Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanisam-bahoaka

Fanisam-bahoaka

Fanoratana ny anarana sy tetirazan’ny foko sy fianakaviana. Tsy natao hanisana olona fotsiny ny fanisam-bahoaka resahin’ny Baiboly, fa natao koa mba hahafantarana izay tokony handoa hetra, ohatra, na hanao miaramila, na hanompo tao amin’ny toerana masina (raha Levita).

Tany Sinay. Nitoby tany Sinay ny Israely ny volana faharoan’ny taona faharoa taorian’ny fanafahana avy tany Ejipta. Tany izy ireo no nasain’i Jehovah nisaina voalohany. Mpiadidy iray isaky ny foko no nofidina hanampy an’i Mosesy, ka niandraikitra sy nanara-maso ny fanisana an’ireo tao amin’ny fokony izy. Nosoratana anarana ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra (azo nalefa tao amin’ny tafika), ary nasaina nandoa hetra isan-dahy antsasaky ny sekely (1,10 dolara) avy, ho an’ny tranolay masina. (Ek 30:11-16; No 1:1-16, 18, 19) Nisy 603 550 izy rehetra. Tsy anisan’izany ny Levita izay tsy nandoa hetra ho an’ny tranolay masina, sady tsy homena lova ao amin’ilay tany ary tsy hanao miaramila.​—No 1:44-47; 2:32, 33; 18:20, 24.

Nisaina koa ny lahimatoa rehetra tamin’ireo foko 12, sy ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra tamin’ny Levita. (No 3:14, 15) Novidin’i Jehovah ho azy mantsy ny lahimatoa, tamin’izy nitsimbina azy ireo rehefa naringany ireo lahimatoa tany Ejipta. Tiany hohamasinina koa ny Levita mba hanompo tao amin’ny toerana masina. Nomen’ny Israely ho an’i Jehovah àry izy ireo mba hanavotana an’ireo lahimatoan’ny foko hafa. Nisy 22 000 ny lahy tamin’ny Levita, fa 22 273 kosa ny lahimatoa tsy levita. (No 3:11-13, 39-43) Nihoatra 273 ireo lahimatoa ka nasaina nandoa sekely dimy (11 dolara) avy ho an’ny toerana masina, mba hanavotana azy.​—No 3:44-51.

Nisaina koa ny Kehatita, Gersonita, ary Merarita 30 ka hatramin’ny 50 taona. Notendrena hanao fanompoana manokana tao amin’ny toerana masina izy ireo.​—No 4:34-49.

Teo amin’ny Lemak’i Moaba. Nisaina fanindroany teo ny Israelita, taorian’ilay loza nanjo an’ireo voataona hivavaka tamin’i Balan’i Peora. Nisy 601 730 ny lehilahy 20 taona no ho miakatra, izany hoe latsaka 1820 tamin’ireo nisaina efa ho 39 taona talohan’izay. (No 26:1, 2, 51) Ny Levita iray volana no ho miakatra kosa nisy 23 000, izany hoe nanan-tombo 1000.​—No 26:57, 62.

Nampanaovin’i Davida. Tany amin’ny taona faramparany nanjakany no natao ilay fanisana, ary nitondra loza. Hoy ny 2 Samoela 24:1: “Ary nirehitra tamin’ny Israely indray ny fahatezeran’i Jehovah, rehefa nisy nampirisika an’i Davida hahatonga loza tamin’ny Israely, nanao hoe: ‘Mandehana isao ny Israely sy ny Joda.’” Tsy voalaza eo hoe iza ilay nampirisika azy: Mpanolo-tsainy ve, sa i Satana, sa Andriamanitra? Hoy ny 1 Tantara 21:1: “Nitsangana hahatonga loza teo amin’ny Israely i Satana, ka nampirisika an’i Davida hanisa azy ireo.” Mifanaraka amin’ny soratra hebreo, ny Baiboly amin’ny teny grika, ny syriàka, ny latinina ary ny Baiboly hafa (Prot., Kat., DIEM, JM, FFBF) io andininy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao io.

