Fanevatevana
Midika hoe fanalam-baraka, fanendrikendrehana, fanaovana teny maharary, faniratsirana an’Andriamanitra na olona na zava-masina ilay anarana grika hoe blasfemia sy ny matoanteny hoe blasfemeô. (Ampit. Ap 16:11; Mt 27:39.) Lazaina koa hoe manevateva ny olona raha manivaiva olon-kafa ka mamingavinga azy.
“Fitenenan-dratsy” no ampiasain’ny Fandikan-teny Protestanta ao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:6 sy Kolosianina 3:8 sy 1 Timoty 6:1 ary Titosy 2:5, fa “fanevatevana” kosa no ampiasain’ny dikan-teny tatỳ aoriana kokoa.—Jereo TV, DIEM, FFBF, ary ny hafa.
Notevatevain’ny mpandalo i Kristy tamin’izy nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana, araka ny resahin’ireto andininy ireto sy ny teny manodidina: “Tsara ho anao izao ry ilay te handrodana ny tempoly sy hanorina azy ao anatin’ny telo andro! Vonjeo ny tenanao ka midìna avy eo amin’ny hazo fijaliana.” Nilaza toy izany koa ny olon-dratsy iray teo anilany. (Mr 15:29, 30; Mt 27:39, 40; Lk 23:39) Nanevateva an’i Paoly sy ny Kristianina namany koa ny olona nanaratsy azy ireo sy tsy niraharaha ny hafatra notoriny sy ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina. (As 18:6; Ro 3:8; 14:16; 1Ko 10:30; 1Pe 4:4) ‘Tsy nanaratsy olona’ mihitsy anefa ry Paoly, ary nitandrina ny fitondran-tenany mba tsy hitenenan-dratsy ny fanompoany sy ny hafatra notoriny. (Ef 4:31; Kl 3:8; 1Ti 6:1; Tit 2:5; 3:2; ampit. 2Pe 2:2.) Na ny anjely aza ‘tsy niampanga tamin’ny teny manevateva, noho ny fanajany an’i Jehovah.’ (2Pe 2:11) Ampoizina hanevateva anefa ireo olona manaram-po amin’ny fitondran-tena baranahiny, sy ireo mieboebo sady adalam-panontaniana sy adihevitra, ary ireo tsy miraharaha na tsy manaja an’ireo voatendrin’Andriamanitra.—1Ti 6:4; 2Pe 2:10-12; Jd 8-10.
Gadaf no teny hebreo mifanitsy amin’ny teny grika nadika hoe manevateva, ao amin’ny Soratra Hebreo. Azo inoana fa mandratra mafy no hevitr’izy io tamin’ny voalohany. Ampiasaina an’ohatra kosa izy io mba hilazana hoe “manevateva”, izany hoe manao teny mandratra fo. (No 15:30; 2Mp 19:6; Ezk 20:27) Midika hoe ‘mandoaka’ na ‘mandavaka’ (2Mp 12:9; 18:21) ilay teny hebreo hoe nakav, ary manevateva no dikan’izy io ao amin’ny tantaran’ilay lehilahy metisy israelita “niteny ratsy” ny anaran’i Jehovah. (Le 24:11, 16) Manana heviny hoe manao teny henjana na maniratsira an’i Jehovah Andriamanitra na ny vahoakany ireo teny ireo. Ny fandinihana ny teny manodidina no ahafantarana hoe karazana “fanevatevana” inona no resahina eo.—Jereo OZONA, MANOZONA.
Ilay zavaboary lasa fahavalon’Andriamanitra voalohany no nanevateva Azy voalohany, matoa izy nomena anarana hoe Diabôlôs (midika hoe “Devoly” na “Mpanendrikendrika”). Nilaza an-kolaka tamin’i Eva mantsy izy tany Edena fa nandainga ilay Mpamorona. (Ge 3:1-5) I Satana àry no tena mampirisika ny olona hanevateva an’Andriamanitra hatramin’izay ka hatramin’izao.—Jn 8:44-49.
