Fanasana Tanana
Tsy nanasa tanana tao anaty koveta nisy rano ny olona fahiny. Notondrahana kosa ny tanana, ary notantazana tamin’ny siny na koveta ny rano maloto.—Ampit. 2Mp 3:11.
Tsy maintsy nanasa tanana sy tongotra teo amin’ny kovetabe varahina, teo anelanelan’ny toerana masina sy alitara, ny mpisorona izay hanompo teo anoloan’ny alitara na ho ao amin’ny tranolay fihaonana. (Ek 30:18-21) Raha nisy fatin’olona hita nefa tsy fantatra izay namono azy, dia ny anti-panahin’ny tanàna akaiky indrindra azy io no naka vantotr’ombivavy mbola tsy nampiasaina na nitondra zioga. Nentiny teny amin’ny lohasaha falehan-driaka nisy rano ilay ombivavy ka noveleziny ny hatony mba hahafaty azy. Nanasa tanana teo ambonin’ilay omby ny anti-panahy, ho porofo hoe tsy namono an’ilay olona izy ireo. (De 21:1-8) Raha nisy tsiranoka nivoaka ny olona iray nefa tsy nanasa tanana, dia naloto izay olona nokasihiny.—Le 15:11.
Tian’i Davida hadio ny tanany, izany hoe tsy hanao ratsy, mba ho afaka hanompo teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah izy. (Sl 26:6) Nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka i Pilato, fa tsy te ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’i Jesosy. Tsy afa-maina anefa izy satria izy, fa tsy ilay vahoaka nitabataba, no nanana fahefana hamoaka an’ilay didim-pitsarana.—Mt 27:24.
Tena zava-dehibe tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny taonjato voalohany ny fanasan-tanana. Notenenin’izy ireo àry i Jesosy Kristy satria tsy nanaraka ny fomban-drazana ny mpianany ka tsy nanasa tanana rehefa hisakafo. Tsy resaka fitandroana fahadiovana anefa ny azy ireo, fa fanarahana fombafomba ara-pivavahana. ‘Ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba nihinana raha tsy efa nanasa tanana hatreo amin’ny kiho.’ (Mr 7:2-5; Mt 15:2) Ampitovin’ny Talmoda babylonianina (Sôta 4b) amin’izay manao firaisana amin’ny mpivaro-tena ny olona tsy manasa tanana rehefa hisakafo. “Hofongorana tsy ho amin’ny tany”, hono, izay mihevitra hoe tsy zava-dehibe ny manasa tanana.—Jereo FANDROANA.