Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandrakofam-pahotana

Fandrakofam-pahotana

Avy amin’ny teny hebreo hoe kafar, izay mety ho nidika hoe “manarona” na koa hoe “mikosoka”, tany am-boalohany. Miverimberina ao amin’ny Soratra Hebreo ny teny hoe fandrakofam-pahotana na ny mitovitovy aminy, indrindra fa ao amin’ny Levitikosy sy Nomery.

Tena ilain’ny olombelona. Mila fandrakofam-pahotana ny olona satria nandova ota. (1Mp 8:46; Sl 51:5; Mpto 7:20; Ro 3:23) Ny olona ihany fa tsy Andriamanitra no nahatonga izany. (De 32:4, 5) Lasa tsy lavorary mantsy i Adama ka tsy afaka nanantena ny hiaina mandrakizay intsony, ary namindra ota sy fahafatesana tamin’ny taranany. (Ro 5:12) Voaheloka ho faty koa àry izy ireo. Raha tian’izy ireo indray ny hiaina mandrakizay, dia tsy maintsy misy fandrakofam-pahotana atao. Tokony hitovy tanteraka amin’izay nafoin’i Adama izy io, araka ilay toro lalan’i Jehovah ao amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe “aina ho solon’ny aina.”​—De 19:21.

Midika hoe “manarona” na “manakalo” ny hoe “mandrakotra fahotana” ao amin’ny Baiboly, ary tsy mety hatao takalon’ny zavatra iray na “sarony”, raha tsy zavatra mitovy tanteraka aminy. Tsy tokony ho lehibe na kely kokoa noho ilay zavatra very na nafoy àry ilay zavatra hatao takalony. Tsy lavorary daholo anefa ny olona rehetra ka tsy misy ho afaka hanarona na handrakotra ny fahotana, mba hahatonga ny olona ho lavorary indray. (Sl 49:7, 8) Tsy maintsy aina lavorary no atao fanatitra noho ny ota, ho takalon’izay nafoin’i Adama sy ho fandrakofam-pahotana.

Nisy sorona notakin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny Israelita mba handrakofana ny fahotan’izy ireo, ary misy sorona iray lehibe kokoa mifanitsy amin’izy ireny. I Jehovah, fa tsy ny olona, no manan-jo hamaritra sy hampahafantatra hoe inona no afaka manarona ny fahotana nolovana sy manafaka amin’ny fanamelohana ho faty.

Sorona ho fandrakofam-pahotana. Nandidy an’ireo Israelita Andriamanitra mba hanolotra fanatitra noho ny ota ho fandrakofam-pahotana. (Ek 29:36; Le 4:20) Tena niavaka ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona. Nanolotra biby atao sorona ny mpisoronabe tamin’izay, mba handrakofana ny fahotan’ny tenany sy ny an’ny Levita ary ny an’ireo foko tsy mpisorona teo amin’ny Israely. (Le 16) Tsy tokony hisy tsininy ireny biby ireny, satria tokony ho lavorary koa ilay hifanitsy aminy. Tsy maintsy ny ain’ilay biby mihitsy no natao sorona, ka nalatsaka ny rany mba ho fandrakofam-pahotana. (Le 17:11) Nampahatsiahy an’ireo Israelita ireny sorona sy fombafomba ireny fa mpanota tokoa izy ireo, ka mila fandrakofam-pahotana. Tsy tena naharakotra ny fahotan’ny olona anefa ny sorona biby, satria ambany noho ny olombelona ny biby sady tokony hanaiky azy.​—Ge 1:28; Sl 8:4-8; He 10:1-4; jereo ANDRO FANDRAKOFAM-PAHOTANA; FANATITRA.

Notanterahin’i Kristy Jesosy. Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa i Jesosy Kristy no nandrakotra tanteraka ny fahotan’ny olombelona. Aloka fotsiny ihany mantsy ireo sorona biby samy hafa notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Olona lavorary sy tsy nisy ota i Jesosy, ka izy no fanatitra noho ny ota ho an’ny taranak’i Adama rehetra, mba hanafahana azy ireo amin’ny ota sy ny fahafatesana. (2Ko 5:21) “Nanolotra sorona noho ny ota, dia sorona iray monja ho mandrakizay” i Kristy (He 10:12), “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” (Jn 1:29, 36; 1Ko 5:7; Ap 5:12; 13:8; ampit. Is 53:7.) Tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka (He 9:22), ary nomena toky ireo Kristianina mandeha ao amin’ny mazava fa “ny ran’i Jesosy [Zanak’Andriamanitra] no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.”​—1Jn 1:7; He 9:13, 14; Ap 1:5.

