Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanatitra

Fanatitra

Efa hatry ny ela ny olona no nanao fanatitra ho an’Andriamanitra. I Kaina sy Abela rahalahiny no voalohany nanao fanatitra, ka ny vokatry ny tany ny an’i Kaina, fa ny an’i Abela kosa ny voalohan-teraky ny andian’ondriny. Tsy nitovy ny toe-pon’izy mirahalahy, matoa ny fanatitr’i Abela no nankasitrahan’Andriamanitra. (Nahazo nanao fanatitra biby sy fanatitra varimbazaha ny Israelita teo ambanin’ny Lalàna, tatỳ aoriana.) Nino i Abela fa hanafaka ny olombelona amin’ny alalan’ilay Taranaka nampanantenaina Andriamanitra. Hitany fa tanteraka tamin’ny ray aman-dreniny ilay fanamelohan’i Jehovah azy ireo tao Edena, ka izany taminy no “porofo mazava” nahatonga azy hanam-pinoana. “Noho ny finoany” no ‘nanolorany ho an’Andriamanitra sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina.’ Samy nanao fanatitra izy mirahalahy satria tsapany fa tafasaraka tamin’Andriamanitra izy ireo. Na izany aza, dia ny fanatitr’i Abela no nankasitrahan’Andriamanitra satria nanam-pinoana izy.​—Ge 4:1-4; He 11:4.

Tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny. Nanolotra sorona fisaorana ho an’i Jehovah i Noa loham-pianakaviana, rehefa nivoaka avy tao amin’ny sambofiara. ‘Nampitony’ ilay sorona, ka nanao fifanekena ny amin’ny “avana” tamin’i Noa sy ny taranany i Jehovah. (Ge 8:18-22; 9:8-16) Nanao sorona ho an’i Jehovah koa ny loham-pianakaviana hafa tsy nivadika. (Ge 31:54; 46:1) Nanao ny asan’ny mpisorona ho an’ny fianakaviany i Joba, ka nanolotra fanatitra dorana sao nanota izy ireo. (Jb 1:5) Tena niavaka anefa ilay sorona nataon’i Abrahama tamin’izy saika hanolotra an’i Isaka, noho ny baikon’i Jehovah. Hitan’i Jehovah fa nanam-pinoana sy nankatò i Abrahama, ka nomeny ondrilahy ho solon-janany. Mifanitsy amin’izay nataon’i Abrahama ny nanoloran’i Jehovah an’i Jesosy Kristy Zanany lahitokana.​—Ge 22:1-14; He 11:17-19.

Teo ambanin’ny Lalàna. Aloky ny sorona nataon’i Jesosy Kristy sy ny soa hoentin’izany ireo sorona rehetra notakin’ny Lalàna. (He 8:3-5; 9:9; 10:5-10) Lavorary i Jesosy Kristy, ka tsy maintsy biby tsy misy kilema no natao sorona. (Le 1:3, 10; 3:1) Samy afaka nanolotra fanatitra ny Israelita sy ny mpivahiny nanompo an’i Jehovah.​—No 15:26, 29.

Fanatitra dorana. Natolotra manontolo ho an’Andriamanitra ny fanatitra dorana, fa tsy nisy ampahany ho an’ilay nanome fanatitra. (Ampit. Mpts 11:30, 31, 39, 40.) Fiangaviana an’i Jehovah hanaiky ny fanatitra noho ny ota nampiarahina taminy tsindraindray izy io. Toy ny “fanatitra dorana” i Jesosy Kristy satria ny tenany manontolo no natolony.

Fotoana nanolorana azy io, sy ny nampiavaka azy:

1) Fotoana nahazatra: Isaky ny maraina sy hariva (Ek 29:38-42; Le 6:8-13; No 28:3-8), isaky ny Sabata (No 28:9, 10), ny voalohan’ny volana (No 10:10), Paska sy Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay naharitra fito andro (Le 23:6-8; No 28:16-19, 24), Andro Fandrakofam-pahotana (Le 16:3, 5, 29, 30; No 29:7-11), Pentekosta (Le 23:16-18; No 28:26-31), ary isan’andro nandritra ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.​—No 29:12-39.

