Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fananganan-janaka

Fananganan-janaka

Manangan-janaka ny olona raha mandray na manaiky ho zanany zaza iray tsy naterany. Hoiôtesia no teny grika nadika hoe ‘manangana ho zanaka.’ Voambolan’ny mpanao lalàna izy io, ary midika ara-bakiteny hoe “mametraka ho zanakalahy.”​—Ro 8:15.

Tsy misy lalàna miresaka mivantana momba ny fananganan-janaka ao amin’ny Soratra Hebreo, na dia voaresaka imbetsaka ao ihany aza io hevitra io. Toa nihevitra an’i Eliezera mpanompony ho toy ny zanaka natsangany sy toy ny olona mety ho lasa mpandova azy i Abrahama, talohan’ny nahaterahan’i Ismaela sy Isaka. (Ge 15:2-4) Fanao efa ela tany amin’ireo tany manodidina an’i Israely ny manangana mpanompo ho zanaka. Nanan-jo handova ilay mpanompo noho izany, na dia tsy nitovy zo tamin’ny zanaka nateraka aza.

Nasain’i Rahely sy Lea nanao firaisana tamin’ny mpanompovaviny i Jakoba, ary ny zaza teraka dia noheverin’izy roa vavy ho toy ny naterany mihitsy, izany hoe naterany ‘teo ambony lohaliny.’ (Ge 30:3-8, 12, 13, 24, f.a.p.) Niray lova tamin’ny zanaka naterak’i Jakoba tamin’ireo vadiny ara-dalàna ireny zaza ireny. Zanaka naterak’i Jakoba rainy mantsy izy ireny. Nanan-jo ho tompon-janaka koa i Rahely sy Lea, satria tompon’ireo mpanompovavy.

Nanangana an’i Mosesy ho zanany ny zanakavavin’i Farao, tamin’i Mosesy mbola zazakely. (Ek 2:5-10) Nanan-jo hanangan-janaka ny zanakavavin’i Farao, satria nitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy araka ny lalàna ejipsianina.

Toa tsy dia fanaon’ny Israelita ny manangan-janaka. Tsy nisy nilana firy an’izany koa satria nandidy ny hitondrana loloha an’izay maty vady ny lalàna, ka nisy zanaka foana namelo-maso ny anaran’ny maty.​—De 25:5, 6.

Ny dikany ho an’ny Kristianina. Niresaka imbetsaka momba ny fananganan-janaka ny apostoly Paoly ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ka ny toerana vaovao tanan’ireo voantso sy voafidin’Andriamanitra no tiany holazaina. Taranak’i Adama mpanota izy ireo, ka andevon’ny ota ary tsy tonga dia hoe zanak’Andriamanitra raha vao teraka. Novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy anefa izy ireo, ka natsangana ho zanaka ary lasa mpiara-mandova amin’i Kristy Zanaka lahitokan’Andriamanitra. (Ga 4:1-7; Ro 8:14-17) Noho ny safidin’Andriamanitra sy ny sitrapony no nahatonga azy ireo ho zanaka. (Ef 1:5) Ekena ho zanak’Andriamanitra ara-panahy izy ireo rehefa ateraky ny fanahy. (1Jn 3:1; Jn 1:12, 13) Tombontsoa lehibe izany, nefa rehefa miezaka ny tsy hivadika hatramin’ny farany ihany izy ireo vao tena hahazo izany ka ho zanak’Andriamanitra amin’ny fomba feno. (Ro 8:17; Ap 21:7) Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Miandry fatratra ny fananganana antsika ho zanaka sy ny fanafahana antsika amin’ny vatantsika [isika], amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.”​—Ro 8:23.

Mandray soa izay atsangana ho zanak’Andriamanitra, satria tsy andevozin’ny tahotra intsony fa vao mainka kosa aza lasa mahazo toky hoe tena zanaka. Manantena hahazo lova any an-danitra koa izy ireo, ary ny fanahin’Andriamanitra no manome antoka ny amin’izany. Ampahatsiahivina koa izy ireo fa noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny safidin’Andriamanitra no nananganana azy ireo ho zanaka, fa tsy hoe efa zony izany.​—Ro 8:15, 16; Ga 4:5-7.

Hoy i Paoly momba ny Israelita ara-nofo: “Izy ireo no natsangana ho zanaka, sy nomena voninahitra, nanaovana ny fifanekena, ary nomena ny Lalàna.” (Ro 9:4) Azo inoana fa tamin’izy ireo mbola teo ambany fifaneken’ny Lalàna no tiany holazaina eo. Nantsoin’Andriamanitra hoe “zanako” ny Israely indraindray, tamin’izany. (Ek 4:22, 23; De 14:1, 2; Is 43:6; Je 31:9; Ho 1:10; 11:1; ampit. Jn 8:41.) Taorian’ny nanomezan’i Kristy Jesosy ny vidim-panavotana anefa vao nisy olona lasa tena zanaka, raha nanaiky sy nino an’io vidim-panavotana io ilay olona.​—Jn 1:12, 13; Ga 4:4, 5; 2Ko 6:16-18.