Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandroahana

Fandroahana

Fanesorana olona nandika lalàna tsy ho anisan’ny fiaraha-monina na fikambanana na fivavahana iray. Azon’ny fivavahana atao sady zony ny mandroaka olona tsy ho eo anivony, toy ny zon’ny manam-pahefana any amin’ny tany sasany hanameloka ho faty, sy handroaka olona tsy ho anisan’ny fiaraha-monina na hiala ao amin’ilay tany. Natao hiarovana ny finoana sy ny fitondran-tenan’ireo eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra ny fandroahana ataon’ny fiangonany. Ilaina koa ny fandroahana mba tsy ho rava ny fandaminany, indrindra fa ny fiangonana kristianina. Tsy maintsy madio sy mahazo sitraka amin’Andriamanitra foana mantsy izy io vao ampiasainy sy afaka misolo tena azy. Raha tsy izany, dia ilay fiangonana manontolo no horoahiny.​—Ap 2:5; 1Ko 5:5, 6.

Ny nataon’i Jehovah fahiny. Imbetsaka i Jehovah Andriamanitra no nandroaka. Nanameloka an’i Adama ho faty izy, ary nandroaka azy sy Eva vadiny tsy ho ao amin’ny zaridainan’i Edena. (Ge 3:19, 23, 24) Noroahiny koa i Kaina tatỳ aoriana ka lasa mpirenireny sy mpandositra tetỳ ambonin’ny tany. (Ge 4:11, 14, 16) Natsipy tany amin’ny Tartara na haizim-be ireo anjely nanota, ka miandry fitsarana. (2Pe 2:4) Israelita nijangajanga 23 000 no naripaka tao anatin’ny iray andro. (1Ko 10:8) Nasain’i Jehovah novonoina i Akana fa nangalatra zavatra voatokana ho an’i Jehovah. (Js 7:15, 20, 21, 25) Naringana koa i Kora Levita, ary Datana sy Abirama avy tamin’ny fokon’i Robena satria nikomy. Saika boka mandra-pahafatiny i Miriama raha tsy nitalaho ho azy i Mosesy. Noroahina ho any ivelan’ny tobin’ny Israely àry izy ary natokan-toerana fito andro.​—No 16:27, 32, 33, 35; 12:10, 13-15.

Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Naringana na novonoina ho faty izay ninia nandika ny lalàn’Andriamanitra na nanao fahotana lehibe (Le 7:27; No 15:30, 31), toy ireo nivadi-pinoana, nanompo sampy, nanitsakitsa-bady, nihinan-dra, ary namono olona.​—De 13:12-18; Le 20:10; 17:14; No 35:31.

Tsy maintsy nisy vavolombelona roa anefa, fara fahakeliny, vao novonoina ho faty izay meloka. (De 19:15) Ireo vavolombelona no voalohany nitora-bato azy. (De 17:7) Amin’izay dia ho hita hoe nafana fo nanaraka ny lalàn’Andriamanitra sy niaro ny fahadiovan’ny fiangonan’Israely izy ireo. Amin’izay koa mba tsy hisy ho maimaika hijoro ho vavolombelona mandainga.

Ny Fitsarana Avo Jiosy sy ny synagoga. Tao amin’ny synagoga no nitsarana an’ireo nandika ny lalàna jiosy, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Ny Fitsarana Avo Jiosy no fitsarana tampony. Voafetra anefa ny fahefan’ny Jiosy nofehezin’ny Romanina, tsy toy ny tamin’ny andron’ny mpanjaka. Tsy afaka namono ho faty, ohatra, ny Fitsarana Avo Jiosy, na dia nanameloka ho faty aza, satria tsy nomen’ny Romanina fahefana hanao izany. Nisy fandroahana koa tao amin’ny synagoga jiosy, ary nisy dingana na anarany telo ilay izy. Niddoy ny dingana voalohany, izay naharitra 30 andro monja. Nisy zavatra tsy azon’ilay voaroaka natao tamin’izay. Nahazo nankany amin’ny tempoly izy, saingy voafetra ny zavatra azony natao tany. Nihataka 2 m teo ho eo taminy koa ny olon-drehetra afa-tsy ny fianakaviany. Herem (midika hoe zavatra natokana ho an’Andriamanitra na voarara) ny dingana faharoa. Mafy kokoa io sazy io. Tsy nahazo nampianatra na nampianarina niaraka tamin’ny hafa ilay olona, ary tsy nahazo nivarotra fa izay nilainy andavanandro ihany no azony novidina. Tsy noroahin’ny synagoga jiosy tanteraka anefa izy, ary mbola afaka niverina. Shammattaʼ ny dingana farany, ary voaroaka tanteraka ilay olona. Misy milaza fa sarotra navahana ny herem sy shammattaʼ.