2) Fotoana hafa: Rehefa napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona (Le 8:18-21; jereo FAMETRAHANA MPISORONA EO AMIN’NY TOERANY) sy ny Levita (No 8:6, 11, 12), rehefa nanao fifanekena (Ek 24:5; jereo FIFANEKENA), rehefa nampiarahina tamin’ny fanatitra iombonana sy fanatitra noho ny heloka ary fanatitra noho ny ota (Le 5:6, 7, 10; 16:3, 5), rehefa nanefa voady (No 15:3, 8), ary rehefa nanao fombafomba fidiovana (Le 12:6-8; 14:2, 30, 31; 15:13-15, 30).

3) Biby natao fanatitra sy fomba nanaovana izany: Ombilahy, ondrilahy, osilahy, domohina na zana-boromailala. (Le 1:3, 5, 10, 14) Nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay fanatitra ilay olona (niaiky izy fa ny tenany no nanolotra an’ilay izy mba handrakofana ny fahotany). (Le 1:4) Novonoina ilay biby, nafafy teo amin’ireo lafin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ny rany (Le 1:5, 11), nendahana ny hodiny (ary lasan’ilay mpisorona; Le 7:8), norasarasaina ilay biby, nosasana ny tsinainy (tsy nodorana teo amin’ny alitara ny taovan-kena) sy ny ranjony, ary nalahatra teo ambony alitara ny lohany sy ny tapany hafa. (Le 1:6-9, 12, 13) Raha vorona kosa ilay izy, dia nesorina ny takorobabony sy ny volony, ary nodorana teo ambony alitara ny lohany sy ny vatany. (Le 1:14-17)

Fanatitra iombonana (na fanati-pihavanana). Nihavana tamin’i Jehovah ny olona iray matoa nekeny ny fanatitra iombonana natolotr’ilay olona. Nihinana tamin’ilay fanatitra ilay olona sy ny ankohonany (teo an-tokotanin’ny tranolay masina; nilaza ny lovantsofina fa nisy trano rantsankazo teo amin’ilay tokotany voahodidin’ny fefy lamba; nisy efitra fisakafoana kosa tao amin’ny tempoly). Nahazo ampahany ilay mpisorona nanao ilay fanatitra sy ireo mpisorona nanompo tamin’izay. An’i Jehovah kosa ny hanitry ny tavin-kena nodorana. Nomena azy koa ny ra izay misy ny aina. Toy ny hoe niara-nisakafo àry ny mpisorona sy ilay nanome fanatitra ary Jehovah, ka nihavana tsara. Tokony haringana tsy ho eo amin’ny fireneny kosa ilay nanome fanatitra raha naloto araka ny Lalàna, na nihinana ny henan’ilay fanatitra najanona mihoatra ny roa andro (efa nihasimba satria nafana ny andro). Nandoto na nanazimbazimba an’ilay hena mantsy izy, satria naloto na nihinana zavatra naloto tamin’i Jehovah Andriamanitra, ka tsy nanaja zava-masina.​—Le 7:16-21; 19:5-8.

Sakafo iombonana ny Sakafo Harivan’ny Tompo (Fahatsiarovana na Fanasan’ny Tompo). (1Ko 10:16) Miara-mihinana an’ilay mofo (vatan’i Jesosy) sy misotro amin’ny divay (ran’i Jesosy) ireo tafiditra ao amin’ilay ‘fifanekena vaovao miorina amin’ny rany.’ Mandray anjara koa i Jehovah satria izy no nanao ilay fandaharana. Miezaka ny hahazo sitraka aminy izy ireo sady mihavana aminy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ary mihavana tsara izy samy izy. Tokony hadio ireo nihinana ny sakafo iombonana. Nampitandrina koa ny apostoly Paoly fa tokony handini-tena ny Kristianina, alohan’ny handraisany anjara amin’ny Fahatsiarovana. Homelohina izay manao tsinontsinona an’ilay Fahatsiarovana sy ny divay ary ny mofo tsy misy lalivay, satria manazimbazimba zava-masina.​—1Ko 11:25, 27-29; jereo SAKAFO HARIVAN’NY TOMPO.