Voalaza fa nanomboka “nantsoina ny anaran’i Jehovah” tamin’ny andron’i Enosa, talohan’ny Safodrano. Azo antoka fa tamin’ny fomba ratsy no nanaovana izany, satria efa ela talohan’izay i Abela no niantso an’Andriamanitra tamin’ny anarany. (Ge 4:26; He 11:4) Misy manam-pahaizana milaza fa nampiasaina tamin’ny fomba ratsy ny anaran’Andriamanitra tamin’ny andron’i Enosa, satria olona na sampy no nantsoina hoe Jehovah. Raha marina izany, dia fanevatevana an’Andriamanitra ilay fiantsoana ny anarany.—Jereo ENOSA.
Nanahy i Joba, lehilahy tsy nivadika, sao “nanozona an’Andriamanitra tao am-pony” na nanana eritreri-dratsy ny zanany. ‘Tsy nanota na nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy’ i Joba rehefa niharam-pitsapana mafy, na dia nataon’ilay Fahavalo aza izay hahatonga azy ‘hanozona an’Andriamanitra.’ (Jb 1:5, 11, 20-22; 2:5-10) Nanendrikendrika an’Andriamanitra kosa izy telo lahy naman’i Joba, satria “nilaza an’Andriamanitra ho ratsy fanahy” (tsy fantatra na fanahy iniana na tsia). Nilaza an-kolaka koa izy ireo fa nanevateva an’Andriamanitra i Joba.—Jb 15:6, 25; 32:3; 42:7, 8.
Teo ambanin’ny Lalàna. I Jehovah Andriamanitra irery ihany no Mpanjakan’izao Rehetra Izao ary izy irery no tokony hivavahana, araka ny didy telo voalohany amin’ny “Teny Folo” na Didy Folo. Nampitandrina àry ny didy fahatelo hoe: “Aza manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao, fa tsy havelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.” (Ek 34:28; 20:1-7) Nomelohina izay nanozona an’Andriamanitra sy ny mpiadidy. (Ek 22:28) Taorian’izay, dia ilay lehilahy metisy no voaresaka voalohany hoe nanevateva an’Andriamanitra. “Niteny ratsy sy nanozona an’ilay Anarana” izy rehefa niady tamin’ny lehilahy israelita iray. Nasain’i Jehovah notoraham-bato àry izy mba ho faty. Nilaza koa i Jehovah fa hosazina toy izany izay ‘miteny ratsy ny anaran’i Jehovah’ amin’ny hoavy, na teratany israelita izy na vahiny.—Le 24:10-16.
Tsy ela taorian’izay dia tsy nanaja an’i Jehovah ny ankamaroan’ny Israelita satria nimenomenona taminy. Saika hitora-bato an’ireo mpanompon’Andriamanitra mihitsy aza ireo mpanevateva ireo. (No 14:10) Nomelohina hirenireny 40 taona tany an-tany efitra àry izy ireo, ary nomelohina ho faty tany ireo 20 taona no ho miakatra. (No 14:1-4, 11, 23, 29; De 1:27, 28, 34-39) Nanevateva an’i Mosesy sy Arona solontenan’Andriamanitra koa i Kora sy Datana ary Abirama. Nilaza tamin’ny vahoaka anefa i Mosesy, talohan’ny namonoan’Andriamanitra azy telo lahy sy ny ankohonany hoe: “Ho fantatrareo tokoa fa naniratsira an’i Jehovah ireo lehilahy ireo”, satria nanamavo an’ireo voatendrin’Andriamanitra.—No 16:1-3, 30-35.
