Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandringanana

Fandringanana

Fandravana, fanimbana tanteraka, fandripahana zavatra mananaina na tsia. (2Mp 21:3; Je 18:7; Da 2:12, 14, 18) Mety hidika koa hoe maty ara-panahy ny hoe ringana.​—1Ko 3:17; jereo TEMPOLY (Tempoly ara-panahy ny Kristianina voahosotra).

Ny teny hebreo hoe ʼavad no nadika matetika hoe ‘aringana.’ (Le 23:30; Sl 21:8, 10) Midika hoe “very”, “potika” na ‘maty’ izy io, ary mifanitsy amin’ilay teny grika hoe apôllymi. (Ek 10:7; 1Sa 9:20; Mr 3:6; 4:38; Lk 15:4) Avy amin’ny hoe ʼavad ny hoe ʼavaddôhn, izay midika hoe “fandringanana” na “toerana mahalò ny nofo.” (Jb 26:6; jereo ABADONA; APOLYONA.) Ny teny hebreo hoe haram kosa midika hoe ‘atokana haringana’ na atokana ho zava-masina, izany hoe tsy azon’ny olon-tsotra ampiasaina.​—Ek 22:20; jereo ZAVATRA VOATOKANA.

Hitan’i Jehovah hoe ilaina indraindray ny mampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo mendrika ny haringana, ho fanamasinana ny anarany sy ho fanaovana ny rariny. Nanjary ratsy fanahy, ohatra, ny olona tamin’ny andron’i Noa, ka naringany tamin’ny safodrano eran-tany izy ireo. (2Pe 3:5, 6) ‘Tena mafy [koa] ny fitarainana momba an’i Sodoma sy Gomora’ ary ‘navesatra ny fahotan’izy ireo’, ka naringany ireo tanàna ireo sy ny mponina tao. (Ge 18:20; 19:13, 24, 25) Nampiasa olona na ny herin’ny natiora i Jehovah indraindray rehefa nandringana. Nampiasa ny Israely olony, ohatra, izy rehefa nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ireo firenena kananita ratsy fanahy.​—De 9:1, 3, 4; 20:15-18.

Naringana koa anefa ny olona sasany nandika ny Lalàna teo amin’ny Israely. Noroahina tsy ho anisan’ny fiangonan’Israely fotsiny ilay olona voasazy fa tsy naringana, hoy ny manam-pahaizana sasany momba ny asa soratry ny raby. Ny hafa indray tsy mitovy hevitra amin’izany.

Naringana na nomelohina ho faty ary novonoin’ny manam-pahefana teo amin’ny Israely na novonoin’Andriamanitra ireo nahavita heloka bevava toy ny tsy fanajana an’i Jehovah (Andriamanitra sady Mpanjakan’ny Israely), fanompoan-tsampy, fanaovana sorona ankizy, filalaovana ody, fanazimbazimbana zava-masina, ary fanao maharikoriko toy ny firaisana amin’olom-pady sy amin’ny biby ary firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Misy andininy milaza mivantana fa hovonoina ho faty ny olona sasany izay voaheloka “haringana.” (Ek 31:14; Le 7:27; 18:6, 22, 23, 29; 20:3-6; 22:3, 4, 9; 23:28-30; No 4:15, 18, 20; 15:30, 31; jereo koa Ek 30:31-33, 38.) Ilay didy ao amin’ny Nomery 15:30 hoe: “Raha misy olona minia manota ... dia haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izy”, no tao an-tsain’ilay nanoratra ny taratasy ho an’ny Hebreo, rehefa nilaza izy hoe: “Izay olona tsy niraharaha ny lalàn’i Mosesy dia novonoina ho faty noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo, ka tsy nanehoana fangorahana.”​—He 10:28.

Rariny raha haringan’i Jehovah ireo minia mandika ny lalàny sy mandainga ary te hanisy ratsy ny mpanompony. (Le 23:30; Sl 5:6; 143:12) Horavany ny fivavahan-diso sy ny sampiny. (No 33:52; De 12:2, 3) Na ny Israely olony aza naringany rehefa nivadika tamin’ny fifanekeny.​—De 8:19, 20; 28:63; Je 31:28.

Tsy hitsangana intsony ve ny olona rehetra naringan’Andriamanitra taloha?

Tsy voatery ho mandrakizay ny fandringanana rehetra. Indroa mantsy ny teny hebreo hoe ʼavaddôhn (fandringanana na toerana mahalò ny nofo) no nampifanitsiana tamin’ny hoe “Sheôl.” (Jb 26:6, f.a.p.; Oh 15:11, f.a.p.) Nilaza i Zefania fa haringana i Asyria, fa i Ezekiela kosa nilaza fa hidina any amin’ny Sheôl ny Asyrianina. (Ze 2:13, Prot.; Ezk 32:21, 22, f.a.p.) Nidina “velona tany amin’ny Sheôl” i Datana sy Abirama mpikomy rehefa naringana. (No 16:31, 33, f.a.p.) Ny fasana misy ny maty rehetra mbola hitsangana anefa ilay hoe Sheôl ao amin’ny Baiboly. Mety mbola hisy hitsangana àry ny olona naringana, na dia ireo naringan’Andriamanitra aza.