Fanatitra iombonana koa ny fanati-pisaorana. Nidera an’Andriamanitra ilay olona satria nanehoany hatsaram-panahy feno fitiavana. Mofo nisy lalivay sy tsy nisy lalivay ary hena no nohanina tamin’izay. Azo lazaina hoe “sakafo fihinana andavanandro” izany. (Tsy azo natao mihitsy anefa ny nanolotra mofo nisy lalivay ho an’Andriamanitra, teo ambony alitara.) Tokony hohanina ny androtr’iny fa tsy ny ampitso ilay hena natao fanatitra fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra. (Azo nohanina ny ampitso ilay hena, raha fanatitra iombonana hafa.) (Le 7:11-15) Izany dia mampahatsiahy antsika ny vavaka nampianarin’i Jesosy Kristy hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio.”​—Mt 6:11.

Fotoana nanolorana azy io, sy ny nampiavaka azy:

1) Fotoana: Rehefa nanao fifanekena (Ek 24:5), rehefa fety sy fiandohan’ny volana (No 10:10; Ek 12:2-14; Le 23:15-19; No 29:39), ary tamin’ny fotoana hafa.

2) Antony: Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra; mba hiangavy azy na hitalaho aminy amin’ny fotoam-pahoriana. (Le 19:5; Mpts 20:26; 21:4; 1Sa 13:9; 2Sa 24:25)

3) Biby natao fanatitra sy fomba nanaovana izany: Omby lahy na vavy sy ondry ary osy (fa tsy vorona, satria tsy ampy hiaraha-mihinana). (Le 3:1, 6, 12) Nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay biby ilay olona, novonoina ilay izy, nafafin’ny mpisorona teo amin’ireo lafin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ny rany (Le 3:2, 8, 13), natao teo ambonin’ilay alitara ny taviny (anisan’izany ny rambo matavin’ilay ondry) (Le 3:3-5, 9), nomena an’ireo mpisorona ny tratrany, ary ho an’ilay mpisorona nanao ny sorona ny feny ankavanana (Ek 29:26, 28; Le 7:28-36).

4) Sokajiny: Fisaorana na fiderana, voady (jereo No 6:13, 14, 17), ary fanatitra an-tsitrapo.

Fanatitra noho ny ota. Izay nanota tsy nahy noho ny fahalemen’ny nofo tsy lavorary no nanao an’ilay fanatitra, fa tsy izay ninia nanota. (No 15:30, 31) Azo natolotra na ombilahy na voromailala na biby hafa, arakaraka ny toerana notanan’ilay nanota sy izay takatry ny volany. ‘Nandika ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah’ izay nanao ny fahotana resahin’ny Levitikosy toko faha-4, ka meloka. (Le 4:2, 13, 22, 27) Resahin’ilay hoe ANDRO FANDRAKOFAM-PAHOTANA ireo fanatitra noho ny ota natolotra tamin’ny andro fandrakofam-pahotana.

Fotoana nanaovana azy io, sy ny nampiavaka azy:

1) Rehefa nanota ny mpisoronabe ka nahameloka ny vahoaka (Le 4:3): Nitondra ombilahy izy ka nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay omby, novonoina ilay izy, nentina tao amin’ny Toerana Masina ny rany ka nafafy teo anoloan’ny ridao, nisy ra nahosotra teo amin’ny tandroky ny alitaran’ny emboka manitra ary ny ambiny nararaka teo am-pototry ny alitaran’ny fanatitra dorana, nodorana teo ambonin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ny taviny (toy ny amin’ny fanatitra iombonana) (Le 4:4-10), ary nodorana tany ivelan’ny tanàna teo amin’ny toerana madio fanariana lavenona ilay omby manontolo (sy ny hodiny). (Le 4:11, 12)

2) Rehefa nanota ny vahoaka manontolo (mety ho tatỳ aoriana vao fantatry ny mpiadidy) (Le 4:13): Nitondra ombilahy izy ireo, nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay omby ny anti-panahy, novonoina ilay izy, ary nitovy tamin’ny fanatitra noho ny ota natolotry ny mpisoronabe ihany no natao. (Le 4:14-21)

Lasa meloka ny vahoaka manontolo raha teo am-perinasa ny mpisoronabe no nanota. Solontenan’ilay firenena teo anatrehan’i Jehovah mantsy izy. Mety ho diso, ohatra, ny didim-pitsarana navoakany na ny fampiharany ny Lalàna na ny fanapahan-keviny momba ny raharaham-pirenena. Ombilahy àry no notakina rehefa nanota izy na ny vahoaka manontolo, satria izany no sorona lafo vidy indrindra.​—Le 4:3, 13-15.