Tsy tamin’ny teny ihany fa tamin’ny atao koa ny olona iray no ‘nanevateva an’i Jehovah.’ Nanao izany izy rehefa nandika ny lalàny. Namindrana fo izay nandika izany tsy nahy, fa novonoina ho faty kosa izay ninia nanota, na teratany israelita izy na vahiny. Nanevateva an’i Jehovah mantsy izy sady nanao tsinontsinona ny teniny sy ny didiny.—No 15:27-31; ampit. De 31:20; Ne 9:18, 26.
Nanevateva an’Andriamanitra koa ireo zanakalahin’i Ely mpisorona (1Sa 3:12, 13) sy Rabsake manamboninahitra asyrianina mpanompo sampy. (2Mp 19:4-6, 22, 23) Nampangaina ho nanevateva an’Andriamanitra i Nabota izay tsy nanan-tsiny. Nomelohina àry izy ka novonoina ho faty. (1Mp 21:10-13) Nomelohin’i Jehovah ireo mpaminany sandoka nanome toky fa hahita fiadanana ireo tsy nanaja an’Andriamanitra. (Je 23:16, 17) Nampitandremany koa ireo nanala baraka Azy hoe homeny azy ireo “ao amin’ny tratran’akanjony” ny valin’izay nataon’izy ireo. (Is 65:6, 7; ampit. Sl 10:13; Is 8:20-22.) Nanjary afa-baraka tany amin’ireo firenena ny anaran’i Jehovah rehefa nivadi-pinoana ny Israelita.—Is 52:4, 5; Ezk 36:20, 21.
Nampianatra ireo raby tatỳ aoriana fa manevateva an’i Jehovah izay manonona ny anarany. Tsy tokony hotononina àry, hono, izy io. Diso fandray ny Levitikosy 24:10-23 anefa izy ireo. Nilaza koa ny Talmoda fa tokony hanahaka ny modely ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:37; 19:1-4 ireo mpitsara ara-pivavahana, ka handrovitra ny akanjony rehefa mandre ny teny fanevatevana voalaza fa nambaran’ilay voampanga.—Ny Rakipahalalana Jiosy, 1976, Boky III, p. 237; ampit. Mt 26:65.
Ao amin’ny Soratra Grika. Nampiasa ny matoanteny hoe blasfemeô ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 2:24, rehefa naka teny tao amin’ny Isaia 52:5 sy Ezekiela 36:20, 21. Manampy antsika hahazo ny hevitry ny hoe blasfemia izany.
Manevateva an’Andriamanitra koa ny olona raha mihambo ho manana fahaizana sy zo toy ny an’Andriamanitra, na milaza hoe misy olona na zavatra manana izany fahaizana sy zo izany. (Ampit. As 12:21, 22.) Nampangain’ny Jiosy ho nanevateva an’Andriamanitra i Kristy Jesosy rehefa namela ny heloky ny olona sasany. (Mt 9:2, 3; Mr 2:5-7; Lk 5:20, 21) Saika hitora-bato azy koa izy ireo rehefa nilaza izy fa Zanak’Andriamanitra ny tenany. (Jn 10:33-36) Nolazain’i Jesosy teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy ny fikasan’Andriamanitra momba ny tenany, sy ny toerana ambony homena azy. Nandrovitra ny akanjony anefa ny mpisoronabe, ka niampanga an’i Jesosy ho nanevateva an’Andriamanitra. Nomelohina ho faty àry izy. (Mt 26:63-66; Mr 14:61-64) Tsy nomen’ny Romanina fahefana hamono an’izay voaheloka ho faty anefa ny mpitondra fivavahana jiosy. Nentin’izy ireo tany amin’i Pilato àry i Jesosy. Fetsy anefa izy ireo ka niampanga azy ho nitaona olona hikomy fa tsy hoe nanevateva an’Andriamanitra.—Jn 18:29–19:16.
