Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanitsakitsaham-bady

Fanitsakitsaham-bady

Manitsakitsa-bady no ilazan’ny Baiboly ny lehilahy manambady nefa minia manao firaisana amin’ny vehivavy tsy vadiny, ary toy izany koa ny vehivavy manao firaisana amin’ny lehilahy tsy vadiny. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia nolazaina fa nanitsakitsa-bady ny lehilahy iray, raha nanao firaisana tamin’ny vehivavy efa vadin’olona na fofombadin’olona. Naʼaf no fototeny hebreo midika hoe “manitsakitsa-bady”, fa môikeoô kosa ny teny grika.​—Ezk 16:32; Mt 5:32.

Any amin’ny fiaraha-monina sasany, dia mahazo manao firaisana amin’ny olona maro iray foko aminy ny olona, fa raha mankany amin’ny foko hafa izy vao heverina hoe manitsakitsa-bady. Hoy ny boky iray momba ny fanitsakitsaham-bady: “Fahita hatraiza hatraiza izy io, ary efa hatramin’izay no be mpanao any amin’ny kolontsaina rehetra na dia melohina aza ny fanaovana izany any amin’ny kolontsaina maro.” (Diksioneran’i Funk sy Wagnalls Momba ny Fombafomba sy Angano ary Lovantsofina, 1949, Boky I, p. 15) Tsangambato maro no manamafy fa fanao tany Ejipta fahiny ny fanitsakitsaham-bady. Anisan’ny Ejipsianina nanao izany ny vadin’i Potifara, izay nangataka an’i Josefa mba hanao firaisana aminy. (Ge 39:7, 10) Amin’ny ankapobeny dia voarara ny manitsakitsa-bady, na taloha na ankehitriny. Mahalana anefa vao nisy sazy nampiharina tamin’izay tratra.

Nomen’i Jehovah lalàna ny Israely ka sady nampiavaka azy ireo izany no nahatonga ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakavian’izy ireo ho mendri-kaja kokoa noho ny an’ireo firenena nanodidina. Milaza mazava sy mivantana ny didy fahafito amin’ny Didy Folo hoe: “Aza manitsakitsa-bady.” (Ek 20:14; De 5:18; Lk 18:20) Voarara àry ny fakana vadin’olona na fofombadin’olona, ary toy izany koa rehefa mety ho fitondran-tena maloto.​—Jereo FIJANGAJANGANA; MPIVARO-TENA.

Sazy mafy no nomen’ny Lalàn’i Mosesy ho an’izay nanitsakitsa-bady: Tsy maintsy novonoina ho faty ilay lehilahy sy ilay vehivavy. “Raha misy lehilahy tratra manao firaisana amim-behivavy vadin’olona, dia miaraka vonoina ho faty izy roa.” Natao toy izany koa ny vehivavy efa fofombadin’olona, satria toy ny hoe nanitsakitsa-bady izy raha nanao firaisana tamin-dehilahy hafa. (De 22:22-24) Raha nahiahina ho nanitsakitsa-bady ny vehivavy iray, dia nisy zavatra tsy maintsy natao taminy mba hahitana raha meloka izy, na tsia.​—No 5:11-31; jereo FE.

Tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina, nefa tsy tokony hanitsakitsa-bady koa izy ireo. “Ny fehezan-dalàna hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady’ ... dia efa voafintina amin’izao teny izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’” Tsy misy mahazo manao mpitari-bato vilam-bava amin’io lafiny io. (Ro 13:9; 2:22) Naka toro lalana avy tao amin’ny Soratra Masina i Jesosy, ka nampianatra fitsipika ambony kokoa momba ny fitondran-tena tokony harahin’ny Kristianina. Nohazavainy fa tsy voatery hoe manao firaisana amin’ny vehivavy tsy vadiny ny lehilahy vao atao hoe manitsakitsa-bady. Hoy izy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” “Tsy manan-tsaina afa-tsy ny hanitsakitsa-bady” ny lehilahy toy izany, ary hita eo amin’ny masony izany.​—Mt 5:27, 28; 2Pe 2:14, f.a.p.

Nilaza koa i Jesosy fa izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady indray, dia manitsakitsa-bady raha tsy hoe noho ny fijangajangana (gr.: pôrneia) ihany angaha no antony nisarahany. Na ny lehilahy mpitovo aza azo lazaina hoe manitsakitsa-bady, raha manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny nefa tsy fijangajangana no anton’ilay fisarahana.​—Mt 5:32; 19:9; Mr 10:11, 12; Lk 16:18; Ro 7:2, 3.

‘Manota amin’Andriamanitra’, raha ny marina, izay manitsakitsa-bady. (Ge 39:9) Homelohin’i Jehovah izay manao izany. “Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpanitsakitsa-bady. (Ml 3:5; 1Ko 6:9, 10; He 13:4) Marina tokoa ilay ohabolana hoe: “Tsy ampy saina izay manitsakitsa-bady ka mijangajanga amim-behivavy. Manimba tena izay lehilahy manao izany.”​—Oh 6:32-35.

Manana heviny an’ohatra ve ny hoe manitsakitsa-bady?

Lazaina hoe manitsakitsa-bady koa ny olona nanao fifanekena tamin’i Jehovah nefa mivadika aminy. Meloka ho nanitsakitsa-bady àry ny firenen’Israely satria teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna izy ireo nefa nanaraka fombafomban’ny fivavahan-diso, anisan’izany ny fombafomba nisy fanaranam-po tamin’ny firaisana sy nandika ny didy fahafito. (Je 3:8, 9; 5:7, 8; 9:2; 13:27; 23:10; Ho 7:4) Izany koa no antony niantsoan’i Jesosy an’ireo Jiosy velona tamin’ny androny hoe taranaka mpanitsakitsa-bady. (Mt 12:39; Mr 8:38) Lazaina hoe manitsakitsa-bady koa ny Kristianina ankehitriny, raha mandoto ny tenany amin’ity tontolo ity nefa efa nanokan-tena ho an’i Jehovah sady anisan’ilay fifanekena vaovao.​—Jk 4:4.