Raha olona iray no nanota, dia teo amin’ny alitara ihany no nafafy ny ran’ilay fanatitra. Raha mpisoronabe na ny vahoaka manontolo kosa no nanota, dia nafafy teo anoloan’ny ridao tao amin’ny Masina (efitra voalohany tao amin’ny toerana masina) ny ra, tao ambadiky ny Masina Indrindra, izay ‘nitoeran’i’ Jehovah tao anatin’ilay hazavana mahagaga teo ambonin’ny Vata misy ny fifanekena. (Tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana ihany vao nentina tao amin’io efitra faharoa io ny ran’ny fanatitra noho ny ota; Le 16.) Tsy azon’ny mpisorona nohanina ny ampahany tamin’ny fanatitra nakana ra hoentina tao amin’ny Masina.​—Le 6:30.

3) Rehefa nanota ny mpiadidy: Mitovy amin’ny teo aloha ihany no natao, fa osilahy kosa no natolotra. Tsy nentina tao amin’ny Masina ny rany, fa nahosotra teo amin’ny tandroky ny alitaran’ny fanatitra dorana, ary nararaka teo am-pototr’ilay alitara ny ambiny. Nodorana teo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny taviny (Le 4:22-26), nahazo anjara tamin’ilay fanatitra ireo mpisorona toy ny tamin’ny fanatitra noho ny ota hafa (Le 6:24-26, 29), tsy maintsy nokikisana ilay vilany nandrahoana an’ilay hena (na nopotipotehina raha vilany tany), mba tsy hisy “zavatra masina indrindra” hozimbazimbaina. Mety ho nisy hena niraikitra mantsy tamin’ilay vilany, nefa tsy nandrahoana fanatitra ilay izy tatỳ aoriana. (Le 6:27, 28)

4) Rehefa nanota ny Israelita iray: Nanolotra osivavy kely na ondrivavy kely izy, ary nitovy tamin’ny fanatitra noho ny ota natolotry ny mpiadidy ihany no natao. (Le 4:27-35)

‘Tsy nanaraka ireo didy rehetra nolazain’Andriamanitra’ kosa ny olona nanota resahina manaraka eto. Diso àry izy satria tsy nanao izay tokony hataony.​—No 15:22.

5) Rehefa nanota ny vahoaka manontolo, dia zanak’osy no natolotra (No 15:22-26), fa raha olona iray kosa, dia osivavy tsy mihoatra ny herintaona. (No 15:27-29)

Toy ny hoe ‘nitondra ny fahadisoan’ireo’ nanolotra an’ilay fanatitra noho ny ota ny mpisorona nihinana tamin’ilay fanatitra, mba ‘handrakofana ny fahotan’ireo teo anatrehan’i Jehovah’, satria masina ilay fanompoana nataony.​—Le 10:16-18; 9:3, 15.

Fanatitra noho ny heloka. Fanatitra noho ny ota koa izy io, ary natolotr’izay meloka ho nanota. Misy tsy itovizany amin’ny fanatitra noho ny ota hafa anefa. Mety ho nanitsakitsaka ny zon’i Jehovah na ny zon’ilay fireneny masina mantsy ilay olona. Nila nanonitra an’izay tsy nety nataony àry izy ka nanolotra fanatitra noho ny heloka, mba hahazoany indray ny zony sasany ka tsy hosazina noho ny fahotany izy na mba hanajana indray ny zon’i Jehovah.​—Ampit. Is 53:10.

Nanota tsy nahy ilay olona resahin’ny Levitikosy 5:1-6, 17-19, na nanao teny tsy voahevitra, na tsy nitandrina tsara. Te hanarina ny tsy nety nataony izy rehefa nolazaina taminy ilay izy. Ilay olona resahin’ny Levitikosy 6:1-7 kosa tsy hoe tsy nahalala izay nataony na tsy nitandrina, fa ny fahalemeny sy ny faniriany no nahatonga azy hanota. Tsy ninia nanota na nirehareha na nikomy tamin’Andriamanitra anefa izy. Lasa nenjehin’ny eritreriny izy, ka nibebaka an-tsitrapo, niaiky heloka, ary nanonitra an’izay tsy nety nataony. Namindrana fo àry izy ary navela ny helony.​—Mt 5:23, 24.

