Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanatrehana

Fanatrehana

Avy amin’ny teny grika hoe parosia, izay fitambaran’ny hoe para (akaiky) sy osia (eo; avy amin’ny hoe eimi, izay midika hoe “eo”). Midika ara-bakiteny hoe “eo akaiky” na “fanatrehana” àry ny hoe parosia. Miverina in-24 izy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, indrindra rehefa misy resaka momba ny fanatrehan’i Kristy Mpanjaka.​—Mt 24:3; jereo Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1877, 1878.

Samy hafa ny andikan’ny Baiboly maro ny hoe parosia. Adikany hoe “fanatrehana” izy io indraindray, fa matetika kosa hoe “fiaviana.” Izany no nahatonga an’ilay fitenenana hoe “fiaviana fanindroany” na “fiverenan’i” Kristy Jesosy (adventus [“fiverenana” na “fiaviana fanindroany”] no nandikan’ny Vulgate latinina ny hoe parosia ao amin’ny Mt 24:3). Marina fa tsy maintsy tonga i Jesosy vao afaka manatrika. Ilay fahatongavany indray anefa no misongadina fa tsy ny fanatrehany aorian’ny fahatongavany, raha adika hoe “fiaviana” ilay hoe parosia. Samy mety handikana ny parosia ny hoe “fahatongavana” na “fanatrehana.” Miaiky anefa ny ankamaroan’ny mpanao diksionera fa fanatrehana no tena heviny.

Hoy ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (1981, Boky 1, p. 208, 209): “PAROSIA ... ilazana ny fahatongavana sy ny fanatrehana aorian’ilay fahatongavana. Nanoratra [tamin’ny teny grika] teo amin’ny taratasy papyrus, ohatra, ny andriambavy iray fa nilaina ny parosia-ny tany amin’ny toerana iray, mba hikarakarany ny fananany. ... Tsy midika fotsiny io teny io hoe ho avy vetivety haka an’ireo olo-masiny i Kristy rehefa miverina ka hotsenain’ny Eglizy eny amin’ny rahona. Ilazana ny fanatrehany koa izy io, manomboka amin’izy tonga ka mandra-pisehony amin’izao tontolo izao.” Milaza ny Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott (nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 1343) fa mampiasa ny teny hoe parosia koa ny literatiora grika indraindray, mba hilazana ny “fitsidihan’ny mpanjaka na manam-pahefana iray.”

Marina fa manampy antsika hahazo ny hevitr’io teny grika io ny literatiora grika. Ny fandinihana ny fampiasana azy io ao amin’ny Baiboly anefa no tena manampy. Nilaza, ohatra, i Paoly fa ‘tsy tamin’izy teo [parosiai] amin’izy ireo ihany’ ny Kristianina tany Filipy no nankatò, ‘fa vao mainka aza amin’izy tsy eo [aposiai] aminy izao.’ (Fi 2:12) Nanoratra koa izy fa nisy nilaza momba azy hoe: “Mavesa-danja sady mahery ny taratasiny, fa rehefa manatrika [parosia] eo kosa izy dia malemy, ary tsy misy vidiny ny teniny.” Hoy izy avy eo: “Aoka izany olona izany hihevitra an’izao: Tahaka ny maha izy anay araka ny voalazanay an-taratasy rehefa tsy eo [apôntes] izahay, dia ho tahaka izany koa ny ataonay rehefa manatrika [parôntes] eo izahay.” (2Ko 10:10, 11; ampit. Fi 1:24-27.) Ny hoe manatrika sy ny hoe tsy eo àry no nampifanoheriny, fa tsy ny hoe tonga (na avy) sy ny hoe lasa.

Hoy ny Baiboly Manamafy Hevitra nataon’i J. Rotherham, ao amin’ny fanazavana fanampiny (p. 271): “Nadika foana hoe ‘fanatrehana’ (fa tsy nadika mihitsy hoe ‘fiaviana’) ny teny hoe parousia ato. ... Miharihary fa ny hoe ‘tsy eo’ no mifanohitra amin’ny hoe ‘manatrika’ ... ka nipoitra ho azy ny fanontaniana hoe: Maninona moa raha adika hoe ‘fanatrehana’ foana izy io?”

