Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanisan-taona

Fanisan-taona

FANISAN-TAONA

Nadika avy tamin’ny teny grika hoe krônôlôgia (krônôs [fotoana] sy legô [milaza]), izay midika hoe “fanisana fotoana.” Ny fanisan-taona no ahafahana mandahatra an’ireo zava-nitranga araka ny nisehoany sy milaza ny fifandraisan’izy ireo. Izy io koa no ahafahana manome daty ny zava-nitranga iray.

Antsoin’ny Baiboly hoe “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be” i Jehovah, sady Andriamanitra Mandrakizay. (Da 7:9; Sl 90:2; 93:2) Izy no Tompon’ny fotoana sady Mpanaja fotoana. Ahitana izany ny fihetsika maty paika arahin’ny kintana sy ny fitantaran’ny Baiboly an’ireo zavatra nataon’Andriamanitra. Tanterahiny amin’ny fotoana efa nomeny ny fampanantenany sy ny faminaniany, na iray andro monja aza ny fotoana nomeny (Ek 9:5, 6), na herintaona (Ge 17:21; 18:14; 21:1, 2; 2Mp 4:16, 17), na am-polony taona (No 14:34; 2Ta 36:20-23; Da 9:2), na an-jatony taona (Ge 12:4, 7; 15:13-16; Ek 12:40, 41; Ga 3:17), na an’arivony taona (Lk 21:24; jereo FE-POTOANA VOATONDRO HO AN’NY HAFA FIRENENA). Matoky isika fa tena ho tanteraka amin’ny fotoana sy andro ary ora efa nomen’Andriamanitra mialoha ny fikasany amin’ny hoavy.—Ha 2:3; Mt 24:36.

Efa fikasan’Andriamanitra mihitsy ny hoe handrefy fotoana ny olona. Natao araka ny endriky ny Mpamorona sy misy itovizana aminy mantsy ny olona. (Ge 1:26) Voalazan’ny Baiboly hatrany am-piandohana fa ireo “zavatra manome hazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra” dia natao “hampisaraka ny andro sy ny alina ... ho famantarana ... sady hanondro fizaran-taona sy andro ary taona.” (Ge 1:14, 15; Sl 104:19) (Hatrany am-piandohana ny olona no nizara ny fotoana toy izany, ary miresaka momba izany ireto lahatsoratra ireto: ANDRO; HERINANDRO; KALANDRIE; TAONA; VOLANA). Efa hatramin’ny andron’i Adama ka hatramin’izao no nandrefy fotoana sy nitahiry izany an-tsoratra ny olona.—Ge 5:1, 3-5.

Vanim-potoana. Mba ho marina tsara ny fanisan-taona dia tokony hisy daty iaingana, ka avy eo no iaingana rehefa manisa ny fotoana (ora, na andro, na volana, na taona) mankany aloha na mankany aoriana. Mety ho ny fiposahan’ny masoandro io fotoana iaingana io (mba handrefesana ora), na ny tsinam-bolana (handrefesana ny iray volana), na ny fiandohan’ny lohataona (handrefesana ny taona). “Vanim-potoana” kosa no ampiasain’ny olona mba handrefesana fe-potoana lavalava kokoa, ka izay daty nisehoan’ny zava-nitranga niavaka no atao daty iaingana. Raha olona any amin’ny firenena milaza azy ho Kristianina àry no miteny hoe: ‘1 Oktobra 2014 A.K. (Aorian’i Kristy) androany’, ny tiany holazaina dia hoe ‘androany no andro voalohany amin’ny volana fahafolo amin’ny taona fahefatra ambin’ny folo sy roa arivo aorian’ny fotoana lazaina fa nahaterahan’i Jesosy.’

Vao haingana ihany ny olona no nampiasa vanim-potoana toy izany, rehefa jerena ny tantara tsy ara-pivavahana. Tany amin’ny taonjato fahefatra T.K. (Talohan’i Kristy) tany ho any, ohatra, ny Grika vao nampiasa vanim-potoana, ary voalaza fa io no tranainy indrindra: Isaky ny efa-taona izy ireo no nanisa vanim-potoana iray nantsoiny hoe Olympiady, ka ny taona 776 T.K. no nataon’izy ireo ho taona iaingana. Rehefa te hilaza taona sasany koa izy ireo dia ny fotoana nitondran’ny manam-pahefana niavaka tamin’izany no niantsoany an’ireo taona ireo. Nampiasa vanim-potoana koa ny Romanina tatỳ aoriana, ary ny taona lazain’ny lovantsofina fa nanorenana ny tanànan’i Roma (753 T.K.) no nataon’izy ireo ho daty iaingana. Nisy koa taona nantsoin’izy ireo tamin’ny anaran’ireo manam-pahefana ambony roa (consuls) nitondra tamin’iny taona iny. Tamin’ny taonjato fahenina A.K. ilay moanina antsoina hoe Denys Kely vao nikajy an’ilay Vanim-potoana Kristianina antsoina ankehitriny hoe Aorian’i Kristy. Ny Silamo kosa rehefa manisa taona, dia miainga avy eo amin’ny atao hoe Hijra (taona nandosiran’i Mahometa avy tao Lameka tamin’ny 622). Tsy misy porofo mihitsy hoe nampiasa karazana vanim-potoana toy izany ny Ejipsianina sy ny Asyrianina ary ny Babylonianina fahiny.

Tsy miresaka mivantana momba ny fampiasana karazana vanim-potoana toy izany koa ny Baiboly. Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy fomba namantaran’ny Israelita ny daty marina nisehoan’ny zava-nitranga iray. Nandrefy ny fotoana ny Israelita sy ireo razambeny matoa afaka nilaza isa voafaritra tsara momba ny vanim-potoana lava be ireo mpanoratra ny Baiboly rehefa nitantara zava-nitranga iray. Izany no nahafahan’i Mosesy nanoratra hoe: “Ary tamin’ilay andro nifaranan’ny telopolo sy efajato taona iny indrindra, no nivoaka avy tao Ejipta ny tafik’i Jehovah rehetra.” (Nisaina io 430 taona io nanomboka tamin’ny fotoana niampitan’i Abrahama an’i Eofrata tamin’izy nankany Kanana. Azo inoana fa tamin’izay no nataon’Andriamanitra nanan-kery ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama.) (Ek 12:41; jereo FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA; ampit. Ga 3:16, 17.) Voalaza koa fa “tamin’ny taona fahavalopolo sy efajato taorian’ny nivoahan’ny zanak’Israely avy tany Ejipta” i Solomona Mpanjaka no nanomboka nanorina ny tempoly tao Jerosalema. (1Mp 6:1) Samy tsy natao ho daty niaingana mba hanisana vanim-potoana iray anefa na ny fotoana nampanan-kery an’ilay fifanekena natao tamin’i Abrahama na ny fotoana nialan’ny zanak’Israely tany Ejipta.

Tsy azo antenaina hifanaraka àry ny fomba fanisan-taona maoderina sy ny an’ny Baiboly. Rehefa hamaritra ny fotoana nisehoan’ny zava-nitranga rehetra mantsy ny olona ankehitriny, dia miainga avy amin’ny daty iray tsy miovaova, toy ilay daty lazaina fa nahaterahan’i Jesosy. Rehefa namaritra ny datin’ireo zava-nitranga notantarainy kosa ireo mpanoratra Baiboly, dia ireo zava-dehibe nitranga vao haingana no nataon’izy ireo ho daty niaingana. Manao toy izany koa ny olona ankehitriny satria mety hilaza izy ireo fa “herintaona taorian’ny hain-tany” na “dimy taona taorian’ny Ady Lehibe II” no nisehoan’ny zava-nitranga iray.

Tsy fantatra ny daty nisehoan’ny zava-nitranga sasany, satria mazàna no tsy fantatra ny tena daty niaingan’ilay mpanoratra Baiboly. Ankoatra izany, dia mety hiainga avy amin’ny daty roa na mihoatra ny mpanoratra iray rehefa mamaritra ny daty nisehoan’ny zava-nitranga sasany teo amin’ny tantara. Tsy midika akory izany hoe tsy hentitra na tsy mahalala tsara ny zavatra tantarainy ilay mpanoratra. Tsy tokony hotsaraintsika ny fomba nampiasain’ilay mpanoratra, raha tsy mitovy amin’ny antsika na tsy mitovy amin’izay heverintsika ankehitriny fa fomba mety tsara tokony hitantarana zava-nitranga. Saro-pantarina ny daty amin’ny fitantarana sasany. Marina fa mety ho nisy fahadisoan’ireo mpanao dika soratra tamin’izany, kanefa tsy tokony hilaza an’izany avy hatrany isika raha tsy efa nampitaha sora-tanana maromaro ka tena nahita tsy fitoviana. Asehon’ny porofo misy ankehitriny anefa fa voadika marina tsara ireo boky ao amin’ny Baiboly. Voaporofo mantsy fa nitandrina be ireo mpanao dika soratra, ary niezaka nandika marina tsara an’ireo boky nadikany.—Jereo BAIBOLY SORA-TANANA; MPANORA-DALÀNA.

Fanisan-taonan’ny Baiboly sy ny tantara tsy ara-pivavahana. Misy mihevitra fa tokony “hampitovina” sy “hampifanarahina” ny fitantaran’ny Baiboly sy ny fanisan-taona hita amin’ireo tantara tsy ara-pivavahana fahiny. Azo atao tokoa izany raha tena marina sy azo antoka tanteraka ireny tantara tsy ara-pivavahana ireny, ka azo ampiasaina mba hitsarana raha marina na tsia ny tantara hafa. Tsy azo lazaina hoe marina mantsy ny zavatra iray raha tsy mifanaraka amin’ny zavatra tena nisy. Misy manakiana anefa hoe tsy tena marina ny fanisan-taonan’ny Baiboly raha ampitahaina amin’ny an’ny firenena mpanompo sampy. Tsara dinihina àry ny tantara sasany tany amin’ny firenen-kafa izay nifandray tamin’ireo olona sy zava-nitranga tantarain’ny Baiboly.

Boky ara-tantara ny Baiboly, ary tena miavaka izy io raha ampitahaina amin’ny asa soratra fahiny hafa rehetra. Matetika no sombim-panazavana natambatambatra ny tantara momba ny firenena fahiny toa an’i Ejipta, Asyria, Babylona, Media, ary Persa. Manjavozavo na toy ny angano ny fiandohan’ny tantaran’ireny firenena ireny. Toy izao, ohatra, no voalazan’ny Lisitra Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Somerianina fahiny: “Rehefa nampidinina avy tany an-danitra ny fanjakana, dia tao Erido (aloha) no nisy fanjakana. Mpanjaka (tao) Erido i A-lolima, ary nitondra nandritra ny 28 800 taona izy. I Alalgar nitondra 36 000 taona. Nitondra nandritra ny 64 800 taona (àry) ny mpanjaka roa. ... Nitondra nandritra ny 43 200 taona i En-men-lo-Anna (tao) Bad-tibira; i En-men-gal-Anna nitondra nandritra ny 28 800 taona; nitondra nandritra ny 36 000 taona i Domo-zy, ilay andriamanitra mpiandry ondry. Nitondra nandritra ny 108 000 taona (àry) ny mpanjaka telo.”—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 265.

Sombintsombim-panazavana natambatambatra no fantatra momba an’ireny firenena fahiny ireny. Mety ho soratra hita tamin’ny tsangambato na tamin’ny takelaka tanimanga izany, na tamin’ny asa soratry ny mpahay tantara grika sy romanina tatỳ aoriana kokoa. An’aliny ny takelaka tanimanga nisy soratra asyrianina-babylonianina nofongarin’ny mpikaroka. Maro be koa ny horonan-taratasy papyrus hita tany Ejipta. Resaka fivavahana, fifanekena, taratasim-barotra, didim-pananana, sy ny toy izany anefa no tao amin’ny ankamaroan’ireny. Vitsy kely kosa ny takelaka tanimanga, varingarina, tsangambato, na soratra vita sokitra miresaka momba ny tena zava-nisy ara-tantara teo amin’ireny firenena ireny. Fandokafana an’ireo mpanjaka sy ny fanafihany anefa no tena hindrahindrain’izy ireny.

Zava-nitranga nandritra ny 4 000 taona teo ho eo kosa no resahin’ny Baiboly, ary sady mifampitohy tsara ilay izy no be tsipiriany. Hita ao mantsy ny fiandohan’ny tantaran’ny olombelona ka hatramin’ny andro naha governora an’i Nehemia tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Ahalalantsika ny zava-nitranga teo anelanelan’ny andron’i Nehemia sy ny andron’i Jesosy mbamin’ny apostoliny koa ny faminaniana (tantara voasoratra mialoha) ao amin’ny Daniela toko 11. Tsy namboamboarina ary tsy nisy nafenina ny fitantaran’ny Baiboly momba ny firenen’Israely hatrany am-piandohana. Resahiny daholo mantsy ny tsara sy ratsy nataon’ilay firenena, ny fahombiazany sy ny fahavoazany, ny fivavahana madio sy ny fivavahan-diso narahiny, ny fitahiana azony sy ny didim-pitsarana nampiharina taminy ary ny loza nanjo azy. Ekena fa ny fahatsoran’ireo nanoratra ny Baiboly fotsiny dia tsy ampy mba hilazana fa marina ny fanisan-taona voaresaka ao. Hita kosa anefa fa azo itokisana ireo mpanoratra te hilaza ny marina ireo.

Tsy maintsy nampiasa boky hafa nisy fanazavana be tsipiriany ireo nanoratra ny bokin’ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa ary ny Tantara Voalohany sy Faharoa matoa izy ireo afaka nitanisa tetirazana misy anarana an-jatonjatony. Tsy maintsy nisy koa izany boky izany matoa izy ireo afaka nanome fitantarana mitohy tsara momba ny mpanjaka tsirairay nitondra tao Joda sy Israely, ny fifandraisana nisy teo amin’ireny mpanjaka ireny, ary ny fifandraisan’izy ireny tamin’ny firenen-kafa. Mbola misy tsy fantatry ny mpahay tantara maoderina ny filaharan’ny mpanjakan’i Asyria sy Babylona, eny fa na dia ireo mpanjaka tatỳ aoriana aza. Mazava tsara kosa ny filaharan’ireo mpanjakan’ny Joda sy Israely.

Ireto avy ny sasany tamin’ireny boky nakana fanazavana ireny: “Bokin’ny Adin’i Jehovah” (No 21:14, 15), “boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely” (1Mp 14:19; 2Mp 15:31), “boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda” (1Mp 15:23; 2Mp 24:5), “boky mirakitra ny tantaran’i Solomona” (1Mp 11:41). Eo koa ireo boky ara-tantara, na taratasim-panjakana izay voalazan’i Ezra sy Nehemia. Asehon’izany fa tsy niantehitra tamin’ny fitadidiany fotsiny na tamin’ny lovantsofina ireny mpanoratra ireny, fa nanao fikarohana lalina sy naka hevitra avy tamin’ny asa soratra be dia be. Niresaka momba ny taratasim-panjakanan’ny firenen-kafa koa ireny mpanoratra ireny. Nisy mihitsy aza ampahany tamin’ny Baiboly nosoratana tany an-tany hafa, toa an’i Ejipta, Babylona, ary Persa.—Jereo BOKY, I; ESTERA, BOKIN’I; EZRA, BOKIN’I.

Nahay nandrefy marina tsara ny fotoana ny Israelita, raha mbola nitandrina ny Lalàn’i Mosesy. Nasain’ny Lalàna nitandrina taona sabata isaky ny 7 taona sy ny taon-jobily isaky ny 50 taona mantsy izy ireo. Tsy maintsy nozarain’izy ireo araka izany àry ny fotoana.—Le 25:2-5, 8-16, 25-31.