Fandringanana mandrakizay. Tsy ny maty rehetra no hitsangana, hoy ny Baiboly. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza fa misy ‘mendrika hahazo ny fiainana sy ny fitsanganana amin’ny maty.’ (Lk 20:35) Mety hisy ho ringana mandrakizay koa, satria hoy ihany izy: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo ho avy, fa aleo matahotra an’ilay mahavita mandringana anareo [“mahay mahavery ny fanahy sy ny tena”, Prot.] ao amin’ny Gehena.” (Mt 10:28) Hoy ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao (nataon’i C. Brown, 1978, Boky Faha-3, p. 304): “Tsy mampianatra ny Matio 10:28 hoe tsy mety maty ny fanahy, fa hoe tsy azo ovana intsony ny didim-pitsaran’Andriamanitra momba an’ireo tsy mibebaka.” Milaza koa ny Rakibolana Grika-Anglisy Momba ny Testamenta Vaovao nataon’i Bauer (nohavaozin’i F. Gingrich sy F. Danker, 1979, p. 95) fa “fahafatesana mandrakizay” no dikan’ny teny grika nadika hoe ‘mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny Gehena.’ (Mt 10:28, Prot., f.a.p.) Ho ringana tanteraka àry ireo mankany amin’ny Gehena, ka tsy hitsangana intsony.​—Jereo GEHENA.

‘I Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny [kosa] aseho ho anatra ho antsika, rehefa notsaraina ka nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay.’ (Jd 7) Tsy ireo tanàna fotsiny no nosazina fa ny mponina tao koa, satria ireo no nanao fahotana lehibe ka naripaka.

Mety ho ringana mandrakizay ny olona sasany noho ny zavatra ataony mandritra ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Rehefa nanontanian’ny mpianany i Jesosy hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”, dia nilaza an’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy izy. (Mt 24:3; 25:31-46) Hoy ilay Mpanjaka any an-danitra amin’ireo olona oharina amin’ny “osy”: “Mialà amiko ianareo voaozona, ka mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny.” Hoy koa izy: “Ho any amin’ny fandringanana [gr.: kôlasin; a.b.t.: fandrantsanana] mandrakizay ireo, fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” (Mt 25:46) Hahazo fiainana àry ny olo-marina. Mifanohitra amin’izany kosa ny hanjo ny “osy” satria ho ringana mandrakizay izy ireo noho izay ataony.

‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana [anefa] fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.’ (2Pe 3:9; ampit. Ezk 18:23, 32.) Tena tiany ny olombelona ka nomeny ho sorom-panavotana i Jesosy Kristy Zanany. (Jn 3:16; ampit. Jk 4:12.) Tsy mety mandeha amin’ny “lalana mankany amin’ny fiainana” anefa ny ankamaroany, fa aleony ihany “ny lalana mankany amin’ny fandringanana.”​—Mt 7:13, 14.

Maromaro ny zavatra sy olona ary fikambanana lazain’ny Baiboly fa ho ringana mandrakizay. Nantsoin’i Jesosy hoe “zanaky ny fandringanana”, ohatra, i Jodasy. (Jn 17:12) Ringana mandrakizay izy satria ninia namadika an’ilay Zanak’Andriamanitra. Meloka noho ny “ota mandrakizay” koa ireo manevateva ny fanahy masina, ka tsy hahazo famelan-keloka “na eto amin’ity tontolo ity na any amin’ilay ho avy.” (Mr 3:28, 29; Mt 12:32; jereo FANEVATEVANA.) Ho ringana mandrakizay koa izay mifidy ny ‘tsy hahalala an’Andriamanitra sy tsy hankatò ny vaovao tsara.’ (2Te 1:8, 9) Antsoina hoe “zanaky ny fandringanana” ilay antokon’olona mpivadi-pinoana atao hoe “lehilahy mpandika lalàna.” (2Te 2:3; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.) Hatsipy ao amin’ny “farihy afo” na ho ringana mandrakizay, i Satana, ny demoniany, ilay “bibidia” sy ilay “mpaminany sandoka” an’ohatra, ary ny fahafatesana sy ny Fasana.​—Mt 25:41; Ap 20:10, 14, 15; 21:8; jereo FARIHY AFO.

Ny afo no tena nampiasaina taloha rehefa nandringana na nandrava. Noharin’i Jesosy tamin’ny afo àry ny fandringanana ny ratsy fanahy.​—Mt 13:40-42, 49, 50; jereo AFO.