Ny hoe parosia akory tsy midika hoe ho avy vetivety fotsiny i Jesosy dia avy eo ho lasa haingana. Manatrika elaela kosa izy, araka ny Matio 24:37-39 sy ny Lioka 17:26-30. Ampitahaina amin’ny “andron’i Noa” mantsy ao ny “fanatrehan’ny Zanak’olona” (na “andron’ny Zanak’olona” araka ny fitantaran’i Lioka). Ny Safodrano no namarana ny tontolo ratsy tamin’ny andron’i Noa. Hiafara amin’ny fandringanana an’ireo tsy miraharaha an’ilay hafatra mamonjy aina torina aminy koa, ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ na ny ‘androny.’ Tsy izay ihany anefa no nolazain’i Jesosy fa itovizan’ireo vanim-potoana ireo. Naharitra taona maromaro “ny andron’i Noa.” Azo inoana àry fa haharitra taona maromaro koa ny “fanatrehan’ny [na “andron’ny”] Zanak’olona.”

Tsy hita maso ny “parosia” na fanatrehan’i Kristy. Mety ho hita maso ny parosia na ny fanatrehana. Misy andininy enina, ohatra, milaza fa hita nanatrika teo mihitsy i Stefanasy, Fortonato, Akaiko, Titosy, ary Paoly. (1Ko 16:17; 2Ko 7:6, 7; 10:10; Fi 1:26; 2:12) Mety ho tsy hita maso koa anefa ny parosia. Nampiasa an’ilay matoanteny hoe pareimi mitovitovy amin’ny hoe parosia, ohatra, i Paoly rehefa nilaza hoe “ny saiko any aminareo ihany” na dia tsy tany amin’izy ireo aza izy. (1Ko 5:3) Nampiasa ny hoe parosia koa i Josèphe, Jiosy mpahay tantara nanoratra tamin’ny teny grika, rehefa niresaka momba ny fanatrehan’Andriamanitra teo an-tendrombohitra Sinay. Tsy hita maso anefa Andriamanitra, fa ny kotroka sy tselatra no nahalalana hoe teo izy.​—Rakitry ny Ela Jiosy, III, 80 (v, 2).

Mety ho tsy hita maso tokoa ny fanatrehana. Hoy mantsy i Jehovah Andriamanitra tamin’i Mosesy momba ilay Vata misy ny fifanekena tao amin’ny Masina Indrindra, tao amin’ny tranolay masina: “Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin’ny saron’ilay Vata aho.” (Ek 25:22) Tsy hita nanatrika teo anefa Andriamanitra, satria milaza ny Baiboly fa “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”, na i Mosesy na ilay mpisoronabe niditra tao amin’ny Masina Indrindra. (Jn 1:18; Ek 33:20) Feno “ny voninahitr’i Jehovah” ny tempoly tao Jerosalema, rehefa nitokana azy io i Solomona Mpanjaka. Nilaza izy fa ‘nonina’ tao amin’ilay tempoly i Jehovah. Hoy koa anefa izy: “Andriamanitra anefa ve dia honina etỳ an-tany tokoa? Ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza tsy omby anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!” Hijery foana an’ilay trano anefa Andriamanitra ary hihaino ny vavaka atao ao, na dia ‘any an-danitra fonenany’ aza izy.​—1Mp 8:10-13, 27-30; ampit. As 7:45-50.

Hita amin’ireo fitantarana ireo fa vitan’Andriamanitra ny ‘manatrika’ amin’ny fomba tsy hita maso etỳ an-tany, na dia any an-danitra ihany aza izy. Anjely indraindray no nirahiny hisolo tena azy. Nilaza, ohatra, ilay anjely niresaka tamin’i Mosesy teo amin’ilay voaroy nirehitra hoe: “Izaho no Andriamanitry ny razanao.” (Ek 3:2-8; ampit. Ek 23:20; 32:34.) Nilaza tamin’i Mosesy koa i Jehovah fa “hankeo” aminy eo an-tendrombohitra Sinay ary “hidina” eo. (Ek 19:9, 11, 18, 20) Manazava anefa ny boky nosoratan’ny apostoly fa anjely, raha ny marina, no nirahin’Andriamanitra hisolo tena azy mba hanao ilay fifanekena tamin’i Mosesy.​—Ga 3:19; He 2:2; jereo TAREHY, TAVA.

