Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanamasinana

Fanamasinana

Fombafomba na zavatra atao mba hahatonga ho masina, ho tafasaraka na ho voatokana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra. Midika koa hoe masina, nohamasinina na madio izy io, amin’ny teny tany am-boalohany. Ny tena asongadina dia izay atao mba hahatonga ho masina, ho hita hoe masina, na ho masina foana. (Jereo FAHAMASINANA.) Nadika hoe “masina”, “nohamasinina”, ary “natokana” ny teny hebreo avy amin’ny matoanteny hoe kadash, sy ny teny grika iray tarika amin’ny mpamari-toetra hoe hagiôs.

Hazava kokoa ny dikan’ny hoe fanamasinana raha dinihintsika ny fomba ampiasan’ny Soratra Masina an’ireo teny hebreo sy grika ireo, izay ampihariny 1) amin’i Jehovah Andriamanitra, 2) Jesosy Kristy, 3) anjely, 4) olona sy biby, 5) zavatra, 6) fotoana, ary 7) tany. Indraindray, dia nampiasaina hilazana ny fanomanana na fiomanana ilay teny hebreo hoe “manamasina.” Nasain’i Jehovah niteny toy izao tamin’ny Israelita nimenomenona, ohatra, i Mosesy: “Hamasino ho amin’ny rahampitso ny tenanareo, fa hihinan-kena tokoa ianareo.” (No 11:18) Nandidy an’ireo Israelita toy izao koa i Josoa, talohan’ny niampitan’izy ireo ny Reniranon’i Jordana: “Hamasino ny tenanareo, fa hanao zava-mahagaga eo aminareo i Jehovah rahampitso.” (Js 3:5) Hita amin’izany rehetra izany fa tokony ho masina teo amin’ny lafiny ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena izy ireo. Mety hidika io teny hebreo io hoe mifady an’izay rehetra tsy ankasitrahan’i Jehovah na ratsy eo imasony, anisan’izany ny loto. Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Mankanesa any amin’ny vahoaka, ary hamasino izy ireo anio sy rahampitso, ary asaivo manasa ny lamba fitafiny ... satria hidina eo an-tendrombohitra Sinay, eo imason’ny olona rehetra i Jehovah, amin’ny andro fahatelo.” (Ek 19:10, 11) Midika hoe diovy ilay teny hebreo nadika hoe hamasino hita eo, ary izany koa no ampiasana azy ao amin’ny 2 Samoela 11:4 manao hoe: “Mbola tao anatin’ny fotoana nidiovany tamin’ny fahalotoany ravehivavy.”

Nilaza tamin’ny Israely i Jehovah hoe tokony ho tafasaraka tamin’ireo hafa firenena izy ireo, ary tsy hanao ny fanaon’izy ireny. Nanome lalàna koa izy mba hahatonga ny Israely ho vahoaka voatokana. Nofaritan’ireny lalàna ireny, ohatra, ny atao hoe biby madio sy biby maloto tsy azo hanina. Nanazava ny antony izy hoe: “Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo, satria masina aho.”​—Le 11:44.

Jehovah Andriamanitra. Masina sy madio tanteraka izy. Mpamorona sy Mpanjakan’izao Rehetra Izao izy, ka izy irery ihany no tokony hotompoin’ny zavaboariny rehetra, ary zony izany. Nilaza àry izy fa hasehony hoe masina izy, ka hanamasina ny tenany sy ny anarany eo imason’ny zavaboary rehetra. Hoy izy: “Izao no hataoko eo imason’ny firenena maro: Hasehoko ny fahalehibeazako sy ny fahamasinako ary hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.” (Ezk 38:23) Tsy maintsy ‘manamasina’ azy sy ny anarany ny olona raha te hahazo sitraka aminy sy hahazo fiainana. Midika izany fa tsy maintsy manome ny voninahitra mendrika an’ilay anarana izy ireo, ka tsy mampifangaro azy io amin’ny anarana hafa fa mihevitra azy io ho ambony indrindra. (Le 22:32; Is 8:13; 29:23) Nampianarin’i Jesosy hivavaka ny mpianany, ka izao no zavatra voalohany nasainy nangatahina: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina [na “hoheverina ho masina; hajaina satria masina”] anie ny anaranao!”​—Mt 6:9.