Anisan’ny tena mampiavaka ny Baiboly amin’ireo asa soratra tany amin’ny firenena mpanompo sampy tamin’izany andro izany ny resaka fotoana. Tsy ny lasa sy ny ankehitriny ihany mantsy no resahin’ny Baiboly, fa ny hoavy koa. (Da 2:28; 7:22; 8:18, 19; Mr 1:15; Ap 22:10) Mampiavaka ny Baiboly ny faminaniana raketiny ka izany no mahatonga ny Israelita ho sarotiny kokoa noho ny firenena mpanompo sampy eo amin’ny resaka fanisan-taona marina tsara. Matetika mantsy no efa misy fotoana voafaritra tsara tokony hahatanterahan’ny faminaniana. Bokin’Andriamanitra ny Baiboly ka antitranterina ao fa tanterahiny ara-potoana ny teniny (Ezk 12:27, 28; Ga 4:4) ary aseho ao fa porofon’ny maha Andriamanitra azy ny fahatanterahan’ireny faminaniana ireny.—Is 41:21-26; 48:3-7.

Marina fa misy asa soratra tranainy kokoa noho ny Baiboly sora-tanana tranainy indrindra. Mety ho tena miavaka ireny soratra vita sokitra tamin’ny vato na tamin’ny takelaka tanimanga hita tany amin’ny firenena mpanompo sampy ireny. Tsy voatery hidika anefa izany hoe marina tsara sy tsy misy diso izy ireny. Tsy miankina amin’izay voasoratra mantsy ny mahatonga azy ireny ho azo itokisana. Miankina be dia be amin’ny mpanoratra, ny tanjony, ny fitiavany sy ny fanajany ny fahamarinana kosa no mahatonga azy ireny ho marina tsara eo amin’ny resaka fanisan-taona sy amin-javatra hafa. Marina fa tranainy be ireny asa soratra ireny, nefa tena ambany karazana ny zavatra raketiny raha oharina amin’ny Baiboly. Nosoratana teo amin’ny taratasy papyrus sy teo amin’ny hodi-biby ny fitantaran’ny Baiboly tany am-boalohany. Tena mora simba ireny fitaovana ireny rehefa nampiasaina lava sy nianjadian’ny toetrandro ratsy tany Israely (tsy toy ny toetany faran’izay maina any Ejipta). Mety ho izany àry no tsy mampisy an’ireny sora-tanana tany am-boalohany ireny ankehitriny. Boky avy amin’i Jehovah anefa ny Baiboly ka nitandrina be ireo nanao dika soratra azy io, ary tody hatramin’izao izy iray manontolo. (1Pe 1:24, 25) Nosoratana teo ambany fitarihan’ny fanahy masina ny Baiboly, ka izany no mahatonga ny fanisan-taonan’izy io ho azo antoka tsara.—2Pe 1:19-21.

Tsy azo ampiasaina ny tantara tsy ara-pivavahana mba hitsarana raha marina na tsia ny fanisan-taonan’ny Baiboly. Manamarina izany izao tenin’i C. Ceram momba ny fomba maoderina famaritana daty izao: “Raha vao sambany ny olona iray no mandalina ny tantara fahiny dia tsy maintsy ho gaga izy rehefa mahita ny fomba maoderina ampiasain’ny mpahay tantara mba hamaritana ny daty nisehoan’ny zava-nitranga an’arivony taona lasa. Vao mainka ho gaga izy rehefa mandalina bebe kokoa. Rehefa dinihintsika mantsy dia efa hatramin’ny fotoana nanoratana azy mihitsy ireny tantara fahiny ireny no nisy tsy ampy, na nisy tsy marina kely, na diso be mihitsy. Efa tsizarizary hatrany am-boalohany izy ireny, ary vao mainka tsizarizary kokoa rehefa tonga atỳ amin’ny androntsika: Ampahany betsaka no potika noho ny fahelan’ny fotoana, na noho ny tsy firaharahana sy ny tsy fitandreman’ireo nampiasa azy.” Nilaza koa i Ceram fa “tombantombana fotsiny” ny fanisan-taona lazain’ny mpahay tantara ka mora mirodana raha vao donina.—Ny Zava-miafina Momba ny Hetita, 1956, p. 133, 134.

Tsy tafahoatra loatra izany filazana izany rehefa jerena ireo tantara tsy ara-pivavahana. Misy tsy matoky ny fanisan-taonan’ny Baiboly satria fotsiny hoe tsy mitovy amin’izay lazain’ny tantara tsy ara-pivavahana izy io. Hohazavaina manaraka eto anefa fa tsy mitombina izany. Ny fanisan-taona omen’ny mpahay tantara tsy ara-pivavahana aza no tena mampisalasala, raha tsy hoe mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly angaha izy io. Raha toa tsy mitovy àry indraindray ny fitantaran’ny Baiboly sy ny an’ireo firenena mpanompo sampy izay nifandray tamin’ny Israely, dia matetika no avy amin’ireo mpahay tantara maoderina ny olana. Tsy azon’izy ireo sady tsy hainy hazavaina mantsy ny fomba fanisana fotoana nampiasain’ny olona fahiny sy nampiasain’ireo mpanoratra tantara ao amin’ny Baiboly. Maro koa anefa ny porofo fa tena nanao an-tsirambina sy nilaza zavatra tsy marina na ninia nisandoka mihitsy ireo mpanompo sampy, izay nanoratra tantara sy nilaza daty.

Fanisan-taona ejipsianina. Misy ifandraisany ny tantaran’ny Israelita sy ny an’ny Ejipsianina. Hita ato amin’ity boky ity fa tamin’ny 1728 T.K. i Israely no tonga tany Ejipta, ary 215 taona tatỳ aoriana no nialan’ny Israelita tany, izany hoe tamin’ny 1513 T.K.; nanafika an’i Jerosalema i Farao Sisaka tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama, tamin’ny 993 T.K.; velona tamin’ny fotoana nanjakan’i Hosea i So mpanjakan’i Ejipta (t. 758-740 T.K.); ary maty tamin’ny fanafihan’i Farao Neko i Josia, tamin’ny 629 T.K. (1Mp 14:25; 2Mp 17:4; 2Ta 35:20-24) Misy elanelany 100 taona na mahery ireo daty ireo sy ny daty omen’ny mpahay tantara maoderina manomboka any amin’ny fotoana nialan’ny Israelita tany Ejipta. Mihena hatrany anefa ilay elanelana ka lasa 20 taona izy io tamin’ny andron’i Farao Neko. Hohazavaina manaraka eto ny antony nifidiananay ny fanisan-taonan’ny Baiboly.

Ireo asa soratra ahitana ny lisitry ny mpanjakan’i Ejipta na ny tantaran’izy ireo no tena fakan’ny mpahay tantara maoderina fanazavana. Ireto avy ny sasany aminy: Sila-bato antsoina hoe Vaton’i Palerme, izay mitanisa ny “tarana-mpanjaka” dimy voalohany tany Ejipta; Papyrus any Turin izay efa potipotika be ary ahitana ny lisitr’ireo mpanjaka nitondra nanomboka tamin’ny “Fanjakana Taloha” ka hatramin’ny “Fanjakana Vaovao”; soratra hita amin’ny sila-bato maro hafa koa. I Manéthon, mpisorona ejipsianina tamin’ny taonjato fahatelo T.K. no nanangona an’ireny lisitra sy soratra samy hafa ireny, ka nandahatra azy ireny araka ny fotoana nisehoany, ary nanao an’izany an-tsoratra. Nalahatr’i Manéthon ho 30 ny tarana-mpanjaka nitondra tany Ejipta tao amin’ny asa sorany izay miresaka momba ny tantara sy ny fivavahana ejipsianina. Mbola ampiasain’ny mpikaroka momba an’i Ejipta fahiny io filaharana mpanjaka io. Nampiasaina ireny rehetra ireny mba hanamboarana tabilao misy fanisan-taona. Nampiasaina hikajiana daty tao amin’io tabilao io koa ny asa soratra ejipsianina miresaka momba ny tsingerin’ny Volana sy ny fipoiran’ny Kintana Sirius (Sothis).

Olana amin’ny fanisan-taona ejipsianina. Maro ny zavatra tsy tena azo antoka amin’izy io. Any amin’ny asa soratr’ireto mpahay tantara tatỳ aoriana ireto sisa no ahitana ny asa soratr’i Manéthon: I Josèphe (taonjato voalohany), Sextus Julius Africanus (taonjato fahatelo, izany hoe 500 taona mahery taorian’i Manéthon), Eusèbe (taonjato fahefatra), ary i Syncelle (faramparan’ny taonjato fahavalo na fiandohan’ny taonjato fahasivy). Nilaza i W. Waddell fa “sarotra be ny ahalalana hoe inona marina no tena nolazain’i Manéthon, ary inona no efa nisy novana”, satria sombintsombiny tamin’ny asa soratr’i Manéthon ihany no nalain’ireo mpahay tantara tatỳ aoriana, sady matetika izany no efa nisy novana. Nasehon’i Waddell hoe tsy tena tantara fa lovantsofina sy angano ny fanazavana sasany nalain’i Manéthon ka “nohindrahindraina fatratra ireo mpanjaka, ary tsy nalahatra araka ny fotoana nanjakany.” Hoy i Waddell: “Efa be diso hatrany am-piandohana ny asa soratr’i Manéthon: Tsy avy amin’ireo nanao dika soratra na ireo nanao fanavaozana ireny diso rehetra ireny. Lava loatra ny fotoana nanjakan’ny mpanjaka maro ka sarotra inoana: Porofoin’ny tsangambato fa misy diso ny anarana sy ny filaharana mpanjaka voalazan’i Manéthon.”—Manéthon, sasin-teny, p. 7, 17, 20, 21, 25.

Mety ho niara-nitondra fa tsy nifandimby ireny mpanjaka ireny matoa lava loatra ny fotoana nolazain’i Manéthon fa nitondran’izy ireny. Manazava izany toy izao ilay boky hoe Fandalinana ny Fanisan-taona Ejipsianina, nosoratan’i T. Nicklin (Blackburn, Angletera, 1928, p. 39): ‘Tsy lisitry ny mpitondra nanerana an’i Ejipta ilay nataon’i Manéthon, fa misy amin’izy io kosa fitanisana andriana maromaro samy nahaleo tena, ary misy koa fitanisana taranak’andriana izay niavian’ireo mpitondra nanerana an’i Ejipta.’ Hoy ny Profesora Waddell (p. 1-9): “Mety ho mpanjaka ejipsianina maromaro no nitondra tamin’ny fotoana iray ihany; ... tsy mpanjaka nifandimby àry ireo fa samy nitondra tamin’ny fotoana iray ihany saingy tany amin’ny toerana samy hafa. Izany no nampisy an’ireo fotoana lava be tamin’ny fitambarany.”

Asehon’ny Baiboly fa tamin’ny 2370 T.K. no nitranga ny Safodrano. Tsy maintsy ho taorian’izay àry vao nanomboka ny tantaran’i Ejipta. Lazain’ny mpahay tantara maoderina anefa fa nanomboka tamin’ny 3000 T.K. ny tantaran’i Ejipta. Nahoana? Ireo olana amin’ny fanisan-taona ejipsianina voalaza etsy aloha no nahatonga izany.

Matoky be an’ireo soratra tranainy ny mpikaroka momba an’i Ejipta fahiny. Tsy voatery ho nitandrina be sy nilaza ny marina ary mendri-pitokisana foana anefa ireo Ejipsianina nanoratra azy ireny. Hoy ny Profesora J. Wilson: “Ilaina ny mitandrina satria tsy voatery ho marina ara-tantara ny soratra ejipsianina fahiny. Nanjaka tamin’izany mantsy ... ny angano momba an’ireo andriamanitra sy ny fahagagana nataony.” Nilaza i Wilson fa mety ho namboamboarin’ireo mpanao dika soratra ny fanisan-taona mba handokafana mpanjaka iray manokana. Hoy koa izy: “Tonga dia manaiky ny zavatra hitany ny mpahay tantara, raha tsy hoe angaha tena misy antony mampisalasala; tokony ho vonona hiova hevitra anefa izy raha vao misy fanazavana vaovao.”—Ny Tantaran’ny Jiosy, 1964, Boky 1, p. 280, 281.

Tsy misy firesahana momba ny Israely. Tsy mahagaga izany satria tsy nanoratra an’izay nanala baraka azy ny Ejipsianina. Nesorin’izy ireo mihitsy aza ny fitantarana momba ny mpanjaka teo aloha raha tsy tian’ilay Farao tatỳ aoriana izany. Rehefa maty, ohatra, ny Mpanjakavavy Hatshepsout, dia nesorin’i Thoutmosis III teo amin’ny tsangambato ny anarany sy ny sariny. Azo inoana fa izany no tsy nitantaran’ny Ejipsianina an’ireo 215 taona nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta na ny nialan’izy ireo tany.

Tsy lazain’ny Baiboly ny anaran’ilay Farao tamin’ny fotoana nialan’ny Israelita tany Ejipta, ka tombantombana no iaingana mba hamantarana azy. Izany no tsy mampitovy ny daty lazain’ireo mpahay tantara maoderina fa nialan’ny Israelita tany Ejipta: 1441 T.K. sy 1225 T.K, izany hoe mielanelana 200 taona mahery.

Fanisan-taona asyrianina. Efa hatramin’ny andron’i Salmanesera III (teo anelanelan’ny taona 900 T.K. sy 800 T.K.), no nisy soratra momba ny fifandraisan’ny Asyrianina sy ny Israelita, ka hita ao indraindray ny anaran’ny mpanjakan’ny Joda sy Israely. Ireto avy izany soratra asyrianina izany: Soratra eny amin’ny tsangambato, toy ireo eny amin’ny rindrin’ny lapa; ny tantaran’ny mpanjaka; ny lisitry ny mpanjaka, toy ilay hita tany Korsabada; ary ny lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina.

Soratra eny amin’ny tsangambato sy tantaran’ny mpanjaka. Hoy i Albert Olmstead, ao amin’ilay bokiny hoe Fandalinana ny Tantaran’i Asyria (1916, p. 5, 6): “Mety hampiasa an’ireo Soratra eny amin’ny tsangambato ... isika mba hamenoana ny tsy ampy amin’ny Tantaran’ny mpanjaka [tantara soratana isan-taona]. Tsy azo ampiasaina anefa ireny soratra ireny raha vao tsy mitovy kely fotsiny amin’ny tantara.” Voalazan’i Olmstead fa tsy natao hilazana tantara feno momba ny fanjakana ireny soratra eny amin’ny tsangambato ireny. Hoy izy: “Tsy milahatra araka ny fotoana nisehoany koa izay voalazan’izy ireny. ... Tena ilana fitandremana ny fampiasana azy.”

Hoy i Olmstead momba ny tantaran’ny mpanjaka: “Manaraka ny fanisan-taona mahazatra ireny tantara ireny. Mety hisy diso tsy nahy na niniana natao izy ireny, nefa azo lazaina hoe marina foana ny filaharan’ireo zava-nitranga. ... Tena tsy mety anefa ny hiheverana fa azo antoka foana ireny tantara ireny. Natoky azy ireny ny mpahay tantara taloha, raha tsy hoe angaha nisy porofo hoe diso izy ireny. Maro be ny zavatra hita tato ho ato, izay azo itsikerana ny tantara momba ny tarana-mpanjaka avy amin’i Sargona. ... Eo koa ireo asa soratra vahiny toy ireo amin’ny teny hebreo na babylonianina. Tsy mila mandalina an’ireny tantara ireny akory isika dia efa hahita hoe tsy tena azo antoka ny voalazan’izy ireny.”

Hoy koa i D. Luckenbill: “Mora hita hoe tsy ny hanoratra izay tena nitranga isan-taona nandritra ny fitondran’ny mpanjaka no tanjon’ireo tandapa mpanao dika soratra. Toa nafindrafindran’izy ireo tsy amin’antony indraindray ny fotoana nitrangan’ny ady samihafa. Noho ny hambom-pon’ny mpanjaka anefa matetika no nanovaovan’izy ireo ny tantara.”—Tantara Fahiny Momba An’i Asyria sy Babylonia, 1926, Boky 1, p. 7.

Nahitsy imbetsaka ny tantaran’ny mpanjaka nandritra ny fitondrany. Izay nosoratana farany no misy ny zava-nitranga farany. Toa namboamboarina hifanaraka tamin’izay tian’ny mpanjaka anefa ny zava-nitranga sy ny tarehimarika tamin’ny taona teo aloha. Nilaza ny Profesora Olmstead fa nalain’i Asorobanipala “tsikelikely ny fitantarana momba ireo fanafihana roa nataon-drainy tamin’i Ejipta, ka tamin’ny farany dia nolazainy fa izy daholo no nanao ny zava-drehetra.”—Fandalinana ny Tantaran’i Asyria, p. 7.

