i Jehovah izay mampanahy azy’, satria matoky izy fa tena miahy i Jehovah ary hihaino ny vavaka ataony. (1Pe 5:7) Ho tony àry izy satria hiambina ny fony sy ny sainy ny fiadanan’Andriamanitra. Tsy hahatsapa ahiahy na tahotra na horohoro izy ao am-pony lalina ao, ary tsy hiady saina na hikorontan-tsaina.—Fi 4:6, 7.