Tamin’ny Jiosy, dia mendrika ny ho faty ilay voaroaka tanteraka, na dia tsy nanana fahefana hamono azy aza izy ireo. Tena mafy tamin’ny Jiosy anefa ny hoe ho voaroaka tanteraka tsy ho anisan’ny fiaraha-monina. Nilaza i Jesosy fa horoahina hiala amin’ny synagoga ny mpianany. (Jn 16:2) Natahotra ny ho voaroaka ny Jiosy sy ny lohandohany sasany ka tsy nanaiky an’i Jesosy. (Jn 9:22; 12:42) Noroahina hiala tamin’ny synagoga, ohatra, ilay lehilahy jamba nahiratra izay niaro an’i Jesosy.​—Jn 9:34.

Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nanome toromarika momba izay tokony hatao amin’ny olona nanao fahotana lehibe tamin’ny olon-kafa izy. Tsy voatery nentina teo anatrehan’ny fiangonan’Israely anefa ilay olana, raha voalamina ihany. (Mt 18:15-17) Tokony hampiana ilay nanao ratsy. Tokony harovana amin’ireo mpanota tsy mety mibebaka koa anefa ny fiangonana. Ny fiangonan’Israely no hany fiangonan’Andriamanitra tamin’izany. Tsy ilay firenena manontolo na ny Jiosy rehetra tao an-tanàna, fa ireo anti-panahin’ny Jiosy no nitsara an’ilay nanota (Mt 5:22), rehefa nampirisika i Jesosy hoe “miresaha amin’ny fiangonana.” Raha tsy nety nihaino an’ireo mpiandraikitra ireo ilay olona, dia natao “toy ny olon’izao tontolo izao sy toy ny mpamory hetra” izay nohalavirin’ny Jiosy.​—Ampit. As 10:28.

Fiangonana kristianina. Mandidy sy manome fahefana ny fiangonana kristianina handroaka olona tsy ho eo anivony Andriamanitra, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, mifanaraka amin’ny toro lalana ao amin’ny Soratra Hebreo. Hadio sy hankasitrahany foana ilay fiangonana amin’izay. Nahazo fahefana, ohatra, ny apostoly Paoly, ka nandidy ny handroahana lehilahy iray nijangajanga tamin’ny vadin-drainy. (1Ko 5:5, 11, 13) Nandroaka an’i Hymeneo sy Aleksandra koa izy. (1Ti 1:19, 20) I Diotrefa kosa nitady handroaka befahatany fotsiny an’ireo rahalahy.​—3Jn 9, 10.

Mety ho voaroaka ny Kristianina iray raha mijangajanga, manitsakitsa-bady, miray amin’ny lehilahy raha lehilahy izy na amin’ny vehivavy raha vehivavy izy, tsy mety afa-po, manao an-keriny, mangalatra, mandainga, mimamo, manevateva, milalao ody, mamono olona, manompo sampy, mivadi-pinoana, ary mampisy fisaratsarahana eo anivon’ny fiangonana. (1Ko 5:9-13; 6:9, 10; Tit 3:10, 11; Ap 21:8) Amindrana fo izay mamorona sekta satria anarina indroa vao mety horoahina. Tsy maintsy misy vavolombelona roa na telo, toy ny notakin’ny Lalàna ihany, vao azo ekena ny fiampangana ny Kristianina iray. (1Ti 5:19) Anarina eo imason’ireo vavolombelona nahita maso, ohatra, izay zatra manota, mba hatahotra koa izy ireo ka tsy hanota.​—1Ti 5:20; jereo FANANARANA.

Tsy tokony hifanerasera amin’ireo tsy laitra fehezina sy tsy mitondra tena tsara, nefa tsy mendrika ny horoahina tanteraka, ny fiangonana. Hoy i Paoly tamin’ny fiangonan’i Tesalonika: “Tapaho ny fifaneraserana aminy mba ho menatra izy. Aza dia atao toy ny fahavalo anefa izy na izany aza, fa anaro hatrany toy ny rahalahy.”​—2Te 3:6, 11, 13-15.

Nilaza anefa i Paoly fa ‘tsy tokony hifaneraserana intsony’ izay Kristianina niala tamin’ny fiangonana na voaroaka tsy ho anisan’izy io. (1Ko 5:11) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Aza mampiantrano azy mihitsy na miarahaba azy akory.”​—2Jn 9, 10.

Mety ho voaray ho anisan’ny fiangonana indray ilay voaroaka raha tena mibebaka. (2Ko 2:5-8) Fiarovana ny fiangonana koa izany, satria voafitak’i Satana izy io raha milefitra amin’ny fanaovan-dratsy, nefa ho voafitany koa raha mafy fo ka tsy mamela heloka mihitsy.​—2Ko 2:10, 11.

Jereo ny hoe FILALAOVANA ODY; OLONA MISY DEMONIA, mba hahitana fanazavana momba ny famoahana na fandroahana demonia.