Manevateva an’Andriamanitra izay manevateva an’i Jesosy satria Zanak’Andriamanitra sady solontenany izy. (Lk 22:65) Avy amin’Andriamanitra sady hery ampiasainy hanatanterahana ny sitrapony koa ny fanahy masina, ka nampitandrina i Jesosy mba tsy hisy ‘hanevateva ny fanahy masina.’ Fahotana tsy ahazoana famelan-keloka izany. (Mt 12:31; Mr 3:28, 29; Lk 12:10) Avy ao am-po ny fanevatevana. (Mt 15:19; Mr 7:21, 22) Ratsy àry ny toe-pon’izay minia manevateva ny fanahy masina. Minia manohitra ny fiasan’ny fanahy mantsy izy, fa tsy hoe voafitaka na sendra diso noho ny tsy fahalavorariana. Fahotana tsy ahazoana famelan-keloka izany, hoy i Jesosy. Nahita tsara ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra, ohatra, ny Fariseo tamin’i Jesosy nanao soa. Nilaza anefa izy ireo fa hery avy tamin’i Belzeboba, na i Satana Devoly, no nanaovan’i Jesosy izany. Nanevateva ny fanahy masin’Andriamanitra àry izy ireo.—Mt 12:22-32; ampit. He 6:4-6; 10:26, 27.
Maty maritiora toa an’i Jesosy i Stefana, satria nanevateva an’Andriamanitra, hono. (As 6:11-13; 7:56-58) Mpanevateva an’Andriamanitra i Paoly (na Saoly) taloha, ary notereny “handa ny finoany” (a.b.t.: hanevateva an’Andriamanitra) ny Kristianina. Notevatevain’ny Jiosy anefa izy rehefa lasa mpianatr’i Kristy. Nisy nilaza koa fa nanevateva an’i Artemisy andriamanibavy ny fampianarany, tamin’izy tany Efesosy. (As 13:45; 19:37; 26:11; 1Ti 1:13) Noroahin’i Paoly tsy ho anisan’ny fiangonana i Hymeneo sy Aleksandra, ka natolony “ho an’i Satana mba hampianarana azy amin’ny alalan’ny famaizana, mba tsy hanevateva an’Andriamanitra.” (1Ti 1:20; ampit. 2Ti 2:16-18.) Mpanankarena maro no ‘nanevateva an’ilay anarana tsara’ niantsoana ny Kristianina, hoy i Jakoba. (Jk 2:6, 7; ampit. Jn 17:6; As 15:14.) Ho maro ny mpanevateva amin’ny “andro farany.” (2Ti 3:1, 2) Manamafy izany ny sary an’ohatra ao amin’ny Apokalypsy.—Ap 13:1-6; 16:9-11, 21; 17:3.
Manevateva olona. Teo amin’ny Israelita, dia nosaziana ho faty izay nanevateva na nanozona Ek 21:17; Mt 15:4; Mr 7:10) Nosazina ho faty koa izay nikasi-tanana ny ray aman-dreniny, satria manana toe-tsaina ratsy toy ny olona manevateva ihany izy. (Ek 21:15) Solontenan’i Jehovah ny ray aman-dreny, ka manevateva Azy koa izay zanaka manevateva ray aman-dreny.—Ampit. Ek 20:12.
ray aman-dreny. (Tokony hohajaina koa ny mpitondra teo amin’ny Israely. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hiala tsiny na dia niharan’ny tsy rariny aza. Noheverin’ny olona hoe nanevateva ny mpisoronabe mantsy izy, nefa izy aza tsy nahafantatra hoe mpisoronabe ilay nitenenany.—Ek 22:28; As 23:1-5.
Tsy nisy Kristianina ninia nanevateva olona, tamin’ny taonjato voalohany. (1Ko 6:9, 10; 1Pe 3:8, 9) Tsy maintsy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana izay zatra na ninia nanendrikendrika olona.—1Ko 5:11-13.