Maro be ny hosoka niharihary toy izany, na niniana natao izany na tsia. Natao tao amin’ny lisitr’ireo nandoa hetra mihitsy aza ny anarana mpanjaka resy izay lazain’ny fitantarana hafa fa efa maty tamin’izany fotoana izany. Nilaza, ohatra, i George Smith fa ny lisitr’ireo nandoa hetra tamin’i Esara-hadona ihany no voalaza fa lisitr’ireo nandoa hetra tamin’i Asorobanipala zanany, 13 taona tatỳ aoriana. Nolazainy koa fa ilay lisitra faharoa dia “mety ho nadika ara-bakiteny avy tamin’ilay teo aloha, nefa tsy nohamarinina raha mbola nanjaka sy tena nandoa hetra ireny mpanjaka ireny.”—Lisitry ny Anaran’ireo Mpitondra Asyrianina, Londres, 1875, p. 179.

Lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina. Voalazan’ny mpikaroka maoderina fa tsy misy diso toy izay voalaza tetsy aloha ny lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina. Lisitra fotsiny izy ireny ka tsy dia misy diso: Lisitry ny anarana sy ny voninahitr’ireo mpitondra na lisitry ny anaran’ny mpitondra miaraka amin’ny fanazavana fohy momba ny ady nataony na ny zava-nitranga niavaka tamin’ny androny. Indro misy ampahany amin’ilay lisitra:

Bela-harana-bela-osora (governoran’i) Gozana niady tamin’i Damaskosy

Salmanesera nahazo seza fiandrianana

on the throne

Mardoka-bela-osora (governoran’i) Amedi tao amin’ilay tany

Mahde (governoran’i) Ninive niady tamin’i [Samaria]

Asoro-ishmeani (governor) [Kakzi] niady tamin’i [Samaria]

Salmanesera mpanjakan’i Asyria niady tamin’i [Samaria]

Tsy milaza daty ilay lisitra. Mifanitsy amin’ny taona iray anefa ny anarana tsirairay, ka azo isaina ireo taona tsirairay. Mampiasa lisitra toy ireny ny mpahay tantara maoderina mba hampifanitsiana ny tantara asyrianina sy ny tantara ara-baiboly, indrindra teo anelanelan’ny 911-649 T.K., ka ireo anarana mifanitsy amin’io fe-potoana io no ampiasainy amin’izany. Ataon’izy ireo ho daty fiaingana ny taona nisian’ny fanakona-masoandro mifanitsy amin’ny anaran’i Bour-Sagale, governoran’i Gozana. Tamin’ny volana Sivana (Mey-Jona) no nisy an’io fanakona-masoandro io, ary mpahay tantara maro no milaza hoe tamin’ny 15 Jona 763 T.K. izy io no nitranga. Io daty io no nampiasaina mba hampifanitsiana ny tantara asyrianina sy ny tantaran’ny Joda sy Israely. Marina àry ve io daty io? Hamakafaka izany ilay lohatenikely hoe “Fikajiana daty mifanaraka amin’ireo fisehoan-javatra eny amin’ny lanitra.”

Tsy dia ahitana diso ny lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina (raha ampitahaina amin’ny tantara na soratra hafa) satria kely dia kely ny fanazavana hita ao. Matetika ny mpahay tantara maoderina no milaza fa ny tantara no misy diso fa tsy ireny lisitra ireny, rehefa hita fa misy tsy fitoviana, ohatra, hoe samy hafa ny taona voalaza fa nanafihan’ny mpanjaka iray. Tsy azo lazaina hoe marina tanteraka anefa ireny lisitra ireny, eny fa na dia ilay antsoina hoe ‘tantaran’ireo mpanjaka niara-belona’ aza. Takelaka tanimanga nosoratan’ny Asyrianina izy io ary tena malaza. Ahitana fitantarana fohy momba ny fifandraisan’i Asyria sy Babylona nandritra ny taonjato maro ao anatiny. Nasehon’i Olmstead fa hay izy io dika mitovy amin’ny soratra teny amin’ny tsangambato, izay nosoratana taloha kokoa. Hoy izy avy eo: “Tsy azo raisina ara-bakiteny ho toy ny asa soratra ara-tantara àry io takelaka io, fa soratra natao hanindrahindrana fotsiny an’i Asoro [andriamanitra asyrianina lehibe indrindra] sy ny vahoakany ... Raha mitadidy izany isika, dia tsy hampaninona antsika ny hahita ireo diso be dia be, hatramin’ny filaharan’ny mpanjaka mihitsy aza. Lasa tsy azo ampiasaina ho porofo anefa io takelaka io noho ireny diso ireny.”—Fandalinana ny Tantaran’i Asyria p. 32.

Tena sarotra amin’ny mpikaroka maoderina ny hanome daty marina tsara rehefa tsy mitovy ny voalazan’ny lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina sy ny tantaran’ny mpanjaka. Ireo mpanao dika soratra rahateo koa moa tsy dia niraharaha ny atao hoe tena fahamarinana ara-tantara, nefa fitantarana nandritra ny taonjato maro no natambatra. Hita koa fa lasa sahy manitsy na mandà an’ireo fomba fanisa ao amin’ny lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina ny mpahay tantara maoderina, rehefa misy antony tokony hanaovana izany.

Mety ho ireo mpahay tantara maoderina àry no tsy tena nahazo ny tantaran’i Asyria, na ireo zavatra nakan’izy ireo fanazavana no tena ambany karazana. Noho izany, dia tsy te hampifanaraka ny fanisan-taonan’ny Baiboly amin’ny tantara nosoratan’ny Asyrianina izahay. Izay tantaran’i Asyria tena mifanitsy amin’ny tantaran’ny Israely sy Joda, ka voalazan’ny Baiboly ihany no raisinay ato.

Fanisan-taona babylonianina. I Nebokadnezara II no mpanjakan’i Babylona tantarain’ny Baiboly voalohany. Nanomboka tamin’i Nabopolasara rain’i Nebokadnezara ny Fanjakana Babylonianina Vaovao, ary nifarana izany rehefa naongan’i Kyrosy Persianina tsy ho mpanjakan’i Babylona i Nabonida sy Belsazara zanany. Fe-potoana mahaliana an’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly izy io satria tao anatin’izy io no nitrangan’ny fandravan’ny Babylona an’i Jerosalema sy ny ankamaroan’ireo 70 taona nanaovana sesitany ny Jiosy.

Lazain’ny Jeremia 52:28 fa tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Nebokadnezara (na Nebokadrezara) no natao sesitany tany Babylona ny andiana Jiosy voalohany. Manamafy izany toy izao ny Tantaran’i Babylona (Tranombakoka Britanika 21946): “Ny taona fahafito: Tamin’ny volana Kisleo, dia namory ny tafiny ny mpanjakan’i Akada, ary nankany Hatti. Nitoby tandrifin’ny tanànan’i Joda izy, ary azony ilay tanàna tamin’ny andro faharoa tamin’ny volana Adara (ka) nosamboriny ny mpanjaka [Joiakina]. Nifidy mpanjaka [Zedekia] izy hitondra an’ilay tanàna (ary) naka hetra be dia be ka nentiny tany Babylona.” (Tantaran’i Asyria sy Babylona, nosoratan’i A. Grayson, 1975, p. 102; ampit. 2Mp 24:1-17; 2Ta 36:5-10.) (SARY, Boky Faha-2, p. 326) Sombintsombin-tsoratra momba ny nanafihan’i Nebokadnezara an’i Ejipta tamin’ny taona faha-37 nitondrany ihany no fantatra momba ireo 32 taona farany nanjakany.

Ny nahalalana an’i Avila-Mardoka (Evila-merodaka, 2Mp 25:27, 28) dia takelaka tanimanga tamin’ny taona faharoa nanjakany. Ny nahalalana an’i Neriglisara (heverina ho mpandimby an’i Avila-Mardoka) kosa dia ireo takelaka nisy fifanekena ara-barotra tamin’ny taona fahefatra nanjakany.

Ahafahana mampifanitsy ny fanisan-taona babylonianina sy ny fanisan-taonan’ny Baiboly ny takelaka tanimanga iray tany Babylona. Izao no lazain’izy io momba ny taona fahafito nanjakan’i Cambyse II zanak’i Kyrosy II: “Taona faha-7, [volana] Tamoza, alina faha-14, adiny 12⁄3 ampitomboina roa [adiny telo sy roapolo minitra] taorian’ny nilatsahan’ny alina, dia nisy fanakonam-bolana; hita tsara hatramin’ny farany; ny tapany avaratra [tamin’ny Volana] no takona. Tamin’ny [volana] Tebeta, alina faha-14, adiny roa sy sasany ampitomboina roa [adiny dimy] tamin’ny alina madiva haraina, takona tanteraka ny Volana; hita tsara hatramin’ny farany; ny tany atsimo sy ny tany avaratra no afaka nahita ilay fanakonam-bolana.” (Inschriften von Cambyses, König von Babylon, nataon’i J. Strassmaier, Leipzig, 1890, No. 400, andalana 45-48; Sternkunde und Sterndienst in Babel, nataon’i F. Kugler, Münster, 1907, Boky 1, p. 70, 71) Azo inoana fa ireo fanakonam-bolana hita tany Babylona tamin’ny 16 Jolay 523 T.K., sy tamin’ny 10 Janoary 522 T.K. ireo voalaza etsy aloha ireo. (Lisitry ny Fanakona-masoandro sy Fanakonam-bolana nataon’i Oppolzer, nadikan’i O. Gingerich, 1962, p. 335) Ny lohataona 523 T.K. àry ilay taona fahafito nanjakan’i Cambyse II, voalazan’ilay takelaka tanimanga.

Koa satria tamin’ny lohataona 523 T.K. ny taona fahafito nanjakan’i Cambyse II, dia tamin’ny 529 T.K. àry ny taona voalohany nanjakany, ary tamin’ny 530 T.K. ny taona nahazoany fahefana sy ny taona farany nitondran’i Kyrosy II tamin’ny naha mpanjakan’i Babylona azy. Ny takelaka tanimanga farany indrindra voalaza fa tamin’ny fotoana nanjakan’i Kyrosy II, dia ilay tamin’ny volana faha-5, andro faha-23 tamin’ny taona faha-9 nanjakany. (Fanisan-taona Babylonianina, 626 T.K.–75 A.K., nataon’i R. Parker sy W. Dubberstein, 1971, p. 14) Koa satria tamin’ny 530 T.K. ny taona fahasivy nanjakan’i Kyrosy II tany Babylona, dia tamin’ny 538 T.K. àry ny taona voalohany nanjakany, ary tamin’ny 539 T.K. izy no nahazo fahefana.

Bérose. Tamin’ny taonjato fahatelo T.K. i Bérose, mpisorona babylonianina, no nanoratra ny tantaran’i Babylona tamin’ny teny grika, avy tamin’ny fitantarana tamin’ny soratra miendri-pantsika. Hoy ny Profesora Olmstead momba ny asa soratr’i Bérose: “Sombintsombiny sisa no misy ankehitriny. Efa niampitampita be ny sombiny lehibe indrindra vao tonga tatỳ amintsika. Nahitana izany tao amin’ilay Tantara Nosoratan’i Eusèbe tamin’ny teny grika. Tsy misy intsony io asa soratra tamin’ny teny grika io, fa efa nadika tamin’ny teny aramianina, ary io indray nadika tamin’ny teny latinina maoderina, ka azontsika vakina ankehitriny. Notononin’i Eusèbe tao ny tenin’i Alexandre Polyhistor sy Abydène. I Alexandre Polyhistor anefa naka mivantana ny tenin’i Bérose. I Abydène indray toa naka ny tenin’i Juba, ary i Juba kosa naka ny tenin’i Alexandre Polyhistor, ka noho izany dia naka ny tenin’i Bérose ihany. Vao mainka nisafotofoto ilay izy satria tsy neken’i Eusèbe indraindray hoe namerina ny tenin’i Polyhistor ange i Abydène, ka notononiny nifanakaiky ny tenin’izy roa lahy. Mbola misy zava-dratsy hafa anefa. Na dia be mpitia kokoa aza ny tenin’i Polyhistor nampiasain’i Eusèbe, dia toa avy tamin’ny sora-tanana ambany karazana no nakany azy io.” (Fandalinana ny Tantaran’i Asyria, p. 62, 63) Nilaza ho nanonona ny tenin’i Bérose koa i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Tsy tena azo itokisana anefa ny fanisan-taona izay voalaza fa avy tamin’i Bérose.

Antony hafa mampisy tsy fitoviana. Heverin’ireo tsy tena mandalina ny tantara fa nosoratana tamin’ny fotoana nitrangany na taoriana kelin’izay ny fitantarana eo amin’ny takelaka misy soratra miendri-pantsika, toy ireo nampiasain’i Bérose. Diso hevitra anefa izy ireo. Ireo takelaka misy fifanekena ara-barotra ihany no nosoratana tamin’ny fotoana nanaovana azy, fa ireo milaza ny tantaran’i Babylona sy ny fisehoan-javatra eny amin’ny lanitra kosa dia nosoratana ela be tatỳ aoriana. Ohatra amin’izany ilay ampahan’ny Tantaran’i Babylona izay miresaka momba ny fitondran’i Nabo-nasira ka hatramin’i Shamash-shom-o-kin (lazain’ny mpahay tantara fa tamin’ny 747-648 T.K.). Nolazain’i D. Wiseman, mpikaroka momba an’i Asyria fahiny, fa izy io dia dika mitovy nalaina avy tamin’ny asa soratra efa ela sy simba. Natao io dika soratra io “tamin’ny taona faha-22 nitondran’i Dariosy [f.a.p.: Izany hoe 500/499 T.K., raha i Dariosy I].” (Tantaran’ireo Mpanjaka Kaldeanina, Londres, 1956, p. 1) Nisy 150 ka hatramin’ny 250 taona àry teo anelanelan’ilay zava-nitranga sy ny fotoana nanaovana an’ilay dika soratra, sady zavatra efa simba no naverina nadika. Tsy fantatra raha ilay tena izy tany am-boalohany io nadika io, na tsia. Hoy koa i Wiseman momba ny Tantaran’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao (nanomboka tamin’i Nabopolasara ka hatramin’i Nabonida): “Soratra madinika kely no nanoratana azy io sady tsy ahafantarana daty hentitra, izany hoe mety ho nosoratana taoriana kelin’ilay zava-nitranga na tamin’ny fotoana nifaranan’ny fitondran’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Achéménès.” Mety ho tany amin’ny faramparan’ny fotoana nanjakan’ny Persianina (331 T.K.) àry izy ireny no nosoratana raha ela indrindra, izany hoe 200 taona teo ho eo taorian’ny nianjeran’i Babylona. Mety ho nisy koa fanazavana sy tarehimarika niova na diso mihitsy nataon’ireo mpanompo sampy nanao dika soratra satria taonjato maro tatỳ aoriana vao nosoratana ireo zava-nitranga. Tsy voatery ho marina daholo àry ny tarehimarika momba ny fotoana nanjakan’ireo mpanjaka tao amin’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao.

Tsy misy asa soratra hafa mitantara ny zava-nitranga tamin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, sady mety ho nisy nanova koa ny soratra na ny tarehimarika sasany. Mety ho nanjaka ela kokoa noho izay voasoratra àry ny mpanjaka iray na maromaro tamin’ireny. Mety hisy hilaza anefa hoe tsy marina izany satria tsy misy takelaka milaza an’ireo taona faramparany nitondran’ireny mpanjaka ireny. Tsy mitombina anefa izany satria misy mpanjaka nitondra ela kokoa nefa tsy nahitana takelaka manamarina izany. Tsy misy takelaka, ohatra, manamarina ny faharetan’ny fitondran’i Artaksersesy III (Ochus) (izay lazain’ny mpahay tantara fa nitondra 21 taona [358-338 T.K.]) sy Arsesy (voalaza fa nitondra 2 taona [337-336 T.K.]).

