Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandikan-teny, Fanazavana

Fandikan-teny, Fanazavana

Teny hebreo sy grika mitovy ihany indraindray no nadika ao amin’ny Baiboly hoe “fandikan-teny” sy “fanazavana.” Mampita hevitra avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny hafa, na am-bava izany na an-tsoratra, ny hoe mandika teny. Milaza ny hevitry ny faminaniana, nofy, fahitana ary hafatra avy amin’Andriamanitra kosa matetika ny atao hoe manazava, ao amin’ny Baiboly.

Fandikan-teny. Lasa nampiasa fiteny maro tampoka ny olona rehefa nasafotofoto ny fitenin’ireo nanorina ny Tilikambon’i Babela. Nisy asa vaovao niforona àry, dia ny fandikan-teny. (Ge 11:1-9) Nampiasa mpandika teny, ohatra, i Josefa, 500 taona teo ho eo taorian’izay, rehefa niteny ejipsianina tamin’ny rahalahiny hebreo izy mba tsy ho fantatr’izy ireo. (Ge 42:23) Endriny hafa amin’ny teny hebreo hoe lits (maneso) no nadika hoe “mpandika teny” eo. Adika koa izy io hoe “mpitondra teny” mba hilazana iraka nahay fiteny hafa, toy ireo “mpitondra teny nirahin’ny andrianan’i Babylona” hiresaka tamin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda.​—2Ta 32:31.

Lasa nahay fiteny samihafa ny mpianatr’i Kristy tamin’ny Pentekosta taona 33. Izany no anisan’ny porofo fa nilatsahan’ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireo. Tsy toy izay nitranga teo amin’ny Lemak’i Sinara 2 200 taona talohan’izay anefa ilay izy. Mbola nahay ny fitenin-drazany ihany mantsy ireo mpianatra ireo sady nitory momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra, tamin’ny fitenin’ireo hafa firenena. (As 2:1-11) Tsy izay ihany ny fanomezan’ny fanahy azon’ireo Kristianina voalohany, fa teo koa ny fahaizana mandika teny. Notoroana hevitra izy ireo mba hampiasa tsara izany fahaizana izany.​—1Ko 12:4-10, 27-30; 14:5, 13-28.

Ny nandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny maro be no fandikan-teny niavaka indrindra. Asa goavana naharitra ela be izany. Misy amin’ny fiteny maherin’ny 2500 izao io Boky io, na izy manontolo na ny ampahany. Tsy nisy nahazo herin’ny fanahy masina anefa ireo mpandika Baiboly. Natomboka tamin’ny taonjato fahatelo T.K. ny fandikana Baiboly, rehefa nadika ho amin’ny teny grika tsotra na koine (fiteny niraisam-pirenena) ny Soratra Masina nisy boky 39 tamin’ny teny hebreo sy aramianina, ka natao hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.

Matetika no naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo ireo nanoratra ny boky 27 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina (mahafeno ny Baiboly manontolo). Toa tsy nadikany ho amin’ny teny grika ilay izy indraindray, fa izay tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo fotsiny no naveriny. (Ampitahao Sl 40:6 [39:7, LXX] sy He 10:5.) Nanao dikan-teny malalaka koa izy ireo (ampitahao Ho 2:23 sy Ro 9:25), na nilaza hevitra tamin’ny fomba hafa.​—Ampitahao De 30:11-14 sy Ro 10:6-8.

Tian’ireo mpanoratra ny hanampy ny mpamaky ka matetika no nadikany ary nomeny ny dikan’ny anaran’olona, toy ny hoe Kefasy, Barnabasy, Tabita, Bar-jesosy, ary Melkizedeka (Jn 1:42; As 4:36; 9:36; 13:6, 8; He 7:1, 2); ny anaram-boninahitra toy ny hoe Imanoela, Raby, ary Mesia (Mt 1:23; Jn 1:38, 41); ny anaran-toerana toy ny hoe Golgota, Siloama, ary Salema (Mr 15:22; Jn 9:7; He 7:2); ary ny teny toy ny hoe “Talita komy” sy “Ely, Ely, lamà sabaktany?”​—Mr 5:41; 15:34.

Nanoratra ny Filazantsarany tamin’ny teny hebreo aloha i Matio, hoy i Jérôme, Eusèbe Pamphile, Origène, Irénée, ary Papias. Tsy fantatra kosa hoe iza no nandika an’ilay izy ho amin’ny teny grika. Raha i Matio no nanao izany, araka ny filazan’ny sasany, dia izy ihany no mpandika Baiboly nahazo herin’ny fanahy masina.

Midika matetika hoe “manazava, mandika teny” ny teny grika tranainy hoe hermeneoô. ‘Mandika’ no heviny ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Jn 1:42; 9:7; He 7:2) Mitovy amin’ny anaran’ilay andriamanitra grika atao hoe Hermesy (Merkory) io teny io. Iraka sy mpandika teny ho an’ireo andriamanitra i Hermesy, sady andriamanitry ny mpanoratra sy mpandahateny ary mpandika teny, hoy ny manam-pahaizana momba ny angano fahiny. Nantsoin’ny mpanompo sampy tao Lystra hoe “Hermesy” i Paoly “satria izy no niteny.” (As 14:12) Miverimberina ao amin’ny Baiboly ny hoe metermeneoômai, avy amin’ny hoe hermeneoô nasiana tovona hoe meta (“fiovana”), ary midika hoe “manova na mandika ho amin’ny fiteny hafa.” Matoantenin’ny atao foana izy io ka natao hoe “raha adika.”​—Mt 1:23.