Jesosy Kristy. Nifidy an’ilay Zanany lahitokana i Jehovah Andriamanitra, ary naniraka azy tetỳ an-tany mba hanao asa miavaka hiarovana ny anaran’Andriamanitra sy mba hanolotra ny ainy ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona. Tsy nandray azy anefa ny Jiosy ary tsy nanaja azy. Tsy nekeny hoe izy ilay Zanak’Andriamanitra nomen’ny Rainy fahefana. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Nahoana aho, izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny ho amin’izao tontolo izao, no lazainareo hoe manevateva an’Andriamanitra satria aho nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra aho?”​—Jn 10:36.

Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina: “Manamasìna kosa an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo.” Nanazava izy fa izay manao izany dia hiala amin’ny ratsy ary hanao ny tsara. Zavatra hafa mihitsy no ao am-pon’ny olona eo amin’izao tontolo izao: Olona sy zavatra hafa no atahoran’izy ireo sy hajainy fatratra. Ny Kristianina kosa tokony ho tia an’i Kristy sy hanao zavatra noho ny fitiavana azy. Midika izany fa tokony hekeny hoe i Kristy no ilay Mesia Mpanjaka, Mpisoronabe nofidin’Andriamanitra, Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana, ary ilay nanolotra ny ainy ho vidim-panavotana. Tokony hanahaka ny fitondran-tena tsaran’i Kristy koa ny Kristianina, ka hiezaka hanana feon’ny fieritreretana madio foana. Mety hanontany ny anton’ny fanantenan’ny Kristianina ny olona iray masiaka, angamba mpitondra fanjakana mihitsy aza. Raha manamasina an’i Kristy ao am-pony ilay Kristianina, dia hilaza ny fiarovan-tenany amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina.​—1Pe 3:10-16.

Anjely. Antsoin’i Jesosy hoe anjely “masina” ny anjelin’Andriamanitra. Nohamasinina izy ireny, ary natokana hampiasain’Andriamanitra mba hanao asa masina. (Mr 8:38; Lk 9:26; ampit. Sl 103:20.) Miseho eo anatrehan’i Jehovah izy ireny, ary mahita ny tavany.​—Mt 18:10; Lk 1:19.

Olona sy biby. Nifidy olona sasany Andriamanitra fahiny mba hifantoka tamin’ny fanompoana azy irery ihany, ary nohamasininy izy ireny. Anisan’ireny ny lahy rehetra tao amin’ny fokon’i Levy. Hoy izy rehefa nifidy azy ireo hikarakara ny tranolay masina sy hanao ny fanompoana tao: “Alaiko ny Levita eo amin’ny zanak’Israely, ho solon’ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ny zanak’Israely. Dia ho ahy ny Levita, fa ahy ny lahimatoa rehetra. Tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, dia nohamasiniko ho ahy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israely, na olona na biby. Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.” Nasaina nanome ny lahy rehetra tao amin’ny fokon’i Levy ny Israelita mba hanavotana ny lahimatoa tao amin’ireo foko 11 sisa. Nihoatra anefa ny isan’ny lahimatoa raha oharina amin’ny isan’ny Levita. Nila nandoa sekely dimy (11 dolara) ho an’ny toerana masina àry ny Israelita, ho takalon’ny lahimatoa tsirairay nihoatra. Toy izany no nanavotana ny lahimatoa rehetra ka tsy nila natokana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah intsony izy ireo.​—No 3:12, 13, 46-48.

Taorian’izay, dia noheverina ho efa nohamasinina ny lahimatoa rehetra ka nentina teo amin’ny tempoly ary nandoavana sekely dimy (11 dolara) mba hanavotana azy. (Ek 13:2; Le 12:1-4; No 18:15, 16) Nohamasinina ny Nazirita tamin’ny andro rehetra nanefany ny voadiny. (No 6:1-8) Nohamasinina koa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, mba hatao sorona na indraindray mba havotana.​—De 15:19; jereo LAHIMATOA, VOALOHAN-TERAKA.