Ny aina lavorary natolotr’i Jesosy ho sorona no mifanitsy amin’ireo fanatitra noho ny ota. Tena sarobidy izy io satria nahafahana nividy ny olombelona, mba hanavotana azy amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Tit 2:13, 14; He 2:9) Hoy i Kristy: ‘Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana [gr.: lytrôn] ho takalon’ny maro.’ (Mr 10:45; jereo VIDIM-PANAVOTANA.) Mifanitsy tanteraka amin’izay nafoin’i Adama mpanota ny soron’i Jesosy, satria lavorary toa an’i Adama talohan’ny nanotany izy.​—1Ti 2:5, 6; Ef 1:7.

Mampihavana amin’Andriamanitra. Tafasaraka tamin’i Jehovah ny olombelona rehefa nanota, satria tsy ankasitrahany ny ota. Tsy afaka ny hihavana indray amin’ilay Mpamorona izy ireo raha tsy misy fandrakofam-pahotana, izany hoe raha tsy “voasarona” ny fahotany. (Is 59:2; Ha 1:13; Ef 2:3) Naniraka an’i Jesosy Kristy, olona lavorary, àry i Jehovah Andriamanitra mba hahafahan’ny olona mpanota hihavana aminy indray. Hoy ny apostoly Paoly: “Mifaly amin’Andriamanitra koa isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fampihavanana amin’Andriamanitra, ankehitriny.” (Ro 5:11; jereo FAMPIHAVANANA.) Tsy maintsy ekena ilay fampihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, mba hahazoana sitraka aminy. Amin’izay ihany ny olona vao hifandray akaiky amin’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’i Adama talohan’ny nanotany. Be fitiavana tokoa Andriamanitra matoa nanao an’izay hampihavana ny olona aminy.​—Ro 5:6-10.

Ara-drariny. Noforonina ho lavorary i Adama. Nanota anefa izy ka nomelohin’Andriamanitra izy sy ny taranany. Nosaziny àry i Adama tsy mpankatò, satria izany no rariny sy hitsiny. Be fitiavana anefa Andriamanitra ka nitady fomba hafa ara-drariny hamelana ny fahotan’ny taranak’i Adama sy hampihavanana azy ireo aminy indray, raha mibebaka izy ireo. (Kl 1:19-23) ‘Nirahiny ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.’ (1Jn 4:10; He 2:17) Tsy misy antony tokony hanamelohan’Andriamanitra ny olona intsony àry rehefa nomena ilay sorona fampihavanana. Afaka ny hankasitraka azy ireo sy hamindra fo aminy kosa Izy. Voavela heloka sy tsy voaheloka ho faty intsony ny Israely ara-panahy sy izay rehetra mino an’ilay sorona.​—1Jn 2:1, 2; Ro 6:23.

Asongadin’ny andinin-teny momba ny fandrakofam-pahotana fa maty hisolo antsika i Kristy. Nilaza, ohatra, i Paoly fa “maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina” (1Ko 15:3), ary “nividy sy nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy rehefa nanjary voaozona hisolo antsika [Jiosy], satria voasoratra hoe: ‘Voaozona izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.’” (Ga 3:13; De 21:23) Hoy kosa i Petera: “Izy no nitondra ny fahotantsika tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo, mba ho afaka amin’ny ota isika ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika. ‘Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.’” (1Pe 2:24; Is 53:5) Nilaza koa izy fa “maty indray mandeha monja noho ny ota” i Kristy, “izany hoe olo-marina ho solon’ny tsy marina, mba hitondrany anareo ho amin’Andriamanitra.”​—1Pe 3:18.

Ilana finoana. Be fitiavana Andriamanitra sy Kristy, matoa izy ireo nitady fomba handrakofana tanteraka ny fahotana nolovan’ny olombelona. (Jn 3:16; Ro 8:32; 1Jn 3:16) Tsy maintsy mibebaka sy maneho finoana anefa ny olona iray, vao handray soa avy amin’izany. Tsy nankasitrahan’i Jehovah, ohatra, ny sorona nataon’ny firenen’ny Joda, satria tsy nety niova izy ireo. (Is 1:10-17) Natolotr’Andriamanitra “ho fanatitra fampihavanana” i Kristy, “ka ny finoana ny rany no ahazoana izany fampihavanana izany.” (Ro 3:21-26) Ho voavonjy izay manaiky sy mino ny fandrakofam-pahotana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, fa ho ringana kosa izay mandà izany. (As 4:12) “Tsy misy sorona noho ny ota intsony” ho an’izay ‘minia manota rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, fa fiandrasana amin-tahotra ny fanamelohana kosa.’​—He 10:26-31.