Fanaviana
Fiakaran’ny mari-panan’ny vatana. Mety ho famantarana aretina izy io. Mety hahatonga ny olona hihena sy ho very rano sy sira mineraly sady harary andoha sy tsy hahazoazo aina ny fanaviana be. Matetika anefa izy io no marika fa miady amin’ny mikraoba ny vatana. Fanaviana be no tena mampiavaka ny tazovony (ngorongosy), sy ny dengy, ary ny areti-mifindra mampahateramena ny hoditra (scarlatine).
Any Israely sy ny firenena manodidina azy, dia anisan’ny tena mahatonga fanaviana ny tazomoka. Eo koa ny fivalanan-dra, izay voaresaka ao amin’ny Baiboly, (As 28:8) ka ny tsinaibe no tena voa mafy ary indraindray mamoaka ra sy ranoka maditidity. Nadika hoe “fanaviana mahery” ny teny hebreo hoe kaddahat ao amin’ny Levitikosy 26:16. Midika hoe ‘manavy’ (a.b.t.: mahamay noho ny fanaviana) kosa ny matoanteny grika hoe pyressô ao amin’ny Matio 8:14.
Mba hanampiana ny Israelita hifandray tsara foana amin’Andriamanitra sy ho tafasaraka foana tamin’ireo firenena mpanompo sampy, no tena antony nanomezana ny Lalàna. Rehefa dinihina tsara anefa ireo fitsipika momba ny sakafo sy ny fahadiovana tao amin’izy io, dia hita fa nitondra soa fanampiny ny Lalàna. Nanampy ny Israelita mantsy izy ireny ka nisoroka aretina sy nisakana izany tsy hiely teo anivon’ilay firenena, anisan’izany ny aretina sasany mampahanavy.
1) Tsy nihinan-kena firy ny Hebreo. Afaka namono biby fiompy anefa ireo fianakaviana te hihinan-kena. Nentin’izy ireo tany amin’ny toerana masina ilay biby hovonoina (raha tsy hoe nonina lavitra be izy ireo, taorian’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina). (Le 17:3-5; De 12:20-27) Nakan’ny mpisorona ilay hena mba hatolotra teo amin’ny alitara. Naka ny anjarany koa izy, ary avy eo afaka nihinana tamin’ilay hena ilay fianakaviana. Tokony hohanina ny androtr’iny ihany ny sorona iombonana sasany. Ny hafa kosa mbola azo nohanina ny ampitson’iny, saingy tokony hodorana izay tsy lany taorian’izay. Tany mafana mantsy i Palestina ary mbola tsy nisy fomba fampangatsiahana sakafo hitehirizana azy. Niaro an’ireo Israelita tsy harary sy tsy hanavy àry ireo fitsipika ireo. Mety harary mantsy izy ireo raha nihinana hena tsy voatahiry ara-dalàna, satria mety hitombo haingana be ny bakteria toy ny Staphylococcus aureus sy salmônela ka hahatonga an’ilay hena hankarary. 2) Voarara ny nihinana kisoa, bitrodia, vorona na biby hafa mpihinana faty, biby mpikiky, ary biby anaty rano sy trondro sasany. Voaporofo fa mety hahatonga aretina samihafa mampahanavy ny henan’ireny. (Le 11:1-31) 3) Nisy fitsipika natao hiarovana an’ireo fitaovana fandrahoan-tsakafo sy ny tahirin-drano fisotro mba hadio foana. Ahazoana tefoedra sy aretina mampahanavy hafa mantsy ireo raha maloto. (Le 11:32-38) 4) Tsy maintsy nisasa madio izay olona nikasika biby maty ho azy na nihinana tamin’ny henany. Izany dia nisoroka ny fielezan’ny mikraoba fantatra fa mahatonga aretina mampahanavy. (Le 11:39, 40) 5) Milaza ny lalàna fa tokony hototofan’ny tsirairay ny dikiny, ary tokony hararaka amin’ny tany sy hototofana koa ny ra. Misoroka aretina mampahanavy (hepatita, ohatra) izany. (Le 17:13; De 23:12, 13) 6) Tsy nisy mihitsy ny aretina azo avy amin’ny firaisana, raha narahina ireo lalàna momba ny fitondran-tena. Mety hamely ny taova rehetra ao amin’ny vatana ireny aretina ireny ary matetika mampahanavy. (Le 18:20, 22, 23) 7) Nasain’ny lalàna natokan-toerana ireo voan’ny areti-mifindra mba tsy hielezan’izany.—Le 13; No 19:11, 12, 16; 31:19.
Nampitandrina an’ireo Israelita i Jehovah fa raha tsy mankatò ny didiny izy ireo, dia ho reraky ny hanoanana, ary ho mora voan’ny aretina maro mampahanavy. Ho voan’ny tioberkilaozy sy ny fanaviana mahery koa izy ireo, ary hasian’i Jehovah amin’ny hoditra mitera-mena sy ny hafanana mivaivay. Hasiany vay sy aretin-koditra mibontsimbontsina (izay matetika no miteraka fanaviana) koa izy ireo, ary hataony lasa jamba. (Le 26:14-16; De 28:22, 27) Tanteraka daholo izany rehefa nikomy imbetsaka tamin’i Jehovah ny Israelita sady nandika ny lalàny.—Ezk 4:16, 17; 33:10.
Nanasitrana olona maro voan’ny fanaviana i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany, anisan’ireny ny rafozambavin’i Simona Petera. (Mt 8:14, 15; Mr 1:29-31) Nilaza i Lioka hoe “nanavy be” izy io. Dokotera i Lioka ka izany angamba no nahatonga azy hanome an’izany tsipiriany izany. (Lk 4:38) Nanavy efa ho faty koa indray andro, ny zanaky ny tandapan’i Heroda Antipasy Mpanjaka, tany Kapernaomy. Tany Kana i Jesosy tamin’izay, nefa vitany ny nanasitrana azy io na dia nisy 26 km teo ho eo aza nanasaraka azy ireo.—Jn 4:46-54.
Nomen’Andriamanitra fahefana hanasitrana ny Kristianina sasany teo anivon’ny fiangonana voalohany. Anisan’ireo fahaizana mahagaga nomena tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany. (1Ko 12:7-9, 11, 30) Nampiasain’ny apostoly Paoly izany fahefana nomena azy izany mba hanasitranana ny rain’i Poplio, izay nanavy sy nivalan-dra (lehiben’ny nosy Malta io Poplio io sady nanan-tany tao). Nandre izany ireo nanana aretina hafa tao amin’ilay nosy, ka tonga teo amin’i Paoly koa, ary nositraniny.—As 28:7-9.