Ny mpisoronabe sy ny mpisorona. Nikasa ny hanokana fianakaviana iray tao amin’ny fokon’i Levy koa i Jehovah mba ho mpisorona hanao sorona. I Arona sy ny zanany lahy ary ny lahy rehetra anisan’ny taranany izany. (Ek 28:1-3, 41) Nohamasinina àry izy ireo, ka sorona nifanentana tamin’izany no natolotra ary nisy fombafomba maro natao izay samy nisy heviny an’ohatra daholo, araka ny Eksodosy toko faha-29. Nohamasinina koa i Jesosy Kristy, Mpisoronabe mandrakizay nofidin’i Jehovah, sy ireo mpisorona lefitra miaraka aminy, izany hoe ireo manara-dia azy ary voahosotr’Andriamanitra ho anisan’ny vatan’i Kristy.​—2Te 2:13; Ap 1:6; 5:10.

Fanamasinana an’ireo hiara-mandova amin’i Kristy. Misy zavatra tsy maintsy atao amin’ny olona iray mba hanamasinana azy ho lasa mpanara-dia an’i Kristy. Hoy ny apostoly Paoly: “Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy izay nafafy teo amin’izay naloto aza manamasina ka tonga hatramin’ny fanadiovana ny nofo, mainka fa ny ran’i Kristy? Nanolotra ny tenany tsy misy tsiny tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy mandrakizay mantsy izy, ary ny rany no manadio ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.” Nampiasa ny teny hoe manamasina i Paoly eo, ary manadio ho afaka amin’ny ota eo imason’Andriamanitra no tiany holazaina amin’izany.​—He 9:13, 14.

Ilay “ran’i Kristy” voaresaka eo kosa dia ny vidin’ny ain’olombelona lavorary nananan’i Kristy, ary manadio an’izay olona mino an’i Kristy izy io, izany hoe manafaka azy amin’ny fanamelohan’ny ota. Tena manamasina (fa tsy hoe an’ohatra fotsiny [ampit. He 10:1-4]) sy manadio ny nofon’ilay olona eo imason’Andriamanitra àry izy io, ka lasa manana feon’ny fieritreretana madio ilay olona. Ambaran’Andriamanitra ho marina koa izy ary ampiany ho lasa mpisorona lefitra miaraka amin’i Jesosy Kristy. (Ro 8:1, 30) Antsoina hoe hagiôi, “olona masina”, “olo-masina” (Kat.) na olona nohamasinin’Andriamanitra izy.​—Ef 2:19; Kl 1:12; ampitahao amin’ny As 20:32 izay miresaka momba an’ireo “nohamasinina” [tôis hegiasmenôis].

Izao àry no natao tamin’ireo ho lasa mpiara-mandova amin’i Kristy: Notaomin’i Jehovah Andriamanitra hanatona an’i Jesosy Kristy aloha izy ireo satria nino ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Jn 6:44; 17:17; 2Te 2:13) Lasa nankasitrahan’i Jehovah izy ireo avy eo, ka nanjary “voasasa madio tsara ..., nohamasinina ..., nambara ho marina ... tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.” (1Ko 6:11) Tonga ‘fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana’ ho azy ireo i Kristy, ary koa “fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.” (1Ko 1:30) Hoy ny apostoly Paoly momba azy ireo: “Fa iray ihany no niavian’izy roa tonta, na ilay manamasina [Kristy] na ireo hamasinina, hany ka tsy mahamenatra azy ny miantso azy ireo hoe ‘rahalahy.’” (He 2:11) Nateraky ny fanahy izy ireo ka lasa “zanak’Andriamanitra” sady ‘rahalahin’ilay’ Zanak’Andriamanitra Lehibe Indrindra.​—Ro 8:14-17; Jn 3:5, 8.

Mila miezaka mba ho masina foana. Tsy mandeha ila ny fanamasinana olona iray. Mila manao ny anjarany koa ilay olona mba ho masina foana. Miankina aminy koa mantsy raha ho masina foana izy na tsia.

