Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanahy

Fanahy

Avy amin’ny hoe pneô midika hoe “miaina na mitsoka” ny teny grika hoe pneoma (fanahy), ary heverina fa avy amin’ny fototeny mitovy dika amin’izany koa ny teny hebreo hoe roah (fanahy). “Fofonaina” àry no tena hevitry ny hoe roah sy pneoma. (Ampit. Ha 2:19; Ap 13:15.) Ireto koa anefa no mety ho dikany: Rivotra, hery mamelona an’ireo zavaboary, toe-tsaina, fanahy any an-danitra toa an’Andriamanitra sy ny anjely, ary hery ampiasain’Andriamanitra na fanahy masina. (Ampit. Lexicon in Veteris Testamenti Libros nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 877-879; Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 924-926; Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao, nataon’i G. Friedrich, nadikan’i G. Bromiley, 1971, Boky Faha-6, p. 332-451.) Tsy hita maso daholo izy rehetra ireo, nefa misy heriny na misy vokany hita maso.

Midika hoe “fofonaina” koa ny teny hebreo hoe neshamah (Ge 2:7), saingy tsy manana heviny maromaro toy ny an’ny roah. Toa tsy dia maro koa ny dikan’ny teny grika hoe pnôe (As 17:25), izay nampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo mba handikana ny hoe neshamah.

Rivotra. Toa io no hevitry ny hoe roah mora azo indrindra. Midika hoe “rivotra” ny roah ao amin’ny andininy maro, toy ny hoe “rivotra avy any atsinanana” (Ek 10:13), na “rivotra efatra.” (Je 49:36) Porofon’izany ny firesahana momba ny rahona, tafio-drivotra, na akofa entin-drivotra, eo amin’ny teny manodidina. (No 11:31; 1Mp 18:45; 19:11; Jb 21:18) Ilazana ny vazan-tany efatra (atsinanana, andrefana, avaratra, ary atsimo) ny hoe rivotra efatra, ka azo adika koa hoe “lafiny” na “ilany” ny roah indraindray.​—1Ta 9:24; Je 52:23; Ezk 42:16-20.

Milaza ny Joba 41:15, 16 fa mifanindry tsara ny kiran’ny voaibe ka “tsy tafiditry ny rivotra [veroah] eny anelanelany.” Rivotra mivezivezy ilay hoe roah eo. Hery tsy hita maso àry no tena tiana holazaina amin’ny teny hebreo hoe roah.

Ao amin’ny Jaona 3:8 ihany ny pneoma no midika hoe “rivotra”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

Tsy afaka mifehy na misambotra rivotra na manova ny lalan’ny rivotra ny olona. Matetika àry no ilazana zavatra tsy hain’ny olona fehezina na tratrarina ny “rivotra [roah]”, izany hoe zavatra mihelina, na zava-poana tsy mahasoa. (Ampit. Jb 7:7; 8:2; Oh 11:29; 27:15, 16; 30:4; Mpto 1:14, 17; 2:11; Is 26:18; 41:29.) Manazava bebe kokoa momba izany ilay lahatsoratra hoe RIVOTRA.

Ireo any an-danitra. Tsy hita maso (Ek 33:20; Jn 1:18; 1Ti 1:17) ilay Andriamanitra velona, ary tsy misy mahery noho izy eran’izao rehetra izao. (2Ko 3:3; Is 40:25-31) Hoy i Kristy Jesosy: “Andriamanitra dia Fanahy [Pneoma].” (Jn 4:24) Hoy koa ny apostoly Paoly: “I Jehovah no ilay Fanahy.” (2Ko 3:17, 18) “Toerana honenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny” ny tempoly ara-panahy naorina teo ambonin’i Kristy, ilay vato fehizoro.​—Ef 2:22.

Tsy midika anefa izany hoe toy ny rivotra fotsiny Andriamanitra. Asehon’ny Baiboly fa tena misy izy ary manana fonenana. Afaka nilaza àry i Kristy hoe ‘ho any amin’ny Rainy’, mba ‘hiseho eo anatrehan’Andriamanitra [a.b.t.: eo anatrehan’ny tavan’Andriamanitra] ho antsika.’​—Jn 16:28; He 9:24; ampit. 1Mp 8:43; Sl 11:4; 113:5, 6; jereo JEHOVAH (Ny mombamomba an’i Jehovah).

Mety hidika hoe “Izaho ilay Fanahy” ilay tenin’Andriamanitra hoe “ny fanahiko” (rohi), ao amin’ny Genesisy 6:3 (f.a.p.). Tiany holazaina amin’izany fa fanahy any an-danitra izy, fa tsy hoatran’ny olombelona eto an-tany.

Zanak’Andriamanitra. ‘Fanahy tahaka an-dRainy’ ilay ‘zanany lahitokana’, na ny Teny. (Fi 2:5-8) “Tonga nofo” izy ary niara-nonina tamin’ny olona. (Jn 1:1, 14) “Nofo izy rehefa novonoina” ho faty, “fa fanahy kosa rehefa novelomina.” (1Pe 3:18) Natsangan’ny Rainy tamin’ny maty ilay Zanany ary nomeny voninahitra teo anilany, dia ilay voninahitra nananany talohan’ny naha olombelona azy, araka ny fangatahany. (Jn 17:4, 5) Nataon’Andriamanitra “fanahy mahavelona” koa izy. (1Ko 15:45) Lasa fanahy tsy hita maso indray àry ilay Zanaka, ary mitoetra “ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina. Koa tsy misy olona mahita azy na mahajery azy.”​—1Ti 6:14-16.

Anjely. Roah na pneoma no ilazana ny anjely ao amin’ny andininy maro (1Mp 22:21, 22; Ezk 3:12, 14; 8:3; 11:1, 24; 43:5; As 23:8, 9; 1Pe 3:19, 20), saingy fanahy ratsy na demonia ny ankamaroan’ireo resahin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Mt 8:16; 10:1; 12:43-45; Mr 1:23-27; 3:11, 12, 30.

Milaza ny Salamo 104:4 hoe: “Manao ny anjeliny ho fanahy [Andriamanitra], ary ireo mpanompony ho afo mandevona.” Misy Baiboly manao hoe: “Manao ny rivotra ho irany sy ny lelafo ho mpanompony” Andriamanitra, na mitovitovy amin’izany. (Prot., Kat., JM) Mety ho marina io dikan-teny io. (Ampit. Sl 148:8.) Naverin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 1:7 anefa ny Salamo 104:4, ary hita fa anjely no voaresaka ao. Izany koa no mifanaraka amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. (Eo alohan’ny hoe “anjely”, fa tsy hoe “fanahy [pneomata]”, ilay mpanoritra tos ao amin’ny Hebreo 1:7 amin’ny soratra grika, ka ny anjely no tiana horesahina eo.) Hoy ny Fanamarihan’i Barnes Momba ny Testamenta Vaovao (1974): “Nahay tsara ny teny hebreo [i Paoly], ka azo inoana fa nahalala tsara kokoa ny firafitry ny fehezanteny [ao amin’ny Salamo 104:4], raha oharina amintsika. Nahay ny teny sy haisoratra hebreo koa ireo olona nanoratany, ka azo antoka fa nampiasainy araka izay fomba nahazoan’izy ireo azy ilay andininy tao amin’ny fanazavana nomeny.”​—Ampit. He 1:14.

Afaka mitafy nofo sy miseho amin’ny olona ny anjelin’Andriamanitra. Tsy nofo aman-dra anefa izy ireo, ka tsy hita maso. Velona izy ireo ary manana hery lehibe. Mety tsara hilazana azy ireo koa àry ny hoe roah sy pneoma.

