Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandrahoan-tsakafo, Fitaovana

Fandrahoan-tsakafo, Fitaovana

Tamin’ny Hebreo, dia anjaran’ny vehivavy ny nahandro sakafo, na tao anaty vilany izany, na tao anaty lafaoro, na natsatsika. Nahandro koa anefa ny lehilahy indraindray. (Ge 18:6-8; 27:3-9, 14, 30, 31; 1Sa 8:13; 2Sa 13:8) Mety ho teo ivelan’ny tranolainy izy ireo no nahandro, fa tao an-trano kosa rehefa nipetraka tamin’ny trano vato tany Kanana, indrindra rehefa ratsy ny andro. (Mpts 6:19; 2Sa 13:7-11) Ny sakafo hariva no tena nokarakarainy tsara, satria tamin’izay izy ireo no nihinana betsaka. (Lk 14:12; Ap 3:20) Tsy nahandro kosa izy ireo rehefa Sabata, satria voararan’ny Lalàna na dia ny nandrehitra afo aza.​—Ek 35:3.

Anisan’ny fitaovana nampiasain’ny Hebreo rehefa nanomana sakafo, ohatra, ny vato fikosoham-bary nahodin’ny vehivavy tamin’ny tanana (De 24:6; Mt 24:41; jereo VATO FIKOSOHAM-BARY), laona sy fanoto nitotoana zava-manitra na voamadinika kelikely (No 11:8; jereo LAONA), vilia famolavolana koba (Ek 12:34), ary fitoeran’afo na lafaoro fandrahoana mofo.​—Ek 8:3; 1Ta 9:31.

Nampiasaina tao amin’ny tranolay masina, ary avy eo tao amin’ny tempoly, ny fitrebika. (Ek 27:3; 2Ta 4:16) Nampiasa fitrebika telo rantsana ny mpisorona (1Sa 2:12-14), ary angamba koa izay nahandro tao an-trano rehefa naka hena tao anaty vilany. Antsy isan-karazany no nandidiana hena handrahoina. Tsy resahin’ny Baiboly ny hoe nihinana tamin’ny antsy sy forsety ny Hebreo.

Vilany tany no nandrahoan-kanina, fa indraindray koa varahina, indrindra ireo nampiasaina tao amin’ny tranolay masina. (Le 6:28) Boribory ny vilany sasany nampiasaina tao an-trano, ary isan-karazany ny habeny. Ahitana vilany halimo misy tongony ny sary hoso-doko eo amin’ny fasana ejipsianina. Mety ho vilany toy izany no tao an-tsain’ireo Israelita nitaraina tany an-tany efitra. Tsaroany fa “nipetraka teo akaikin’ny vilanin-kena” izy ireo tany Ejipta. (Ek 16:3) Ilazana koveta isasana (Sl 60:8) na vilanibe (2Mp 4:38-41; Ezk 24:3-5) koa ny teny hebreo nadika hoe ‘vilany’ eo. Samihafa ny haben’ny vilany: Nisy 30 sm teo ho eo ny savaivony, fa nisy koa tena lehibe. Tsy dia lalin’aty ary tsy nisy tahony ny vilany toy izany fahiny, fa nisy tahony roa kosa taorian’ny nizaran’ny fanjakana tany Israely.

Teritery ny vavan’ny vilany nisy tahony iray na roa, hitan’ny mpikaroka. Somary boribory izy ireny, ary isan-karazany ny savaivony (10 sm teo ho eo-36 sm).

Nanana vilany fanendasana na lapoaly lalina sy lasitra ny Israelita, ary nandrahoana na nanendasana fanatitra varimbazaha izy ireny matetika. (Le 2:5, 7; 7:9; 1Ta 23:29) Nahitana lasitra tanimanga nisy lempona efajoro kely be dia be tao Gazera. Nampiasaina koa ny lasitra vy.​—Ezk 4:1-3.

Miresaka vilany an’ohatra ny Baiboly indraindray. Lazainy hoe vilanibe i Jerosalema rehefa horavana tamin’ny 607 T.K., ary hoe hena ny mponina tao.​—Ezk 11:1-12; 24:6-14; jereo KOJAKOJA SAMIHAFA.