Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanjakan’Andriamanitra

Fanjakan’Andriamanitra

Fitaovana ampiasain’Andriamanitra mba hampiharana ny fahefany eo amin’ny zavaboariny, noho izy Mpanjakan’izao Rehetra Izao. (Sl 103:19) Matetika izy io no ilazana an’ilay fitondram-panjakana tarihin’i Kristy Jesosy Zanak’i Jehovah, satria amin’ny alalan’izy io no ampisehoan’Andriamanitra fa izy no manana zo hitondra an’izao rehetra izao.

Basileia no nadika hoe “fanjakana”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ny basileia dia midika hoe “fanjakana, faritra na tany fehezin’ny mpanjaka iray; fanjakana na fahefan’ny mpanjaka; voninahitry ny mpanjaka, anaram-boninahitra sy haja omena ny mpanjaka.” (Diksionera Hamakafakana Teny Grika, 1908, p. 67) Nampiasa matetika an’ilay teny hoe “fanjakan’Andriamanitra” i Marka sy Lioka. “Fanjakan’ny lanitra” no teny mitovy hevitra amin’izy io, ary hita in-30 eo ho eo ny hoe “fanjakan’ny lanitra” ao amin’ny bokin’i Matio.​—Ampitahao amin’ny Mt 19:23, 24 ny Mr 10:23 sy Lk 18:24; jereo FANJAKANA; LANITRA (Fonenan’Andriamanitra sy ny anjely).

Azo antsoina hoe “teokrasia” (avy amin’ny teny gr. hoe teôs: andriamanitra, sy kratôs: fitondrana) ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, satria Andriamanitra mihitsy no tena mitondra, ary izy no mametraka ny rafitr’izy io sy ny anjara asany. Azo inoana fa i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, no namorona ny teny hoe “teokrasia”, tao amin’ilay bokiny hoe Diso Hevitra i Apion (II, 164, 165 [17]). Hoy izy rehefa niresaka momba ilay fitondrana niorina tao Sinay, teo amin’ny Israely: “Olon-tokana no nomen’ny firenena sasany ny fahefana fara tampony. Ny hafa kosa nanome izany ho an’olom-bitsy, na ho an’ny vahoaka. Tsy nisy tamin’izany karazam-pitondrana izany anefa tian’ilay mpanome lalàna antsika. Nataony nifototra tamin’izay azo antsoina hoe ‘teokrasia’ [gr.: teôkratian] kosa ny azy ny lalàm-panorenany, ka nataony teo am-pelatanany daholo ny fahefana rehetra.” Raha tena Andriamanitra tokoa no mpitondra, dia tsy tokony ho olombelona mpanao lalàna (toa an’i Mosesy) no manorina sy manangana ilay fanjakana, fa tokony ho Andriamanitra ihany. Asehon’ny Soratra Masina fa izany tokoa no izy.

Ny niavian’ilay teny. Azo inoana fa taorian’ny Safodrano no nanomboka nampiasa ny teny hoe “mpanjaka” (heb.: melek) ny olombelona. Ny fanjakan’i Nimroda, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”, no fanjakana voalohany teto an-tany. (Ge 10:8-12) Nanomboka teo ka hatramin’ny andron’i Abrahama, dia nanjary nisy ny firenena sy ny tanàna fanjakana, ary nihamaro ny olona lasa mpanjaka. Tsy nisy tamin’ireny fanjakana rehetra ireny anefa naorin’Andriamanitra na nisolo tena ny fitondrany, ankoatra ny fanjakan’i Melkizedeka, ilay mpisorona sady mpanjaka tao Salema (mifanitsy amin’io Melkizedeka io ny Mesia [Ge 14:17-20; He 7:1-17]). Nataon’ny olona ho mpanjaka koa ireo andriamani-diso nivavahany, satria ireo no noheveriny hoe afaka manome fahefana olona mba hanjaka. Voalaza ao amin’ny Soratra Hebreo fa nilaza ny tenany ho “Mpanjaka [Melek]” i Jehovah, taorian’ny Safodrano. Midika izany fa nampihariny tamin’ny tenany ilay anaram-boninahitra noforonin’ny olona sy efa fampiasan’izy ireo. Tiany haseho mantsy fa izy no “Mpanjaka” tokony hianteherana sy hankatoavina, fa tsy mpitondra olombelona te hanandra-tena, na andriamanitra noforonin’olombelona.​—Je 10:10-12.