Resahin’ny Efesianina 6:12 fa “tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra” ny Kristianina, “fa amin’ireo fanjakana sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” Toy izao ilay tapany farany, raha adika ara-bakiteny ny teny grika: “Amin’ireo (zavatra) ara-panahin’ny [gr.: pneomatika] faharatsiana eny amin’ny lanitra.” Tsy ny “faharatsiana ara-panahy” (JM) izy io, fa ny faharatsiana ataon’ny zavaboary ara-panahy, araka ny hita ao amin’ny Baiboly maro ankehitriny. Misy àry Baiboly manao hoe: “Fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Prot.), “fanahy ratsy eny ambony eny” (Kat.), “ireo hery mifehy ny sehatry ny haizina” (DIEM).

Fanahy masina, na hery ampiasain’Andriamanitra. Amin’ny ankapobeny, dia ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny hery ampiasainy, no lazaina hoe roah na pneoma.

Tsy Andriamanitra. Efa tamin’ny taonjato fahefatra ny Eglizy vao nampianatra hoe anisan’ny Andriamanitra telo izay iray ny fanahy masina. Tsy nampianatra an’izany anefa ireo ‘rain’ny eglizy.’ Nilaza, ohatra, i Justin Maritiora (taonjato faharoa) fa ‘hery na fomba ampiasain’Andriamanitra’ ny fanahy masina. Nilaza koa i Hippolyte fa tsy Andriamanitra izy io. Ny Soratra Masina iray manontolo koa milaza fa hery ampiasain’Andriamanitra hanatanterahana ny fikasany sy ny sitrapony ny fanahy masina, fa tsy Andriamanitra.

Ahitana teny hoe “any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka”, ao amin’ny 1 Jaona 5:7 (Kat.), ary ao anatin’ny fononteny mahitsy izy ireo. Teny nasisika tatỳ aoriana anefa izy ireo. Hoy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ilay andininy, ao amin’io Baiboly io: “Ny teny anatin’ny [] dia tsy hita amin’ny teny greka sady tsy fantatry ny Ray masina, ka tokony ho teny tafasisika.” Resahin’ny Fanazavana ny Testamenta Vaovao Grika (nataon’i Bruce Metzger, 1975, p. 716-718) ny nahatonga an’ireo teny nasisika ireo. Hazavainy fa tao amin’ilay asa soratra hoe Liber Apologeticus tamin’ny taonjato fahefatra no nahitana azy ireo voalohany, avy eo tao amin’ny sora-tanana tamin’ny fiteny latinina fahiny sy tao amin’ny Vulgate, nanomboka tamin’ny taonjato fahenina. Tsy ahitana azy ireo intsony anefa ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina, satria fantatr’ireo mpandika teny fa teny nasisika izy ireo.​—Prot., DIEM, Fiainana Feno.

Tsy olona. Nolazain’i Jesosy hoe “mpanampy”, ‘mampianatra’, ‘manome porofo’, ‘mitari-dalana’, ‘miteny’, ‘mahare’, ary “mahazo” zavatra ny fanahy masina. Mpisolo tena manondro lahy koa no nampiasainy indraindray niaraka tamin’ny hoe “mpanampy” (fanahy masina). (Ampit. Jn 14:16, 17, 26; 15:26; 16:7-15.) Tsy ny fanahy masina ihany anefa no lazain’ny Baiboly ho toy ny olona, fa ny fahendrena koa. (Oh 1:20-33; 8:1-36) Manondro vavy ny mpisolo tena nilazana ny fahendrena tao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany, sy ao amin’ny Baiboly frantsay maro (Sg, Da, TOB). Lazain’ny Matio 11:19 koa fa misy zavatra ‘ataon’ny’ fahendrena, ary resahin’ny Lioka 7:35 fa manana ‘zanaka’ izy io. Nolazain’i Paoly kosa fa ‘manjaka’ ny ota sy ny fahafatesana ary ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa. (Ro 5:14, 17, 21; 6:12) ‘Mahita hirika hampisy fitsiriritana’ ny ota, hoy izy, ‘mahita hirika hamitahana’ ary ‘mamono.’ (Ro 7:8-11) Tsy te hilaza anefa i Paoly hoe olona ny ota.

Tokony hodinihina àry ny teny manodidina, mba hahafantarana hoe nahoana no nolazain’i Jesosy ho toy ny olona ny fanahy masina (toy ny nataon’i Paoly momba ny ota). Nampiasa ny teny grika hoe parakletôs amin’ny endriny milaza lahy i Jesosy, rehefa nilaza hoe “mpanampy” ny fanahy masina. Mety àry raha mpisolo tena manondro lahy no nampiasain’i Jaona tamin’izy nilaza ny tenin’i Jesosy momba an’io “mpanampy” io. Indraindray koa anefa mpisolo tena milaza zavatra no nampiasain’i Jaona miaraka amin’ny teny grika hoe pneoma, mba hilazana ny fanahy masina. Nanaraka ny fitsipi-pitenenana grika fotsiny àry i Jaona, fa tsy nanazava foto-pinoana akory.​—Jn 14:16, 17; 16:7, 8.

Tsy misy anavahana azy. Fanahy Andriamanitra, ary masina. Fanahy koa ny anjeliny tsy mivadika rehetra, ary masina. Tokony ho hita ao amin’ny Baiboly àry hoe miavaka amin’ireo ‘fanahy masina’ hafa rehetra ireo ny fanahy masina. Tsy misy an’izany anefa ao amin’ny soratra grika tany am-boalohany, rehefa jerena ny ankamaroan’ny andinin-teny miresaka momba ny “fanahy masina.”​—Ampit. As 6:3, 5; 7:55; 8:15, 17, 19; 9:17; 11:24; 13:9, 52; 19:2; Ro 9:1; 14:17; 15:13, 16, 19; 1Ko 12:3; He 2:4; 6:4; 2Pe 1:21; Jd 20.

Atao batisa amin’ny ‘anarany.’ Resahin’ny Matio 28:19 fa tokony hatao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” ny olona. Tsy voatery ho anaran’olona foana ilay hoe “amin’ny anaran’ny.” Fiteny ihany, ohatra, ny hoe manao zavatra “amin’ny anaran’ny fanjakana”, nefa tsy hoe olona ny fanjakana. Ny fahefan’ny fanjakana kosa no tiana holazaina amin’izany. Mety hanana heviny hoe fahefana koa ny teny grika hoe ônôma nadika hoe “anarana.” Nohazavain’ny manam-pahaizana iray momba ny teny grika toy izao ny Matio 28:19: “Ilazana fahefana eo ny hoe anarana (ônôma), toy ny fahita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ao amin’ireo taratasy papyrus.” (Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao, nataon’i Robertson, 1930, Boky I, p. 245) Eken’ireo atao batisa “amin’ny anaran’ny fanahy masina” àry fa hery avy amin’Andriamanitra izy io, ary ampiasainy mifanaraka amin’ny sitrapony.