Modely ho an’ireo nohamasinina i Kristy Jesosy. (Jn 13:15) Nivavaka tamin’Andriamanitra izy hoe: “Ho azy ireo no anamasinako ny tenako, mba hanamasinana azy ireo koa amin’ny alalan’ny fahamarinana.” (Jn 17:19) Niezaka i Jesosy mba tsy hanan-tsiny sy ho masina foana mba hahafahana hanamasina an’ireo mpanara-dia azy. Tsy maintsy miezaka ho masina foana koa izy ireo raha mbola velona eto an-tany. Ho afaka hanao izany izy ireo raha mifady ny zavatra tsy mendri-kaja, ary tsy mifanerasera amin’olona zatra manao zavatra tsy mendri-kaja. “Ho fitaovana natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja” izy ireo amin’izay, “ary nohamasinina ka mahasoa ny tompony, sady vonona ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2Ti 2:20, 21) Tsy maintsy ekeny fa ny ran’i Kristy no nividianana azy ireo, ary noho ny sitrapon’Andriamanitra no ‘nanamasinana azy ireo tamin’ny nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.’ (He 10:10) Ampirisihina izy ireo mba hikatsaka an’ilay “fahamasinana, izay tsy maintsy ananana mba hahitana ny Tompo.”​—He 12:14.

Mbola tsy lavorary ary mora manota ireo nohamasinina. Azon’izy ireo atao anefa ny mandresy ny ota. Nanazava i Paoly fa mety ho lasa tsy masina intsony izy ireo raha tsy mitandrina. Nampahatsiahy azy ireo àry izy fa ny “ran’ny fifanekena” vaovao no “nanamasinana” azy ireo. (He 10:29; Lk 22:20) Mpanelanelana amin’ilay fifanekena vaovao i Kristy, ka manampy azy ireo mba ho masina foana. Ampiany àry izy ireo mba hanaja an’io fifanekena io ka hankatò sy hadio fitondran-tena. “Nataony lavorary mandrakizay ireo nohamasinina, ary fanatitra iray monja natao sorona no nanaovany izany.” (He 10:14) Mpanelanelana i Kristy sady Mpisoronabe, ka “mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany.” (He 7:25) Raha lasa zatra manota indray anefa izy ireo, dia tsy hisy sorona fanindroany intsony, fa fiandrasana ny fanamelohana sy ny fandringanana kosa.​—He 10:26, 27.

Rehefa nantsoina àry ireo nohamasinina, dia tsy tokony hanohy ny fomba fiainany taloha intsony na hiverina amin’izany. Hoy i Paoly: “Fa izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana sy hahaizanareo tsirairay hifehy tena, amin’ny fahamasinana sy ny haja.” “Fa Andriamanitra tsy niantso antsika mba hilefitra amin’ny fahalotoana, fa niantso antsika kosa ho amin’ny fahamasinana.”​—1Te 4:3, 4, 7.

Tenin’Andriamanitra sy fanahy masina. Anisan’ny tena mahatonga ny olona ho masina ny Tenin’Andriamanitra, ary tsy maintsy ankatoaviny izy io raha te ho masina foana izy. (As 20:32) Omen’Andriamanitra fanahy masina koa izay mino sy nohamasinina. Miasa ao anatin’izy ireo io hery matanjaka io ka manadio azy ireo sy manampy azy ireo hankatò sy hadio fitondran-tena foana. (1Pe 1:2) Lasa masina sy madio ary ankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitr’izy ireo rehefa tarihin’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo. (Ro 15:16) Tsy miraharaha ny fanahin’Andriamanitra ny olona manao fahalotoana, ka mety “hampalahelo” azy io. (Ef 4:30; 1Te 4:8; 5:19) Mety hanevateva ny fanahy masina mihitsy aza izy, ka tsy hahazo famelan-keloka.​—Mt 12:31, 32; Lk 12:8-10.

Toerana nohamasinina. Lasa masina ny toerana onenan’i Jehovah na izay toerana lazaina hoe misy azy na dia solontenany ihany aza no eo. Nolazaina hoe mikdash na kôdesh, izany hoe toerana ‘natokana’ na ‘masina’, ilay tranolay masina nampiasaina tany an-tany efitra sy ny tempoly naorin’i Solomona sy ilay nataon’i Zerobabela tatỳ aoriana (nanorina azy io indray i Heroda Lehibe ary nanitatra azy io). Teo anivon’ny olombelona tsy lavorary ireny toerana ireny ka tsy maintsy nodiovina tsy tapaka, tamin’ny heviny an’ohatra. Nafafy teo amin’izy ireny ny ran’ny biby natao sorona, mba hanadiovana azy.​—Le 16:16.

