Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanasam-pifankatiavana

Fanasam-pifankatiavana

Tsy hazavain’ny Baiboly ny momba azy ireny na ny hoe isaky ny inona izy ireny no nisy. (Jd 12) Tsy nandidy ny hanaovana azy ireny koa i Jesosy Kristy Tompo na ny apostoliny. Tsy hoe nisy foana koa izy ireny na hoe tsy maintsy natao. Misy milaza fa nanao sakafo be ny Kristianina nanan-karena ka nanasa an’ireo mpiray finoana taminy nahantra. Niara-nisakafo tamin’izy ireo àry ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny sahirana.

Nitantara i Tertullien, mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo, fa nivavaka tamin’Andriamanitra aloha ny mpanasa sy ny nasaina vao nandry ilika hisakafo. Nihinana sy nisotro mba hampitonena hanoanana sy hialana hetaheta fotsiny izy ireo, ka nahalala onony. Tsaroany mantsy fa mpanompon’Andriamanitra izy ireo na rehefa alina aza. Na ny resaka nifanaovany aza nahitana hoe fantany fa nihaino ny Tompo. Nihira ny tsirairay ary nofaranana tamin’ny vavaka ilay fanasana.​—Fanamarinana, XXXIX, 16-18.

Tsara ny antony nanaovana an’ireny fanasana ireny tany am-boalohany, matoa nampiasaina ny teny hoe agape mba hilazana azy ireny. Agape no teny grika ilazana ny karazam-pitiavana ambony indrindra, dia ny fitiavana baikoin’ny fitsipika. Io fitiavana io ilay resahina amin’ilay hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1Jn 4:8) Anisan’ny vokatry ny fanahy izy io (Ga 5:22) ary velabelarina ao amin’ny 1 Korintianina 13:4-7.

Tsy ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Misy milaza fa natao taloha na taorian’ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo (Fahatsiarovana) ireo fanasam-pifankatiavana, nefa toa tsy mitombina izany. Indray mandeha isan-taona, isaky ny 14 Nisana, ihany mantsy no nankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Ireo fanasam-pifankatiavana kosa toa natao matetika tamin’ny fotoana samy hafa. Hoy i Paoly rehefa avy niteny mafy an’ireo nitondra sakafo hariva ka nihinam-be tany amin’ny toerana nankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo: “Tsy manana trano ihinanana sy isotroana mihitsy angaha ianareo? ... Raha misy noana, dia aoka izy hihinana any an-tranony.” (1Ko 11:22, 34) Tsy fotoana fihinanana sy fisotroana ilay fankalazana, fa fotoan-dehibe natao hisaintsainana.

Tsy ireo ‘fiaraha-misakafo’ (“famakiana ny mofo”, Prot.) resahin’ny Asan’ny Apostoly 2:42, 46; 20:7 koa ireo fanasam-pifankatiavana. Nanify ny mofo tamin’izany ary nikarepoka ireo tsy nasiana lalivay, ka ‘novakina’ fa tsy notapahina. Ilazana sakafo mahazatra àry ilay hoe ‘novakina ny mofo.’​—As 2:46, Prot., ampit. TV.

Nohararaotin’ny sasany. Nohararaotin’ny olona tsy matotra anefa ireo fanasam-pifankatiavana mba hanaovan-javatra tafahoatra. Ratsy ny antony nankanesan’ny sasany tany amin’ireny fanasana ireny. Hoy i Joda: “Harambato voasaron-drano ireny olona ireny, rehefa miara-misakafo aminareo ao amin’ny fanasam-pifankatiavanareo. Mpiandry mamahan-tena tsy amin-tahotra izy ireny.” (Jd 12) Hoy koa i Petera momba an’ireo mpanao ratsy sy mpampianatra sandoka nitsofoka teo anivon’ny tena Kristianina: “Fahafinaretana ho azy ireo ny manana fiainana mirenty amin’izao antoandrobenanahary izao. Toy ny pentimpentina sy tsiny izy ireo, ary finaritra erỳ manao fampianarana mamitaka, rehefa miara-misakafo aminareo amin’ny fanasana.” (2Pe 2:13) Tsy nisy intsony ireny fanasam-pifankatiavana ireny tatỳ aoriana, satria fombafomba fotsiny fa tsy hoe didy nomen’i Jesosy Kristy Tompo sy ny apostoliny. Tsy tokony haverin’ny fiangonana kristianina àry io fombafomba io, satria miara-paly sy mifanampy araka izay vitany foana ny Kristianina hatramin’izao.​—Jk 1:27; 2:15.