Porofo hafa hoe tsy Andriamanitra ny fanahy masina. Misy porofo hafa koa fa tsy Andriamanitra ny fanahy masina. Resahina miaraka amin’ny rano sy afo (Mt 3:11; Mr 1:8), ohatra, izy io. Voalaza koa fa atao batisa “amin’ny fanahy masina” ny Kristianina. (As 1:5; 11:16) Ampirisihina ho “feno fanahy masina”, fa tsy hiboboka divay ny olona. (Ef 5:18) “Feno” fanahy masina tokoa ny olona sasany, sady feno fahendrena sy finoana (As 6:3, 5; 11:24) ary fifaliana (As 13:52). Tanisaina miaraka amin’ny toetra tsara hafa maromaro koa ny fanahy masina. (2Ko 6:6) Tsy mety ho Andriamanitra àry izy io. Marina fa voalaza hoe ‘vavolombelona manambara’ ny fanahy (As 5:32; 20:23), nefa toy izany koa ny rano sy ra. (1Jn 5:6-8) Voalaza koa fa ‘nanambara’, na “nilaza” zavatra ny fanahy masina, nefa asehon’ny andininy hafa fa tamin’ny alalan’ny olona no nitenenany satria tsy mahay miteny ny fanahy masina. (Ampit. He 3:7; 10:15-17; Sl 95:7; Je 31:33, 34; As 19:2-6; 21:4; 28:25.) Azo oharina amin’ny onjam-peo mampita ny feon’ny olona miteny amin’ny mikrô ny fanahy masina. Ren’ny olona any lavitra ilay feo rehefa ampitain’ny onjam-peo amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo. Ampitain’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny ho ao an-tsaina sy ao am-pon’ny mpanompony etỳ an-tany koa ny teniny, ary izy ireo indray avy eo no mampita izany amin’ny olon-kafa.

Tsy hery tsotra fotsiny. Ny hery tsy hita maso ampiasain’Andriamanitra hanatanterahana ny fikasany sy ny sitrapony àry ny roah sy pneoma, rehefa ilazana ny fanahy masina. “Masina” izy io satria avy aminy, fa tsy avy eto an-tany, ka tsy misy loto, ary antsoina koa hoe “fanahin’ny fahamasinana.” (Ro 1:4, Prot.) Voatonona miaraka amin’ny hoe “hery” (heb.: kôah; gr.: dynamis) ny hoe roah na pneoma, indraindray. Midika izany fa misy ifandraisany izy ireo, nefa koa samy hafa. (Mi 3:8; Za 4:6; Lk 1:35; As 10:38) Ny hoe kôah sy dynamis mantsy hery mbola tsy miteraka asa fa miandry hampiasaina. Ny hoe roah sy pneoma kosa hery ampiasaina sy ampiharina amin’ny olona na zavatra ka miteraka asa na fiovana na fihetsehana. Azo oharina amin’ny angovo ao anatin’ny pila ny kôah sy dynamis, fa ny roah sy pneoma kosa azo oharina amin’ny herinaratra avy amin’ilay pila.

Nampiasaina tamin’ny famoronana. Tamin’ny alalan’ny fanahiny na ny hery ampiasainy no namoronan’i Jehovah an’izao rehetra izao. “Nivezivezy teny ambonin’ny rano ny hery ampiasain’Andriamanitra [na “fanahiny” (roah)]”, tamin’izy vao nanamboatra kelikely ny Tany. (Ge 1:2) Hoy ny Salamo 33:6: “Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra, ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.” Toy ny fofonaina mahery ny fanahin’Andriamanitra, ka azony alefa amin’izay tiany hampiasana hery na dia tsy kasihiny akory aza. (Ampit. Ek 15:8, 10.) Mampiasa ny tanany sy ny rantsantanany ny mpanao asa tanana rehefa manao zavatra, fa mampiasa ny fanahiny kosa Andriamanitra. Izany no antony ilazana hoe ‘tanan’Andriamanitra’ na ‘rantsantanany’ ny fanahiny.​—Ampitahao ny Sl 8:3; 19:1; Mt 12:28 sy ny Lk 11:20.

Lazain’ny mpahay siansa fa misy angovo ao anatin’ny zavatra hita maso. Lazainy koa fa “azo avadika ho angovo ny zavatra, ary ny angovo koa azo avadika ho zavatra.” (Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, 1987, Boky Faha-13, p. 246) Vao ampahany kely amin’izao rehetra izao midadasika noforonin’i Jehovah Andriamanitra no hitantsika. Manampy antsika anefa izany hiaiky fa manana angovo be dia be izy. Hoy i Isaia: “Iza no mahavita mandrefy ny fanahin’i Jehovah?”​—Is 40:12, 13, 25, 26.

Nampisy ny zavamiaina, nahafahana niteraka. Nanjary nisy koa ny zavamiaina noho ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah. Izy io mantsy no nampiasainy mba hamoronana an’ireo zavamananaina voalohany, izay niavian’ny zavamananaina rehetra ankehitriny. (Ampit. Jb 33:4; jereo ny lohatenikely hoe “Fofonaina; hery mamelona”, ato amin’ity lahatsoratra ity.) Nampiasa ny fanahiny masina i Jehovah rehefa novelominy indray ny vatan’i Abrahama sy Saraha mba ho afaka hiteraka. Azo lazaina àry hoe “nateraka araka ny fanahy” i Isaka. (Ga 4:28, 29) Tamin’ny alalan’ny fanahiny koa no namindran’Andriamanitra ny ain’ny Zanany tany an-danitra ho ao an-kibon’i Maria virjiny jiosy.​—Mt 1:18, 20; Lk 1:35.

Anampian’Andriamanitra ny mpanompony. Afaka mampahafanta-javatra sy manazava hevitra ny fanahin’Andriamanitra. Nivavaka àry i Davida hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho, fa ianao no Andriamanitro. Tsara ny fanahinao, ka enga anie izy io hitarika ahy, ao amin’ny tanin’ny fahitsiana!” (Sl 143:10) Afaka nanazava ny hevitry ny nofin’i Farao i Josefa, noho ny fanampian’Andriamanitra. Niaiky àry ilay mpanjaka fa niasa tamin’i Josefa ny fanahin’Andriamanitra. (Ge 41:16, 25-39) Tena niasa tamin’ireo mpaminany koa ny fanahy masina. Nilaza i Petera fa tsy avy tamin’ny hevitr’olona ny faminaniana, na avy tamin’ny fahaizan’izy ireo manazava ny dikan’ny zava-mitranga na ny fahaizany maminavina ny hoavy. ‘Notarihin’ny fanahy masina’ kosa ny mpaminany, izany hoe niasa tamin’izy ireo ilay hery ampiasain’Andriamanitra. (2Pe 1:20, 21; 2Sa 23:2; Za 7:12; Lk 1:67; 2:25-35; As 1:16; 28:25; jereo FAMINANIANA; MPAMINANY.) “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” (gr.: teôpneostôs, a.b.t.: avy amin’ny fofonain’Andriamanitra) àry ny Soratra Masina iray manontolo. (2Ti 3:16) Maro samihafa ny fomba niasan’ny fanahy tamin’ny mpaminany: Nampita hafatra taminy, nitari-dalana azy, na nahatonga azy hahita fahitana na hanonofy. (Ezk 37:1; Jl 2:28, 29; Ap 4:1, 2; 17:3; 21:10) Nisy heriny teo amin’ny sainy sy ny fony foana koa anefa ny fanahy masina, ka nanosika sy nitarika azy hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.​—Da 7:1; As 16:9, 10; Ap 1:10, 11; jereo FANAHY, AVY AMIN’NY.