Jerosalema. Noheverina ho toerana masina koa i Jerosalema tanànan’ilay Mpanjaka be voninahitra (Sl 48:1, 2; 135:21) sy ny toerana nisy azy io. (Is 48:1, 2; 52:1; Ne 11:1; Da 9:24) Toerana masina koa àry i Jerosalema Vaovao, ilay tanàna any an-danitra. Olona masina ihany no mahazo miditra ao, fa tsy misy afaka miditra ao ny mpilalao ody, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, ny mpandainga, ary ny toy izany.​—Ap 21:2; 22:14, 15, 19.

Ny zaridainan’i Edena. Nampiasa solontena i Jehovah mba hiresaka sy hanome toro lalana an’i Adama sy Eva tao Edena. Toerana masina izy io, madio, tsy nisy ota, ary tonga lafatra. Nihavana tsara tamin’Andriamanitra koa ny olona tao. (Ge 1:28; 2:8, 9; 3:8, 9; De 32:4) Noroahina niala tao àry i Adama sy Eva rehefa nikomy. Toerana nohamasinin’Andriamanitra io paradisa io, ary natokana ho an’ny olona madio sy marina. Nesorina tao i Adama sy Eva rehefa lasa mpanota. Tsy afaka nihinana tamin’ilay hazon’aina àry izy ireo, sao ho velona mandrakizay nefa efa lasa mpanota.​—Ge 3:22-24.

Ilay voaroy nirehitra sy ny Tendrombohitra Sinay. Nampiasa anjely iray Andriamanitra mba haniraka an’i Mosesy hidina tany Ejipta sy hanafaka ny vahoakany tsy ho andevo, ary hampiasa ilay anarana be voninahitra rehefa niteny. Niseho tamin’i Mosesy tao anaty voaroy nirehitra ilay anjely nisolo tena an’i Jehovah. (Ek 3:15, 16) Nasain’ilay anjely nanala kapa i Mosesy rehefa nanatona an’ilay voaroy, satria hoy izy: “Tany masina [kôdesh] io ijoroanao io.”​—Ek 3:1-5.

Niangona teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ny vahoaka tatỳ aoriana, rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna. Nandidy an’i Mosesy i Jehovah tamin’izay hoe: “Asio fetra manodidina ny tendrombohitra ary hamasino izy io.” Nanatrika teo mantsy i Jehovah, tamin’ny alalan’ireo anjely izay nisolo tena azy. (Ek 19:23; Ga 3:19) Novonoina ho faty izay nihoa-pefy. Izay nahazo alalana ihany no afaka nanatona teo anatrehan’i Jehovah (Ek 19:12, 13), ary anisan’izany i Mosesy, ilay mpanelanelana voatendrin’Andriamanitra. Mifanitsy amin’i Mosesy i Jesosy Kristy, satria izy no Mpanelanelana lehibe ahafahan’ny Kristianina voahosotra manatona an’ilay Tendrombohitra Ziona any an-danitra.​—He 12:22-24.

Tanàna fialokalofana sy toby miaramila. Nisy tanàna natokana hialokalofan’ireo nahafaty olona tsy nahy, tany Israely. ‘Nohamasinina’ ireny tanàna ireny.​—Js 20:7-9.

Nohamasinina koa ny toerana nitobian’ny miaramilan’ny Israely, satria ‘nandehandeha tao an-toby’ Andriamanitra. Tokony hadio foana àry ny Israelita, ary hadio fitondran-tena sy hadio eo amin’ny lafiny ara-panahy.​—De 23:9-14; 2Sa 11:6-11.

Zavatra nohamasinina. Nohamasinina ny tranolay sy ny tempoly. Tokony ho masina na hohamasinina koa àry ny zavatra tao, anisan’izany ny Vata misy ny fifanekena, ny alitaran’ny emboka manitra, ny latabatra misy ny mofo aseho, ny fitoeran-jiro, ny alitaran’ny fanatitra dorana, ny koveta, ny fitaovana rehetra, ny emboka manitra sy ny menaka fanosorana, ary na dia ny fitafian’ny mpisorona aza. Olona masina (ny mpisorona sy ny Levita) ihany no tokony hikarakara sy hitondra azy ireny. (Ek 30:25, 32, 35; 40:10, 11; Le 8:10, 11, 15, 30; No 4:1-33; 7:1) Ireo mpisorona nanompo tao amin’ny tranolay masina dia nanao “fanompoana masina izay tandindona fotsiny sady aloky ny zavatra any an-danitra, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Mosesy, fony izy hanamboatra ilay tranolay. Hoy mantsy Andriamanitra: ‘Tandremo mba ho araka ny modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.’”​—He 8:4, 5.

