Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanasitranana

Fanasitranana

Manao izay hahasalama indray ny marary; mamerina amin’ny laoniny ny tapaka na ny maratra; manaisotra ny aretina sy ny kilema samihafa; mamerina amin’ny laoniny ny fahasalamana. Ao amin’ny Baiboly, dia matetika ny matoanteny hebreo hoe rafaʼ sy ny matoanteny grika hoe iaômai no nadika hoe manasitrana, na ara-bakiteny izany na an’ohatra. Nadika hoe ‘manasitrana’ koa ny matoanteny grika hoe terapeoô. (Mt 4:23, 24) Miandalana indraindray ny fahasitranana, fa sitrana eo no ho eo kosa ny olona sasany.

Anisan’ny fitahiana nomen’i Jehovah ny olona rehetra ny fahaizan’ny vatana manasitrana ho azy ny tenany, rehefa maratra na marary izy io. Io fahaizana voajanahary io no tena mahasitrana ny marary, fa mety hanafaingana ny fahasitranana fotsiny ny fitsaboana. Izany no nahatonga an’i Davida hiaiky fa na tsy lavorary hatrany an-kibon-dreniny aza izy, dia mahay manohana azy amin’ny aretiny sy mahay manasitrana ny aretiny rehetra ny Mpamorona. (Sl 51:5; 41:1-3; 103:2-4) I Jehovah no namerina tamin’ny laoniny ny fahasalaman’i Joba (Jb 42:10), ary Izy koa no nanasitrana ny Israely vahoakany.​—Ek 15:26.

Voalaza fa sady mandratra i Jehovah no manasitrana, na ara-bakiteny izany na an’ohatra. Misy àry fotoana handratrany ary misy koa fotoana hanasitranany. (De 32:39; ampit. Mpto 3:1, 3.) Nataon’i Jehovah voan’ny aretin-tsinay tsy mety sitrana, ohatra, i Jorama mpanjakan’ny Joda satria nivadika taminy. (2Ta 21:16, 18, 19) Niaiky i Mosesy fa i Jehovah no namely an’i Miriama tamin’ny habokana ary Izy ihany no afaka manasitrana azy. Nitalaho àry i Mosesy hoe: “Mba miangavy re, Andriamanitra ô! Mba sitrano re izy e!” (No 12:10, 13) Nataon’i Jehovah tsy afa-niteraka i Abimeleka Mpanjaka sy ny vadiny ary ny mpanompovaviny noho ny amin’i Saraha sy ilay taranaka nampanantenaina. Nositranin’i Jehovah anefa izy ireo, rehefa voalamina ilay raharaha.​—Ge 20:17, 18.

Asehon’ny Baiboly fa mbola ratsy kokoa ny aretina ara-panahy, ary mbola zava-dehibe kokoa ny fanasitranana ara-panahy. Asongadina ao koa fa tompon’andraikitra amin’izany ireo mpitarika teo amin’ny Israely. Voalaza fa ‘samy namitaka na ny mpaminany na ny mpisorona’, tamin’ny andron’i Jeremia. Nihambo ho nanasitrana ny fahavoazan’ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo, sady nilaza hoe mandeha tsara ny zava-drehetra. (Je 6:13, 14; 8:11) “Dokotera tsy misy ilana azy” toa an’ireo mpampionona an’i Joba ihany anefa izy ireo.​—Jb 13:4.

Voalaza koa fa nisy zavatra tsy manana aina nositranina, izany hoe naverina tamin’ny laoniny. Ilay teny hebreo hoe manasitrana, ohatra, no nampiasaina mba hilazana ny nanamboaran’i Elia indray ny alitara iray efa rava. (1Mp 18:30) Nositranin’i Elisa mpaminany koa ny rano tany akaikin’i Jeriko, ka tsy afa-jaza intsony ny olona tao. (2Mp 2:19-22) Nopotipotehin’i Jeremia ny tavoaran’ny mpanefy tanimanga, ka tsy azo namboarina intsony, izany hoe tsy azo nositranina. Hoy àry i Jehovah: “Hopotehiko toy izany koa ity vahoaka ity sy ity tanàna ity, toy ny fanapotehana vilany tanimanga ka tsy azo amboarina intsony [endriny hafa amin’ny hoe rafaʼ; a.b.t.: sitranina].”​—Je 19:11; ampit. 2Ta 36:15-17.