Sady mampahafantatra sy manazava ny atao hoe sitrapon’Andriamanitra ny fanahiny, no manome hery an’ireo mpanompony hanao zavatra mifanaraka amin’izany sitrapony izany. Manosika sy manentana azy ireo hanao zavatra io fanahy io. Nilaza i Marka fa “nentanin’ny” fanahy masina ho any an-tany efitra i Jesosy rehefa avy natao batisa. (Mr 1:12; ampit. Lk 4:1.) Toy ny ‘afo’ ao anatin’ny mpanompon’Andriamanitra ny fanahy masina, ka lasa ‘arehitry ny fanahy’ izy (1Te 5:19; As 18:25; Ro 12:11), izany hoe teren’ny fanahy hanao zavatra. (Ampit. Jb 32:8, 18-20; 2Ti 1:6, 7.) Mahazo ny “herin’ny fanahy” na “hery avy amin’ny fanahiny” àry izy. (Lk 2:27; Ef 3:16; ampit. Mi 3:8.) Tsy toy ny hoe entin-javatra fotsiny anefa izy ka tsy mahalala izay ataony, fa miasa amin’ny sainy sy ny fony ny fanahy ka eken’ny sainy ny hanao zavatra mifanaraka amin’ny fiasan’ilay fanahy. Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza fa “tokony ho hain’ny mpaminany ny mifehy ny fanomezan’ny fanahy haminany” eo anivon’ny fiangonana, mba hilamina tsara ny zava-drehetra.​—1Ko 14:31-33.

Fomba fiasany. Azo ampiasaina hampandehanana zavatra maro samihafa ny herinaratra. Toy izany koa fa mahatonga ny olona ho afaka hanao zavatra maro samihafa ny fanahin’Andriamanitra. (Is 48:16; 61:1-3) Hoy i Paoly momba ny fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy tamin’ny androny: “Misy fanomezana maro samihafa, nefa iray ihany ny fanahy. Ary misy fanompoana maro samihafa, nefa iray ihany ny Tompo. Misy asa maro samihafa, nefa iray ihany no Andriamanitra manatontosa azy rehetra amin’ny olona rehetra. Miharihary eo amin’ny tsirairay ny fomba fiasan’ny fanahy mba handraisan-tsoa.”​—1Ko 12:4-7.

Manampy ny olona hahay hiantsoroka andraikitra na hahay asa iray ny fanahy. Efa nahay asa tanana i Bezalila sy Oholiaba, talohan’ny nanendrena azy hanao an’ireo fitaovana ho an’ny tranolay masina sy ireo akanjon’ny mpisorona. ‘Nofenoina’ ny fanahin’Andriamanitra anefa izy roa lahy, ka ‘nanana fahendrena sy fahiratan-saina ary fahalalana’ hoenti-manao an’ilay asa araka izay nokasain’Andriamanitra azy. Nampitomboin’ny fanahy masina ny talenta sy fahalalana efa nananan’izy ireo, ka afaka nampianatra olon-kafa koa izy ireo. (Ek 31:1-11; 35:30-35) Teo ambany herin’ny fanahy masina koa i Davida no nomena ny planin’ny tempoly, ka afaka nanomana zavatra be dia be hanatanterahana an’ilay tetikasa fanorenana izy.​—1Ta 28:12.

Niasa tamin’i Mosesy koa ny fanahin’Andriamanitra, ka afaka naminany sy nanao fahagagana maro izy, sady afaka nitarika sy nitsara ny firenen’Israely. Mifanitsy tsara aminy àry i Kristy Jesosy. (Is 63:11-13; As 3:20-23) Tsy lavorary anefa i Mosesy ka tsapany ho tena navesatra ny andraikiny. ‘Nakan’Andriamanitra [àry] ny fanahy tao amin’i Mosesy ka nataony tao amin’ireo anti-panahy 70’, mba hahafahan’izy ireo hanampy an’i Mosesy. (No 11:11-17, 24-30) Niasa tamin’i Davida koa ny fanahy masina, taorian’ny nanosoran’i Samoela azy ho mpanjaka. Nitari-dalana azy sy nanomana azy ho lasa mpanjaka izy io.​—1Sa 16:13.

“Feno fanahim-pahendrena” i Josoa mpandimby an’i Mosesy. Tsy nahay naminany sy nanao fahagagana hoatran’ny vitan’i Mosesy izy (De 34:9-12), kanefa afaka nitarika an’ireo Israelita hanafika sy handresy an’i Kanana. “Tonga” tamin’ny lehilahy sasany koa ny fanahin’i Jehovah, ka “nanentana” azy hiady ho an’ny vahoakany. Anisan’ireny i Otniela, Gideona, Jefta, ary Samsona.​—Mpts 3:9, 10; 6:34; 11:29; 13:24, 25; 14:5, 6, 19; 15:14.

Nahatonga ny olona ho sahy hitory tamin’ny mpanohitra sy ho be herim-po ny fanahin’Andriamanitra, na dia notandindomin-doza aza ny ain’izy ireo.​—Mi 3:8.

‘Andatsahan’Andriamanitra’ ny fanahiny izay olona ankasitrahany, ka mahazo fitahiana sy soa be dia be.​—Ezk 39:29; Is 44:3, 4.

Mitsara sy mampihatra didim-pitsarana. Ny fanahin’Andriamanitra koa no ampiasainy hitsarana olona sy firenena ary hampiharana ny didim-pitsarany, ohatra hoe hanasaziana na handringanana. (Is 30:27, 28; 59:18, 19) Toy ny hoe ‘nampifofofofo tafio-drivotra’ i Jehovah rehefa nanao izany, noho ny fahavinirany. Mety àry ny nandikana ny roah hoe “rivotra mifofofofo.” (Ezk 13:11, 13; ampit. Is 25:4; 27:8.) Tonga hatraiza hatraiza ny fanahin’Andriamanitra, ka afaka manampy an’ireo tiany na manasazy an’izay manohitra azy.​—Sl 139:7-12.

Resahin’ny Apokalypsy 1:4 fa eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny “fanahy fito.” Misy hafatra “lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana” fito ka tokony ‘hohenoina.’ (Ap 2:7, 11, 17, 29; 3:6, 13, 22) Mirakitra fanamelohana mampisaintsaina sy fampanantenana valisoa ho an’izay tsy mivadika ireo hafatra ireo. Manana an’ireo “fanahy fiton’Andriamanitra” ny Zanak’Andriamanitra (Ap 3:1), ary ireo fanahy ireo no “jiro fito” (Ap 4:5) na maso fiton’ilay zanak’ondry efa novonoina ho faty. “Tsy inona ireo maso ireo fa ny fanahy fiton’Andriamanitra irahina maneran-tany.” (Ap 5:6) Isa feno ny isa fito, ao amin’ny faminaniana hafa. (Jereo ISA.) Midika izany fa mahay mandinika sy manavaka tanteraka i Jesosy Kristy nomem-boninahitra, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, ka afaka manara-maso ny tany manontolo.

Ny Tenin’Andriamanitra no “sabatry” ny fanahy (Ef 6:17) ka mampiharihary an’izay tena maha izy ny olona iray, izany hoe izay tena ao am-pony sy tena toetrany. Rehefa mamaky azy io izy, dia mety hiova fo ka hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, na mety hanamafy ny fony ka vao mainka hikomy. (Ampit. He 4:11-13; Is 6:9, 10; 66:2, 5.) Mirakitra fanamelohana ho an’izay manamafy ny fony àry ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy ho tanteraka ilay fanamelohana, ka ho toy ny afo mandoro mololo na ho toy ny marotoan’ny mpanefy manapotipotika harambato ny vokany. (Je 23:28, 29) I Kristy Jesosy, ilay “Tenin’Andriamanitra” na Mpitondra Teny Lehibe Indrindra ampiasainy, no manambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Mahazo alalana hampihatra izany koa izy, matoa izy handringana ny fahavalon’Andriamanitra “amin’ny fofonain’ny [fanahin’ny] vavany.”​—Ampit. 2Te 2:8; Is 11:3, 4; Ap 19:13-16, 21.

