Fandeferana
Toetran’olona malemy fanahy, tsy manambony tena na mieboebo, ka miaritra mandritra ny fotoana lava nefa tsy sosotra na tezitra na te hamaly faty. Misy ifandraisany amin’ny fanetren-tena sy ny fahalemem-panahy izy io, sady matetika no tononina miaraka amin’ireo toetra ireo. (Jereo FAHALEMEM-PANAHY; FANETREN-TENA.) Ny teny hebreo nadika hoe “be fandeferana” (ʽanav) dia avy amin’ny fototeny hoe ʽanah midika hoe “mampahory, mahatonga olona hanetry tena, mampietry.”
Ao amin’ny Baiboly, ny fandeferana dia toe-tsaina tokony hananana manoloana an’Andriamanitra, ary avy eo rehefa mifandray amin’olona. Voalaza, ohatra, fa “hampitombo ny fifaliany amin’i Jehovah ny mpandefitra.” (Is 29:19) Manaiky ampianarina ny mpandefitra, ary ‘hampianarin’i Jehovah’ azy ireo ny lalany. (Sl 25:9) Vonona hanaiky ny famaizan’Andriamanitra koa izy ireo, na dia mampahory aza izany amin’ilay fotoana hanafaizana. (He 12:4-11) Tsy misafoaka ny mpandefitra rehefa iharan’ny tsy rariny na misy fahadisoana atao aminy, fa vonona hiandry an’i Jehovah hanitsy izany kosa izy. (Sl 37:8-11) Tsy ho diso fanantenana izy, satria tena hananatra araka ny hitsiny “ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany” tokoa ilay voatendrin’i Jehovah, ilay “rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese.”—Isa 11:1-4.
Mosesy. “Tamin’ny olona teto ambonin’ny tany, dia i Mosesy no lehilahy be fandeferana indrindra”, izany hoe tsy mba tezitra izy rehefa nisy nanakiana. (No 12:3) Oviana no nosoratana ireo teny ireo? Tamin’i Miriama sy Arona nimenomenona tamin’i Mosesy. I Jehovah, raha ny marina, no nimenomenonan’izy ireo nefa tsy marim-pototra akory ilay fimenomenonana. Ren’i Jehovah avy hatrany ilay izy, ka tsy nankasitrahany.—No 12:1-15.
Misy manam-pahaizana milaza fa te hoderaina i Mosesy matoa nilaza ny tenany hoe be fandeferana. Misy koa manazava fa teny nampian’olon-kafa tatỳ aoriana ireo teny ireo. Mbola misy koa milaza fa ireo teny ireo no porofo hoe tsy i Mosesy no nanoratra an’ireo Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly. Hoy anefa ny Fanazavana Hevi-teny, nataon’i Cook: ‘Rehefa eritreretintsika hoe tsy araka ny nahim-pon’i Mosesy no nitenenany an’ireo teny ireo, fa noho ny fiasan’ny Fanahy Masina teo aminy (jereo 11:17), dia hita hoe milaza ny tena zava-misy ireo teny ireo, ary izany no porofo mivantana fa marina sy avy amin’ny fanahy masina izy ireo. Hita amin’ireo teny ireo sy ireo andinin-teny nitantaran’i Mosesy momba ny fahadisoany (jereo 20:12 sy ny tohiny; Eks. 4:24 sy ny tohiny; Deot. 1:37), fa niresaka tamim-pahatsorana momba ny tenany ilay nilaza an’ireo teny ireo, fa tsy nidera tena (jereo Md. Mat. 11:28, 29). Nosoratana ireo teny ireo mba hanazavana hoe nahoana i Mosesy no tsy niaro tena ary nahoana ny Tompo no niditra an-tsehatra avy hatrany.’
Jesosy Kristy. Nandefitra i Jesosy satria niaritra an’izao karazana fampijaliana rehetra izao, nefa tsy nitaraina na kely akory aza. Nanaiky hoentina hovonoina toy ny zanak’ondry mihitsy aza izy, ary tsy niloa-bava mba hanohitra. (Fi 2:5-8; He 12:2; As 8:32-35; Is 53:7) Lehibe noho i Mosesy izy, ary nilaza koa hoe mandefitra na malemy fanahy ny tenany. (Mt 11:28, 29) Nilaza ny Isaia 61:1 fa voahosotry ny fanahin’i Jehovah izy mba “hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra.” Namaky an’io faminaniana io izy tao amin’ny synagogan’i Nazareta, tanàna nahabe azy. Hoy izy avy eo: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” (Lk 4:16-21) Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny mpandefitra matoa ny Zanany malalany no nirahiny hampianatra azy ireo momba ny famonjena.—Sl 149:4; Oh 3:34.
Mahasoa. Hoy i Zefania mpaminany: “Mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay mankatò ny didim-pitsarany. Katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana [na manetre tena, DIEM]. Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Ze 2:3) Mbola mahakasika an’ireo mpandefitra eto an-tany ankehitriny io fanasana io. Mampanantena zavatra tsara hafa ho azy ireo koa Andriamanitra. Voalaza, ohatra, fa ‘ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’ (Sl 37:11) Ho tanteraka amin’ny heviny ara-panahy sy ara-bakiteny ny hoe: “Hihinana ny mpandefitra ka ho voky.”—Sl 22:26.
Mamitaka an’ireo mpandefitra ny ratsy fanahy, ary mitady handrapaka azy ireo. (Am 2:7; 8:4) I Jehovah kosa manatanteraka izay irin’ny mpandefitra ka mihaino ny vavaka ataony, ary tsy mandiso fanantenana azy ireo. (Sl 10:17; 9:18) Marina mihitsy àry ny hoe: “Aleo manetry tena miaraka amin’ny mpandefitra, toy izay mifampizara babo amin’izay manandra-tena.”—Oh 16:19.