Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fananarana

Fananarana

Izay rehetra atao mba hampiaiky olona iray hoe nanao fahadisoana izy, ka mila miaiky ny fahadisoany sy manitsy izany. Tsy mitovy ny hoe mananatra olona sy ny hoe miteny mafy azy. Ny hoe miteny mafy olona mantsy dia mety hidika hoe mibedy, saingy tsy resahina ny amin’ilay fahadisoana sy ny porofon’ilay izy. (Jereo MITENY MAFY, MANANATRA MAFY.) Teny fampiasa amin’ny lalàna ilay matoanteny hebreo hoe yakah (mananatra), izay adika koa hoe ‘manao ampamoaka’ (Is 37:4), ‘mifandamina’ (Is 1:18), ary ‘manitsy izay tsy mety.’ (Is 2:4) Elegkô kosa ny teny grika mifanitsy aminy. Matetika ireo matoanteny roa ireo no midika hoe mampiaiky olona iray hoe nanota izy ka mila mibebaka. Imbetsaka ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no nandika ny yakah hoe elegkô. Hoy ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao momba izany: “Asehon’io teny io hoe mifehy sy manabe ny olombelona Andriamanitra rehefa mitsara. Voafaoka amin’izany ny lafiny rehetra amin’ny fanabeazana, manomboka amin’ny fiampangana an’ilay nanota ka hatramin’ny fanasaziana sy ny famaizana azy; manomboka amin’ny fampiofanana ny olo-marina amin’ny alalan’ny fitsapana mafy, ka hatramin’ny fampianarana sy ny fananarana azy mba hahalalany izay tokony hatao.”​—Nataon’i G. Kittel, 1964, Boky II, p. 473.

Rehefa ilaina. Araka ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely, dia nampirisihina toy izao ny olona nasian-dratsy: “Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao. Tena tokony hananatra ny namanao ianao, sao hiombona ota aminy.” (Le 19:17) Tsy navela hanao an-dolompo tamin’ilay rahalahiny nanao diso taminy izy. Adidiny ny mananatra an’ilay rahalahiny mba tsy hanotany intsony. Mety mbola hanota mantsy ilay rahalahiny raha tsy anariny, ka hanjary hiombona ota aminy izy.​—Ampit. Mt 18:15.

Tsy maintsy mananatra an’ireo nanao fahotana lehibe ny anti-panahy indraindray, ary mety hanao izany eo anatrehan’ny olona mahalala an’ilay fahotana mihitsy aza. Tsy ny olona vonona handray anatra ihany no anarina toy izany. Tokony “hananatra an’izay manohitra” koa mantsy ny anti-panahy, ary ‘hananatra mafy’ an’izay “tsy manaiky hofehezina” sy “mpanao resaka tsy misy fotony.”​—1Ti 5:20; Tit 1:9, 10, 13.

Na dia mahasoa aza ny fananarana, dia tsy hoe ankasitrahana foana ny ezaka ataon’ilay mananatra. Mampitandrina toy izao àry ny Ohabolana 9:7, 8: “Manala baraka ny tenany izay manitsy ny mpaniratsira. Ary hanan-tsiny izay mananatra ny ratsy fanahy. Aza mananatra ny mpaniratsira sao ho halany ianao. Anaro kosa ny hendry dia ho tiany ianao.”

Toe-tsaina mety. Avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ny Soratra Masina, ka midika izany fa avy amin’Andriamanitra koa ny fananarana rehetra miorina amin’ny Baiboly. (2Ti 3:16) Tian’i Jehovah ny olona iray matoa anariny. Tsy tokony hankahala na handa anatra àry ilay olona. (Oh 3:11, 12) Lohan’ny fiangonana i Jesosy Kristy ary tena tia an’ireo anisan’ny fiangonana, ka izany no mahatonga azy hananatra azy ireo amin’ny alalan’ny rahalahy mahafeno fepetra. (Ap 3:14, 19) “Lalana mankany amin’ny fiainana ny anatra sy ny fanitsiana.”​—Oh 6:23.

Mpanota ny olombelona ka matetika no tsy tia anarina, ary sosotra amin’ilay olona nampiasaina hananatra azy. Mampietry ny tenany ny olona manao toy izany ka lasa mitovy amin’ny biby tsy misaina sy tsy mahalala izay tsara sy ratsy, araka ny voalazan’izao ohabolana izao: ‘Tsy misaina izay mankahala fananarana.’ (Oh 12:1) Tsy toy izany kosa i Davida mpanao salamo, izay efa imbetsaka nanarina. Hoy izy: “Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho hatsaram-panahy feno fitiavana izany. Ary raha mananatra ahy izy, dia toy ny menaka ahosotra amin’ny loha izany ka tsy holavin’ny lohako.”​—Sl 141:5.