Azo adika koa hoe “mpanohitra” anefa ilay teny hebreo hoe satan. (1Ta 21:1, Rbi8, f.a.p.) Ny Baiboly nataon’i Young koa manao hoe “fahavalo.” Mety ho olona nanome torohevitra ratsy an’i Davida àry ilay nampirisika azy.

Toy izao koa no nandikan’ny Baiboly iray ny 2 Samoela 24:1 (Prot.): “Ary ny fahatezeran’i Jehovah nirehitra indray tamin’ny Isiraely, ka dia nanome saina an’i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin’ny vahoakany.” (Izahay no manao sora-mandry.) Hoy kosa ny Baiboly hafa: “Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.” (DIEM) Misy àry mpivaofy teny milaza fa i Jehovah no nampirisika an’i Davida hanisa vahoaka. ‘Tezitra tamin’ny Israely’, hono, izy talohan’izay noho izy ireo nikomy taminy sy tamin’i Davida mpanjaka voatendriny, rehefa niandany tamin’i Absaloma fatra-paniry laza sy tamin’i Sheba (zanak’i Bikry) izay lehilahy tsy manjary nanohitra an’i Davida. (2Sa 15:10-12; 20:1, 2) Mety ho marina izany raha navelan’i Jehovah hampirisika an’i Davida i Satana na ny mpanolo-tsaina olombelona, fa tsy nosakanany.​—Ampit. 1Mp 22:21-23; 1Sa 16:14; jereo FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA (Momba ny olona sasany).

Mety ho nirehareha sy niantehitra tamin’ny hamaroan’ny miaramilany koa i Davida, fa tsy tena niantehitra tamin’i Jehovah. Na ahoana na ahoana, dia tsy ny hanome voninahitra an’Andriamanitra no tena zava-dehibe tamin’i Davida tamin’izay.

Tsy nanaiky i Joaba. Hoy ny Jeneraly Joaba rehefa nodidian’i Davida hanisa vahoaka: “Hampitomboin’i Jehovah Andriamanitrao avo zato heny anie ny isan’ny olona, ary ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany! Fa nahoana ny mpanjaka tompoko no te hanao izany zavatra izany?” (2Sa 24:3) Te hilaza izy hoe tsy niankina tamin’ny hamaroan’ny miaramila ny herin’ilay firenena, fa niankina tamin’i Jehovah izay afaka nanome miaramila be dia be raha tiany. Nisisika ihany anefa i Davida ka nisain’i Joaba ny vahoaka. Hoy ilay fitantarana: “Tsy nosoratany anarana niaraka tamin’ireo ny fokon’i Levy sy Benjamina. Tsy nankasitrahan’i Joaba mihitsy mantsy ny tenin’ny mpanjaka” (tsy nisaina ny fokon’i Levy, araka ny lalàna ao amin’ny Nomery 1:47-49). Mety ho najanon’i Joaba talohan’ny nanisana ny fokon’i Benjamina ilay fanisam-bahoaka na nataony nitarazoka. Tonga saina ihany koa i Davida ka nasainy najanon’i Joaba ilay izy raha mbola tsy vita. (1Ta 21:6) Mety ho tsy nankany amin’ny faritanin’i Benjamina koa i Joaba, satria efa niady tamin’ny tafik’i Davida notarihiny io foko niavian’i Saoly io, vao nitambatra tamin’ireo foko nanaiky hanjakan’i Davida. (2Sa 2:12-17) Tsy nampidirina tao amin’ny “boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka” ilay isa, satria tsy tokony ho natao ilay fanisam-bahoaka.​—1Ta 27:24.