Efa ela be talohan’ny nisian’ny fanjakan’olombelona i Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao, ary efa talohan’ny nisian’ny olombelona mihitsy aza. Nanaja sy nankatò azy ny anjely an-tapitrisany, satria izy no tena Andriamanitra sy Mpamorona. (Jb 38:4-7; 2Ta 18:18; Sl 103:20-22; Da 7:10) Na inona na inona anefa anaram-boninahitra niantsoana azy, dia efa hatrany am-piandohan’ny famoronana mihitsy no nekena hoe tsy tokony hampandeferina mihitsy ny sitrapony.

Fitondran’Andriamanitra tany am-piandohan’ny tantaran’olombelona. Fantatr’i Adama sy Eva koa fa Andriamanitra i Jehovah sady Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Neken’izy ireo hoe manana fahefana sy zo i Jehovah hamoaka didy, hampanao zavatra ny olona na handrara azy tsy hanao zavatra, hilaza izay tany honenany na hovoleny, ary hanome fahefana ho an’ny zavaboariny sasany. (Ge 1:26-30; 2:15-17) Nahay namorona teny i Adama (Ge 2:19, 20), nefa tsy misy porofo hoe izy no namorona an’ilay teny hoe “mpanjaka [melek]” mba hiantsoana an’ilay Andriamaniny sady Mpamorona azy, na dia nekeny aza fa i Jehovah no manana fahefana fara tampony.

Hita eo am-piandohan’ny Genesisy fa tsara fanahy sy tsy sarotiny loatra i Jehovah rehefa nampihatra ny fahefany tamin’ny olona tao Edena. Nila nankatò an’Andriamanitra ny olona, toy ny zanaka mankatò ny rainy. (Ampit. Lk 3:38) Tsy nomena lisitra lava be nisy lalàna tsy maintsy narahina ny olona. (Ampit. 1Ti 1:8-11) Tsotra sy nisy antony ny zavatra notakin’Andriamanitra. Tsy voahelingelina koa ny fiainan’i Adama, satria tsy hoe nisy nanara-maso foana izy na nokianina foana izay nataony. Toa niresaka tsy tapaka tamin’ilay lehilahy lavorary kosa Andriamanitra, arakaraka izay nilaina.​—Ge toko 1-3.

Haka endrika vaovao ny fitondran’Andriamanitra. Nandika an-kitsirano ny didin’Andriamanitra i Adama sy Eva rehefa nampirisihin’ny anjely iray. Nikomy tamin’ny fahefan’Andriamanitra àry izy ireo, raha ny marina. (Ge 3:17-19; jereo HAZO, II [Heviny an’ohatra].) Nihantsy an’Andriamanitra ilay anjely Fahavalony (heb.: satan), ka nanjary nipoitra ny adihevitra hoe manan-jo hitondra ny zavaboariny ve i Jehovah. (Jereo JEHOVAH [Ilay adihevitra lehibe indrindra].) Tetỳ an-tany no nipoitra ilay adihevitra, ka tena mety raha etỳ koa no handaminana azy.​—Ap 12:7-12.

Nilaza faminaniana iray misy teny an’ohatra i Jehovah Andriamanitra, tamin’izy nanambara didim-pitsarana tamin’ireo mpikomy voalohany ireo. Nambarany tamin’izany ny fikasany hampiasa “taranaka” mba hanorotoro tanteraka an’ireo mpikomy. (Ge 3:15) Vokatr’ilay fikomiana àry, dia haka endrika vaovao ny fitondran’i Jehovah, izany hoe ny fomba ampiharany ny fahefany. Naharihary tsikelikely ny ‘zava-miafina masina momba ilay fanjakana’ (Mt 13:11), ka nanjary fantatra hoe tsy inona ilay endriny vaovao amin’ny fitondran’i Jehovah fa fitondram-panjakana iray vao hatsangany. Hisy mpitondra maro hotarihin’ny mpanjaka lefitra iray izy io. Ny fanjakan’i Kristy Jesosy miaraka amin’ireo olom-boafidiny no hanatanteraka an’ilay fampanantenana hoe hisy “taranaka” ho avy. (Ap 17:14; jereo JESOSY KRISTY [Manana anjara asa lehibe ao amin’ny fikasan’Andriamanitra].) Tanteraka tsikelikely ilay fampanantenan’Andriamanitra hanome “taranaka” hitondra ilay Fanjakana. Izany àry no lasa loha hevitry ny Baiboly, nanomboka tamin’ny fotoana nilazana an’ilay fampanantenana tany Edena. Tsy ho azontsika ny zavatra ataon’i Jehovah amin’ny mpanompony sy amin’ny olombelona rehetra, raha tsy azontsika ny fahatanterahan’io fampanantenana io.