Tsy hain’ny mpahay tantara ny mamaritra ny fotoana nitondran’ny mpanjaka babylonianina sasany, izay voaresaka ao amin’ireo asa soratra hita. Hoy ny Profesora A. Ahl (Ambangovangon’ny Tantaran’i Persa, 1922, p. 84): “Nisy anarana mpanjaka babylonianina hita teo amin’ireo Takelaka nisy fifanekena tany Borsippa, fa tsy hita tany an-toeran-kafa. Notombanan’i Ungnad fa tany amin’ny faramparan’ny fitondran’i Dariosy I, ka hatramin’ny voalohandohan’ny fitondran’i Ksersesy I izy ireo no nanjaka.” Mbola tombantombana ihany izany.

Fanisan-taona persianina. Maro ny zavatra niavaka tantarain’ny Baiboly nitranga tamin’ny andron’ny Persianina: Nianjera i Babylona ka nafahan’i Kyrosy ny Jiosy, ary nifarana ireo 70 taona nahalao an’i Joda; naorina indray ny tempolin’i Jerosalema, ary vita “tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy [I, Persianina]”; namboarin’i Nehemia indray ny mandan’i Jerosalema, araka ny didy nivoaka tamin’ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy Lava Tanana.—2Ta 36:20-23; Ezr 3:8-10; 4:23, 24; 6:14, 15; Ne 2:1, 7, 8.

Ny lisitry ny mpanjaka nataon’i Ptolemée sy ny soratra hafa koa no nahalalana fa nianjera tamin’ny 539 T.K. i Babylona. Lazain’ny mpahay tantara toa an-dry Diodore, Africanus, ary Eusèbe fa ny taona voalohany nitondran’i Kyrosy mpanjakan’i Persia dia tamin’ny taona voalohany Olympiady faha-55 (560/559 T.K.), ary ny taona farany nitondrany dia tamin’ny taona faharoa Olympiady faha-62 (531/530 T.K.). Lazain’ny takelaka misy soratra miendri-pantsika fa nanjaka sivy taona tao Babylona i Kyrosy, ka voaporofo fa tamin’ny 539 T.K. tokoa izy no nandresy an’i Babylona.—Boky Momba ny Fanisan-taonan’ny Baiboly, nataon’i Jack Finegan, 1964, p. 112, 168-170; Fanisan-taona Babylonianina, 626 T.K.75 A.K., p. 14; jereo ny lohatenikely etsy aloha hoe “Fanisan-taona babylonianina”, jereo koa PERSA, PERSIANINA.

Mbola misy soratra momba an’ireo mpanjaka persianina hatramin’izao, nefa tsy ahalalana ny fotoana nitondran’ireny mpanjaka ireny izany. Tsy nisy anarana mpanjaka, ohatra, ireo takelaka nisy daty, tany Persepolisy.

Fikajiana daty mifanaraka amin’ireo fisehoan-javatra eny amin’ny lanitra. Voalaza fa ‘manampy antsika hanome daty hentitra an’ireo zava-nitranga ara-tantara ny datin’ireo fisehoan-javatra teny amin’ny lanitra.’ (Ny Tontolon’ny Testamenta Taloha, nataon’i Martin Noth, 1966, p. 272) Marina fa nataon’ny Mpamorona hanisana fotoana ny zavatra eny amin’ny lanitra, nefa rehefa ampifanitsina amin’ny zava-nitranga ara-tantara ny daty isehoan’izy ireny dia mety hisy diso ny fanazavana azo, noho ny antony maro.

Ampifandraisina amin’ny fanakonam-bolana na amin’ny fanakona-masoandro matetika ny zava-nitranga ara-tantara. Amin’ny ankapobeny anefa “ny tanàna rehetra, isaky ny 50 taona, dia ahitana fanakonam-bolana in-40 eo ho eo, ary fanakona-masoandro in-20, fa tsy takona tanteraka ny masoandro. Indray mandeha isaky ny 400 taona [kosa] vao misy fanakona-masoandro tanteraka.” (Rakipahalalana Britannica, 1971, Boky Faha-7, p. 907) Noho izany àry, rehefa tena fanakona-masoandro tanteraka no nitranga tany amin’ny toerana iray voafaritra tsara, vao azo antoka fa marina ny datin’ny zava-nitranga ara-tantara mifandray amin’io fanakona-masoandro io. Tsy manome fanazavana voafaritra tsara toy izany anefa ny ankamaroan’ireo soratra miendri-pantsika (na ny soratra hafa) fahiny.

Ity misy ohatra: Mampiasa fanakona-masoandro iray ny mpahay tantara mba hampifanarahana ny fanisan-taona asyrianina sy ny an’ny Baiboly. Voalaza ao amin’ny lisitry ny anaran’ireo mpitondra asyrianina fa nitranga izy io tamin’ny volana fahatelo (isaina avy eo amin’ny lohataona) nandritra ny fitondran’i Bour-Sagale. Lazain’ny manam-pahaizana fa tamin’ny 15 Jona 763 T.K. io fanakona-masoandro io. Raha avy eo izy ireo no manisa 90 taona (anarana 90 ao amin’ilay lisitra) mihemotra dia tonga eo amin’ny 853 T.K., datin’ny ady tao Karkar tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Salmanesera III. Voalaza fa nanonona an’i Ahaba mpanjakan’ny Israely ho mpiray dina tamin’ny fahavalo i Salmanesera, sady nilaza fa nandoa hetra taminy i Jeho mpanjakan’ny Israely, 12 taona tatỳ aoriana (taona faha-18 nitondran’i Salmanesera). Voalaza àry fa tamin’ny 853 T.K. i Ahaba no nanjaka farany, ary tamin’ny 841 T.K. i Jeho no nanomboka nanjaka. Mitombina ve izany?

Lazaina fa takona tanteraka ny masoandro tamin’izay, nefa tsy miresaka an’izany ilay lisitra. Tsy ny manam-pahaizana rehetra koa no milaza hoe tamin’ny 763 T.K. ilay fanakona-masoandro. Misy mantsy mifidy an’ilay tamin’ny 809 T.K., satria tazana tany Asyria izy io, fara faharatsiny, na dia tsy fanakona-masoandro tanteraka aza (toy ireo nitranga tamin’ny 857 sy 817 T.K., sy tamin’ny fotoana hafa). (Lisitry ny Fanakona-masoandro sy Fanakonam-bolana nataon’i Oppolzer, tabilao 17, 19, 21) Tsy te hanova an’ilay daty 763 T.K. ny mpahay tantara maoderina, satria ‘hampikorontana be ny tantaran’i Asyria’, hono, izany. Hitantsika teo aloha anefa fa ny Asyrianina mihitsy no efa nampikorontana ny tantarany.

Tsy nandray anjara tamin’ny ady tao Karkar mihitsy koa i Ahaba Mpanjaka. Tsy mifanandrify amin’io ady io mihitsy ny fotoana nanjakany na dia ahena ho 12 taona monja aza ny fotoana nanjakan’i Ahazia sy Jorama (teo anelanelan’i Ahaba sy Jeho; ampit. 1Mp 22:40, 51; 2Mp 1:2, 17; 3:1). Noho izany dia tsy ny taona voalohany nanjakan’i Jeho ilay noresahin’i Salmanesera. Ankoatra izany dia fantatra fa namboamboarin’ny Asyrianina ny taona nanafihany, ary nisy olona efa maty nolazainy fa nandoa hetra tamin’ny mpanjaka. Vao mainka izany tsy mampitombina an’ilay fampifanarahana ny fanisan-taona asyrianina sy ny an’ny Baiboly. Tamin’ny 920 T.K. i Ahaba no maty, ary tamin’ny 904 T.K. tany ho any i Jeho no nanomboka nanjaka, araka ilay tabilao ato hoe “Daty Miavaka Tamin’ny Andron’ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely.”

Lisitra nataon’i Ptolémée. I Claude Ptolémée dia astronoma grika tamin’ny taonjato faharoa, na 600 taona mahery taorian’ny nifaranan’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao. Nataony lisitra ireo mpanjaka tao amin’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao, ary nampifandraisina tamin’ny asa sorany momba ny fisehoan-javatra teny amin’ny lanitra io lisitra io. Mpahay tantara maro no manaiky ny fanazavan’i Ptolémée momba ireo mpanjaka ireo sy ny faharetan’ny fitondrany.

Taiza i Ptolémée no naka fanazavana? Azo inoana fa avy tamin’ny asa soratra tamin’ny andron’ny taranak’i Séleucus (nanomboka 250 taona mahery taorian’ny nandresen’i Kyrosy an’i Babylona). Izany no mampitovy ny tarehimarika nomen’i Ptolémée sy Bérose, mpisorona babylonianina tamin’ny andron’ny taranak’i Séleucus.

Fanakonam-bolana. Izy ireny no nentina nanamarinana ny daty nitondran’ny mpanjaka tao amin’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao. Ny lisitra nataon’i Ptolémée izay nalainy avy tamin’ny soratra miendri-pantsika no nampiasaina tamin’izany. Na dia marina aza ny daty nolazain’i Ptolémée fa nitrangan’ny fanakonam-bolana sasany (hitan’ny manam-pahaizana fa marina ny telo ampahadimin’ny daty nomeny), dia tsy voatery ho marina ny fomba nampifanitsiany an’ireny daty ireny tamin’ny daty nitondran’ny mpanjaka sasany.

Ohatra amin’izany ny daty nahafatesan’i Heroda Lehibe. Nilaza i Josèphe fa taoriana kelin’ny fanakonam-bolana iray nitranga taloha kelin’ny Paska no maty izy (Rakitry ny Ela Jiosy, XVII, 167 [vi, 4]; XVII, 188-214 [viii, 1–ix, 3]). Manam-pahaizana maro no milaza fa maty tamin’ny taona 4 T.K. i Heroda satria nisy fanakonam-bolana tamin’ny 11 Martsa (13 Martsa, kalandrie jolianina) tamin’io taona io. Izany no nahatonga ny manam-pahaizana maro hilaza fa tamin’ny taona 5 T.K. i Jesosy no teraka.

Ny ampahatelon’ny Volana ihany anefa no takona tamin’ilay fanakonam-bolana tamin’ny 4 T.K., sady vao mangiran-dratsy ilay izy no nitranga ka vitsy kely no mety ho nahatsikaritra izany. Nisy fanakonam-bolana indroa tamin’ny taona 1 T.K., izay samy nitranga taloha kelin’ny Paska. Nitranga tamin’ny 27 Desambra (29 Desambra, kalandrie jolianina) ny iray, ary tsy takona tanteraka ny Volana tamin’izay. Mety ho hita tany Jerosalema izy io nefa tsy niharihary be. Tamin’ny somambisamby mantsy izy io no nitranga, ary efa vita ilay izy rehefa tena latsaka ny alina, ka nibaliaka indray ny Volana fenomanana, araka ny Lisitry ny Fanakona-masoandro sy Fanakonam-bolana nataon’i Oppolzer (p. 343). Tsy tafiditra tao amin’ny lisitra feno nataon’i Manfred Kudlek sy Erich Mickler koa io fanakonam-bolana io. Tsy tena azo antoka àry hatramin’izao raha hita tany Jerosalema izy io na tsia. Ny tena niavaka anefa dia ilay fanakonam-bolana tamin’ny alina efa hadiva haraina tamin’ny 8 Janoary 1 T.K. (10 Janoary, kalandrie jolianina). Takona tanteraka ny Volana tamin’izay, ary naharitra adiny 1 sy 41 minitra ilay fanakonana. Tsy maintsy hitan’izay rehetra tsy natory izy io, na dia takon-drahona aza ny lanitra. Maro àry ny fanakonam-bolana nitranga taloha kelin’ny Paska nandritra ireo taona voaresaka tetsy aloha ireo. Ilay tamin’ny 8 Janoary 1 T.K. anefa hatramin’izao no azo inoana indrindra fa tazan’ny olona rehetra.—Fanakona-masoandro sy Fanakonam-bolana Tany Atsinanan’ny Ranomasina Mediterane Tamin’ny 3000 T.K. ka Hatramin’ny Taona 0. Misy Sarintany, nataon’i M. Kudlek sy E. Mickler; Neukirchen-Vluyn, Alemaina; 1971, Boky 1, p. 156.

Tsy ny fanakonam-bolana ihany no ampiasain’ny mpahay tantara mba hamaritana daty. Nisy koa kalandrie nilaza ny toeran’ny planeta sasany sy ny toerana nipoiran’ny Volana sy ny nahitana azy farany teny amin’ny lanitr’i Babylona, tamin’ny andro iray (toeran’ny Volana ampitahaina amin’ny toeran’ny kintana sasany. Ohatra: “Iray hakiho teo alohan’ny tongotra aorian’ny antokon-kintana liona no nisy ny Volana”). Voalaza fa afaka an’arivony taona ny zavatra eny amin’ny lanitra vao miverina eo amin’ireny toerana ireny indray. Lazain’ireny kalandrie ireny koa ny fotoana nitondran’ny mpanjaka sasany, izay toa mifanitsy amin’ireo tarehimarika ao amin’ny lisitra nataon’i Ptolémée. Misy mihevitra fa porofo tsy azo lavina izany. Misy antony mahatonga izany tsy ho azo antoka anefa.

Antony voalohany: Mety ho nisy diso ny fandinihana natao tany Babylona. Tena nahaliana ny Babylonianina mpandinika lanitra ny zava-nitranga teny akaikin’ny faravodilanitra, rehefa niposaka na nilentika ny Volana na ny Masoandro. Matetika anefa no takon’ny fasika nitorajofo ny faravodilanitr’i Babylona. Nilaza ny Profesora O. Neugebauer fa nitaraina i Ptolémée hoe “tsy azo antoka ny fandinihana planeta [tany Babylona fahiny]. Nilaza izy [Ptolémée] fa tsy tena nahomby ireo fandinihana natao fahiny, satria zavatra nipoitra sy nanjavona ary zavatra tsy nihetsika teny amin’ny lanitra no nifantohana, nefa sarotra be ny mandinika azy ireny.”—Ny Siansa Fahiny, 1957, p. 98.

Faharoa: Miresaka momba ny Fanjakana Babylonianina Vaovao sy Persianina ny ankamaroan’ireo kalandrie momba ny fisehoan-javatra eny amin’ny lanitra. Tsy nosoratana tamin’ny fotoana nitrangany anefa izy ireny fa tatỳ aoriana, tamin’ny andron’ny taranak’i Séleucus (312-65 T.K.). Lazain’ny mpahay tantara fa dika mitovy amin’ny soratra tranainy kokoa izy ireny. Tsy misy intsony ireo soratra tamin’ny andron’ny Fanjakana Babylonianina Vaovao sy Persianina ka sarotra ny manome ny daty sy ny zava-nitranga rehetra tamin’izany (faran’ny taonjato fahafito ka hatramin’ny faran’ny taonjato fahefatra).

Farany: Toy ny asa soratr’i Ptolémée ihany ireo asa soratra hafa hita. Marina ny ankamaroan’ny fanazavan’izy ireo momba ireo fisehoan-javatra teny amin’ny lanitra (araka ny fahazoana azy ankehitriny), fa mety ho diso kosa ny fanazavana ara-tantara miaraka aminy. Nampiasain’i Ptolémée ny fotoana nitondran’ireo mpanjaka fahiny (araka ny fahazoany azy) mba hametrahany ny fanazavany momba ny fisehoan-javatra teny amin’ny lanitra. Toy izany koa no nataon’ireo mpanoratra (na mpanao dika soratra) tamin’ny andron’ny taranak’i Séleucus: Nampidirin’izy ireo fotsiny tao amin’ny fanazavany momba ny fisehoan-javatra teny amin’ny lanitra, ny zava-nitranga ara-tantara araka ny filaharany “neken’ny rehetra” tamin’izany. Efa hitantsika anefa fa mety hisy diso ireny filaharan’ny zava-nitranga neken’ny rehetra ireny. Ohatra: Mety hilaza ny astronoma (na mpanao dika soratra) iray fahiny fa nisy zavatra nitranga teny amin’ny lanitra tamin’ny taona iray, (465 T.K. amin’ny kalandrientsika, ohatra), ary azo hamarinina amin’ny kajy izany. Mety hilaza koa anefa izy fa ny taona faha-21 nanjakan’i Ksersesy io taona io (465 T.K.). Diso tanteraka anefa izany. Mety ho marina àry ny fanazavana momba ny fisehoan-javatra teny amin’ny lanitra, fa mety ho diso kosa ny fanazavana ara-tantara miaraka aminy.