“Mpanampy” ho an’ny fiangonana. Nangataka ny fanahy masina tamin-dRainy i Jesosy rehefa niakatra tany an-danitra, araka ny efa nampanantenainy. Nahazo alalana hampiasa an’io fanahy io izy, ka ‘nandatsaka’ azy io tamin’ireo mpianany tamin’ny Pentekosta. Nandatsahany an’io fanahy io koa ireo nibebaka sy nino azy tatỳ aoriana ka niverina tamin’Andriamanitra. (Jn 14:16, 17, 26; 15:26; 16:7; As 1:4, 5; 2:1-4, 14-18, 32, 33, 38) Efa natao batisa tamin’ny rano izy ireo, fa ny fanahy masina kosa izao no “nanaovana batisa” azy, “mba ho vatana iray ihany” izy ireo. Feno fanahy masina izy ireo, toy ny vy natao tao anaty sahan’andriamby ka lasa feno herin’andriamby koa. (1Ko 12:12, 13; ampit. Mr 1:8; As 1:5.) Efa niasa tamin’izy ireo ny fanahin’Andriamanitra, matoa izy ireo afaka namoaka demonia. (Ampit. Mt 12:28; Mr 3:14, 15.) Vaovao anefa ny fomba fiasan’ny fanahy tamin’izy ireo izao, ary mahery kokoa sy maro kokoa.​—Ampit. Jn 7:39.

Manana ny “fanahy manome fahendrena sy fahiratan-tsaina sy torohevitra sy hery sy fahalalana, ary tahotra an’i Jehovah” i Kristy Jesosy, ilay Mesia Mpanjaka. (Is 11:1, 2; 42:1-4; Mt 12:18-21) Ny fanahin’Andriamanitra àry no ampiasainy hitarihana ny fiangonan’Andriamanitra eto an-tany hanao ny tsara, satria izy no voatendry ho Lohan’ny fiangonana sy Tompony. (Kl 1:18; Jd 4) Nomeny an’io “mpanampy” io ny mpianany, ka nahatakatra tsara kokoa ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany ary ny hevitry ny faminaniana. (1Ko 2:10-16; Kl 1:9, 10; He 9:8-10) Nahazo hery ho vavolombelona eran-tany izy ireo. (Lk 24:49; As 1:8; Ef 3:5, 6) Nahazo “fanomezana” mahagaga ‘avy amin’ny fanahy’ koa izy ireo, ka afaka nitory tamin’ny fiteny samihafa sy naminany sy nanasitrana ary nanao zavatra maro hafa nanamora ny fitoriany ny vaovao tsara. Porofo izany fa nirahin’Andriamanitra sy nampiany izy ireo.​—Ro 15:18, 19; 1Ko 12:4-11; 14:1, 2, 12-16; ampit. Is 59:21; jereo FANOMEZANA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA (Fanomezan’ny fanahy).

Mpiandraikitra ny fiangonana koa i Jesosy ka nampiasa ny fanahy rehefa nifidy lehilahy hamita iraka manokana, na hiandraikitra sy hampianatra ary ‘hanitsy’ ny fiangonana. (As 13:2-4; 20:28; Ef 4:11, 12) Nandrisika an’ireo lehilahy ireo izy, ary nametra hoe aiza ihany izy ireo no tokony hitory. (As 16:6-10; 20:22) Nampiany koa izy ireo hahay hanoratra ny ‘taratasin’i Kristy, nosoratana tamin’ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ny takelaka nofo, dia ny fo.’ (2Ko 3:2, 3; 1Te 1:5) Nampanantenaina izy ireo fa hampian’ny fanahy hahatsiaro an’izay nampianarina azy sy hahay hisaina ary ho sahy hitory eo anatrehan’ny mpitondra. Izany tokoa no nitranga.​—Ampit. Mt 10:18-20; Jn 14:26; As 4:5-8, 13, 31; 6:8-10.

Izy ireo no “vato velona” nanorenana tempoly ara-panahy mifototra amin’i Kristy. Ao amin’io tempoly io no anolorana “sorona ara-panahy” (1Pe 2:4-6; Ro 15:15, 16) sy anaovana hira momba an’Andriamanitra (Ef 5:18, 19) ary itoeran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny. (1Ko 3:16; 6:19, 20; Ef 2:20-22; ampit. Hg 2:5.) Hery lehibe tena mampiray ny fanahin’Andriamanitra, ka nahatonga ny Kristianina hifankatia sy hahafoy tena ho an’Andriamanitra sy ny Zanany ary ho an’ny Kristianina namany, raha mbola nanaiky hiasan’ny fanahy foana izy ireo. (Ef 4:3-6; 1Jn 3:23, 24; 4:12, 13; ampit. 1Ta 12:18.) Tsy lasa nahay nanao asa tanana sy nanamboatra fitaovana toa an’i Bezalila sy ny olon-kafa akory ny Kristianina. Lasa nahay nampianatra sy nitari-dalana sy nanoro hevitra ary niandry ny ondrin’Andriamanitra kosa izy ireo, noho ny fanampian’ny fanahy. Niezaka namokatra ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra izy ireo, toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, ary finoana” mba hahatsara tarehy an’ilay tempoly ara-panahy. Izany vokatry ny fanahy izany sy ny toetra tsara hafa no porofo fa niasa tamin’izy ireo ny fanahin’Andriamanitra. (Ga 5:22, 23; ampit. Lk 10:21; Ro 14:17.) Nahay nandamin-javatra sy nahazo tari-dalana tsara àry izy ireo. (Ga 5:24-26; 6:1; As 6:1-7; ampit. Ezk 36:26, 27.) Nanaraka ny “lalàn’ny fanahy” izy ireo, ka nahazo hery hanaovana izay tsara sy hanoherana ny asan’ny nofo mpanota. (Ro 8:2; Ga 5:16-21; Jd 19-21) Nitoky tamin’ny fanahin’Andriamanitra niasa tao aminy izy ireo, fa tsy nitoky tamin’ny nofo na ny fahaizany.​—1Ko 2:1-5; Ef 3:14-17; Fi 3:1-8.

Nanampy an’ireo mpianatra hanapa-kevitra koa ny fanahy rehefa nisy fanontaniana, toy ilay fanontaniana momba ny famorana nalefa tany amin’ny apostoly sy anti-panahy tany Jerosalema. Nilaza i Petera tamin’izay fa nomena ny fanahy ireo hafa firenena tsy voafora. I Paoly sy Barnabasy kosa nitantara ny fiasan’ny fanahy tamin’ny hafa firenena nitoriany. I Jakoba indray nampian’ny fanahy masina hitadidy ny faminanian’i Amosa hoe hantsoina amin’ny anaran’Andriamanitra ny hafa firenena. Samy notarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra àry izy ireo hiombon-kevitra, ka hanoratra an’izao fanapahan-keviny izao: “Fa sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto.”​—As 15:1-29.

