Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanajana

Fanajana

Fanomezana haja sy voninahitra ny olona heverina fa mendrika an’izany; fanomezan-danja ny zavatra iray, ary indrindra ny olona iray noho ny toetrany, ny zava-bitany, ny toerana tanany na ny fahefana ananany. Teny hebreo sy grika maromaro no ilazana ny hoe manome voninahitra, manaja, na matahotra olona.​—Jereo TAHOTRA.

Avy amin’ny teny hebreo hoe kavôhd, izay midika ara-bakiteny hoe “havesarana” ny hoe “haja.” (Ampitahao amin’ny 1Sa 4:18 sy 2Sa 14:26 izay nampiasana teny iray tarika aminy.) Heverina ho manan-danja na misy vidiny àry ny olona hajaina. Midika hoe “haja” na “fiheverana ho zava-dehibe na ambony na sarobidy” ny teny grika hoe time. Mety hidika hoe “manombana ny vidiny” ilay matoanteny hoe timaô. (Mt 27:9) Ny anarana hoe time kosa mety hidika hoe ‘vidiny.’ (Mt 27:6; As 4:34) Midika hoe ‘hajaina’, ‘heverina ho zava-dehibe’, ary “sarobidy” ilay mpamari-toetra hoe timiôs.​—As 5:34; 20:24; Jk 5:7.

Fanajana an’i Jehovah sy ny solontenany. Mendrika ny hohajaina i Jehovah Andriamanitra, noho izy Mpamorona manana fahefana fara tampony. (1Ti 1:17; He 3:3, 4; Ap 4:9-11) Manaja azy ny olona manao izay sitrany foana, toy ny nataon’ilay Zanany. (Jn 8:29, 49) Tokony hampiasain’ilay olona hampandrosoana ny fivavahana marina koa ny fananany. (Oh 3:9) Nanaja an’i Jehovah ny Israelita teo ambanin’ny Lalàna rehefa nanome azy ny fanatitra tsara indrindra.​—Ml 1:6-8.

Tsy tena manaja an’ilay Mahery Indrindra izay mody miseho ho mpivavaka, hoatran’ireo mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Ilaina kosa ny hoe tena tia ny didin’i Jehovah sy maniry hanao ny sitrapony.​—Mr 7:6; Is 29:13.

Tsy manaja zava-masina ny olona maka ny zavatra tokony ho an’ny Mpamorona. Naka ny tsara indrindra tamin’ireo fanatitra natolotra ho an’i Jehovah, ohatra, i Hofinia sy Finehasa zanak’i Ely Mpisoronabe. Tsy nandray fepetra hentitra momba azy ireo anefa i Ely, fa izy ireo indray no nomeny voninahitra mihoatra noho i Jehovah.​—1Sa 2:12-17, 27-29.

Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra ny olona mankatò azy sy mampandroso ny fivavahana marina. Mankatò azy ilay olona satria tia azy sy mankasitraka ny soa rehetra nataony. (1Jn 5:3) Izy kosa manome voninahitra an’ilay olona ka mitahy sy mamaly soa azy. (1Sa 2:30) Nomeny voninahitra, ohatra, i Davida Mpanjaka ka nanaovany fifanekena momba ny fanjakana iray, ho valisoany. Tsy nivadika mihitsy mantsy i Davida sady te hanorina tempoly hametrahana ny Vata misy ny fifanekena.​—2Sa 7:1-16; 1Ta 17:1-14.

Modely tonga lafatra i Jesosy Kristy raha ny amin’ny fanajana an-dRainy. Nanao ny sitrapony foana izy ka nanome ny ainy ho sorona mihitsy aza. (Mt 26:39; Jn 10:17, 18) Nahafinaritra azy ny nanao ny sitrapon-dRainy. Nohajain-dRainy àry izy ary nantsoiny hoe Zanany malalany izay sitrany. (2Pe 1:17; Mt 17:5) Nomeny haja amam-boninahitra lehibe kokoa noho izay nananany talohan’ny naha olombelona azy i Jesosy, rehefa nahavita ny fanompoany teto an-tany. (Fi 2:9-11) Izay manome voninahitra an’ilay Avo Indrindra àry dia homeny voninahitra koa, izany hoe hekeny ho mpanompony sy hankasitrahany ary homeny fitahiana tondraka.​—1Sa 2:30.

I Jehovah Andriamanitra no nanandratra avo ny Zanany, ka tsy manaja azy izay tsy manaiky fa i Jesosy Kristy no Mpanjakan’ireo mpanjaka sy Tompon’ny tompo ary tsy mety maty. Mendrika ny hohajaina sy hotohanana ny Zanaka noho ny toerana tanany sy ny zava-bitany. (Jn 5:23; 1Ti 6:15, 16; Ap 5:11-13) Tsy maintsy manahaka azy sy manaiky ny fampianarany izay rehetra te hohajainy sy hankasitrahany.​—Ro 2:7, 10.

Mendrika ny hohajaina ny mpaminanin’i Jehovah, indrindra fa i Jesosy Kristy Zanany, satria mpitondra teniny. Notevatevain’ny Israelita sy nokapohiny anefa izy ireo, ary nisy novonoiny ho faty. Vitan’izy ireo mihitsy aza ny namono ny Zanak’i Jehovah. Navelan’i Jehovah hanafay an’i Jerosalema nivadika àry ny miaramila romanina, tamin’ny taona 70.​—Mt 21:33-44; Mr 12:1-9; Lk 20:9-16; ampit. Jn 5:23.

Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tokony hanohana an’ireo nomena andraikitra hampianatra eo anivon’ny fiangonana sy hiara-miasa aminy ny Kristianina. (He 13:7, 17) “Mendrika hahazo fanajana roa heny” izy ireo, ary tokony homena an’izay ilainy noho izy miasa mafy mba hahasoa ny fiangonana.​—1Ti 5:17, 18; jereo ANTI-PANAHY.

Ny Kristianina rehetra anefa no tokony hifanome voninahitra. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Ro 12:10) Tsy hitady izay hahasoa ny tenany àry izy ireo, fa izay hahasoa ny hafa. (1Ko 10:24) Tokony ho vonona hanao asa heverina ho ambany koa izy ireo. (Lk 22:26; Jn 13:12-17) Hanana toe-tsaina tsara toy izany foana izy ireo, raha mitadidy fa sarobidy amin’Andriamanitra ny Kristianina tsirairay ary samy ilaina izy rehetra, toy ny rantsambatana mifampiankina. (1Ko 12:14-27) Ny karazan’olona rehetra mihitsy anefa no mendrika hohajaina, na inona na inona fari-piainany, satria zavaboarin’Andriamanitra.​—1Pe 2:17.

Ny Kristianina tsirairay no tena mahalala ny fahalemen’ny tenany sy ny fahadisoany. Rariny àry raha mihevitra ny hafa ho ambony noho ny tenany izy, ka manome voninahitra azy ireo noho izy ireo tsy mivadika. (Fi 2:1-4) Omen’ny fiangonana voninahitra ireo sahirana sy ny mpitondratena mendrika ny hampiana, ka omeny izay ilainy.​—1Ti 5:3, 9, 10.

Eo anivon’ny fianakaviana. Tokony hanaja fatratra ny vadiny ny vehivavy satria ny lehilahy no loham-pianakaviana. (Ef 5:33) Ny lehilahy mantsy no noforonin’Andriamanitra voalohany, fa tsy ny vehivavy, ary “endrika sy voninahitr’Andriamanitra” izy. (1Ko 11:7-9; 1Ti 2:11-13) Fakan-tahaka i Saraha noho izy nanaja lalina ny vadiny. Avy tamin’ny fo ilay fanajany satria niantso azy “anakampo” hoe “tompo” izy.​—1Pe 3:1, 2, 5, 6; ampit. Ge 18:12.

Ny lehilahy kosa tokony ‘hiara-mitoetra foana amin’ny vadiny araka ny fahalalana, ka hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy. Mpiara-mandova aminy mantsy izy ireo, eny, mpiara-mandova ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana.’ (1Pe 3:1-7) Tokony hotadidin’ny lehilahy kristianina voahosotra àry fa mpiara-mandova amin’i Kristy izy sy ny vadiny. (Ampit. Ro 8:17; Ga 3:28.) Tokony homeny voninahitra koa ny vadiny satria fantany fa malemy kokoa noho izy.

Solontenan’Andriamanitra ny ray aman-dreny, ka nomeny alalana hampiofana sy hanafay ary hitari-dalana ny zanany. Tokony hohajaina àry ny ray aman-dreny. (Ek 20:12; De 5:16; Ef 6:1-3; He 12:9) Tsy midika hoe mankatò sy manome voninahitra azy ireo fotsiny izany, fa mety ho fikarakarana azy ireo amim-pitiavana koa rehefa antitra izy ireo. (Ampit. Mt 15:4-6.) Ratsy noho ny tsy mino ny Kristianina tsy manome izay ilain’ny ray aman-dreniny be taona sahirana. (1Ti 5:8) Nilaza tamin’i Timoty i Paoly fa tsy tokony ho andraikitry ny fiangonana ny mikarakara an’izay mpitondratena manan-janaka na zafy afaka manao izany.​—1Ti 5:3, 4.

Fanajana ny mpitondra sy olon-kafa. Tokony hohajaina ny manam-pahefana satria izany no sitrapon’Andriamanitra, fa tsy noho ny filana sitraka akory. Mety ho ratsy fitondran-tena izy ireny. (Ampit. Lk 18:2-6; As 24:24-27.) Tokony hohajaina anefa izy ireny noho ny andraikiny sy ny toerana tanany. (Ro 13:1, 2, 7; 1Pe 2:13, 14) Tokony hihevitra ny tompony ho mendrika hahazo fanajana feno koa ny mpanompo, ary hanao tsara ny asany mba tsy ho afa-baraka ny anaran’Andriamanitra.​—1Ti 6:1, 2.

Manazava ny anton’ny fanantenany “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina [a.b.t.: amin-tahotra]” ny Kristianina, raha misy manontany azy. Mety hanivaiva ilay olona manontany, nefa ho tony sy ho tsara fanahy foana ny Kristianina rehefa mamaly, fa tsy ho sorena na tezitra. Tsy matahotra olona akory izy, fa maneho fanajana lalina na tahotra toy ny hoe eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo. (1Pe 3:14, 15) Tahafiny ny anjely, izay tsy mba miampanga amin’ny teny manevateva, na dia manan-tombo amin’ny hery sy tanjaka aza.​—2Pe 2:11.

Tsy mitady voninahitra ho an’ny tenany ny Kristianina, nefa rariny raha te hanana fitondran-tena mendri-kaja eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany foana izy ireo. Tsy tokony hifanerasera amin’ny naman-dratsy àry izy ireo, ary hanohitra ny fanirian-dratsin’ny nofo. Izay madio fitondran-tena sy mifandray tsara amin’Andriamanitra ihany no oharina amin’ny fitaovana mendri-kaja azony ampiasaina. (1Te 4:3-8; 2Ti 2:20-22; He 13:4) Izany no tena haja amam-boninahitra!