Daty omen’ny arkeology. Resahin’ny lahatsoratra ARKEOLOJIA ny olana momba ireo daty notombanana avy amin’ireo zavatra nofongarina tany ambanin’ny tany. Rehefa tsy misy soratra ahalalana daty eo amin’ireo sisan-javatra nofongarina dia fampitahana toy izao no azon’ny mpikaroka atao: Ny soson-tany iray feno sisan-javatra ato amin’ity dongon-tany ity dia nisy talohan’ny, na taorian’ny, na niara-nisy tamin’ny soson-tany iray ao amin’irỳ dongon-tany irỳ. Filaharana fe-potoana amin’ny ankapobeny àry no azo. Nahitsy sy novana foana anefa izany ka nisy elanelany an-jatony taona indraindray ny tsy fitoviana. Tamin’ny 1937, ohatra, dia 2500-2000 T.K. no fe-potoana nomen’i Barton (arkeology), an’ireo vilany tanimanga tamin’ny “fiandohan’ny fotoana fiparitahan’ny fampiasana halimo.” Herintaona taorian’izay anefa, dia nilaza i W. Albright fa 3200-2200 T.K. io fe-potoana io.

Hoy àry i G. Wright: “Tsy misy zavatra azo antoka firy eo amin’io sehatra io, fa ilaina ny mandroso hevitra manakaikikaiky ny marina. Ny fahamarinan’ireny hevitra ireny dia miankina amin’ny fahaizan’izy ireo [mpikaroka] manazava sy mampifanaraka an’ireo fanazavana tsy mitovy. Mety hilaina ny manova ny hevitra naroso, na mety hanome fanazavana hafa ny manam-pahaizana, rehefa misy fanazavana vaovao mipoitra.”— Tantaran’i Sekema, Tanàna ao Amin’ny Baiboly, 1965, sasin-teny p. 16.

Manamafy izany koa ity boky miresaka momba ny fiovaovan’ireo daty omen’ny manam-pahaizana ity. Hoy ny sasin-teny ao (p. 7): “Ny tanjon’ity boky ity dia ny hanome ny filaharan’ireo zava-nitranga tao amin’ireo faritra nifanakaiky araka ny fahitan’ny manam-pahaizana azy tamin’ny 1964. Mbola mety hiova anefa izany rehetra izany, na dia efa nisy fanazavana vaovao aza. Ho lany andro koa ny fanazavana sasany rehefa misy fanazavana vaovao hafa. Mety hitranga alohan’ny hivoahan’ity boky ity mihitsy aza izany.” (Fanisan-taona Omen’ny Arkeology Momba ny Tontolo Fahiny, nataon’i Robert Ehrich tamin’ny 1965 ho solon’ny boky iray tamin’ny 1954) Tsara hotadidina izany rehefa misy daty omen’ny arkeology momba ny nisian’ny tanàna, toa an’i Jeriko, na momba ny nahazoan’ny Israely an’i Palestina.

Mpahay tantara tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina fahiny. Ny asa soratr’izy ireo no ahalalana ny tantaran’ny Grika sy ny Romanina fahiny. Mampiasa an’ireny asa soratra ireny koa ny mpahay tantara maoderina mba hanamarinana ny fanazavana sasany na mba hamenoana ny banga amin’ny tantara fahiny momba an’i Ejipta, Asyria, Babylona, Persa, Syria, ary Palestina. Anisan’ny Grika mpahay tantara fahiny i Hérodote (t. 484-425 T.K.), Thucydide (t. 471-401 T.K.), Xénophon (t. 431-352 T.K.), Ctésias (taonjato fahadimy-fahefatra T.K.), ary tatỳ aoriana kokoa i Strabon, Diodore avy any Sicile, Alexandre Polyhistor tamin’ny taonjato voalohany T.K., ary Plutarque tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa A.K. Anisan’ny Romanina mpahay tantara kosa i Tite-Live (59 T.K.–17 A.K.); Trogue Pompée, niara-belona tamin’i Tite-Live; Pline Zokiny (23-79 A.K.); ary Sextus Julius Africanus (taonjato fahatelo A.K.), izay toa teraka tany Libya. Nahazoana fanazavana betsaka koa ny asa soratr’ireto mpahay tantara ireto: Manéthon sy Bérose (voaresaka tany aloha); Josèphe, Jiosy mpahay tantara izay nanoratra momba ny taonjato voalohany A.K. (na dia mifanohitra aza indraindray ny hevitra ao amin’ny asa sorany misy ankehitriny); ary Eusèbe, mpanoratra ny tantaran’ny Eglizy sady evekan’i Kaisaria (t. 260-340 A.K.).

Izy rehetra ireo dia velona taorian’ny andron’ny Asyrianina sy ny Fanjakana Babylonianina Vaovao. Ny efatra voalohany ihany no velona tamin’ny andron’ny Fanjakana Persianina. Tsy nanatri-maso ny zavatra nosoratany momba an’i Asyria sy ny Fanjakana Babylonianina Vaovao àry izy ireo. Lovantsofina reny na novakiny kosa no naveriny nadika. Miankina amin’ny fahamarinan’ny zavatra nakany hevitra àry ny fahamarinan’ny asa sorany.

Tsy ny asa soratr’izy ireo tany am-boalohany koa no ananantsika fa efa dika mitovy avy amina dika mitovy nadika imbetsaka, ka ny tranainy indrindra dia tamin’ny taona 500-1500 A.K. Efa hitantsika koa fa simban’ireo mpanao dika mitovy ny asa soratr’i Manéthon sy Bérose. Ary ireo mpahay tantara hafa tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina? Ampy fahaizana sy azo antoka ve izy ireo? Mariho izao:

Derain’ny olona i Hérodote noho ny fomba fanoratany tantara: Manontany izy, mitady fanazavana mifandray amin’izany, ary manatsoaka hevitra. Voalaza anefa fa “tsy mahafa-po ny fanazavany” indraindray, satria “ampiarahiny ny fanazavana ara-dalàna sy ireo tsy azon’ny saina ekena.” Hita amin’ny fomba fanoratany fa sady mpamorona tantara izy no mpahay tantara. (Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao, fanontana 1985, Boky Faha-5, p. 881, 882; fanontana 1910, Boky Faha-13, p. 383) Ary i Xénophon? Voalaza fa “tsy karazan’olona malala-tsaina, na mitandrina be, na manao fikarohana izy”, ary haingoiny “amin-javatra noforomporoniny” ny fitantarany. (Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao, 1987, Boky Faha-12, p. 796) I Ctésias indray dia voampanga ho ninia nanalava ny fotoana nitondran’ny Medianina. Nilaza i George Rawlinson fa “fampitomboana indroa be izao no niniany natao” ka “izay mpanjaka na fe-potoana voalazan’i Hérodote dia miverina indroa ao amin’ny lisitra nataon’i Ctésias. Hita be ilay fitaka fa mody nosaronana fotsiny tamin’ny anarana maro noforomporonina.”—Fanjakana Lehibe Fito Tany Atsinanana Fahiny, 1885, Boky Faha-2, p. 85.

Izao no voalaza momba ny tantaran’ny mpanjaka romanina (talohan’ny nisian’ny Repoblika): “Mifangaro be amin’ny angano izy io. Angano maromaro natambatra ilay izy, ary tsy nisy sahy nanakiana mihitsy. Tsy voahaja koa ny filaharan’ny zava-nitranga, raha tsy hoe angaha mba hampitohy fotsiny an’ilay tantara, na mba hamenoana ny banga, toy ilay teo anelanelan’ny nandosiran’i Enea avy tany Troie sy ny taona heverina fa nanorenana an’i Roma.” Na dia taorian’ny nisian’ny fitondrana Repoblika (t. 509 T.K.) aza, dia mbola nafangaron’ny mpahay tantara ihany ny lovantsofina nalaza sy ny tantara tena nisy, fa tsy navahany. “Nisy tetirazana noforonina, nisy koa anarana manam-pahefana (consul) [ny fotoana nitondran’ny consul no namaritan’ny Romanina daty] sy fandresena natsofoka fotsiny fa tsy tena nisy akory, ary nisy lovantsofin’ny fianakaviana ... natao anisan’ny tantaram-panjakana.” Izao kosa no voalaza momba an’ireo mpanoratra tantara romanina: “Izay zavatra voasoratra hitan’izy ireo no naveriny nadika; nofenoiny araka izay saim-pantany ireo fanazavana nisy banga.”—Ny Rakipahalalana Britannica, 1911, Boky Faha-16, p. 820, 821.

Thucydide. Tsy mitovy amin’ny mpahay tantara hafa voalaza tetsy aloha izy. Marina ny zavatra nosoratany sady nitandrina be izy rehefa nanao fikarohana. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1987, Boky Faha-11, p. 741): “Eken’ny olona kokoa ny asa sorany, tsy mba toy ny an’ny mpahay tantara hafa. Nohajainy tsara ny filaharan’ny zava-nitranga, ary nifanaraka tsara tamin’izany ireo fanakonam-bolana na fanakona-masoandro noresahiny. Azo hamarinina izany.”

Mety hilaina indraindray ny asa soratr’ireny mpahay tantara ireny, mba hahalalan-javatra, toy ny andron’ny Persianina (resahin’ny bokin’i Ezra, Nehemia, ary Estera) ka hatrany amin’ny andron’ny apostoly. Manampy koa izy ireny mba hahalalana hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no tanteraka ny ampahan’ny faminanian’i Daniela (toko 7-9, 11) izay tonga hatrany aorian’ny andron’ny apostoly. Efa hita tetsy aloha anefa fa tsy afaka mifampitaha amin’ny an’ny Baiboly ny fanisan-taonan’izy ireo sy ny tantara nosoratany. Rehefa misy tsy fitoviana, dia ny Baiboly no azo antoka satria olona tena nahita izay nitranga no nanoratra azy io, na olona toa an’i Lioka, izay niteny hoe: “Nofotorako tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady efa nohamariniko.” (Lk 1:1-4) Marina tsara ny fotoana nosoratan’i Lioka sy ny mpanoratra hafa, ka azo omena daty hentitra ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy sy tamin’ny andron’ny apostoly.—Mt 2:1, 19-22; Lk 3:1-3, 21-23; sy ny maro hafa koa.

Fanisana fotoana ao amin’ny Baiboly. Mila mitandrina foana izay mampiasa ny asa soratry ny mpahay tantara fahiny satria iaraha-mahalala fa maro be ny zavatra tsy marina raketiny, ka azo inoana fa misy diso koa ny fanisan-taonany. Marina daholo kosa anefa izay lazain’ny Baiboly, indrindra fa ireo zava-nitranga fahiny. Azo antoka koa àry ny fanisan-taonany.—Jereo BAIBOLY (Marina).

Raha tiantsika homena daty amin’ny kalandrie maoderina ny fotoana ao amin’ny Baiboly dia tsara hotadidina fa tsy mitovy ny isa tsotra sy ny isa milaza filaharana. Ny isa tsotra, toy ny hoe 1, 2, 3, 10, 100, dia isa feno. Ny isa milaza filaharana kosa, toy ny hoe faha-3, faha-5, ary faha-22, dia tokony hanalana iray vao ahazoana isa feno. Isa milaza filaharana, ohatra, ny hoe taona “fahavalo ambin’ny folo” nanjakan’i Nebokadrezara. Taona 17 feno izany, miampy andro na herinandro na volana maromaro (isaina manomboka eo amin’ny faran’ny taona faha-17).—Je 52:29.

Raha manisa taona avy amin’ny vanim-potoana “T.K.” mankamin’ny vanim-potoana “A.K.” isika, dia tsara hotadidina hoe herintaona fa tsy roa taona ny eo anelanelan’ny 1 Oktobra 1 T.K. sy ny 1 Oktobra 1 A.K., araka ity kisarisary ity:

T.K. A.K.

2 1 1 2

1 Okt. 1 Okt.

Isa milaza filaharana mantsy ny taona fa tsy isa tsotra. Teo anelanelan’ny 1 Oktobra 2 T.K. (toa ny daty nahaterahan’i Jesosy) sy ny 1 Oktobra 29 A.K. (toa ny datin’ny batisan’i Jesosy) dia nisy 30 taona, izany hoe nisy herintaona sy 3 volana tamin’ny vanim-potoana T.K., ary nisy 28 taona feno sy 9 volana tamin’ny vanim-potoana A.K.—Lk 3:21-23.

Nanomboka tamin’ny famoronana ny olombelona ka hatramin’izao. Tsy afaka milaza ny daty hentitra niandohan’ny “tantaran’ny” olombelona ny mpahay tantara maoderina. Lasa tsy azo antoka sy miovaova mantsy ny fanisan-taonan’i Asyria sy Babylona ary Ejipta arakaraka ny hiverenana any amin’ny lasa, any amin’ny 2 000 taona T.K. Vao mainka izany misafotofoto sy maizina rehefa any amin’ny 3 000 taona T.K. Mifampitohy tsara kosa anefa ny tantara ao amin’ny Baiboly, ka azo atao ny manisa miverina hatrany amin’ny fiandohan’ny tantaran’ny olombelona. Tena manampy ny fisian’ny fe-potoana lava, toy ireo 479 taona feno teo anelanelan’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta sy ny nanombohan’i Solomona Mpanjaka nanorina ny tempoly.—1Mp 6:1.

Mba hanomezana daty hentitra an’ireo zava-nitranga fahiny, dia tokony hisy daty iaingana. Tokony ho daty manan-tantara efa nohamarinina sy eken’ny olona izy io, sady mifanitsy amin’ny zava-nitranga iray ao amin’ny Baiboly. Avy eo amin’iny daty iny no manisa mandroso na mihemotra, mba hahafahana manome daty an’ireo zava-nitranga hafa resahin’ny Baiboly.

Azo raisina ho daty iaingana ny taona 29 A.K. satria nisy zava-nitranga ara-tantara sy ara-baiboly tamin’io. Ny fiandohan’ny 29 A.K. mantsy dia mbola anisan’ny taona faha-15 nitondran’i Tiberio Kaisara, satria tamin’ny 15 Septambra 14 A.K. (kalandrie gregorianina) izy no voatendrin’ny Antenimieran-doholona Romanina. Tamin’ny 29 A.K. koa i Jaona Mpanao Batisa no nanomboka nitory sy nanao batisa an’i Jesosy (enim-bolana teo ho eo angamba ny elanelan’ireo zava-nitranga roa ireo).—Lk 3:1-3, 21, 23; 1:36.

Daty azo iaingana koa ny taona 539 T.K. Asa soratra maro no manaiky fa tamin’io taona io i Kyrosy Persianina no nandresy an’i Babylona. (Anisan’izany ny asa soratr’i Diodore, Africanus, Eusèbe, Ptolémée, ary ireo takelaka tanimanga babylonianina) Namoaka didy hanafahana ny Jiosy tany an-tsesitany i Kyrosy tamin’ny taona voalohany nitondrany. Resahin’ny lahatsoratra KYROSY, fa toa tamin’ny ririnina 538 T.K. na tany amin’ny lohataona 537 T.K. no navoaka io didy io. Nanam-potoana hiomanana sy hanaovana ilay dia naharitra efa-bolana nankany Jerosalema àry ny Jiosy, mba hahatongavana tany, tamin’ny volana fahafito (Tisry) 537 T.K., izany hoe tamin’ny 1 Oktobra tany ho any.—Ezr 1:1-11; 2:64-70; 3:1.

Maro be ny zava-nitranga raketin’ny Baiboly azo omena daty hentitra noho ny fisian’ireny daty iaingana ireny. Toy izao ny ambangovangony amin’ilay fanisan-taona:

Zava-nitranga Taona Nitrangany Elanelam-potoana

Avy eo amin’ny famoronana

an’i Adama 4026 T.K.