Fanazavana ny hevitry ny faminaniana. Diermeneoô no teny fanamafisana ny hoe hermeneoô, ary midika hoe mandika teny (As 9:36; 1Ko 12:30) nefa koa hoe “manome fanazavana feno.” Diermeneoô no nilazan’i Lioka ny nataon’i Jesosy tamin’ny mpianatra roa teny an-dalana ho any Emaosy. “Nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra”, nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny mpaminany. Notantarain’izy roa lahy tamin’ny mpianatra hafa avy eo fa “nanazava tsara ny Soratra Masina” taminy i Jesosy.​—Lk 24:13-15, 25-32.

Mifanohitra amin’ny hoe diermeneoô ny dikan’ny hoe dysermeneotôs (“sarotra hazavaina”), izay nampiasain’i Paoly ary tsy hita afa-tsy ao amin’ny Hebreo 5:11.

Adika koa hoe “fanazavana” ny hoe epilysis (gr.), izay avy amin’ny matoanteny midika ara-bakiteny hoe “mamaha na manafaka”, ka midika hoe manazava na mamaha olana. Avy amin’Andriamanitra ny tena faminaniana, fa tsy avy amin’ny hevitr’olona na ny fanazavany. Hoy i Petera: “Tsy misy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina avy amin’ny hevitr’olona [epilyseôs], ... fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.” (2Pe 1:20, 21) Tsy vokatry ny fahaizan’olona mamakafaka ny zava-mitranga sy milaza ny hoavy àry ny faminanian’ny Baiboly.

Mazava ny hevitry ny faminaniana sasany ka tsy mila fanazavana, toy ilay hoe ‘hoentin’ny mpanjakan’i Babylona ho babo fitopolo taona’ ny Jodianina, na hoe ‘ho lao’ i Babylona. Nampahafantarina indraindray ny fotoana hahatanterahan’ny faminaniana. Tamin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra anefa vao nazava tamin’ny fomba feno ny hevitry ny faminaniana maro na ny ampahany aminy, fa tsy tamin’ny fotoana nanomezana azy ireny. Toy izany ny faminanian’i Daniela sasany, mbamin’ny faminaniana sy ny zava-miafina masina momba ny Mesia.​—Da 12:4, 8-10; 1Pe 1:10-12.

Tsy nahavita nanazava ny hevitry ny nofin’i Farao avy amin’Andriamanitra ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina sy ny olon-kendry rehetran’i Ejipta. “Tsy nisy nahalaza ny heviny.” (Ge 41:1-8) Nisy nilaza tamin’i Farao fa i Josefa no nahay nanazava ny hevitry ny nofin’ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ny an’ny lehiben’ny mpanao mofo. (Ge 40:5-22; 41:9-13) I Jehovah anefa, hoy i Josefa, fa tsy ny tenany no mahay manazava ny hevitry ny nofy. Hoy izy: “Tsy Andriamanitra ve no mahalaza ny hevitry ny nofy?” (Ge 40:8) Hoy àry izy rehefa nampanantsoin’i Farao: “Tsy izaho no inona, fa Andriamanitra no hanambara izay mahasoa an’i Farao.” (Ge 41:14-16) Niaiky i Farao rehefa avy nohazavaina ny hevitry ny nofiny fa “manana ny fanahin’Andriamanitra” i Josefa, sady ‘nampahafantarin’Andriamanitra an’izany rehetra izany.’​—Ge 41:38, 39.

Nasain’Andriamanitra nanazava ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara koa i Daniela. Nivavaka aloha izy, ary nahazo valiny tao amin’ny fahitana tamin’ny alina. Nolazainy tamin’ny mpanjaka ilay nofy hadinon’izy io sy ny heviny (Da 2:14-26), rehefa avy nampahatsiahiviny fa tsy nisy nahay nanazava ny hevitr’ilay nofy ny olon-kendry, ny mpila hevitra tamin’ny maty, ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina ary ny mpanandro. Hoy koa izy: “Misy Andriamanitra anefa any an-danitra, izay Mpampiharihary zava-miafina. ... Raha ny amiko kosa, dia tsy noho izaho manana fahendrena mihoatra noho ny velona rehetra akory no nampiharihariana tamiko izany zava-miafina izany, fa mba hampahafantarana kosa amin’ny mpanjaka ny hevitr’ilay nofy.”​—Da 2:27-30.

Tsy nisy nahay nanazava ny hevitry ny nofin’ny mpanjaka momba ilay hazo goavana nokapaina koa ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina, ny mpila hevitra tamin’ny maty, ny Kaldeanina, ary ny mpanandro. Nantsoina indray i Daniela, ary nasongadiny fa avy amin’Andriamanitra ilay faminaniana. Hoy àry ilay mpanjaka taminy: “Fantatro tsara fa ao aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina”, ary hoe “Ianao kosa no mahalaza izany, satria ao aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina.”​—Da 4:4-18, 24.

Mbola nantsoina hanazava ny hevitry ny hafatr’Andriamanitra koa i Daniela zokiolona, ny alina nandresen’ny Medianina sy Persianina an’i Babylona. Nisy tanana nanoratra hoe MENE, MENE, TEKELA, PARSINA teo amin’ny rindrin’ny lapa, nandritra ny fety nataon’i Belsazara. Tsy nisy nahay nanazava ny hevitr’ilay soratra ny olon-kendrin’i Babylona. Nampahatsiahivin’ny renin’ny mpanjaka anefa fa mbola teo i Daniela, izay ‘nanam-pahalalana sy lalin-tsaina ary nanana fahendrena toy ny an’ireo andriamanitra’ sady ‘tao aminy ny fanahin’ireo andriamanitra masina.’ Nohazavainy ny hevitr’ilay soratra, izay faminaniana, sady nomeny voninahitra indray i Jehovah, ilay Andriamanitra mpanatanteraka faminaniana.​—Da 5:1, 5-28.