Asongadin’ireo lalàna ireo fa hentitra ny sazy nampiharin’ny Lalàna tamin’izay ninia nanota sy tsy nibebaka. Mety ho namindrana fo ihany anefa ny olona iray rehefa fantatra ny antony nanotany sy ny zava-nitranga ary ny toe-tsainy. Toy izany koa eo anivon’ny fiangonana kristianina. (Ampit. Le 6:1-7; Ek 21:29-31; No 35:22-25; 2Ko 2:5-11; 7:8-12; 1Ti 1:2-16.) Tsy afa-maina anefa ilay nanota, fa tsy maintsy nanome onitra ho an’ilay nanaovany fahadisoana sy nanao fanatitra noho ny heloka ho an’i Jehovah. Mitovitovy ihany ny fomba nanolorana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka, ary nahazo anjara tamin’ilay izy ny mpisorona.​—Le 7:1, 5-7.

Fotoana nanaovana azy io, sy ny nampiavaka azy:

1) Rehefa nisy nandre olona nianiana ampahibemaso nefa tsy sahy nijoro ho vavolombelona na tsy nanao tatitra; naloto tsy nahy fa nikasika faty na olon-kafa naloto; maimaika nianiana hoe hanao na tsy hanao zavatra iray (Le 5:1-4): Tsy maintsy niaiky ny fahotany izy. (Le 5:5) Arakaraka izay takatry ny volany ny fanatitra noho ny heloka natolony. (Le 5:6-10) Raha fanatitra varimbazaha ilay izy, dia tsy nasiana menaka na ditin-kazo manitra satria fanatitra noho ny ota. Fanatitra notakina koa ilay izy, fa tsy an-tsitrapo. Ny fanatitra varimbazaha an-tsitrapo kosa natolotr’izay nankasitrahan’Andriamanitra, ka nomena tamim-pifaliana. (Le 5:11-13)

2) Rehefa nisy nanota tsy nahy tamin’ny zava-masin’i Jehovah (nalainy tsy nahy, ohatra, ny varimbazaha natokana ho an’ny toerana masina ka nohanin’izy mianakavy [nozimbazimbainy ny zava-masina]) (Le 5:15a; ampit. Le 22:14-16): Tsy maintsy nanonitra an’ilay zavatra izy ary nanampy ampahadiminy. Nomeny ho an’ny toerana masina izany. (Le 5:16) Ondrilahy no natolony ho fanatitra noho ny heloka. (Le 5:15)

3) Rehefa nisy nanao tsy nahy zavatra nandraran’i Jehovah (angamba noho ny tsy fitandremana): Tsy maintsy nanolotra ondrilahy ‘araka izay tombam-bidy notakina’ izy. (Le 5:17-19)

4) Rehefa namitaka ny olona iray ka naka ny zavatra napetraka tany aminy, na nangalatra, na nanambaka, na nitazona ny zavatra hitany ka nandainga momba izany (Le 6:2, 3; ampit. Ek 22:7-13; mariho fa tsy anisan’izany ny nijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namany resahin’ny De 5:20): Tsy maintsy nekeny aloha ny fahadisoany, vao nonerany manontolo ilay zavatra ary nampiany ampahadiminy ka nomeny an’ilay nofitahiny. (Le 6:4, 5; No 5:6, 7) Raha maty ilay nofitahiny, dia ny lehilahy havan’izy io akaiky indrindra no nomena an’ilay onitra. Raha tsy nisy havany akaiky, dia ny mpisorona no nomena an’ilay izy. (No 5:8) Nanolotra ondrilahy koa izy ho fanatitra noho ny heloka.

