Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana

Fanampiana

Vola na zavatra anampiana an’ireo sahirana vokatry ny fahanterana, ny mosary, na ny loza hafa.

Mampiavaka ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika ny fahavononana hanampy ny sahirana. (Jb 29:16; 31:19-22; Jk 1:27) Nisy tena sahirana, ohatra, ny Kristianina mpitondratena teo anivon’ny fiangonana tany Jerosalema, tamin’ny taonjato voalohany, ka nizarana sakafo isan’andro. Rahalahy fito nahafeno fepetra no notendrena tatỳ aoriana, mba hanara-maso sao hisy hatao tsirambina ireo nanan-jo hahazo izany. (As 6:1-6) Nanazava tamin’i Timoty ny apostoly Paoly, taona maro tatỳ aoriana, fa ny mpitondratena maherin’ny 60 taona ihany no tokony hahazo fanampiana avy amin’ny fiangonana, raha tsara laza amin’ny asa tsara izy ka niezaka nampandroso ny fivavahana marina. (1Ti 5:9, 10) Adidin’ny zanaka aman-jafy anefa aloha ny mikarakara ny ray sy reny na raibe sy renibe efa zokiolona, fa tsy adidin’ny fiangonana. Hoy i Paoly: “Raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy, dia aoka ireo aloha hianatra hampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny ankohonany, sy hamaly babena ny ray aman-dreniny mbamin’ny raibe sy ny renibeny, fa izany no ankasitrahana eo imason’Andriamanitra.”​—1Ti 5:4, 16.

Nanome fanampiana ho an’ny rahalahy tany an-toeran-kafa ireo fiangonana kristianina. Rehefa nitranga, ohatra, ilay mosary lehibe nambaran’i Agabo mpaminany, dia “tapa-kevitra ny mpianatra” teo anivon’ny fiangonan’i Antiokia tany Syria “fa samy handefa fanampiana araka izay vitany, ho an’ireo rahalahy nonina tany Jodia.” (As 11:28, 29) An-tsitrapo tanteraka koa ny fanampiana natao ho an’ireo rahalahy sahirana ireo.​—Ro 15:25-27; 1Ko 16:1-3; 2Ko 9:5, 7.