Nomena “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” i Jesosy Kristy Zanak’i Jehovah rehefa natsangana tamin’ny maty, ary “mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy azy.” Tsy mahagaga àry raha afaka manatrika amin’ny fomba tsy hita maso koa izy. (Mt 28:18; He 1:2, 3) Na tamin’izy tetỳ an-tany aza, dia afaka nanasitrana avy lavitra toy ny hoe nanatrika teo ihany.​—Mt 8:5-13; Jn 4:46-53.

Nasain’i Jehovah Andriamanitra nanaiky an’ilay Zanany nomem-boninahitra ny anjely. (1Pe 3:22) Resahin’ny andininy maro momba ny fanatrehan’i Jesosy fa misy anjely “miaraka” aminy na ‘hirahiny.’ (Mt 13:37-41, 47-49; 16:27; 24:31; Mr 8:38; 2Te 1:7) Tsy midika anefa izany hoe ny anjeliny fotsiny no hirahiny ho etỳ an-tany, rehefa manatrika amin-kery sy voninahitra ao amin’ny Fanjakany izy. Efa naniraka anjely ho any amin’ny apostoly sy ny olon-kafa mantsy izy tamin’ny taonjato voalohany. (As 5:19; 8:26; 10:3, 7, 22; 12:7-11, 23; 27:23) Araka ny fanoharana nataon’i Jesosy sy ny andininy hafa, dia azo oharina amin’ny tompo miverina ao an-tranony, sy amin’ny lehilahy nahazo fahefana hanjaka izay miverina ao amin’ny fanjakany, i Jesosy rehefa manatrika. Hijery akaiky an’izay ataon’ny mpanompony izy sady hitsara azy ireo. Hampihatra ny didim-pitsarany izy avy eo, ary hanome valisoa an’ireo mahazo sitraka aminy. (Mt 24:43-51; 25:14-45; Lk 19:11-27; ampit. Mt 19:28, 29.) Ho fantatra eran-tany fa manatrika i Jesosy satria hanjaka amin’ny tany manontolo izy. (Ampit. Mt 24:23-27, 30.) Hifantoka amin’ny mponina eran-tany izy mandritra ny fanatrehany, araka ny tenin’i Paoly (1Ko 15:24-28) sy ireo andininy momba ny fanjakan’i Kristy ao amin’ny Apokalypsy (5:8-10; 7:17; 19:11-16; 20:1-6; 21:1-4, 9, 10, 22-27). Hampiasa ny heriny manontolo ilay mpanjaka, mba hanatanterahana ny sitrapon-dRainy momba ny tany sy ny mponina eo aminy.​—Ampit. Mt 6:9, 10.

Misy mihevitra fa hita maso ny fanatrehan’i Jesosy, satria misy andininy milaza fa “ho avy amin-kery lehibe sy voninahitra, ao amin’ny rahona” (Mr 13:26; Ap 1:7) izy. Araka ilay lahatsoratra hoe RAHONA (Heviny an’ohatra) anefa, dia tsy hita maso Andriamanitra rehefa lazaina hoe miseho ao anaty rahona. Mety hanana heviny an’ohatra koa ny hoe “mahita”, rehefa ny mason’ny saina na ny mason’ny fo no ampiasaina. (Is 44:18; Je 5:21; Ezk 12:2, 3; Mt 13:13-16; Ef 1:17, 18) Izay mandà an’izany dia mandà koa fa mety hanana heviny an’ohatra ny hoe jamba, izay mifanohitra amin’ny hoe mahita. Niresaka momba an’ireo mahita sy jamba an’ohatra anefa i Jesosy. (Jn 9:39-41; Ap 3:14-18; ampit. 2Ko 4:4; 2Pe 1:9.) Rehefa avy niresahan’i Jehovah “avy tao anatin’ny tafio-drivotra” (azo inoana fa nisy rahona koa) i Joba, dia hoy izy: “Honohono fotsiny no nandrenesako ny momba anao, fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.” (Jb 38:1; 42:5) Azo antoka fa tsy ny maso ara-bakiteny no resahina eo, fa ny mason’ny saina sy ny fo, satria milaza mazava ny Baiboly fa “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.”​—Jn 1:18; 5:37; 6:46; 1Jn 4:12.

