Fanaintainana, Fahoriana, Fijaliana
Manaintaina ny olona raha mahatsapa maharary, na azo ihafiana ilay izy na mila tsy ho zaka. Ory na mijaly kosa izy raha miady saina na mitebiteby ny fony.
Inona no mahatonga ny fanaintainana sy ny fahoriana ary ny fijaliana? Mety hoe noho ny fisasarana mafy satria voaozona ny tany (Ge 3:17-19; 5:29), na noho ny teny maharary (Oh 15:1), na noho ny olona tsy miraharaha ny soa natao taminy (Ro 9:2), na noho ny aretina sy olana lehibe hafa (Jb 2:13; 16:6). Mety hahatonga izany koa ny tahotra sy tebiteby, na marim-pototra ilay izy na tsia.—Sl 55:3, 4; Is 21:1-3; Je 4:19, 20; Ezk 30:4, 9; jereo koa FANAINTAINAN’NY MIHETSI-JAZA.
Ap 21:4) Tsy midika izany hoe tsy hahare maharary na tsy handre manaintaina intsony ny olona. Ny fanaintainana sy ny fahoriana ary ny fijaliana noho isika mpanota sy tsy lavorary (Ro 8:21, 22) kosa no “tsy hisy intsony”, satria hesorina ny zavatra mahatonga izany (toy ny aretina sy ny fahafatesana). Mety hanaintaina ihany ny vatana na dia lavorary aza. Manaporofo izany ny nanjo an’i Jesosy: Nanaintaina sy ory izy rehefa akaiky ho faty sy rehefa nahita fa tsy niraika tamin’ny fitoriany ny olona. (Mt 26:37; Lk 19:41) Voalaza mialoha mihitsy aza fa “lehilahy nahalala fanaintainana” izy. (Is 53:3) Nanasitrana an’ireo “nampahorin’ny aretina sy ny fanaintainana maro samihafa” izy (Mt 4:24), ka voalaza fa ‘nozakainy ny fanaintainan’ireny.’—Is 53:4.
‘Tsy hisy intsony ny fanaintainana.’ Tsy mahafinaritra ny hoe mandre maharary na mandre manaintaina nefa mahasoa ihany, satria izany no mampahafantatra hoe tandindomin-doza ny vatana ka mila manao zavatra mba tsy hitaran’ny fahavoazana. Nampanantena Andriamanitra hoe: ‘Tsy hisy intsony ny fanaintainana.’ (Heviny an’ohatra. Matetika no resahina an’ohatra ny fanaintainana, ao amin’ny Soratra Masina. Mety ho ny fiasana mafy sy fisasarana (Oh 5:10) no tiana holazaina amin’izany, na ny tahotra sy fanajana an’i Jehovah Andriamanitra. (1Ta 16:30, f.a.p.; Sl 96:9, f.a.p.; 114:7) Toy ny hoe manaintaina koa ny rano sy ny tendrombohitra ary ny tany rehefa mihovotrovotra. (Sl 77:16; 97:4; Je 51:29; Ha 3:10) Hoy i Jehovah tamin’ny firenen’ny Joda izay nivadika taminy: “Tsy hitsahatra ny fanaintainanao.” Te hilaza izy fa mety hahafaty azy ny fanaintainany.—Je 30:15.
Zavatra mampahory mafy koa ny fanaintainana. Hoy ny apostoly Petera momba an’i Jesosy Kristy: “Andriamanitra nanangana azy tamin’ny maty rehefa namaha ny fatoran’ny [na fanaintainan’ny] fahafatesana, satria tsy voatanan’izany maharitra izy.” (As 2:24) Marina fa tsy mahatsapa na inona na inona ny maty, nefa fahoriana mangidy ny fahafatesana, satria manaintaina ny olona alohan’ny hahafatesany ary tsy afa-manao na inona na inona intsony izy rehefa voafatotry ny fahafatesana.—Ampit. Sl 116:3.