Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandokafana

Fandokafana

Ny hoe mandoka olona dia mampifaly azy ka manao teny fiderana amin-kafetsena, na tafahoatra, na tsy marina, na tsy vokatry ny fo, na be loatra. Ny hanaitra ny fitiavan-tenan’ilay olona na ny fieboeboany no tanjona amin’izany matetika, ka ratsy ny vokany eo amin’ilay olona. Dokafana ilay olona mba hahazoana sitraka na zavatra avy aminy, mba hahatonga azy ho voatery hanao zavatra na hanome voninahitra an’ilay mandoka. Matetika izany no atao mba hamandrihana. (Oh 29:5) Tsy manana fahendrena avy any ambony izay mandoka olona, fa baikoin’ny fahendren’ity tontolo manavakavaka sy tia tena ary mihatsaravelatsihy ity. (Jk 3:17) Halan’Andriamanitra ny mihatsaravelatsihy, ny mandainga, sy ny mandoka tafahoatra na manome voninahitra olona, ary ny manetsika ny hambom-pony.​—2Ko 1:12; Ga 1:10; Ef 4:25; Kl 3:9; Ap 21:8.

Tsy mandoka olona ny Kristianina, araka izao tenin’ny apostoly Paoly izao: “Tsy avy amin’ny hevi-diso na fahalotoana ny anatra omenay, sady tsy misy fitaka. Efa hitan’Andriamanitra fa mendrika hanankinana ny vaovao tsara izahay, ka izany no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’olona, fa amin’Andriamanitra izay mandinika ny fonay. Fa mbola tsy nanao teny mandoka mihitsy izahay rehefa tonga teo aminareo​—fantatrareo tsara izany. Mbola tsy nifetsy anareo noho ny fitsiriritana koa izahay. Ary Andriamanitra no vavolombelon’izany! Tsy nitady voninahitra avy tamin’olona koa izahay, na avy taminareo izany na avy tamin’olon-kafa, na dia afaka nampitondra enta-mavesatra anareo teo amin’ny lafiny ara-bola aza, satria apostolin’i Kristy izahay.”​—1Te 2:3-6.

Marina fa mety hahazoan-tombony ny mandoka olona, nefa milaza ny Baiboly fa “izay mananatra no hahazo sitraka kokoa noho izay manao teny fandokafana.” (Oh 28:23) Tsy tia olona isika raha mandoka azy mba hahazoan-tombony. Mety handoka olona ny mpankahala, nefa izy ihany no ho voafitaka amin’ny farany, ka ho voan’ny nataony.​—Oh 26:24-28.

Teny malefaka no amitahan’ny mpandoka olona. Toy izao avy no nandikana ny fototeny hebreo hoe halak sy ny teny iray tarika aminy: “Fitaka” (Sl 5:9); “molotra manao teny fandokafana” (Sl 12:2, 3); “teny malefaka” (Oh 7:21; Da 11: 32, 34); ary “mamitaka.” (Ezk 12:24) Hita amin’ireo andinin-teny rehetra ireo fa ratsy foana ny antony andokafana olona.

Hahita loza izay manaiky hodokafana. Ohatra amin’izany i Heroda Agripa I. Nandokadoka sy nidera azy ny vahoaka ka nilaza fa “feon’andriamanitra” no nitenenany. Nanaiky izany i Heroda, ary tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra ka namely azy ny anjely ary maty izy. (As 12:21-23) Tsy mba nanaiky hodokafana kosa i Barnabasy sy Paoly. Nosakanany haingana ny vahoaka mba tsy hivavaka taminy. (As 14:11-15) Nandoka an’i Jesosy Kristy koa ny mpitondra jiosy iray ka niantso azy hoe “Mpampianatra tsara.” Nanitsy azy avy hatrany toy izao anefa i Jesosy: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.”​—Lk 18:18, 19; ampit. Jb 32:21, 22.