Manosotra sy manome ‘fiainana ara-panahy.’ Nohosoran’Andriamanitra ny fanahy masina i Jesosy tamin’izy natao batisa. (Mr 1:10; Lk 3:22; 4:18; As 10:38) Nohosorany ny fanahy masina koa ny mpianatr’i Jesosy. Izany no “antoka” ho azy ireo fa voantso hahazo lova any an-danitra izy ireo. (2Ko 1:21, 22; 5:1, 5; Ef 1:13, 14) Izany koa no nanaporofo tamin’izy ireo fa ‘naterak’Andriamanitra’ ho zanany izy ireo, ka nanantena ny ho lasa zavaboary any an-danitra. (Jn 3:5-8; Ro 8:14-17, 23; Tit 3:5; He 6:4, 5) Nodiovina izy ireo, nohamasinina, ary nambara ho marina “tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.” Io fanahy io no nahatonga an’i Jesosy ho afaka hanolotra ny sorom-panavotana sy ho lasa mpisoronaben’Andriamanitra.​—1Ko 6:11; 2Te 2:13; He 9:14; 1Pe 1:1, 2.

‘Fiainana ara-panahy’ no iainan’ny Kristianina voahosotry ny fanahy, izany hoe tarihin’ny fanahy izy na dia mbola olombelona tsy lavorary eto an-tany aza, satria voantso hahazo lova any an-danitra. Antsoin’izy ireo hoe “Raintsika ara-panahy [a.b.t.: Rain’ny fanahy]” àry i Jehovah Andriamanitra, izay nolazain’i Paoly fa mihoatra noho ny ray olombelona. (He 12:9; ampit. and. 23.) Mpiara-mandova amin’i Kristy ireo voahosotra, ka hatsangana ho any an-danitra ary hanana vatana ara-panahy toy ny azy. Tokony ‘hiray saina’ amin’i Kristy izay Lohany àry izy ireo raha mbola eto an-tany, ka tsy hamela ny fanirian-dratsin’ny nofony hibaiko azy sao ho lasa “nofo iray ihany” izy ireo sy ny mpivaro-tena.​—1Ko 6:15-18; 15:44-49; Ro 8:5-17.

Fomba ahazoana sy ananana azy io foana. “Fanomezana maimaim-poana” ny fanahy masina, ary omen’Andriamanitra amim-pifaliana an’izay mitady sy mangataka azy io amim-pahatsorana. (As 2:38; Lk 11:9-13) Izay manana toe-po tsara (As 15:8) sy mahalala ary manao izay takin’Andriamanitra no mahazo azy io. (Ampit. As 5:32; 19:2-6.) Tokony hitandrina ny Kristianina efa nahazo ny fanahin’Andriamanitra sao “hampalahelo” azy io (Ef 4:30; ampit. Is 63:10) ka hanohitra na tsy hiraharaha ny tari-dalany, hanatratra tanjona mifanohitra amin’izay itarihany azy, na handa ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (As 7:51-53; 1Te 4:8; ampit. Is 30:1, 2.) Mety “hamitaka” an’io fanahy itarihan’i Kristy ny fiangonana io ireo mihatsaravelatsihy. ‘Mitsapa toetra’ ny fanahy anefa izy ireo ka hahita loza. (As 5:1-11; ampifan. Ro 9:1.) Manevateva ny fanahy ireo minia manohitra sy mikomy amin’ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra. Ota tsy ahazoana famelan-keloka izany.​—Mt 12:31, 32; Mr 3:29, 30; ampit. He 10:26-31.

Fofonaina; hery mamelona. Avy tamin’ny vovoky ny tany no namoronan’Andriamanitra ny olona, ary avy eo izy “nitsoka [endriny hafa amin’ny hoe nafah] fofonaina [endriny hafa amin’ny hoe neshamah] nankao am-bavorony, ka lasa zavamananaina [nefesh] ny olona.” (Ge 2:7; jereo ZAVAMANANAINA.) Azo adika ara-bakiteny hoe “mpifoka rivotra”, izany hoe “zavaboary mifoka rivotra” (mety ho olona na biby), ny hoe nefesh. Ilazana “zavamiaina [na zavaboary mifoka rivotra]” ny hoe neshamah, ka mitovitovy amin’ny nefesh ihany ny heviny. (Ampit. De 20:16; Js 10:39, 40; 11:11; 1Mp 15:29.) Nitsoka neshamah tao amin’i Adama Andriamanitra mba hampisy aina tao aminy. Lasa “zavamananaina” àry izy. (Ge 2:7) Asehon’ny andininy hafa anefa fa tsy hoe nifoka rivotra fotsiny i Adama. Tsy hoe nampiditra rivotra tao amin’ny havokavony sy namoaka izany fotsiny izy. Voalazan’ny Genesisy 7:22, ohatra, fa “maty izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, dia izay rehetra teo amin’ny tany maina”, rehefa naringana tamin’ny Safodrano ny olona sy biby tany ivelan’ny sambofiara. Toy izao ilay andininy, raha adika ara-bakiteny ny teny hebreo tany am-boalohany: “Maty izay rehetra nanana ny fofonain’ny [endriny hafa amin’ny hoe neshamah] hery [na “fanahy” (roah)] mamelona teo am-bavorony.” Misy ifandraisany àry ny neshamah (“fofonaina”) sy ny roah, izay midika hoe hery mamelona. Misy an’io hery mamelona io daholo ny zavamananaina rehetra, na olona na biby.

Hoy ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (Boky Faha-6, p. 336): “Ny hany ahafantarana hoe manam-pofonaina na miaina ny olona iray, dia rehefa mihetsika [ny tratrany na ny lavak’orony]. Izay koa no famantarana fa misy aina ao aminy. Toa misy ifandraisany amin’ny fofonaina ny aina.” Ny fiasan’ny roah na hery mamelona àry no mampisy ny neshamah na “fofonaina”, nefa io koa no mihazona ny hery mamelona. Resahin’ny mpahay siansa, ohatra, fa misy aina ao anatin’ny tsirairay amin’ireo sela zato tapitrisa tapitrisa ao amin’ny vatana. Misy sela an’arivony tapitrisa maty isa-minitra, nefa misy sela vaovao maro be koa tsy mitsahatra miforona. Mampiditra oksizenina ao amin’ny vatany ny olona rehefa mifoka rivotra. Ny ra kosa mitondra an’ilay oksizenina mankao amin’ny sela rehetra, satria ilain’ny hery mamelona ao anatin’ny sela velona rehetra ilay izy. Maty ny sela sasany rehefa tsy mahazo oksizenina mandritra ny minitra vitsivitsy, fa ny hafa kosa maty rehefa tsy mahazo elaela. Mety ho velona ihany ny olona iray raha tsy mifoka rivotra mandritra ny minitra vitsivitsy. Maty kosa izy ary tsy azon’ny olona velomina intsony, raha tsy misy an’ilay hery mamelona ao anatin’ny selany. Ny aina io hery mamelona io, ary roah no ilazana azy ao amin’ny Soratra Hebreo, izay nosoratan’ireo nahazo fanahy masina tamin’ny Mpamorona sy Mpamolavola ny olona. Neshamah kosa no ilazana ny fofonaina mihazona azy io.