Nanasitrana i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy. Marina fa “nanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra, teo amin’ny vahoaka” i Jesosy. Niaiky anefa izy fa fanampiny fotsiny tamin’ny fanompoany izany, fa ny “nampianatra” sy ny “nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana” no nataony loha laharana. Izany no nahatonga azy hangoraka ny vahoaka satria “nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry” izy ireo.​—Mt 4:23; 9:35, 36; Lk 9:11.

Nangoraka koa io Mpampianatra Lehibe io rehefa nahita an’ilay vahoaka nanaraka azy mba hositraniny. (Mt 12:15; 14:14; 19:2; Lk 5:15) Nanao fahagagana àry i Jesosy ka nanasitrana. Famantarana ho an’ny mpiara-belona taminy izany sady nanaporofo fa izy no Mesia, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Mt 8:16, 17) Manome toky koa izany fa tena ho sitrana ny olombelona rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Ap 21:3, 4) Nanasitrana marary maro i Jesosy: Tao ny nalemy tongotra, ny kilemaina, ny jamba, ny moana (Mt 15:30, 31), ny voan’ny androbe, ny nalemy (Mt 4:24), ny vehivavy nandeha ra (Mr 5:25-29), ny olona maty tanana (Mr 3:3-5), ny lehilahy voan’ny aretina manirano (Lk 14:2-4). Maro koa ny olona nisy demonia nositraniny ka nafahany tamin’ny fanandevozan’i Satana.​—Mt 12:22; 15:22-28; 17:15, 18; Mr 1:34; Lk 6:18; 8:26-36; 9:38-42; As 10:37, 38.

Tsy nitovy ny fomba nanasitranan’i Jesosy ny olona. Sitrana avy hatrany, ohatra, ny lehilahy iray teo akaikin’ny dobon’i Betesda, rehefa nilaza fotsiny i Jesosy hoe: “Mitsangàna, batao ny fandriananao ka mandehana.” (Jn 5:2-9) Niteny fotsiny koa i Jesosy indray mandeha, dia sitrana ny olona iray tany lavitra. (Mt 8:5-13) Nikasika olona narary kosa izy indraindray (Mt 8:14, 15) na nikasika an’izay faritra naratra ary nanasitrana izany. (Lk 22:50, 51) Nisy kosa marary nikasika an’i Jesosy na nikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotr’akanjony fotsiny dia sitrana. (Mt 14:36; Mr 6:56; Lk 6:19; 8:43-47) Sitrana foana ilay olona na efa ela izy no narary na tsia.​—Mt 9:20-22; Lk 13:11-13; Jn 5:5-9.

Tsy faly ireo nanohitra an’i Jesosy rehefa nahita azy nanasitrana. Tezitra mafy taminy, ohatra, ireo mpitondra fivavahana, rehefa nanasitrana olona tamin’ny Sabata izy. (Mt 12:9-14; Lk 14:1-6; Jn 5:10-16) Tsy nahateny ireny mpanohitra ireny, indray mandeha, rehefa nilaza i Jesosy hoe: “Ry mpihatsaravelatsihy, tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany avy ve ianareo amin’ny sabata, ka mitondra azy hisotro rano? Koa tsy tokony hovahana ho afa-patorana amin’ny andro sabata àry ve ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana nandritra ny valo ambin’ny folo taona be izao?”​—Lk 13:10-17.