Ka hatramin’ny Safodrano 2370 T.K. 1 656 taona

Ka hatramin’ny nampanan-kery

ny fifanekena tamin’i Abrahama

1943 T.K. 427 taona

Ka hatramin’ny fanafahana

tany Ejipta 1513 T.K. 430 taona

Ka hatramin’ny fanorenana

ny tempoly 1034 T.K. 479 taona

Ka hatramin’ny nizaran’ny

fanjakana 997 T.K. 37 taona

Ka hatramin’ny nahalao

an’i Joda 607 T.K. 390 taona

Ka hatramin’ny nodian’ny Jiosy

avy tany an-tsesitany 537 T.K. 70 taona

Ka hatramin’ny nanorenana indray

ny mandan’i Jerosalema 455 T.K. 82 taona

Ka hatramin’ny batisan’i Jesosy

29 T.K. 483 taona

Ka hatramin’izao 2014 A.K. 1 985 taona

Tontalin’ireo taona

avy eo amin’ny famoronana an’i Adama

ka hatramin’ny 2014 6 039 taona

Inona no porofo omen’ny Baiboly sy omen’ny mpahay tantara ka manamarina an’io fanisan-taona io? Hohazavaina manaraka eto hoe ahoana no nahalalana an’ireo halavam-potoana ireo.

Nanomboka tamin’ny famoronana an’i Adama ka hatramin’ny Safodrano. Naharitra 1 656 taona io fe-potoana io araka ny Genesisy 5:1-29; 7:6. Asehon’ny efajoro etsy ambany eo amin’ny ilany havanana ny tsipirian’izy io.

Elanelan’ny namoronana an’i Adama

sy ny nahaterahan’i Seta 130 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Seta sy Enosa 105 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Enosa sy Kenana 90 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Kenana sy Mahalalila 70 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Mahalalila sy Jareda 65 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Jareda sy Enoka 162 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Enoka sy Metosela 65 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Metosela sy Lameka 187 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Lameka sy Noa 182 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Noa sy ny Safodrano 600 taona

Tontaliny 1 656 taona

Ireo taona talohan’ny Safodrano ireo dia nalaina tao amin’ny soratra amin’ny teny hebreo nataon’ny Masoreta (io no nakana ny dikan-tenin’ny Soratra Hebreo maoderina). Tsy mitovy amin’ireo taona ireo ny voalazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Voaporofo anefa fa marina ny an’ny soratra nataon’ny Masoreta.

Lazain’ny Fanazavana ny Soratra Masina nataon’i Lange (Genesisy, p. 272, f.a.p.) fa voaporofo hoe “azo antoka kokoa ny soratra amin’ny teny hebreo [nataon’ny Masoreta] raha eo amin’ny resaka taona ahafahan’ny olona miteraka sy ny halavan’ny androm-piainany. Hita be mantsy hoe manaraka fitsipika maty paika ireo tarehimarika ao amin’ny LXX. Tsy mba toy izany ny soratra amin’ny teny hebreo ka azo antoka fa marina ny tetirazana omeny. ... Raha jerena koa ny toe-batan’olombelona, dia aleo ihany izay voalazan’ny soratra amin’ny teny hebreo. Toa tian’ny LXX hifanahantsahana mantsy ny taona ahafahana miteraka sy ny halavan’ny androm-piainana, ka nampiany 100 taona avy ny taona ahafahana miteraka. Tsy miankina amin’ny halavan’ny androm-piainana anefa ny taona ahafahana miteraka. ... Ny soratra amin’ny teny hebreo koa, no azo heverina ho toy ny soratra tany am-boalohany satria iaraha-mahalala fa diso nitandrina loatra mihitsy aza, ireo nitahiry sy niaro an’ireo soratra.”—Nadikan’i P. Schaff, 1976.

Milaza ny mpahay tantara maoderina fa efa an’arivorivony taona talohan’ny 4026 T.K. no nisian’ny olombelona. Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy. Tombantombana fotsiny mantsy ny zavatra fantatra momba izany taona rehetra izany satria mbola tsy nisy tantara voasoratra. Hoy i P. Klopsteg momba izany: ‘Andao hitsangantsangana an’eritreritra ka haminavina ny fahagolan-tany, fony mbola tsy nisy tantara voasoratra. Ekeo fotsiny hoe nisy ny vanim-potoana nipoiran’ny razamben’ny olombelona avy amin’ny fianakaviamben’ny rajako. Mandehana haingana mamakivaky ireo an’arivorivony taona mandra-pahatonga anao any amin’ny vanim-potoana nisian’ny soratra voalohany. Tombantombana sy hevitr’olona manokana fotsiny mantsy ny ankamaroan’ny fanazavana ananantsika momba ireo taona ireo. Rehefa nisy ny soratra, dia mba nisy fanazavana sasany ihany azo notsimponina.’ (Izahay no manao sora-mandry.)—Siansa, 30 Desambra 1960, p. 1914.

Nanomboka tamin’ny 2369 T.K. ny vanim-potoana taorian’ny Safodrano. Nisy kisarisary anefa nolazaina fa natao tamin’ny 3300-2800 T.K. (Zava-baovao Hita Tany Babylonia Momba ny Genesisy, nataon’i P. Wiseman, 1949, p. 36) Tsy misy daty voasoratra eo amin’izy ireny fa tombantombana fotsiny ny daty omen’ny mpikaroka.

Tian’ny olona ny teknika karbonina 14 (C-14) mba hamaritana daty, nefa misy tsininy ihany izy io. Hoy ny gazetiboky Siansa tamin’ny 11 Desambra 1959, p. 1630: ‘“Tsy azo antoka ny teknika C14.” Ohatra manamafy izany ireo fanandramana 11 nampiasana an’io teknika io tao Jarmo, tanàna fahiny any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Irak. Nisy elanelany 6 000 taona ireo daty hita tamin’izany ... Asehon’ny fikarohana tany ambanin’ny tany anefa fa nandritra ny 500 taona nisesy monja no nisy nipetraka tao.’ Tsy misy àry porofo manamarina hoe talohan’ny 2369 T.K. no nisy ny tontolo taorian’ny Safodrano.

Tamin’ny 2370 T.K. ka hatramin’ny fifanekena tamin’i Abrahama. Azo tsinjaraina toy izao io fe-potoana io:

Avy eo amin’ny Safodrano ka hatramin’ny

nahaterahan’i Arpaksada 2 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Arpaksada sy Sela 35 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Sela sy Ebera 30 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Ebera sy Palega 34 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Palega sy Reo 30 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Reo sy Seroga 32 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Seroga sy Nahora 30 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Nahora sy Tera 29 taona

Elanelan’ny nahaterahan’i Tera sy ny nahafatesany

(75 taona i Abrahama) 205 taona

Tontaliny 427 taona

Nalaina avy tamin’ny Genesisy 11:10–12:4 ireo tarehimarika ireo. Voalaza fa teraka “taorian’ny safodrano” i Arpaksada. (Ge 11:10) Ilay fotoana nilatsahan’ny orana rehefa niandoha ny Safodrano (2370 T.K.) no atao hoe “safodrano” eto, fa tsy ny fotoana elaela nijanonan’ny rano teto an-tany. Manamarina izany ny dikan’ny hoe “safodrano” amin’ny teny hebreo.—Ampit. Ge 6:17; 7:4-6, 10-12, 17; 9:11.

Tsy voalaza ny daty nanombohan’ny fanorenana ny Tilikambon’i Babela. Milaza anefa ny Genesisy 10:25 fa ‘tamin’ny andron’i Palega’ no nisy ilay fizarazarana vokatry ny fiteny nisafotofoto. Tsy voatery hoe tamin’ny fotoana nahaterahan’i Palega izany no nitranga na taoriana kelin’izay, fa fony fahavelony fotsiny, izany hoe teo anelanelan’ny 2269 T.K. sy 2030 T.K. Efa betsaka ve ny olona tamin’izany? Aoka hatao hoe efa feno 30 taona ny lehilahy tsirairay velona taorian’ny Safodrano vao nanomboka niteraka zaza iray isaky ny telo taona, ary lahy iray isaky ny enin-taona teo ho eo. Raha niteraka foana izy hatramin’ny 90 taona, dia ho nahatratra 4 000 mahery ny isan’ny lehilahy lehibe teto an-tany tamin’ny 2189 T.K., izany hoe 180 taona taorian’ny faran’ny Safodrano. Isa faran’izay kely no nalaina tamin’io tombantombana io, nefa efa ahazoana isan’olona ampy tsara mba hanorina an’ilay tilikambo, sy hiparitaka rehefa avy eo.

Azo inoana fa tamin’i Abrahama niampita an’i Eofrata mba ho any Kanana, no nataon’i Jehovah nanan-kery ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama. Tamin’ny 1943 T.K. àry io fifanekena io no nanomboka nanan-kery satria taorian’ny nahafatesan’i Tera rainy i Abrahama no niala tao Harana ary niditra tao amin’ny tany Kanana.—Ge 11:32; 12:1-5.

Tamin’ny 1943 T.K. ka hatramin’ny nanafahana ny Israelita tany Ejipta. Hoy ny Eksodosy 12:40, 41: “Nivahiny an-tanin’olona nandritra ny telopolo sy efajato taona ny zanak’Israely izay nonina tany Ejipta. Ary tamin’ilay andro nifaranan’ny telopolo sy efajato taona iny indrindra, no nivoaka avy tao Ejipta ny tafik’i Jehovah rehetra.” Mifanaraka amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany io nandikana ny andininy faha-40 io, na dia maro aza ny fandikan-teny milaza fa tany Ejipta foana ny Israelita nandritra an’io 430 taona io. Lazain’i Paoly ao amin’ny Galatianina 3:16, 17 fa nanomboka ireo 430 taona ireo raha vao nanan-kery ilay fifanekena natao tamin’i Abrahama ary nifarana izany rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna. Nanomboka nanan-kery ny fifanekena natao tamin’i Abrahama rehefa nasehony fa nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy ka niampita an’i Eofrata tamin’ny 1943 T.K. mba ho any Kanana, ka hiditra tao amin’ilay “tany” nasain’Andriamanitra nalehany. (Ge 12:1; 15:18-21) Nafahana avy tany Ejipta ny taranany 430 taona katroka taorian’izay, tamin’ny 1513 T.K. Tamin’io taona io koa no natao ny fifaneken’ny Lalàna. Efa hatramin’ny ela no fantatra hoe tamin’ny fotoana nifindran’ny razamben’izy ireo nankany Kanana no nanomboka ireo 430 taona ao amin’ny Eksodosy 12:40, 41. Manaporofo izany toy izao ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo: “Telopolo sy efajato taona no nivahinian’ny zanak’Israely tany Ejipta sy tany Kanana.”

Nanomboka tamin’ny nankanesan’i Abrahama tany Kanana ka hatramin’ny nidinan’i Jakoba tany Ejipta, dia nisy 215 taona. Ahoana no ahalalana izany? Nisy 25 taona teo anelanelan’ny fotoana nialan’i Abrahama tao Harana sy ny nahaterahan’i Isaka (Ge 12:4; 21:5); 60 taona taorian’izay no teraka i Jakoba (Ge 25:26); ary 130 taona i Jakoba tamin’izy nankany Ejipta (Ge 47:9), ka 215 taona ny tontalin’izany (1943-1728 T.K.). Midika izany fa mbola nisy 215 taona hafa taorian’izay, nijanonan’ny Israelita tany Ejipta (1728-1513 T.K.). Ampy tsara ny 215 taona mba hisian’ny “vatan-dehilahy” 600 000 teo amin’ny Israelita. Manazava izany ilay lahatsoratra hoe FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA.—Ek 12:37.

Hoy i Jehovah tamin’i Abrama (Abrahama): “Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao. Ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo, ka hampahoriny efajato taona.” (Ge 15:13; jereo koa As 7:6, 7) Mbola tsy teraka tamin’izay i Isaka, ilay mpandova na “taranaka” nampanantenaina. Teraka tamin’ny 1932 T.K. i Ismaela, zanak’i Abrama tamin’i Hagara, mpanompovavy ejipsianina. Tamin’ny 1918 T.K. kosa i Isaka no teraka. (Ge 16:16; 21:5) Nifarana ilay ‘fampahoriana’ (Ge 15:14) rehefa nafahana tany Ejipta ny Israelita (1513 T.K.). Raha avy eo no manisa 400 taona mihemotra, dia tonga any amin’ny 1913 T.K. Dimy taona teo ho eo i Isaka tamin’izay, ary nosarahi-nono. Efa “vahiny” nonina tany an-tanin’olona sahady izy, ary nanomboka koa ilay fampahoriana nambara mialoha, satria “nihomehy naneso” azy i Ismaela, izay 19 taona teo ho eo tamin’izay. (Ge 21:8, 9) Tsy azo hamaivanina mihitsy io fanesoan’i Ismaela an’ilay mpandova an’i Abrahama io, fa tena zava-dehibe tamin’izany andro izany, matoa tezitra be i Saraha ka nanizingizina ny handroahana an’i Hagara sy Ismaela, ary nankasitraka izany Andriamanitra. (Ge 21:10-13) Matoa izany nosoratana tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ny Baiboly, dia nanomboka teo ilay fampahoriana 400 taona nambara mialoha, izay nifarana rehefa niala tany Ejipta ny Israelita.—Ga 4:29.

Tamin’ny 1513 T.K. ka hatramin’ny fizaran’ny fanjakana. Nanomboka naorina ny tempoly tao Jerosalema “tamin’ny taona fahavalopolo sy efajato taorian’ny nivoahan’ny zanak’Israely avy tany Ejipta”, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona. (1Mp 6:1) Isa milaza filaharana ny hoe “fahavalopolo sy efajato”, izany hoe 479 taona feno miampy fotoana kelikely (iray volana). Raha avy eo amin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta (Nisana 1513 T.K.) no manisa 479 taona dia tonga eo amin’ny 1034 T.K. Tamin’io taona io no natomboka ny fanorenana ny tempoly, tamin’ny volana faharoa, izany hoe ny volana Ziva (tapatapaky ny Aprily sy tapatapaky ny Mey). Io koa no taona fahefatra (isa milaza filaharana) nitondran’i Solomona. Telo taona feno talohan’izay àry i Solomona no nanomboka nitondra, tamin’ny Nisana 1037 T.K. Ireo 40 taona nitondrany dia nifarana tamin’ny Nisana 997 T.K., taona nizaran’ny fanjakana. Asehon’io efajoro io ny fitsinjarana izany fotoana rehetra izany.

Zava-nitranga Taona Nitrangany Elanelam-potoana

Avy eo amin’ny fanafahana

tany Ejipta 1513 T.K.

ka hatramin’ny

nidiran’ny Israely 1473 T.K. 40 taona

tao Kanana

ka hatramin’ny

nifaranan’ny

andron’ny Mpitsara

ary ny nanombohan’ny

fanjakan’i Saoly

ka hatramin’ny 1117 T.K. 356 taona

nanombohan’ny 1077 T.K. 40 taona

fanjakan’i Davida

ka hatramin’ny

nanombohan’ny 1037 T.K. 40 taona

fanjakan’i Solomona

ka hatramin’ny

fizaran’ny fanjakana 997 T.K. 40 taona

Tontalin’ny taona nanomboka

tamin’ny fanafahana tany Ejipta

ka hatramin’ny nizaran’ny fanjakana

(1513-997 T.K.) 516 taona

Tao amin’ny Deoteronomia 2:7; 29:5; Asan’ny Apostoly 13:21; 2 Samoela 5:4; 1 Mpanjaka 11:42, 43; 12:1-20 no nakana ireo isa ireo. Misy manakiana hoe tsy marina io fanisana io fa ‘te hampitovy isa’ fotsiny ireo nanoratra ny Baiboly, matoa misy 40 taona miverina inefatra. Tsy voatery ho 40 taona feno daholo anefa ireo voalaza ireo. Ny hany 40 taona feno dia ilay nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra noho ny didim-pitsaran’Andriamanitra ao amin’ny Nomery 14:33, 34 (ampit. Ek 12:2, 3, 6, 17; De 1:31; 8:2-4; Js 4:19). Nitondra nandritra ny 401⁄2 taona, ohatra, i Davida araka ny 2 Samoela 5:5. Toa fanao taloha ny manisa ny fotoana nitondran’ny mpanjaka nanomboka tamin’ny Nisana ka hatramin’ny Nisana. Raha io no ampiharina, dia naharitra 391⁄2 taona monja ny fitondran’i Saoly Mpanjaka. Ireo volana ambiny mandra-pahatongan’ny Nisana nanaraka anefa dia nisaina ho anisan’ny fitondrany fa tsy nampidirina tao amin’ilay fitondran’i Davida naharitra 40 taona. Fanao teo amin’ny mpitondra taranak’i Sema tany Mezopotamia izany. Ireo volana teo anelanelan’ny nahafatesan’ny mpanjaka iray sy ny Nisana manaraka dia nantsoina hoe “fe-potoana nahazoana fahefana” ho an’ilay mpanjaka nandimby. Rehefa tonga io volana Nisana io vao tena nisaina ny taona voalohany nitondrany.