Nisy 1 100 000 ny lehilahy voaisa teo amin’ny Israely, ary 470 000 ny teo amin’ny Joda, araka ny 1 Tantara 21:5. Ny 2 Samoela 24:9 kosa milaza fa nisy 800 000 ny teo amin’ny Israely ary 500 000 ny teo amin’ny Joda. Misy mihevitra fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra izany. Tsy voatery ho izany anefa satria tsy tena fantatsika, ohatra, ny toe-javatra sy ny fomba fanisa tamin’izany. Mety ho samy hafa koa ny fomba fijerin’ireo mpanoratra. Mety ho nisaina, ohatra, na tsia ny miaramila sy ny manamboninahitra. Samy hafa koa angamba ny fomba fanisa ka mety ho tsy nitovy ny lisitra nasiana ny lehilahy sasany, arakaraka ny hoe nisaina ho anisan’ny Joda izy ireo na ho anisan’ny Israely. Misy mitovitovy amin’izany ao amin’ny 1 Tantara 27. Voatanisa ao ireo antoko-miaramila 12 avy tamin’ny foko rehetra nanompo ny mpanjaka, anisan’izany ny an’i Levy sy ny an’i Manase izay nizara roa. Tsy voatanisa kosa ireo avy tamin’ny fokon’i Gada sy Asera, satria nitambatra sy nofehezin’ny mpiadidy hafa angamba izy ireo, na mety ho nisy antony hafa tsy voalaza.

Nomelohin’i Jehovah. Nirahina nankany amin’i Davida i Gada mpaminanin’i Jehovah, ary nanasa azy hisafidy tamin’ireto sazy telo ireto: Mosary telo taona, sa fandripahan’ny sabatry ny fahavalo telo volana, sa areti-mandringana telo andro? Naleon’i Davida “azon’ny tanan’i Jehovah” satria nino izy fa hamindra fo kokoa noho ny olona Andriamanitra. Nisy 70 000 àry no matin’ilay areti-mandringana.​—1Ta 21:10-14.

Tsy mitovy koa eto ireo fitantarana. Milaza ny 2 Samoela 24:13 hoe fito taona (“telo” taona, hoy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo) ilay mosary, fa ny 1 Tantara 21:12 kosa milaza hoe telo taona. Misy manazava hoe tao anatin’ilay fito taona resahin’ny Samoela Faharoa, ilay mosary telo taona vokatry ny fahadisoan’i Saoly sy ny ankohonany tamin’ny Gibeonita. (2Sa 21:1, 2) Ilay taona nodiavina (naharitra 9 volana sy 20 andro ilay fanisam-bahoaka [2Sa 24:8]) no taona fahefatra, ary ireo telo taona mbola ho avy no naha fito azy. Mety ho fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay izy, nefa tsy afaka milaza izany isika raha tsy tena fantatsika ny zava-nisy rehetra tamin’izany.

Fanisana an’ireo hanompo tao amin’ny tempoly. Rehefa antitra i Davida, dia nasainy nisaina ny Levita hanompo tao amin’ny tempoly, ary nankasitrahan’i Jehovah izany. Nisy 38 000 ny vatan-dehilahy levita 30 taona no ho miakatra, ka 24 000 ho mpanara-maso ny asa, 6000 ho mpiadidy sy mpitsara, 4000 ho mpiandry vavahady, ary 4000 ho mpitendry zavamaneno.​—1Ta 23:1-5.

Hoy ny 2 Tantara 2:17, 18, rehefa naorina ny tempoly: “Ary nisain’i Solomona ny lehilahy vahiny rehetra nonina tao amin’ny tanin’ny Israely, taorian’ilay nanisan’i Davida rainy azy ireo. Eninjato sy telo arivo sy dimy alina sy iray hetsy ny isan’izy ireo. Koa nataony mpitondra entana ny fito alina, ary mpipai-bato eny an-tendrombohitra ny valo alina, ary mpiandraikitra an’ireo olona niasa ny eninjato sy telo arivo.”