Tsy ny herin’i Jesosy na ny fahalalany na ny fahendreny no nahasitrana an’ireny olona ireny. Tsy nampiasa hipnotisma na fitsaboana ampiasain’ny mpitsabo aretin-tsaina na fomba hafa koa izy. Ny fanahin’i Jehovah sy ny heriny kosa no nampiasainy. (Lk 5:17; 9:43) Tsy ny rehetra anefa no nankasitraka sy nanome voninahitra an’Andriamanitra noho ireny fanasitranana ireny. (Lk 17:12-18) Tsy ny rehetra koa ankehitriny no miaiky hoe hitondra fanasitranana mandrakizay ny sorom-panavotan’i Kristy.​—1Pe 2:24.

Nomen’i Jesosy an’io fahaiza-manasitrana avy amin’Andriamanitra io ny olona sasany niara-niasa akaiky taminy teny amin’ny fanompoana: Anisan’ireny ny apostoly 12, ary tatỳ aoriana ireo mpianatra 70. (Mt 10:5, 8; Lk 10:1, 8, 9) Nahazo an’io fahaiza-manasitrana io taorian’ny Pentekosta taona 33, ohatra, i Petera, Jaona, Filipo, ary Paoly. (As 3:1-16; 4:14; 5:15, 16; 8:6, 7; 9:32-34; 28:8, 9) Nitsahatra io “fahaiza-manasitrana” io, rehefa tafaorina tsara ny Fivavahana Kristianina, ary maty ireo apostoly.​—1Ko 12:8, 9, 28, 30; 13:8, 13.

Izay nanao fanasitranana dia tsy maintsy nino sy natoky tanteraka an’i Jehovah, ary niaiky toa an’i Jesosy fa noho ny herin’Andriamanitra no nahavitana izany. (Mt 17:14-20; Jn 5:19) Ilay marary kosa anefa tsy voatery hoe nanam-pinoana vao sitrana. (Jn 5:5-9, 13) Na izany aza dia maro tamin’izy ireny no nanana finoana natanjaka.​—Mt 8:5-13; 15:28; Mr 5:34; Lk 7:1-10; 17:19; As 14:8-10; jereo FINOANA.

“Famantarana” ny fanasitranana mahagaga satria manaporofo fa tohanan’Andriamanitra ireo mahay izany. (As 4:22, 29, 30) Jamba sy marenina ara-panahy ireo tsy mety mino an’izany famantarana izany. (Is 6:10; Jn 12:37-41) Famantarana ho an’ny tsy mpino ireny fanasitranana avy amin’Andriamanitra ireny, ka tsy natao ho an’ireo efa lasa Kristianina nateraky ny fanahy. Rehefa narary vavony, ohatra, i Timoty dia tsy nositranin’i Paoly tamin’ny fomba mahagaga fa nasainy nisotro divay kely.​—1Ti 5:23.

Fanasitranana ara-panahy. Avy amin’i Jehovah ny fanasitranana ara-panahy, ary izay mibebaka no hositraniny, izany hoe hahazo sitraka sy fitahiana avy aminy indray. (Is 19:22; 57:17-19; Je 33:6) Io karazana fanasitranana io no hanatanjaka ny tanana miraviravy sy ny lohalika mangozohozo, hampahiratra ny mason’ny jamba, hahatonga ny sofin’ny marenina handre, hanasitrana ny malemy tongotra, ary hampiteny ny moana, amin’ny heviny ara-panahy. (Is 35:3-6) Tsy ho sitrana mihitsy kosa ireo mpivadi-pinoana tsy laitra anarina, ka sady tsy ho salama ara-panahy intsony no tsy hahazo ny fitahian’Andriamanitra. (2Ta 36:15-17; Is 6:10; Je 30:12, 13; As 28:24-28) Tsy sitrana mihitsy koa i Ejipta sy ny Faraony, ary ny “mpanjakan’i Asyria.”​—Je 46:11; Ezk 30:21; Na 3:18, 19.

Lazain’ny Soratra Masina izay tokony hataon’ireo te ho sitrana ara-panahy.​—He 12:12, 13; Jk 5:14-16; Ap 3:18.