Resahina miaraka ny neshamah sy roah, satria mifamatotra amin’ny aina ny fofonaina. Nilaza, ohatra, i Joba fa tapa-kevitra ny tsy hanao ratsy mihitsy izy ‘raha mbola manam-pofonaina [endriny hafa amin’ny hoe neshamah] koa, ka mbola misy aina [veroah] avy amin’Andriamanitra eo am-bavorony.’ (Jb 27:3-5) Hoy koa i Eliho: “Raha ... [alain’Andriamanitra] ho any aminy ny ainy [endriny hafa amin’ny hoe roah] sy ny fofonainy [endriny hafa amin’ny hoe neshamah], dia hiala aina ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ny vovoka ny olombelona.” (Jb 34:14, 15) Izao koa no voalaza momba ny olona sy biby: “Raha [esorin’Andriamanitra] ny hery mamelona azy, dia tapitra ny ainy, ka miverina ho vovoka izy.” (Sl 104:29) Voalaza kosa fa i Jehovah “Ilay mamelatra ny tany mbamin’izay vokariny, Ilay manome fofonaina ho an’ny mponin’ny tany, sy manome aina ho an’izay mandeha eny ambonin’ny tany.” (Is 42:5) Mila fofonaina (neshamah) àry ny olona, ary ny roah no hery mamelona azy, mampihetsika azy, ary mampandeha azy. (Ampit. As 17:28.) Tsy toy ny sampy tsy mananaina sy tsy manam-pofonaina izy.​—Sl 135:15, 17; Je 10:14; 51:17; Ha 2:19.

Tsy zavatra iray ny neshamah (fofonaina) sy roah (aina; hery mamelona), na dia voatonona miaraka aza indraindray. Ny fofonaina anefa no amantarana voalohany indrindra hoe mbola misy hery mamelona ao amin’ny vatan’ny olona iray, ka izany no mety ho antony ilazana indraindray hoe fofonaina (neshamah) ny “aina” na roah.​—Jb 9:18; 19:17; 27:3.

Hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana ny tany lemaka iray feno taolam-paty. (Ezk 37:1-10) Nifanatona avy eo ireo taolana, ary nisy hozatra sy nofo ary hoditra nandrakotra azy. “Mbola tsy nisy fofonaina [veroah] anefa tao aminy.” Nasaina naminany tamin’ny “rivotra [haroah]” i Ezekiela hoe: “Ry rivotra ô, tongava avy any amin’ny vazan-tany [a.b.t.: rivotra (endriny hafa amin’ny hoe roah)] efatra, ka tsotsofy ireo olona maty ireo mba ho velona indray.” Rivotra efatra no resahina eo, ka mety ny nandikana ny roah hoe rivotra eo. Rehefa niditra tao am-bavoron’ireo olona maty tao amin’ilay fahitana anefa ilay rivotra, dia lasa “fofonaina.” Mety kokoa àry ny nandikana ny roah hoe “fofonaina”, fa tsy “aina” na “hery mamelona”, eo amin’ny andininy faha-10. Hitan’i Ezekiela fa nanomboka nifoka rivotra ireo olona ireo, na dia tsy hitany aza ny hery mamelona tao anatin’ny vatany. Sary an’ohatra ilay fahitana. Maty ara-panahy mantsy ny vahoakan’Israely noho izy ireo natao sesitany tany Babylona, nefa ho velona indray eo amin’ny lafiny ara-panahy. (and. 11-14) Efa velona sy nifoka rivotra izy ireo, ka nadika hoe ‘fanahy’ ny roah eo amin’ny andininy faha-14. Nilaza Andriamanitra eo fa hataony ao amin’izy ireo ny ‘fanahiny’, mba ho velona indray eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo.

Misy sary an’ohatra mitovitovy amin’izany ao amin’ny Apokalypsy toko faha-11. Novonoina ny ‘vavolombelona roa’, ka navela niampatra teny an-dalana nandritra ny telo andro sy tapany ny fatiny. Avy eo dia nisy “aina [na fofonaina, pneoma] avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo, ka nijoro tamin’ny tongony izy.” (Ap 11:1-11) Hita eo fa azo ilazana ny hery mamelona avy amin’Andriamanitra ny teny grika hoe pneoma, toy ny teny hebreo hoe roah ihany. Hoy àry ny Jakoba 2:26: “Maty ny vatana raha tsy misy aina [pneomatôs].”

Nitsoka “fofonaina [endriny hafa amin’ny hoe neshamah]” nankao am-bavoron’i Adama Andriamanitra, rehefa namorona azy tao Edena. Tsy hoe nofenoiny rivotra fotsiny anefa ny havokavok’i Adama, fa nomeny hery mamelona (roah) koa izy mba hamelona ny sela rehetra tao amin’ny vatany.​—Ge 2:7; ampit. Sl 104:30; As 17:25.

Mahazo an’io hery mamelona io avy amin’ny ray aman-dreniny ny zaza miforona ao an-kibo. I Jehovah anefa no nanome an’io hery mamelona io an’i Adama sy namorona azy ho afa-miteraka. Avy amin’i Jehovah àry ny ain’ny olona, na dia tsy omeny mivantana aza fa amin’ny alalan’ny ray aman-dreny.​—Ampit. Jb 10:9-12; Sl 139:13-16; Mpto 11:5.

Tsy manana ny maha izy azy ny hery mamelona. Resahin’ny Baiboly fa samy misy roah na hery mamelona ny olona sy ny biby. (Ge 6:17; 7:15, 22) Toy ny ahafatesan’ny biby ihany no ahafatesan’ny olona, satria “iray ihany ny hery mamelona [veroah] azy roa tonta, koa tsy misy maha ambony ny olona amin’ny biby.” (Mpto 3:18-22) Tsy manana ny maha izy azy ny hery mamelona (roah). Azo oharina amin’ny herinaratra izy io. Ny herinaratra no mampandeha fatana elektrika mamoaka hafanana, vantilatera manome rivodrivotra, ordinatera misy programa amahana olana, ary tele mamoaka sary sy feo. Tsy mahavita ny vitan’ny iray amin’ireo fitaovana ireo anefa ny herinaratra raha amin’izao fotsiny.

Milaza àry ny Salamo 146:3, 4 fa rehefa ‘miala ny ain’ny [endriny hafa amin’ny hoe roah] olona, dia miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.’ Rehefa miala ny aina (roah) na hery mamelona, dia tsy tohiziny ny zavatra nataon’ny sela, toy ny nataon’ny selan’ny atidoha, ohatra, ka hoe afaka misaina izy. Raha afaka misaina mantsy ny hery mamelona (roah; pneoma), dia toy ny hoe mbola nahatsiaro tena tany ho any ireo zazalahy maty izay natsangan’i Elia sy Elisa mpaminany, sy Lazarosy izay natsangana rehefa maty efatra andro. (1Mp 17:17-23; 2Mp 4:32-37; Jn 11:38-44) Tokony ho tadidin’izy ireo izay hitany sy reny ary nataony tany ho any ka tokony ho notantarainy, rehefa natsangana tamin’ny maty izy ireo. Tsy miresaka momba izany mihitsy anefa ny Baiboly. Tsy mifindra ao amin’ny hery mamelona àry ny maha izy ny olona iray rehefa maty izy. Tsy misy hery mamelona intsony koa ao anatin’ny selany.

Resahin’ny Mpitoriteny 12:7 fa miverina amin’ny vovoka ny vatan’ny olona iray rehefa maty izy, fa ‘ny hery mamelona azy kosa miverina amin’Andriamanitra izay nanome izany.’ Mbola tsy niaraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra mihitsy ilay olona, nefa ‘miverina’ any kosa ilay hery namelona azy, araka ny voalaza eo. Inona no hevitr’izany?