Misy porofo hafa koa mampiseho fa tsy mitombina ilay hoe hita maso ny fanatrehan’i Jesosy (izany hoe hitafy nofo izy ka ho hitan’ny olona). Nilaza mantsy i Jesosy fa homeny ho fiainan’izao tontolo izao ny nofony rehefa maty izy. (Jn 6:51) Nanambara koa ny apostoly Paoly fa “mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina” i Jesosy natsangana tamin’ny maty, ka “tsy misy olona mahita azy na mahajery azy.” (1Ti 6:14-16) Nilaza tamin’ny mpianany àry i Jesosy hoe: “Kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao.” Hahita azy kosa ny mpianany, satria niseho tamin’izy ireo izy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Mbola hatsangany amin’ny maty koa izy ireo amin’ny fotoana voatondro mba hiaraka aminy any an-danitra, ka ‘hahita ny voninahitra izay nomen’ny Ray azy.’ (Jn 14:19; 17:24) Izao tontolo izao anefa tsy hahita an’i Jesosy satria fanahy izy rehefa natsangana (1Pe 3:18), ary ny mpianany ihany no nisehoany. Izy ireo irery koa, fa tsy izao tontolo izao, no nahita ny niakarany tany an-danitra. Nanome toky an’ireo mpianatra ny anjely nanatrika teo fa ho avy “amin’iny fomba iny ihany” (gr.: trôpôs fa tsy môrfe, “vatana”) i Jesosy. Ny mpianany tsy mivadika ihany àry no hahalala fa miverina izy, fa tsy ny olon-drehetra.​—As 1:1-11.

Manana toe-po ratsy sady diso hevitra momba ny fanatrehan’i Kristy ny olona sasany. Hisy haneso toy izao “amin’ny andro farany”: “Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.”​—2Pe 3:2-4, ampit. 1:16.

Rehefa “haharihary” (gr.: apôkalypsis) i Jesosy Kristy “miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika”, vao ho takatry ny olona fa efa manatrika izy. (2Te 1:7-9) Ireo mpianany tsy mivadika kosa anefa efa nahalala. Nilaza mantsy izy fa “tsy niraharaha” ny olona tamin’ny andron’i Noa, mandra-pahatongan’ny safodrano izay nandringana azy ireo. Hoy izy avy eo: “Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”​—Mt 24:37-39.

Izay hitranga mandritra ny fanatrehany. Nampanantena i Jesosy fa ho eo afovoan’ny mpianany izy rehefa mivory izy ireo. (Mt 18:20) Nanome toky koa izy fa ‘homba azy ireo’ amin’ilay asa fanaovana mpianatra, “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mt 28:19, 20) Tsy izay fotsiny anefa ny hevitr’ilay parosia resahin’ny Matio 24:3 sy ny andinin-teny mifandray aminy. Ny mponina eran-tany mihitsy koa no voakasik’izy io, ary mandritra io fotoana io i Jesosy Mpanjaka no mampihatra ny fahefany amin’ny fomba feno.