Sorona sy sakafo. Lasa masina ny sorona sy ny fanatitra satria natolotra teo amin’ny alitara efa nohamasinina, ary natolotra araka ny fomba nandidian’Andriamanitra. (Mt 23:19) Masina ny ampahany nomena ny mpisorona, ka ny ankohonan’ny mpisorona ihany no afaka nihinana tamin’ilay izy, ary na ny mpisorona aza tsy afaka nihinana raha mbola ‘naloto.’ (Le 2:3; 7:6, 32-34; 22:1-13) Lasa masina toy izany koa ny mofo aseho.​—1Sa 21:4; Mr 2:26.

Nohamasinina ny sakafo nomen’i Jehovah ny Kristianina, satria nohamasinina koa ny sakafo nomeny ny mpisorona. Tokony ho zavatra efa nohamasinina mantsy no niarahan’ireo mpanompony ireo nihinana na nanao. Nampitandrina ny apostoly Paoly hoe misy olona maty eritreritra mody miseho ho masina, ka “mandrara tsy hanambady ... ary mamoaka didy mampifady sakafo. Noforonin’Andriamanitra mba hohanina sy hisaoran’izay mino sy mahalala marina tsara ny fahamarinana anefa izany. Tena tsara daholo mantsy ny zava-drehetra noforonin’Andriamanitra, ary tsy misy tokony holavina raha raisina amin’ny fisaorana, satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka.” (1Ti 4:1-5) Madio ny sakafo ambaran’ny Tenin’Andriamanitra hoe madio, ary manaiky azy io ho masina ny Kristianina rehefa manao vavaka fisaorana. Eken’Andriamanitra ho madio ilay Kristianina mihinana izany.

Ampahafolon-karena. Natokan’ny Israelita ho an’i Jehovah ny ampahafolon’ny varimbazaha sy ny voankazo ary ny biby fiompy, ka noheverina ho masina ary tsy azo nampiasaina tamin-javatra hafa. (Le 27:30, 32) Tena meloka teo anatrehan’Andriamanitra izay nampiasa fahatany an’ireny zavatra nohamasinina ireny, na nandratra na nanaratsy olona nohamasinina (anisan’izany ireo voahosotra rahalahin’i Kristy). Izany no nolazain’i Jesosy tamin’ny Jiosy niampanga azy ho nanevateva an’Andriamanitra. (Jn 10:36) Nilaza ny apostoly Petera fa haringana ny olona ratsy fanahy, izay “sahisahy sy be di-doha ... ka tsy mangovitra eo anoloan’ireo manana voninahitra [izay nohamasinin’i Jehovah], fa manevateva kosa.”​—2Pe 2:9-12; ampit. Jd 8.

Fotoana na vanim-potoana. Milaza ny Baiboly fa “tamin’ny andro fahafito, dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony, ka nanomboka nitsahatra” izy rehefa vita ny famoronana nataony teto an-tany. “Nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy io.” (Ge 2:2, 3) Tokony ho “andro” hanaovan’ny olona fanompoana masina sy hankatoavany an’i Jehovah àry io “andro” io. Tsy tokony hanao asa ho an’ny tenany izy ireo amin’io andro io, ka hanazimbazimba azy io. Nanazimbazimba an’io “andro” io àry i Adama sy Eva rehefa nanapa-kevitra ny hahaleo tena ka hanao izay tiany fotsiny teto an-tany, fa tsy hiantehitra amin’i Jehovah Mpanjakany. Milaza ny Hebreo 3:11, 13; 4:1-11 fa mbola mitohy io ‘andro fitsaharan’Andriamanitra’ io. Nanamasina an’io “andro” io Andriamanitra, ka natokany hanatanterahana ny fikasany izy io. Ho tanteraka an-tsakany sy an-davany mandritra io andro io àry ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany.​—Ampit. Is 55:10, 11.

Nohamasinina ny andro Sabata sy ny andro fety hafa ary ny vanim-potoana hafa, anisan’izany ny taon-jobily.​—Ek 31:14; Le 23:3, 7, 8, 21, 24, 27, 35, 36; 25:10.