Mahaliana fa nanome fahefana lehibe ho an’ireo zavaboariny Andriamanitra (Mt 28:18; Ap 2:26, 27; 3:21), na dia teo aza ilay adihevitra napoitran’ilay Fahavalony hoe hivadika daholo izy ireo rehefa sedraina, ka tsy hisy hifikitra tanteraka amin’Andriamanitra na hanaiky azy ho mpitondra. (Jereo TSY FIVADIHANA [Ilay adihevitra lehibe sy ny tsy fivadihana].) Hita àry fa matoky tanteraka ny zavaboariny rehetra Andriamanitra, matoa manome fahefana lehibe toy izany ho azy ireo. Porofo tsy azo lavina izany fa ara-drariny sy tena mety ny fitondran’Andriamanitra. Hanamarina ny zony hitondra koa izany, ary hampiharihary fa diso ny fiampangan’ilay fahavalony.

Hita fa ilaina ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Niharatsy ny fiainan’ny olombelona nanomboka tamin’ny nikomiany ka hatramin’ny Safodrano. Niharihary avy amin’izany fa mila ny fitondran’Andriamanitra izy ireo. Tsy ela dia nisara-bazana izy ireo, nandratra na namono olona. (Ge 4:2-9, 23, 24) Loham-pianakaviana i Adama izay efa mpanota, ary nanana fahefana teo amin’ireo taranany efa nihamaro izy noho izany. Tsy fantatra hoe lehibe ihany ve izany fahefany izany, nandritra ireo 930 taona niainany. Efa tena nanafintohina anefa ny haratsiam-panahin’ny olona tamin’ny taranaka fahafito avy tamin’i Adama. (Jd 14, 15) Vao mainka ratsy izany tamin’ny andron’i Noa (teraka 120 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Adama), ka “feno herisetra ny tany.” (Ge 6:1-13) Anisan’ny nahatonga izany ireo anjely nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany, ka nanjary niara-niaina tamin’ny olombelona na dia tsy nahazo alalana hanao izany aza.​—Ge 6:1-4; Jd 6; 2Pe 2:4, 5; jereo NEFILIMA.

Marina fa nanjaka teto an-tany ny fikomiana, nefa mbola nampihatra ny fahefany teto foana i Jehovah. Ny Safodrano no porofo fa mbola nanana fahefana hanatanteraka ny sitrapony teto an-tany Andriamanitra, ary tsy teto ihany fa eran’izao rehetra izao koa. Nasehon’Andriamanitra koa talohan’ny Safodrano fa vonona ny ho mpitarika sy mpitondra an’ireo nitady azy izy, anisan’ireny i Abela sy Enoka ary Noa. Hita mazava avy amin’ny tantaran’i Noa hoe nampihatra fahefana tamin’ny olona vonona hanaiky azy Andriamanitra, ka nanome toromarika an’i Noa, sady niaro sy nitahy azy mianakavy. Hita amin’ny tantaran’i Noa koa fa eo ambany fifehezan’Andriamanitra ireo zavaboary hafa eto an-tany, na biby na vorona. (Ge 6:9–7:16) Nataon’i Jehovah mazava koa fa tsy havelany hanimba ny tany tsy misy farany ny ratsy fanahy, ary tsy maintsy hampihatra didim-pitsarana ara-drariny amin’ny mpanao ratsy izy amin’ny fotoana mety. Noporofoiny koa fa mahafehy tanteraka ny zava-drehetra eto an-tany izy, anisan’izany ny atmosfera.​—Ge 6:3, 5-7; 7:17–8:22.

Fiaraha-monina sy olana taoriana kelin’ny Safodrano. Toa ny loham-pianakaviana no nanana ny fahefana teo anivon’ny fiaraha-monina taorian’ny Safodrano, ary azo lazaina hoe nampisy filaminana izany. Tokony ‘hameno ny tany’ ny olombelona. Nila niteraka àry izy ireo, nefa koa tsy maintsy nanitatra tsikelikely ny faritra nonenany mba hanerana ny tany. (Ge 9:1, 7) Nampihena ny olana teo amin’ny fiaraha-monina izany rehetra izany. Raha nisy ny olana, dia teo anivon’ny fianakaviana ihany no nitrangan’izany, tamin’ny ankapobeny. Matetika mantsy no misy ny disadisa rehefa olona maro be no miara-monina. Nokendrena hampivangongo ny olona kosa ilay tetikasa tsy ara-dalàna tao Babela, satria tsy namela ny olona “hiparitaka manerana ny tany.” (Ge 11:1-4; jereo FITENY.) Ny loham-pianakaviana no nanana fahefana hatramin’io fotoana io, nefa nialan’i Nimroda izany ka nanangana “fanjakana” (heb.: mamlakah) izy. Io no fanjakana voalohany teto an-tany. Kosita taranak’i Hama i Nimroda, nefa notafihiny i Asyra (Asyria) faritanin’ny taranak’i Sema, ary nanorina tanàna tao izy ho anisan’ny faritra nanjakany.​—Ge 10:8-12.