Fanisam-bahoaka tatỳ aoriana. Nampanao izany ny mpanjaka nifandimby tany Israely sy Joda. Nisy 300 000 ny lehilahy 20 taona no ho miakatra tany Joda sy Benjamina, tamin’ny andron’i Amazia Mpanjaka. (2Ta 25:5) Nisy 307 500 kosa ny miaramila tamin’ny andron’i Ozia Mpanjaka, ka 2600 ny lohan’ny fianakaviambe nifehy azy ireo.​—2Ta 26:11-13.

Nisaina koa ireo nody avy tany an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela tamin’ny 537 T.K., ka 42 360 ny Israelita, 7337 ny mpanompo ary 200 ny mpihira (245 hoy i Nehemia, araka ny soratra nataon’ny Masoreta).​—Ezr 2:64, 65; Ne 7:66, 67; jereo NEHEMIA, BOKIN’I.

Tamin’i Jesosy teraka. Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa roa ny fanisam-bahoaka natao rehefa nofehezin’i Roma i Jodia. Tsy fanisana tsotra fotsiny izy ireny, fa natao indrindra mba hahafantarana hoe iza no tokony handoa hetra sy hanao miaramila. Toy izao ilay voalohany: “Tamin’izany andro izany [t. 2 T.K.], dia namoaka didy hanoratana ny anaran’ny mponina eran’ilay tany i Aogosto Kaisara. I Kyrenio no governora tany Syria tamin’io fanoratana voalohany io. Dia nankany amin’ny tanàna niaviany avy ny olona rehetra mba hosoratana anarana.” (Lk 2:1-3) Fitarihan’Andriamanitra izany satria nipetraka tao Nazareta i Josefa sy Maria nefa voatery nankany Betlehema, noho io didin’i Kaisara io, na dia efa bevohoka be aza i Maria. Teraka tao amin’ilay tanànan’i Davida àry i Jesosy, araka ny faminaniana.​—Lk 2:4-7; Mi 5:2.

Fanisam-bahoaka roa tamin’ny andron’i Kyrenio. Ilay tamin’ny taona 6 A.K. tany ho any no hany fanisam-bahoaka natao fony governoran’i Syria i Publius Sulpicius Quirinius (Kyrenio), hoy ny mpitsikera Baiboly. Tsy nahafaly an’i Jodasy Galilianina sy ny Jiosy nahery fihetsika ilay izy ka nikomy izy ireo. (As 5:37) Fanisam-bahoaka faharoa anefa izy io, raha ny marina, satria efa governora solontenan’i Kaisara tany Syria i Kyrenio taona vitsivitsy talohan’izay, araka ny soratra hita tany Antiokia sy teny akaikiny. (Porofoin’ny Zavatra Hita Tato ho Ato fa Azo Itokisana ny Testamenta Vaovao, nataon’i W. Ramsay, 1979, p. 285, 291) Hoy koa ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao ao amin’ny Baiboly frantsay Crampon (fan. 1939, p. 360): “Tsy isalasalana fa governora indroa tany Syria i Kyrenio, araka ny fikarohana nataon’i Zumpt (Fanamarihan’ny manam-pahaizana momba ny soratra fahiny, II, 86-104; De Syria romana provincia, 97-98) sy Mommsen (Res gestae divi Augusti).” Teo anelanelan’ny taona 4 sy 1 T.K. ny fotoana voalohany naha governora an’i Kyrenio, angamba tamin’ny 3 ka hatramin’ny 2 T.K., hoy ny manam-pahaizana maro. Tsy marim-pototra anefa ny fomba nahitan’izy ireo an’ireo daty ireo, ka tsy tena fantatra ilay fotoana. (Jereo KYRENIO.) Mbola governora fanindroany izy ny taona 6 A.K., hoy i Josèphe.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 26 (ii, 1).

Hoy i Lioka mpahay tantara sady mpanoratra Baiboly momba an’ilay fanisam-bahoaka tamin’i Jesosy teraka: “I Kyrenio no governora tany Syria tamin’io fanoratana voalohany io.” Marina izany satria nisy fanisam-bahoaka faharoa tamin’i Kyrenio governora fanindroany, dia ilay noresahin’i Gamaliela ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:37.