Faniriana Tsy Mety Afa-po
Faniriana tafahoatra na tsy fahalalana onony. Samy midika hoe “maniry” ny matoanteny hoe hamad (heb.) sy epitymeô (gr.). (Sl 68:16; Mt 13:17) Mety hidika hoe fitsiriritana na faniriana vokatry ny fitiavan-tena koa ireo teny ireo indraindray, arakaraka ny zavatra resahina. (Ek 20:17; Ro 7:7) Midika ara-bakiteny hoe “faniriana hahazo bebe kokoa” kosa ny teny grika hoe pleôneksia, ary ampiasain’ny Baiboly hilazana “faniriana tsy mety afa-po” sy “fitsiriritana.”—Ef 4:19; 5:3; Kl 3:5.
Ahoana no ahitana hoe manana faniriana tsy mety afa-po ny olona iray? Tia vola izy, na liam-pahefana, na te hahazo tombony foana, na te hanangon-karena, na tsy mahafehy tena rehefa mihinana sy misotro, na adalam-piraisana. Mandidy ny Kristianina ny Soratra Masina mba tsy hanana faniriana tsy mety afa-po, ary mba tsy hifanerasera amin’izay atao hoe “rahalahy” nefa manana an’io toetra ratsy mampietry io. (1Ko 5:9-11) Notanisaina miaraka amin’ny mpijangajanga, mpanompo sampy, mpanitsakitsa-bady, lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, mpangalatra, mpimamo, mpanevateva, ary mpanao an-keriny ny olona manana faniriana tsy mety afa-po. Manao ny sasany amin’ireo mihitsy aza ny olona toy izany. Tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izy raha tsy miova.—1Ko 6:9, 10.
Nandrara ny fanaovana resaka adaladala sy vazivazy vetaveta ny apostoly Paoly, ary nilaza fa tsy tokony “hotononina eo aminareo” ny fijangajangana sy ny fahalotoana na ny faniriana tsy mety afa-po. Mazava fa tsy tokony hanao an’ireo zavatra ireo ny Kristianina, nefa na ny miresaka momba izany aza tsy mety, indrindra moa raha mba hahitana fahafinaretana no iresahana momba izany.—Ef 5:3; ampit. Fi 4:8.
Hita amin’izay atao. Hibaribary amin’izay ataon’ny olona iray raha manana faniriana ratsy sy tafahoatra izy. Milaza i Jakoba fa miteraka fahotana ny fanirian-dratsy rehefa kolokoloina. (Jk 1:14, 15) Hita amin’izay ataon’ilay olona àry raha manana faniriana tsy mety afa-po izy. Milaza i Paoly fa manompo sampy ny olona manana faniriana tsy mety afa-po (Ef 5:5), satria ataony andriamanitra kely ilay zavatra iriny mafy, ka lasa zava-dehibe aminy kokoa noho ny fanompoana ny Mpamorona.—Ro 1:24, 25.
Mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra. Manao an’izao karazana fitondran-tena ratsy rehetra izao ny olona eo amin’izao tontolo izao. Tsy mety afa-po amin’izany anefa izy ireo, hoy i Paoly, fa mbola te hanao foana. “Lavitra ny fiainana avy amin’Andriamanitra” izy ireny. Ny olona lasa Kristianina kosa miala amin’izany zava-dratsy izany. Fantany fa tsy nanao an’izany i Kristy, ilay modelin’izy ireo. Mila manavao ny sainy àry izy ireo ka mitafy ny toetra vaovao. (Ef 4:17-24; Ro 12:2) Miaina eo anivon’ny olona manana faniriana tsy mety afa-po izy ireo. Mila mitandrina izy ireo noho izany, mba hadio foana ka ho mpanazava eo anivon’izao tontolo izao.—1Ko 5:9, 10; Fi 2:14, 15.
Tsy mahafeno fepetra ho mpanampy amn’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana ny rahalahy, raha tia tombony azo amin’ny tsy marina. (1Ti 3:8) Tsy tokony ho tia tombony azo amin’ny tsy marina koa ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana, satria modely ho azy ireo ny mpanampy amin’ny fanompoana. (1Pe 5:2, 3) Nilaza tokoa i Paoly fa tsy handova an’ilay Fanjakana ny olona manana faniriana tsy mety afa-po.—Ef 5:5.
Fitsiriritana. Lasa fitsiriritana ny faniriana tsy mety afa-po, raha zavatr’olona no irina ho azo. Mr 7:20-23), ka tokony hialana. Nilaza fanoharana izy avy eo, ka niresaka momba ny lehilahy mpanankarena iray tsy nety afa-po. Tsy nahasoa azy io anefa ny harenany rehefa maty izy, sady tsy azony natao na inona na inona. Tena voa mafy izy satria ‘tsy mba nanan-karena teo imason’Andriamanitra.’ (Lk 12:15-21) Voalaza fa “niara-nafenina tamin’i Kristy” ny fiainan’ny Kristianina, ka tsy maintsy vonoin’izy ireo ny fironan-dratsiny, dia ny fitsiriritana, ny fanirian-dratsy, ary ny fahalotoana rehetra.—Kl 3:3, 5.
Teny grika iray no ampiasain’ny Soratra Grika Kristianina hilazana ny “faniriana tsy mety afa-po” sy ny “fitsiriritana.” Nilaza i Jesosy Kristy fa mandoto ny olona ny fitsiriritana (