Fanekena, Manaiky
Ny hoe “manaiky” dia vonona hilefitra na hanaraka ny sitrapon’ny lehibe, na hankatò lalàna, na hanaraka ny lamina efa napetraka. I Jesosy Kristy, ohatra, manaiky ny Rainy (1Ko 15:27, 28); ny fiangonana kristianina manaiky an’i Jesosy (Ef 5:24) sy Andriamanitra (He 12:9; Jk 4:7); ny Kristianina manaiky an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana (1Ko 16:15, 16; He 13:17; 1Pe 5:5); ny vehivavy kristianina koa manaiky hoe tsy afaka ny hampianatra eo anivon’ny fiangonana izy (1Ti 2:11); ny mpanompo manaiky ny tompony (Tit 2:9; 1Pe 2:18); ny vehivavy manaiky ny vadiny (Ef 5:22; Kl 3:18; Tit 2:5; 1Pe 3:1, 5); ny zanaka manaiky ny ray aman-dreniny (1Ti 3:4; ampit. Lk 2:51; Ef 6:1); ary ny vahoaka manaiky an’ireo mpitondra sy manam-pahefana (Ro 13:1, 5; Tit 3:1; 1Pe 2:13).—Jereo FAHEFANA No. 1; FANKATOAVANA; MANAM-PAHEFANA.
Rehefa manaiky fahefan’olombelona ny Kristianina, dia mampiasa ny feon’ny fieritreretany ary mandinika ny ho vokatr’izany eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Raha mahatonga azy hampandefitra ny finoany na handika ny lalàn’Andriamanitra àry ny fanekeny, dia Andriamanitra no ankatoaviny fa tsy olona. (As 5:29) ‘Tsy nilefitra na nanaiky’, ohatra, i Paoly sy Barnabasy, rehefa nisy rahalahy sandoka nilaza fa tsy maintsy forana ny olona mba ho voavonjy, sady tsy maintsy mitandrina ny Lalàn’i Mosesy. Tsy izany intsony mantsy ny fikasan’Andriamanitra, ary tsy nitaky izany izy.—Ga 2:3-5; ampit. As 15:1, 24-29.
Milaza koa ny 2 Korintianina 9:13 fa manaiky ny vaovao tsara ny Kristianina, rehefa manao fanomezana ho an’ny mpiray finoana aminy sahirana, satria adidiny ny manao izany.—Jk 1:26, 27; 2:14-17.