Matetika no nisy nanevateva ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, satria toa tsy dia nanao ahoana sy tsy tiam-bahoaka no fahitan’ny olona azy ireo noho ny fitoriany sy ny hafatra nentiny. (Ampit. Jn 9:28, 29; 17:14; 1Ko 1:18; 4:11-13.) Tsy tokony hamaly faty anefa izy ireo. Modely ho azy ireo i Kristy Jesosy (1Pe 2:21, 23), satria tsy nanevateva na dia nendrikendrehina aza hoe mpiboboka divay, tendan-kanina, iraky ny Devoly, tsy mpanaja Sabata, ary mpanevateva an’Andriamanitra. (Mt 11:19; 26:65; Lk 11:15; Jn 9:16) Tsy niteny i Jesosy rehefa nendrikendrehina sy nampangaina teo anatrehan’i Pilato. (Mt 27:12-14) Rehefa manahaka an’i Jesosy ny Kristianina, dia mety hiova ihany ny mpanohitra sasany, ka hahita hoe tsy marim-pototra ny fanevatevana an’ireny Kristianina ireny. Mety hanome voninahitra an’Andriamanitra mihitsy aza izy ireo.—Ampit. Ro 12:17-21; 1Pe 2:12.
Mila mitandrina ny Kristianina mba ho tsara fitondran-tena foana. Amin’izay dia tsy hahita antony hanevatevana azy ireo ny mpanohitra. Nanazava izany ny apostoly Paoly rehefa niresaka momba ny vehivavy mpitondratena tanora teo anivon’ny fiangonana. Tia nifosafosa sy nitsabaka tamin’ny fiainan’ny olona izy ireny, ka nampirisika azy ireny hanambady sy hiteraka ary hitondra tokantrano i Paoly. Rehefa variana mikarakara tokantrano mantsy izy ireny, dia tsy hanao zavatra hahatonga ny mpanohitra hanevateva ny Kristianina hoe mpifosafosa sy mpitsabaka amin’ny fiainan’ny olona.—1Ti 5:13, 14.
Nisy olona tsy niaraka tamin’i Jesosy Kristy, nefa hita ihany hoe ‘nomba azy.’ Tsy mora voatariky ny mpanohitra hanevateva azy koa izy ireny. Toy izany ilay lehilahy namoaka demonia tamin’ny anaran’i Jesosy. Azo inoana fa hery avy amin’Andriamanitra no nanaovany izany. Nihevitra i Jaona sy ny mpianatra hafa hoe tokony horarana tsy hanao izany ilay lehilahy, satria tsy niaraka tamin’izy ireo. Hoy anefa i Jesosy: “Aza mitady hisakana azy, fa tsy misy hanao fahagagana amin’ny anarako ka vetivety eo dia ho afaka hanevateva [a.b.t.: hanaratsy] ahy.” (Mr 9:38-40) Mbola nankasitrahan’Andriamanitra ny Fivavahana Jiosy tamin’izay, sady mbola tsy niforona ny fiangonana kristianina. (Ampit. Mt 16:18; 18:15-17.) Tsy nilaza koa i Jesosy hoe tsy maintsy manaraka azy any amin’izay rehetra alehany izay mino azy. (Mr 5:18-20) Nankasitrahan’Andriamanitra àry ny Jiosy iray, anisan’ny vahoaka vita fifanekena tamin’Andriamanitra, matoa nahavita fahagagana tamin’ny anaran’i Jesosy. Raha vao niforona kosa ny fiangonana Kristianina, dia tsy maintsy niaraka tamin’izy io sy nanara-dia an’i Jesosy Kristy ny olona te hahazo sitraka tamin’Andriamanitra. (Ampit. As 2:40, 41.) Ahoana àry raha mbola nisy olona nahavita fahagagana tamin’ny anaran’i Jesosy taorian’izany? Ny fanaovana fahagagana fotsiny dia tsy porofo intsony hoe nomba an’i Jesosy Kristy ilay olona, ary tsy antoka intsony koa hoe tsy meloka ho nanevateva ny Zanak’Andriamanitra izy.—Mt 7:21-23.