Fanatitra varimbazaha. Nampiarahina tamin’ny fanatitra iombonana sy fanatitra dorana ary fanatitra noho ny ota izy io, na natolotra ho voaloham-bokatra. Nisy fotoana koa natolotra irery ny fanatitra varimbazaha. (Ek 29:40-42; Le 23:10-13, 15-18; No 15:8, 9, 22-24; 28:9, 10, 20, 26-28; toko 29) Te hisaotra an’Andriamanitra ilay olona noho ny fitahiany sy ny zava-tsoa maro be nomeny. Matetika no nampiarahina tamin’ny menaka sy ditin-kazo manitra ilay fanatitra, izay mety ho lafarinina tsara toto, voa natono, mofo boribory na mofo fisaka nandrahoana tao anaty lafaoro na lasitra na nendasina tao anaty vilany. Nisy nodorana teo ambonin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ilay izy, ary nisy nohanin’ny mpisorona. Nihinana koa ilay nanolotra, raha fanatitra iombonana ilay izy. (Le 6:14-23; 7:11-13; No 18:8-11) Tsy azo nasiana lalivay na “tantely” (toa ranom-boankazo marihitra vita tamin’ny aviavy na ranom-boankazo tsotra) ny fanatitra varimbazaha, satria mety hivadika ho toaka ireny.​—Le 2:1-16.

Fanatitra zava-pisotro. Nampiarahina tamin’ny ankamaroan’ny fanatitra hafa rehetra izy io, indrindra rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. (No 15:2, 5, 8-10) Divay (“zava-pisotro mahamamo”) ilay izy, ary nararaka teo ambony alitara. (No 28:7, 14; ampit. Ek 30:9; No 15:10.) Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Filipy: ‘Faly aho, na dia atao toy ny fanatitra zava-pisotro aza, ka araraka eo amin’ny sorona mifandray amin’ny fanompoana ho an’ny besinimaro.’ Nilaza izy fa toy ny fanatitra zava-pisotro ny tenany, noho izy vonona hahafoy tena ho an’ny rahalahiny kristianina. (Fi 2:17) Hoy koa izy tamin’i Timoty, taloha kelin’ny nahafatesany: “Efa araraka sahady toy ny fanatitra zava-pisotro aho, ary efa antomotra ny fotoana voatondro hanafahana ahy.”​—2Ti 4:6.

Fanatitra ahetsiketsika. Nitazona an’ilay fanatitra ilay olona, nataon’ny mpisorona tao ambanin’ny tanany ny tanany, ary nahetsiketsiny mandroso sy mihemotra ny tanan’ilay olona. Na ilay mpisorona ihany no nitazona sy nanetsiketsika an’ilay fanatitra. (Le 23:11a) Toa izany no nataon’i Mosesy tamin’izy nanokana an’i Arona sy ny zanany ho mpisorona. I Mosesy mantsy no mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna. (Le 8:28, 29) Naseho teo anatrehan’i Jehovah ilay sorona, matoa nahetsiketsika. Nisy fanatitra ahetsiketsika nomena ho anjaran’ny mpisorona.​—Ek 29:27.

Amboaran’ny voaloham-bokatry ny vary orza (na iray omera) no fanatitra ahetsiketsika natolotry ny mpisoronabe, tamin’ny 16 Nisana. Tamin’io daty io i Jesosy Kristy no natsangana tamin’ny maty, tamin’ny taona 33, ho “voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry.” (1Ko 15:20; Le 23:11b; Jn 20:1) Mofo roa nisy lalivay natao tamin’ny voaloham-bokatry ny varimbazaha kosa no fanatitra ahetsiketsika natolotra tamin’ny Pentekosta. (Le 23:15-17) Tamin’ny Pentekosta koa i Jesosy, ilay Mpisoronabe any an-danitra, no afaka nampiseho ny voalohany amin’ireo rahalahiny ara-panahy teo anatrehan’i Jehovah. Nofidina teo amin’ny olombelona tsy lavorary izy ireo, ary lasa voahosotra rehefa nilatsahan’ny fanahy masina.​—As 2:1-4, 32, 33; ampit Jk 1:18.

Anjara masina. Nadika hoe “anjara masina” (“fanatitra asandratra”, Prot.) indraindray ny teny hebreo hoe teromah, izay ilazana ny ampahany nalaina tamin’ny sorona ka nakarina na nasandratra ho anjaran’ny mpisorona. (Ek 29:27, 28; Le 7:14, 32; 10:14, 15) Matetika koa no nadika hoe “fanomezana” ilay teny hebreo, ary ilazana zavatra natolotra ho an’ny toerana masina ka nohanin’ny mpisorona, afa-tsy izay nodorana teo ambony alitara.​—No 18:8-13, 19, 24, 26-29; 31:29; De 12:6, 11.