Tsy voalaza ny fotoana teo anelanelan’ny nidiran’ny Israelita tao Kanana sy ny faran’ny fotoana nisian’ny Mpitsara, fa azo atao kajy toy izao: Ireo 479 taona (teo anelanelan’ny fanafahana tany Ejipta sy ny taona fahefatra nitondran’i Solomona) no analana 123 taona (tontalin’ny fotoana nivezivezena tany an-tany efitra sy nanjakan’i Saoly sy Davida, ary ireo telo taona voalohany nitondran’i Solomona) ka manome 356 taona.

Tsy voalaza ny tsipiriany momba ireo 356 taona ireo (teo anelanelan’ny nidiran’ny Israely tao Kanana tamin’ny 1473 T.K. sy ny niandohan’ny fitondran’i Saoly tamin’ny 1117 T.K.). Azo antoka fa nisy fotoana nifanindry tao satria asehon’ny bokin’ny Mpitsara fa 410 taona ny tontalin’ny fotoana nisian’ny fampahoriana, sy nisian’ny Mpitsara ary nisian’ny filaminana. Mba hahatonga an’ireo zava-nitranga ireo ho tafiditra ao anatin’ny 356 taona, dia tsy maintsy niara-niseho ny sasany tamin’ireo fa tsy nisesy, ary miombon-kevitra amin’izany ny ankamaroan’ny mpivaofy teny. Mifanaraka amin’izany koa ny fitantaran’ny Baiboly. Tsy ny faritra rehetra sy ny foko rehetra akory no niara-voa rehefa nisy fampahoriana. (SARINTANY, Boky 1, p. 743) Voalaza fa “tsy nisy korontana intsony teo amin’ilay tany” rehefa resin’ny Israelita ny mpampahory azy. Tsy ilay tany manontolo nisy ireo foko 12 akory no voakasik’izany, fa izay faritra niharan’ny fampahoriana ihany.—Mpts 3:11, 30; 5:31; 8:28; ampit. Js 14:13-15.

Notantarain’i Paoly tao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-13 ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Israely: Ny ‘nifidianana ny razan’izy ireo’, ny nijanonana tany Ejipta sy ny nialana tany, ny nivezivezena tany an-tany efitra, ny nanafihana an’i Kanana ary ny nizarana an’ilay tany. Hoy izy avy eo: “Naharitra dimampolo sy efajato taona teo ho eo izany rehetra izany. Ary nanaraka izany, dia nomeny mpitsara izy ireo, hatreo amin’i Samoela mpaminany.” (As 13:20) Miteraka adihevitra ny nandikan’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques an’io andininy io toy izao: “Ary nomeny mpitsara nandritra ny dimampolo sy efajato taona teo ho eo izy ireo hatreo amin’i Samoela mpaminany.” Tsy manaiky izany anefa ny ankamaroan’ny sora-tanana tranainy (anisan’izany ny Sinaiticus, Sora-tanana Vaticanus No. 1209, ary ny Alexandrinus) sy ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina (toy ny Prot., Kat., DIEM, JB). Lazain’izy ireo fa taorian’ny 450 taona ny andron’ny Mpitsara. Koa satria nanomboka ilay “dimampolo sy efajato taona teo ho eo” rehefa ‘nifidy ny razan’ny’ Israely Andriamanitra, dia azo inoana fa nanomboka tamin’ny 1918 T.K. izany, rehefa teraka i Isaka, ilay “taranaka” voalohany nampanantenaina an’i Abrahama. Nifarana tamin’ny 1467 T.K. teo ho eo àry io fe-potoana io, rehefa nifarana ny fanafihana an’i Kanana, ka azo nozaraina ilay tany. Tsy hentitra be ireo isa ireo, ka tsy manova zavatra be raha mihoatra na latsaka herintaona eo ho eo.

Tamin’ny 997 T.K. ka hatramin’ny naharava an’i Jerosalema. Ahalalana ny fe-potoana nitondran’ireo mpanjaka ny Ezekiela 4:1-7. Nasain’Andriamanitra mody nanao fahirano an’i Jerosalema i Ezekiela, ka nandry tamin’ny ilany havia nandritra ny 390 andro mba ‘hitondra ny fahadisoan’ny taranak’Israely’, ary nandry tamin’ny ilany havanana nandritra ny 40 andro mba ‘hitondra ny fahadisoan’ny taranak’i Joda.’ Isaina ho taona iray ny andro iray. Ireo fe-potoana roa ireo (390 taona sy 40 taona) dia manondro ny fotoana nizakan’i Jehovah an’ireo fanjakana roa nanompo sampy ireo. Toy izao no fahazoan’ny Jiosy an’io faminaniana io, araka Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino (fanazavana ny Ezekiela, p. 20, 21): “Naharitra 390 taona ny fahadisoan’ny Fanjakana Tany Avaratra ([araka ny] Seder Olam [fanisan-taona hebreo tranainy indrindra taorian’ny sesitany], [sy ireo Raby] Rashi sy Ibn Ezra). Nilaza i Malbim fa nisain’i Abarbanel nanomboka tamin’ny fizaran’ny fanjakana tamin’ny andron’i Rehoboama ny fahotan’i Samaria ... ka hatrany amin’ny faharavan’i Jerosalema. ... Ilay [ilany] havanana [nandrian’i Ezekiela] dia manondro ny atsimo, izany hoe ny Fanjakan’ny Joda tany atsimo na tany amin’ny ilany havanana. ... Naharitra efapolo taona ny fahadisoan’ny Joda, izay nanomboka taoriana kelin’ny naharava an’i Samaria. Nilaza i Malbim fa manomboka eo amin’ny taona fahatelo ambin’ny folo nanjakan’i Josia io fotoana io no isaina ... rehefa nanomboka ny fanompoany i Jeremia. (Je 1:2).”—Nataon’i A. Cohen, Londres, 1950.

Nisy 390 taona teo anelanelan’ny 997 T.K. (fizaran’ny fanjakana) sy 607 T.K. (faharavan’i Jerosalema). Marina fa efa tamin’ny 740 T.K. i Samaria, renivohitry ny fanjakana tany avaratra, no resin’i Asyria, tamin’ny taona fahenina nitondran’i Hezekia. (2Mp 18:9, 10) Azo inoana anefa fa nisy mponina nandositra tany amin’ny fanjakana tany atsimo talohan’ny nanafihan’i Asyria. (Mariho koa izay nitranga tany Joda taorian’ny nizaran’ny fanjakana, araka ny 2Ta 10:16, 17.) Ankoatra izany, dia mbola nifantoka tamin’ireo anisan’ny fanjakana tany avaratra natao sesitany ihany i Jehovah ka niresaka momba azy ireo ny hafatr’ireo mpaminany, na dia efa ela aza no rava i Samaria. Asehon’izany fa nisy solontenan’ny fanjakana tany avaratra mbola nandray soa avy tamin’izay nitranga tao Jerosalema renivohitra, ka rehefa rava i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., dia tsy ny fanjakan’ny Joda irery no niharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah fa ny firenen’Israely manontolo. (Je 3:11-22; 11:10-12, 17; Ezk 9:9, 10) Rehefa rava ilay tanàna dia very fanantenana ilay firenena iray manontolo, afa-tsy ireo olom-bitsy tena nanam-pinoana.—Ezk 37:11-14, 21, 22.

Fe-potoana azo antoka io 390 taona io ary narahina ao amin’ilay tabilao atsy ambadika. Misy 393 taona anefa ny tontalin’ny taona nitondran’ny mpanjaka rehetra tao Joda nanomboka tamin’i Rehoboama ka hatramin’i Zedekia. Mba hampifanarahana an’izany, dia misy manam-pahaizana milaza fa imbetsaka no nisy mpanjaka niara-nitondra sy nisy “tetezamita” tany Joda. Toa indray mandeha ihany anefa no tena nisy mpanjaka niara-nitondra tany. Voalazan’ny soratra nataon’ny Masoreta sy ny Baiboly sora-tanana sasany tranainy indrindra mantsy fa lasa mpanjaka koa i Jorama “fony i Josafata no mpanjakan’ny Joda.” (2Mp 8:16) Tafiditra ao anatin’ny 390 taona ihany àry ny fotoana nisian’ny mpanjaka.

Tsy daty hentitra no omen’ilay tabilao, fa soso-kevitra momba ny fotoana nitondran’ny mpanjaka tao amin’ireo fanjakana roa. Tsy nitovy mantsy indraindray ny fomba fanisana fotoana nampiasain’ireo mpanoratra Baiboly tany am-boalohany. Tsy niteraka olana anefa izany satria samy nahalala tsara ny zava-nitranga sy ny tarehimarika voalaza ireo mpanoratra sy ireo Jiosy tamin’izany. Tsy toy izany anefa ankehitriny. Tsy daty hentitra no omen’ilay tabilao nefa mahafa-po antsika satria mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly.

Tamin’ny 607 T.K. ka hatramin’ny niverenana avy tany an-tsesitany. Ity didim-pitsaran’i Jehovah momba an’i Joda ity no ahalalana an’io fe-potoana io: “Ho rava tanteraka ity tany manontolo ity ka higagan’ny olona. Ary ireo firenena ireo kosa hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona.”—Je 25:8-11.

Ny hany ampiharan’ny Baiboly an’ilay faminaniana momba ny 70 taona, dia ilay teo anelanelan’ny nahalao an’i Joda taorian’ny naharava an’i Jerosalema, sy ny nodian’ny Jiosy an-tanindrazana noho ny didy navoakan’i Kyrosy. Voalaza fa 70 taona no haharava an’i Joda. Toy izany no nahazoan’i Daniela an’ilay faminaniana satria hoy izy: “Izaho Daniela dia nandinika an’izay noraketin’ny boky, ka nahafantatra ny isan’ireo taona aharavan’i Jerosalema, araka ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia mpaminany. Fantatro àry fa fitopolo taona izany.” (Da 9:2) Hoy ny 2 Tantara 36:20, 21, momba ny nandresen’i Nebokadnezara an’i Jerosalema: “Dia nentiny ho babo tany Babylona izay sisa tsy matin-tsabatra, ka nanjary nanompo azy sy ny taranany, mandra-pitondran’ny fanjakan’i Persa. Izany dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia, mandra-panonitr’ilay tany ny sabatany. Nitandrina sabata ilay tany nandritra ny andro rehetra tsy nisian’ny mponina teo aminy, mandra-pahatapitry ny fitopolo taona.”

Natao fahirano farany i Jerosalema tamin’ny taona faha-9 nitondran’i Zedekia (609 T.K.), ary resy ilay tanàna tamin’ny taona faha-11 nitondrany (607 T.K.). Taona faha-19 nitondran’i Nebokadnezara tamin’izay (isaina avy eo amin’ny 625 T.K., taona nahazoany fahefana). (2Mp 25:1-8) Kilan’ny afo ilay tanàna, rava ny manda, ary lasa tany an-tsesitany ny ankamaroan’ny mponina tamin’ny 607 T.K., tamin’ny volana fahadimy (volana Aba, mifanitsy amin’ny tapatapaky ny Jolay sy Aogositra). Navela hijanona tao kosa “ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga”, saingy rehefa nisy namono i Gedalia, ilay notendren’i Nebokadnezara hifehy azy ireo, dia nandositra tany Ejipta izy ireo, ka lao tanteraka i Joda. (2Mp 25:9-12, 22-26) Nitranga izany tamin’ny volana fahafito, izany hoe tamin’ny Etanima (na Tisry, mifanitsy amin’ny tapatapaky ny Septambra sy Oktobra). Nanomboka tamin’ny 1 Oktobra 607 T.K. teo ho eo àry ilay 70 taona nahalao an’i Joda, ary nifarana tamin’ny 537 T.K. Tamin’ny volana fahafito taona 537 T.K. no nisy Jiosy nody voalohany tany Joda, 70 taona taorian’ny nahalao tanteraka an’ilay tany.—2Ta 36:21-23; Ezr 3:1.

Tamin’ny 537 T.K. ka hatramin’ny niovan’i Kornelio. Tamin’ny taona faharoa taorian’ny niverenana avy tany an-tsesitany (536 T.K.) no naorina indray ny fototry ny tempoly tao Jerosalema, fa tamin’ny taona fahenina nitondran’i Dariosy I (Persianina) kosa vao vita tanteraka ilay tempoly. (Ezr 3:8-10; 6:14, 15) Tamin’ny Desambra 522 T.K. i Dariosy vao nitondra tao Babylona, satria tamin’izay no resiny i Nebokadnezara III. Nosamboriny sy novonoiny tao Babylona io mpanjaka nikomy io avy eo. Nahazo fahefana àry i Dariosy I tamin’ny 522 T.K., ka ny taona voalohany nitondrany dia nanomboka tamin’ny lohataona 521 T.K. (Fanisan-taona Babylonianina, 626 T.K.75 A.K., p. 30) Teo anelanelan’ny 12 Aprily 516 T.K. sy ny faran’ny Martsa 515 T.K. àry ny taona fahenina nitondran’i Dariosy. Avy amin’io no nahitana fa tamin’ny 6 Martsa 515 T.K. no voaorin’i Zerobabela indray ny tempolin’i Jehovah.

Daty manan-tantara koa ny taona faha-20 nitondran’i Artaksersesy (Lava Tanana). Tamin’izay i Nehemia no nahazo alalana ho any Jerosalema sy hanorina azy io indray. (Ne 2:1, 5-8) Tamin’ny 455 T.K. izany no nitranga, na dia be mpitia aza ny 445 T.K. (Jereo PERSA, PERSIANINA.) Naorina indray i Jerosalema sy ny mandany tamin’io taona io, ka izany no marika fa nanomboka ilay “fitopolo herinandro” resahin’ny Daniela 9:24-27. Herinandron-taona ireo herinandro ireo. “Fito taona impitopolo” (Da 9:24, DIEM) àry ilay fe-potoana, izany hoe 490 taona. Resahin’ny lahatsoratra hoe FITOPOLO HERINANDRO fa tanteraka ilay faminaniana rehefa niseho ny Mesia tamin’ny taona 29; maty izy tamin’ny taona 33 rehefa ‘nisasaka ny herinandro’ farany tamin’ireo herinandron-taona; ary nifarana tamin’ny taona 36 ny fotoana nankasitrahan’Andriamanitra manokana ny Jiosy. Nifarana àry ilay 70 herinandron-taona rehefa niova ho Kristianina i Kornelio, 490 taona taorian’ny 455 T.K.—As 10:30-33, 44-48; 11:1.

Tamin’ilay taona voatondro tokoa no niharihary fa i Jesosy no Mesia, mety ho enim-bolana teo ho eo taorian’ny nanombohan’ny fitorian’i Jaona Mpanao Batisa, “tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara.” (Lk 1:36; 3:1, 2, 21-23) Tamin’ny 15 Septambra 14 A.K. no nanendry an’i Tiberio ho mpanjaka ny Antenimieran-doholona Romanina. Ny taona faha-15 nitondran’i Tiberio àry dia teo anelanelan’ny Septambra 28 A.K. sy ny Septambra 29 A.K. (Jereo TIBERIO.) Hita amin’izany fa natao batisa sy voahosotra i Jesosy tamin’ny faramparan’ny taona 29 A.K. (Septambra-Oktobra).