Nanamasina tany. Nisy ampahany tamin’ny tany lovan’ny Israelita iray angamba nohamasininy ho an’Andriamanitra. Nanokana ny vokatra avy tamin’ilay tany àry izy mba haterina tany amin’ny toerana masina, na koa nanome ny tokom-bidin’ilay tany (izany hoe ny vokatra avy aminy), araka izay nanombanan’ny mpisorona azy io. Raha tapa-kevitra ny hanavotra an’ilay tany izy, dia hanome ny vidiny nanombanan’ny mpisorona azy io, ary mbola hanampy ampahadiminy (arakaraka ny isan’ny fiakaran’ny vokatra mandra-pahatongan’ny taon-jobily). Mazava ho azy fa hiverina amin’ny tompony ilay tany rehefa tonga ny taon-jobily.​—Le 27:16-19.

Toa miresaka momba ny tany tsy navotan’ny tompony fa namidiny tamin’olona ireo andininy manaraka, izany hoe ny Levitikosy 27:20, 21. Milaza ny lalàna fa voatokana tanteraka ho an’ny toerana masina ilay tany, rehefa tonga ny Jobily. Hoy i Cook rehefa nanazava an’ilay lalàna resahin’ireo andininy ireo: “Angamba [ireo teny ireo] miresaka momba ny olona iray fetsifetsy ka nivarotra ny anjara taniny mba hahazoana vola, nefa izy efa nivoady fa hanome an’ilay tany ho an’ny Toerana Masina.” (Fanazavana Hevi-teny) Na koa mety ho olona mbola nampiasa an’ilay tany ihany, ary nanefa ny voadiny nandritra ny fotoana kelikely ka nandoa hofan-tany isan-taona arakaraka ny vidim-panavotana. Nafoiny anefa tatỳ aoriana ilay anjara taniny, mba hahazoany vola. Noheverina ho “voatokana ho zava-masina” izany tany izany, satria efa nohamasinina ho an’ny toerana masina ilay izy nefa nataon’ilay olona toy ny an’ny tenany, ka namidiny. Tsy nohajainy àry ny fahamasinan’ilay izy.

Mitovitovy amin’izao voalazan’ny Deoteronomia 22:9 izao io toro lalana io: “Aza mamafy voa roa karazana eo amin’ny tanimboalobokao, sao alaina ho an’ny toerana masina daholo ny vokatra avy amin’ny voa afafinao sy ny vokatry ny tanimboalobokao.” Nalaina ilay vokatra, satria voadika ilay lalàna voalaza talohan’izay ao amin’ny Levitikosy 19:19.

Tsy mitovy ny zavatra “nohamasinina” sy ny zavatra “voatokana ho zava-masina”, satria tsy azo navotana intsony ny zavatra rehefa voatokana ho zava-masina. (Jereo ZAVATRA VOATOKANA.) Mitovy amin’ny natao tamin’ny tany ihany no natao tamin’ny trano nohamasinina. (Le 27:14, 15) Raha tany lovan’olona anefa no novidin’ny olona iray ary nohamasininy, dia miverina amin’ilay tena tompony ilay tany rehefa tonga ny Jobily.​—Le 27:22-24.

Eo anivon’ny tokantrano. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina manambady: “Hamasinina noho ny amin’ny vadiny ny lehilahy tsy mpino, ary hamasinina noho ny amin’ny rahalahy ny vadiny tsy mpino. Raha tsy izany, dia tena tsy madio ny zanakareo, nefa masina izy ireo izao.” Tsy heverin’i Jehovah hoe maloto ny tokantranon’ny Kristianina iray sy ny vadiny izay tsy Kristianina, satria ilay Kristianina no jereny. Tsy hoe lasa olona masina ilay tsy Kristianina satria hoe masina ny vadiny. Ny tokantranon’izy ireo kosa no madio sy mendri-kaja. Tena mahasoa an’ilay tsy Kristianina ny mahita ny fomba fiainan’ilay Kristianina, ary mety ho voavonjy koa izy. (1Ko 7:14-17) ‘Mendrika’ ilay Kristianina ka heverina ho masina ny zanany mbola kely, ary miahy sy miaro azy ireny Andriamanitra. Maloto kosa ny zanaka raha tsy Kristianina na ny rainy na ny reniny.​—Jereo FAHAMASINANA (Tokantrano heverin’i Jehovah ho masina).