Namerina ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 31:5 i Jesosy, ka nilaza toy izao rehefa ho faty: “Apetrako eo am-pelatananao ny aiko [pneoma].” (Lk 23:46) Te hilaza izy hoe nankininy tamin’Andriamanitra ny hery namelona azy. (Ampit. As 7:59.) Tsy mila miala eto an-tany sy miakatra any amin’Andriamanitra any an-danitra akory ilay hery mamelona. Voalaza, ohatra, fa ‘nandre ny hanitry’ ny sorona biby Andriamanitra. (Ge 8:20, 21) Azo antoka anefa fa tsy niakatra tany an-danitra ilay hanitra fa nijanona tetỳ an-tany ihany. Amin’ny heviny an’ohatra koa àry ilay hoe ‘alain’Andriamanitra’ ho any aminy ny hery mamelona na ny aina apetraka eo am-pelatanany. (Jb 34:14; Lk 23:46) Apetrak’ilay olona eo am-pelatanan’Andriamanitra ny ainy na ny hery mamelona azy, amin’ny heviny hoe manantena izy fa hatsangan’Andriamanitra ka homeny hery mamelona indray amin’ny hoavy.​—Ampit. No 16:22; 27:16; Jb 12:10; Sl 104:29, 30.

Toe-tsaina sy fihetseham-po. Ilazana ny hery mahatonga ny olona hanao fihetsika na hanana fihetseham-po na toe-tsaina iray na hanao zavatra iray ny roah sy pneoma. Tsy hita maso io hery io, fa hita maso kosa ny vokany. Io hery io no manosika ny olona hiteny na hanao zavatra.

Nampiasaina mba hilazana fihetseham-po samihafa ny roah. Voalaza, ohatra, fa “nangidy ny fiainan’i” Isaka sy Rebeka, rehefa nanambady vehivavy hetita i Esao. (Ge 26:34, 35) Voatantara koa fa nalahelo tsy nahahinan-kanina i Ahaba. (1Mp 21:5) Nisy kosa lehilahy “saro-piaro” niahiahy ny vadiny, ka mety ho niampanga azy ho nanitsakitsa-bady mihitsy aza.​—No 5:14, 30.

Hery manosika ny olona hanao zavatra na hiteny ny roah sy pneoma. Izy io no nahatonga an’i Josoa ‘hanana toetra miavaka’ (No 27:18), na i Kaleba hanana “toe-tsaina hafa”, tsy toy ny an’ny ankamaroan’ny Israelita izay kivy noho ny tatitra nataon’ireo mpitsikilo folo tsy ampy finoana. (No 14:24) I Elia kosa nazoto sy nafana fo be tamin’ny fanompoany an’Andriamanitra, ka nirin’i Elisa mpandimby azy ny hahazo anjaran’olon-droa tamin’ny fanahy niasa tamin’i Elia. (2Mp 2:9, 15) Nazoto sy nafana fo be toa an’i Elia koa i Jaona Mpanao Batisa, ka nisy heriny teo amin’ny mpihaino azy ny hafatra nambarany. Azo lazaina àry hoe nanana ny “risi-po sy ny herin’i Elia” izy. (Lk 1:17) Ny mpanjakavavin’i Sheba indray “tena talanjona” nahita ny harenan’i Solomona sy ny fahendreny. (1Mp 10:4, 5) Nila ‘nampirisihina’ na ‘nentanina’ kosa ny olona sasany mba hanao zavatra. (1Ta 5:26; Ezr 1:1, 5; Hg 1:14) Nisy indray “nitebiteby”, ‘sorena’ (Ge 41:8; Da 2:1, 3; As 17:16), “tony” (Mpts 8:3), ‘ory’, “rera-tsaina” (Jb 7:11; Sl 142:2, 3; ampit. Jn 11:33; 13:21), na “velombelona” (Ge 45:27, 28; Is 57:15, 16; 1Ko 16:17, 18; 2Ko 7:13).

Fo sy fanahy; fo sy saina. Misy ifandraisany ny fanahy na saina sy ny fo satria matetika no resahina miaraka izy ireo. Afaka misaina sy manosika ny olona hanao zavatra ny fo an’ohatra, ary misy ifandraisany amin’ny fihetseham-po. (Jereo FO.) Misy heriny lehibe eo amin’ny toe-tsaina àry izy io. Resahin’ny Eksodosy 35:21, ohatra, fa “izay rehetra natosiky ny fony, eny, izay rehetra noterem-panahy” no tonga nitondra fanomezana hanaovana ny tranolay masina. Ny Kananita kosa ‘tsy nanana herim-po hiadiana intsony’ sady ‘nihorohoro ny fony’, rehefa reny ny fahagagana nataon’i Jehovah hamonjena ny Israely. (Js 2:11; 5:1; ampit. Ezk 21:7.) Nisy indray olona nitaraina noho ny ‘alahelom-po sy ny fahoriam-panahy.’ (Is 65:14; ampit. Sl 143:4.) I Paoly kosa nananatra ny Kristianina mba ‘hohavaozina hatrany izy ireo eo amin’ny hery mibaiko [endriny hafa amin’ny hoe pneoma] ny sainy, ka mba hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.’​—Ef 4:23, 24.

Ahitana ny teny hebreo hoe roah koa ireto andininy manaraka ireto, izay manasongadina ny maha zava-dehibe ny ifehezana ny fihetseham-po. “Toy ny tanàna voagorobaka, tsy misy manda, ny olona tsy mahafehy ny fahatezerany.” (Oh 25:28) Mety ho lasa toy ny tsisy saina ny olona iray raha ‘avoakany daholo ny fahatezerany’ rehefa misy mila ady aminy, fa ny hendry kosa “mahatsindry fo hatramin’ny farany.” (Oh 29:11; ampit. 14:29, 30.) “Nampahasosotra” an’i Mosesy ny Israelita indray mandeha, ka “nanao teny tsy voahevitra izy.” Nidiran-doza izy noho izany! (Sl 106:32, 33) Marina àry ilay voalaza hoe: “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.” (Oh 16:32) Tena ilaina ny manetry tena (Oh 16:18, 19; Mpto 7:8, 9), fa ‘izay manetry tena no hahazo voninahitra.’ (Oh 29:23) “Tony” foana sy mahafehy ny lelany ny olona manam-pahalalana sy mahay manavaka. (Oh 17:27; 15:4) “Mandinika ny toetra maha izy ny olona” i Jehovah, ka hotsarainy ireo tsy ‘mitandrina ny toe-tsainy.’​—Oh 16:2; Ml 2:14-16.

Toe-tsaina asehon’ny antokon’olona. Tsy ny olona iray ihany no mety hanana toe-tsaina mampiavaka azy, fa ny antokon’olona koa. (Ga 6:18; 1Te 5:23) Tokony hiray saina ny fiangonana kristianina, ka hanahaka ny toe-tsain’i Kristy Jesosy, Lohan’ny fiangonana.​—2Ko 11:4; Fi 1:27; ampit. 2Ko 12:18; Fi 2:19-21.

Nilaza i Paoly fa mifanohitra amin’ny fanahin’Andriamanitra ny “fanahin’izao tontolo izao”, na ny toe-tsainy. (1Ko 2:12) Fehezin’ilay Fahavalon’Andriamanitra (1Jn 5:19) mantsy ity tontolo ity, ka manjaka ny toe-tsaina mamela ny olona hanaram-po amin’ny fanirian’ny nofo mpanota sy ho tia tena. Lasa fahavalon’Andriamanitra àry izy ireo. (Ef 2:1-3; Jk 4:5) Manosika ny olona hijangajanga sy hanompo sampy ny toe-tsain’ity tontolo ity, toy izay nitranga tamin’ny Israely nivadika fahiny.​—Ho 4:12, 13; 5:4; Za 13:2; ampit. 2Ko 7:1.