“Telopolo taona teo ho eo” i Jesosy tamin’izy natao batisa tamin’ny 29 A.K. (Lk 3:23), ka 30 taona talohan’izay izy no teraka, izany hoe tokotokony ho tamin’ny faramparan’ny taona 2 T.K. (Septambra-Oktobra). Teraka tamin’ny fotoana nitondran’i Aogosto Kaisara izy, ary i Kyrenio no governoran’i Syria. (Lk 2:1, 2) Teo anelanelan’ny 27 T.K. sy 14 A.K. i Aogosto no nitondra. Governora indroa tany Syria i Kyrenio (P. Sulpicius Quirinius), anisan’ny Antenimieran-doholona Romanina. Ny voalohany, dia taorian’ny 4 T.K., taona farany naha governora an’i P. Quintilius Varus. Misy manam-pahaizana milaza fa tamin’ny 3-2 T.K. ny fotoana voalohany naha governora an’i Kyrenio. (Jereo FANISAM-BAHOAKA.) I Heroda Lehibe no mpanjakan’i Jodia tamin’izay, ary efa hitantsika fa tamin’ny 1 T.K. izy no maty. Asehon’ny porofo rehetra sy ny Soratra Masina àry fa tamin’ny fararanon’ny taona 2 T.K. no teraka ho olombelona ilay Zanak’Andriamanitra.

Ny andron’ny apostoly. Azo omena daty ireo zava-nitranga nandritra an’io fe-potoana io, na dia tsy daty hentitra aza izany. Tamin’ny taona 44 tany ho any, ohatra, no naminany momba ny mosary lehibe iray ilay Kristianina atao hoe Agabo. Tamin’io koa i Heroda Agripa I no nanenjika ny Kristianina, ka novonoiny ny apostoly Jakoba ary nogadrainy i Petera. (As 11:27-30; 12:1-4) Maty tamin’io taona io ihany i Heroda Agripa. Voaporofo fa nitranga tamin’ny taona 46 tany ho any ilay mosary, ary mety ho tamin’izay koa i Paoly sy Barnabasy no nitondra an’ireo fanampiana hozaraina.—As 12:25.

Azo fantarina hoe oviana i Paoly no tany Korinto voalohany satria i Galio no governoram-paritra tamin’izay. (As 18:1, 11-18) Milaza ny lahatsoratra GALIO fa toa teo anelanelan’ny fahavaratra 51 A.K. sy ny fahavaratra 52 A.K. i Galio no governoram-paritra, na dia misy manam-pahaizana milaza aza fa teo anelanelan’ny 52/53 A.K. izany. Nanompo herintaona sy tapany tany Korinto i Paoly, izany hoe nanomboka tamin’ny fararano 50 A.K. ka hatramin’ny lohataona 52 A.K. Manamafy izany ny nahatongavan’i Akoila sy Prisila tany Korinto. Vao tonga avy tany Italia ireo mpiara-miasa tamin’i Paoly ireo satria nandidy ny hialan’ny Jiosy rehetra tany Roma i Klaodio Mpanjaka. (As 18:2) Nilaza i Paul Orose, mpahay tantara tamin’ny taonjato fahadimy, fa namoaka an’io didy io i Klaodio tamin’ny taona fahasivy nitondrany, izany hoe tamin’ny 49 A.K. na teo am-piandohan’ny 50 A.K.

Nandritra ireo roa taona farany naha governora an’i Feliksa no nigadra roa taona tany Kaisaria i Paoly. I Porsio Festosy, mpandimby an’i Feliksa, avy eo no nandefa an’i Paoly tany Roma. (As 21:33; 23:23-35; 24:27) Tsy tena fantatra ny daty nahazoan’i Festosy ny fahefana, satria daty samihafa no omen’ireo porofo ara-tantara. Azo inoana kokoa anefa hoe tamin’ny taona 58 izany. Taorian’izay i Paoly no nankany Roma, izany hoe teo anelanelan’ny taona 59 sy 61.

Kilan’ny afo i Roma tamin’ny Jolay 64, ary nenjehin’i Néron ny Kristianina. Azo inoana fa taoriana kelin’izay no nigadra fanindroany i Paoly, ary novonoina. (2Ti 1:16; 4:6, 7) Voalaza fa natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo i Jaona (Ap 1:9), tamin’ny fotoana nitondran’i Domitien (taona 81-96). Tena nivaivay ny fanenjehana ny Kristianina tamin’izay, indrindra fa nandritra ireo telo taona farany. Araka ny lovantsofina, dia afaka tany an-tsesitany i Jaona rehefa maty i Domitien, ary tany Efesosy i Jaona no maty tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Efa voasoratr’i Jaona tamin’izay fotoana izay ireo taratasiny, ka feno ny isan’ireo boky ao amin’ny Baiboly. Nifarana hatreo koa ny andron’ny apostoly.

[Tabilao, pejy]

TAONA MANAN-TANTARA Tamin’ny Andron’ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely

FANAMARIHANA: Omen’ity tabilao ity ireo zava-nitranga niavaka teo amin’ny mpanjakan’ny Joda sy Israely. Lazain’ny Baiboly ireo taona nitondran’ny mpanjakan’ny Joda, ka avy amin’ireny no ahalalana ny daty hafa. Isaina manomboka ny lohataonan’ny taona iray ka hatramin’ny lohataonan’ny taona manaraka ny taona nitondran’ny mpanjakan’ny Joda. Ampifanarahana amin’ny taona nitondran’ny mpanjakan’ny Joda ny an’ny mpanjakan’ny Israely. Maro ny zava-nitranga ampifanitsin’ny Baiboly, ka ireny no nahitana an’ireo daty ireo.

Hita ato koa ny mpisoronabe sy mpaminany voalazan’ny Baiboly fa velona tamin’ny andron’ireo mpanjaka ireo. Tsy izy rehetra anefa ireo. Taranak’i Arona foana, ohatra, no nanao ny asan’ny mpisorona, nanomboka tao amin’ny tranolay masina, ary tao amin’ny tempoly, hatramin’ny fotoana nahalasa babo ny Jiosy tany Babylona. Mbola maro noho ireo voatonona ato koa ny mpaminany resahin’ny Baiboly.—1Mp 18:4; 2Ta 36:15, 16.

FANJAKAN’Ny FOKO 12

Taona T.K.

SAOLY lasa mpanjaka 1117

teo amin’ny foko 12

(40 taona)

Mpaminany: Samoela

Mpisoronabe: Ahia,

Ahimeleka

Teraka i Davida 1107

Vitan’i Samoela ny t. 1100

bokin’ny Mpitsara

Vitan’i Samoela ny t. 1090

bokin’i Rota

Vita ny Bokin’ny t. 1078

1 Samoela

DAVIDA lasa mpanjaka 1077

teo amin’ny Joda tany Hebrona (40)

Mpaminany: Natana, Gada,

Zadoka

Mpisoronabe: Abiatara

Lasa mpanjakan’ny Israely 1070

manontolo i Davida;

i Jerosalema no nataony renivohitra

Vitan’i Gada sy Natana t. 1040

ny bokin’ny 2 Samoela

SOLOMONA lasa mpanjaka 1037

(40)

Mpaminany: Natana, Ahia,

Ido

Mpisoronabe: Abiatara,

Zadoka

Nanomboka ny fanorenana 1034

ny tempolin’i Solomona

Vita ny tempoly naorin’i 1027

Solomona tany Jerosalema

Solomona nanoratra ny t. 1020

Tononkiran’i Solomona

Solomona nanoratra ny al. 1000

bokin’ny Mpitoriteny

FANJAKAN’NY JODA FANJAKAN’NY ISRAELY

REHOBOAMA lasa mpanjaka 997 JEROBOAMA lasa mpanjaka teo

(17 taona); amin’ny foko 10 tany avaratra

nizara roa ny fanjakana toa tany Sekema aloha,

vao tany Tirza

(22 taona)

Mpaminany: Semaia, Ido Mpaminany: Ahia

Sisaka mpanjakan’i Ejipta 993

nanafika an’i Joda ary

naka ny zava-tsarobidy tao

an-tempolin’i Jerosalema

ABIA (ABIAMA) lasa mpanjaka 980

(3)

Mpaminany: Ido

ASA lasa mpanjaka 978

(41), kanefa ny taona nanjakany

nisaina nanomboka tamin’ny 977

Mpaminany: Azaria, Odeda,

Hanany

t. 976 NADABA lasa mpanjaka

(2)

t. 975 BASA namono an’i Nadaba

ary lasa mpanjaka

(24)

Mpaminany: Jeho (zanak’i

Hanany)

Zera Etiopianina niady 967

tamin’ny Joda

t. 952 ELAHA lasa mpanjaka

(2)

t. 951 ZIMRY, lehiben’ny tafika

namono an’i Elaha

ary lasa mpanjaka (7 andro)

t. 951 OMRY, lehiben’ny tafika

lasa mpanjaka (12)

t. 951 Tibny nanjaka teo amin’ny

olona sasany,

vao mainka nizarazara

ilay firenena

t. 947 Omry nandresy ny fikomian’i Tibny

ka nanjaka irery

teo amin’ny Israely

t. 945 Omry nividy ny tendrombohitr’i

Samaria ary tao no nataony

renivohitra

t. 940 AHABA lasa mpanjaka

(22)

Mpaminany: Elia,

Mikaia

JOSAFATA lasa mpanjaka 937

(25), kanefa ny taona

nanjakany nisaina nanomboka

tamin’ny 936

Mpaminany: Jeho (zanak’i Hanany)

Eliezera, Jahaziela

Mpisoronabe: Amaria

t. 920 AHAZIA, zanak’i Ahaba,

‘lasa mpanjaka’ (2);

toa mbola velona ny rainy

Angamba nisaina nanomboka

t. 919 ny taona

nanjakan’i Ahazia

Mpaminany: Elia

I Jorama zanak’i Josafata t. 919

no toa niara-nanjaka

tamin’ny rainy

t. 917 JORAMA, zanak’i Ahaba,

nanjaka irery teo amin’ny

Israely (12). Andininy iray,

fara fahakeliny, no milaza fa

anisan’ny taona nanjakany koa ny

fotoana kely nitondran’i Ahazia

rahalahiny, maty tsy niteraka

Mpaminany: Elisa

JORAMA nekena hiara-manjaka 913

tamin’i Josafata, toa eo no

manomboka isaina ny taona

nanjakan’i Jorama (8)

Mpaminany: Elia

Josafata maty ka t. 911

i Jorama irery no

lasa mpanjaka

AHAZIA, zanak’i Jorama, t. 906

lasa mpanjaka (1), angamba

efa voahosotra ho mpanjaka

t. 907

Mpisoronabe: Joiada

ATALIA naka an-keriny t. 905 JEHO, lehiben’ny tafika, namono an’i

ny fitondrana (6)  namono an’i Jorama ary

lasa mpanjaka (28);

ny taona nanjakany anefa

toa nisaina nanomboka

t. 904

Mpaminany: Elisa

JOASY, zanak’i Ahazia,

lasa mpanjaka (40) 898

Mpisoronabe: Joiada

876 JOAHAZA lasa mpanjaka

(17)

t. 862 Joasy, azo inoana fa

niara-nanjaka tamin’i

Joahaza rainy

t. 859 JOASY, zanak’i Joahaza,

nanjaka irery teo

amin’ny Israely (16)

Mpaminany: Elisa

AMAZIA lasa mpanjaka 858

(29)

Joasy mpanjakan’ny Israely a. 858

nisambotra azy,

nanagorobaka ny mandan’i Jerosalema,

ary naka zava-tsarobidy

tao amin’ny tempoly

t. 844 JEROBOAMA II lasa mpanjaka

(41)

Mpaminany: Jona, Hosea,

Amosa

Vita ny Bokin’i Jona

OZIA (AZARIA) lasa mpanjaka 829

(52)

Mpaminany: Hosea, Joela (?),

Isaia

Mpisoronabe: Azaria (II)

Vita angamba ny t. 820

Bokin’i Joela

Ozia azo lazaina hoe ‘lasa mpanjaka’ t. 818

angamba satria tsy nofehezin’i

Jeroboama II intsony

Vita ny Bokin’i Amosa t. 804

t. 803 ZAKARIA azo lazaina

kanefa toa mbola tsy tena mpanjaka

raha tsy t. 792

(6 volana)

t. 791 SALOMA namono

an’i Zakaria ary

lasa mpanjaka (1 volana)

t. 791 MENAHEMA namono

an’i Saloma ary lasa

mpanjaka, toa tsy nisaina

anefa ny taona nanjakany

raha tsy t. 790

t. PEKAHIA lasa mpanjaka

(2)

t. 778 PEKA namono

an’i Pekahia ary

lasa mpanjaka (20)

Mpaminany: Odeda

JOTAMA lasa mpanjaka 777

(16)

Mpaminany: Mika, Hosea,

Isaia

AHAZA azo inoana fa lasa mpanjaka 762

(16), fa ny taona nanjakany nisaina

nanomboka tamin’ny 761

Mpaminany: Mika, Hosea,

Isaia

Mpisoronabe: Oria (?)

Ahaza azo inoana fa nandoa t. 759

hetra tamin’i

Tiglato-pilesera III

mpanjakan’i Asyria

t. 758 HOSEA namono an’i Peka

ary ‘nanomboka nanjaka’

avy eo, nefa toa tsy nekena

tanteraka ny fitondrany,

na tsy nanohana azy i

Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria

raha tsy t. 748 (9 taona)

HEZEKIA azo inoana 746

fa nanomboka nanjaka (29),

ny taona nanjakany anefa nisaina

nanomboka tamin’ny 745

Mpaminany: Mika, Hosea,

Isaia

Mpisoronabe: Azaria (II na III)

a. 745 Vita ny Bokin’i Hosea

742 Nanomboka nanao fahirano

an’i Samaria ny tafika asyrianina

740 Asyria nandresy an’i Samaria,

resy tanteraka ny Israely;

vita hatreo ny fanjakana

tany avaratra

Sankeriba nanafika an’i Joda 732

Vita ny Bokin’i Isaia a. 732

 

Vita ny Bokin’i Mika al. 717

Bokin’ny Ohabolana voangona t. 717

 

MANASE lasa mpanjaka 716

(55)

AMONA lasa mpanjaka (2)  661

JOSIA lasa mpanjaka 659

(31)

Mpaminany: Zefania,

Jeremia, Holda

mpaminanivavy

Mpisoronabe: Hilkia

Vita ny Bokin’i Zefania al. 648

 

Vita ny Bokin’i Nahoma al. 632

JOAHAZA nanjaka 628

(3 volana)

JOIAKIMA lasa mpanjaka, 628

nandoa hetra tamin’i Ejipta (11)

Mpaminany: Habakoka (?),

Jeremia

Vita angamba ny t. 628

Bokin’i Habakoka

Nebokadnezara II nanery 620

an’i Joiakima handoa

hetra tamin’i Babylona

JOIAKINA lasa mpanjaka 618

(3 volana sy 10 andro)

Nebokadnezara II nitondra 617

Jiosy ho babo sy zava-tsarobidin’ny

tempoly tany

Babylona

ZEDEKIA lasa mpanjaka 617

(11)

Mpaminany: Jeremia, Ezekiela

Mpisoronabe: Seraia

Nebokadnezara II nanafika 609

an’i Joda indray;

anomboka natao fahirano i Jerosalema

Mandan’i Jerosalema voagorobaka 607

tamin’ny andro faha-9,

volana faha-4

Jerosalema sy tempoly nodorana 607

tamin’ny andro faha-10,

volana faha-5

Niala tao Joda ny Jiosy farany 607

tany antenatenan’ny volana faha-7

Jeremia nanoratra ny bokin’ny 607

Fitomaniana

Vita ny Bokin’i t. 607

Obadia

FANAMARIHANA: Natao sesitany ny foko folon’ny Israely rehefa resy i Samaria. Tsy navela ho lao anefa ilay tany, tsy mba toa an’i Joda, izay lasa lao rehefa rava i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K. Naka olona avy tany Babylona sy Kota, Ava, Hamata, ary Sefarvaima ny mpanjakan’i Asyria ka namponeniny tao amin’ireo tanànan’ny Israely. Mbola nonina tao ny taranak’ireny olona ireny rehefa nody tany Jerosalema ny Jiosy tamin’ny 537 T.K. mba hanorina indray ny tempoly.—2Mp 17:6, 24; Ezr 4:1, 2.