Ireto no zavatra sasany hitranga mandritra ny fanatrehan’i Jesosy Mpanjaka: Hatsangana ho any an-danitra ireo mpianany efa maty hiara-mandova aminy an’ilay Fanjakana (1Ko 15:23; Ro 8:17); hangonina ho any aminy ireo mpianany velona mandritra ny fanatrehany (Mt 24:31; 2Te 2:1); ‘hofoanany amin’ny alalan’ny fisehoan’ny [epifaneiai] fanatrehany ilay lehilahy mpandika lalàna’ sady mpivadi-pinoana (2Te 2:3-8; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA); haringana izay rehetra tsy miraharaha an’ilay hafatra mamonjy aina (Mt 24:37-39); ary hanomboka ny Fanjakana Arivo Taona (Ap 20:1-6). Resahin’ilay lahatsoratra FIOVAN-TAREHY hoe nampahafantatra tamin’ny hafa “ny hery sy ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika”, ireo nahita mialoha ny voninahitr’i Kristy ao amin’ny Fanjakany.​—2Pe 1:16-18.

Toe-piainana mandritra ny fanatrehany. Mampiasa sary an’ohatra maromaro ny Apokalypsy rehefa miresaka momba ny fanatrehan’i Kristy sy ny fisehoany. Ilay manao satroboninahitra sy mitaingina soavaly fotsy resahin’ny Apokalypsy 6:1, 2 ihany, ohatra, ilay mpitaingin-tsoavaly resahin’ny Apokalypsy 19:11-16. Tsy iza izy io fa i Kristy Jesosy, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.” Tsy tonga dia hanafoana ny faharatsiana eto an-tany i Kristy rehefa lasa mpanjaka ka hivoaka handresy. (Ap 6) Mbola hisy ady “hanaisotra ny fandriampahalemana amin’ny tany” mantsy amin’ny fotoana anjakany, ary hisy mosary sy aretina mahafaty. (Ap 6:3-8) Mitovy amin’izany koa ny voalazan’ny faminanian’i Kristy ao amin’ny Matio 24 sy Marka 13 ary Lioka 21. Faminaniana tanteraka talohan’ny nandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny (tamin’ny taona 70) ireo. Ho tanteraka mandritra ny fanatrehan’i Kristy koa anefa ireo. Anisan’ny “famantarana” izany fa efa manatrika sy manjaka any an-danitra ny Mesia.​—Mt 24:3, 32, 33; Lk 21:29-31.

Misy andininy hafa koa miresaka momba ny fanatrehan’i Kristy. Mampirisika ny Kristianina tsy hivadika sy hiaritra izy ireny, mandra-pahatongan’ilay fanatrehana sy mandritra an’io fotoana io.​—1Te 2:19; 3:12, 13; 5:23; Jk 5:7, 8; 1Jn 2:28.

Ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah. Nampirisika ny mpiray finoana taminy i Petera mba hampiseho amin’ny fomba fiainany fa “miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah” izy ireo. (2Pe 3:11, 12) Tokony hataon’izy ireo an-tsaina foana ny andro fitsaran’i Jehovah, satria efa tena akaiky izy io. Toy ny hoe holevonina amin’ny afo ny “lanitra” na ireo fitondram-panjakana eto amin’ity tontolo ratsy ity amin’io “andron’i Jehovah” io, ary hiempo noho ny hafanam-be ny “singan-javatra” eo amin’izy ireo. Hifarana hatreo ny tontolon’i Satana!

Misy ifandraisany io ‘fanatrehan’i’ Jehovah io sy ny ‘fanatrehan’i’ Kristy Jesosy, satria i Kristy Mpanjaka no ampiasain’i Jehovah Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony. (Jn 3:35; ampit. 1Ko 15:23, 24.) Ireo maneso àry ka milaza fa tsy manatrika i Jehovah dia toy ny milaza koa fa tsy manatrika i Jesosy. Tsy misy hafa amin’ny fihetsiky ny olona talohan’ny Safodrano ny fihetsik’izy ireo.​—2Pe 3:5-7; ampit. Mt 24:37-39.

Ny fanatrehan’ilay tsy tan-dalàna. Nilaza i Paoly fa “ny fanatrehan’ilay tsy tan-dalàna dia araka ny asan’i Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary amin’ny famitahana tsy marina rehetra.” (2Te 2:9-12) Hita avy amin’izany fa tsy ilay fotoana fohy ahatongavana fotsiny ny hoe parosia. Ilana fotoana lavalava mantsy ny fanaovana an’ireo fahagagana sy famantarana sy fambara ary famitahana ireo.