Nataon’Andriamanitra nisafotofoto ny fitenin’ireo olona nivangongo tao amin’ny Lemak’i Sinara, ka nifindra monina ireo antokon’olona tao. Mbola nanao toa an’i Nimroda anefa izy ireo, ka samy nanangana karazam-pitondrana toy ilay naorin’i Nimroda. Tamin’ny andron’i Abrahama (2018-1843 T.K.), dia efa nisy fanjakana tany Mezopotamia (any Azia) ka hatrany Ejipta. “Farao”, fa tsy hoe Melek, no anaram-boninahitra niantsoana ny mpanjakan’i Ejipta. Tsy nitondra filaminana anefa ireny fanjakana ireny. Tsy ela dia nanao fifanekena ara-tafika ireo mpanjaka, ka nanafika tany hafa hatrany lavitra, nandroba sy naka olona an-keriny. (Ge 14:1-12) Notafihin’ireo lehilahy miray amin-dehilahy ny vahiny, tany amin’ny tanàna sasany.​—Ge 19:4-9.

Samy nitambatambatra ho vondron’olona maro ny olona, ary nivangongo mba tsy ho mora tafihina. (Ampit. Ge 4:14-17.) Tsy ela anefa dia hitan’izy ireo fa nila nasiana manda ny tanànany, ary nila nasiana fiarovana mafy aza tamin’ny farany sao hotafihin’olona nitam-piadiana. Asehon’ireo soratra tranainy indrindra tsy ara-baiboly fa be dia be ny ady sy ny fitaka ary ny fandatsahan-dra nifanaovan’ny olona, ary nanjaka ny fitsiriritana. Maro tamin’ireny soratra ireny no hita tany amin’ny faritr’i Mezopotamia, izay niorenan’ny fanjakan’i Nimroda. Nisy noraketina an-tsoratra koa ireo lalàna tranainy indrindra tsy ara-baiboly, anisan’izany ny lalàn’i Lipit-Ishtar sy Eshnounna ary Hammourabi. Hita taratra tamin’ireny lalàna ireny fa nanjary nanahirana be ny fiainan’olombelona, satria nisy olana teo amin’ny fiaraha-monina ka niteraka halatra, hosoka, olana teo amin’ny resaka varotra, fifandirana momba ny fananana sy ny fandoavana hofan-javatra, tsy fifankahazoana momba ny vola samborina sy ny zanabola, fanitsakitsaham-bady, saram-pitsaboana sy ny fahadisoan’ny mpitsabo, fanafihana olona, ary zava-manahirana maro hafa. Nilaza ny tenany ho “mpanjaka nahavita azy” sy “mpanjaka tonga lafatra” i Hammourabi. Tsy nahavita namaha ny olana nisy teo amin’ny olombelona mpanota anefa ny fitondrany sy ireo lalàna navoakany. Toy izany koa ireo fanjakana hafa nisy taloha. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 159-180; ampit. Oh 28:5.) Nahazo laka ny fivavahana tany amin’ireny fanjakana rehetra ireny, saingy tsy fivavahana tamin’ilay tena Andriamanitra. Marina fa niara-niasa akaiky tamin’ny mpitondra fanjakana sy nahazo sitraka taminy ireo lohandohany ara-pivavahana, nefa tsy nahatonga ny olona ho tsara fitondran-tena izany. Tsy niresaka momba izay fitondran-tena tokony harahina ireo asa soratra ara-pivavahana fahiny amin’ny soratra miendri-pantsika, sady tsy nahatonga ny olona ho akaiky an’Andriamanitra. Asehon’ireny asa soratra ireny fa tia nifanditra ireo andriamanitra, sady nahery setra, vetaveta, tsy niraharaha ny atao hoe rariny. Nila ny fanjakan’i Jehovah Andriamanitra ny olombelona raha te hiadana sy ho sambatra.

Tamin’i Abrahama sy ny taranany. Nanana olana na dia ny olona nanaiky an’i Jehovah Andriamanitra ho Lohany aza, ary nisy ihany ny disadisa teo anivon’izy ireo. Nampiana handamina na hiaritra an’izany nifanaraka tamin’ny fitsipika marin’Andriamanitra anefa izy ireo, sady mbola nahatsiaro hoe nanana ny hajany ihany. Niaro sy nanome hery azy ireo koa Andriamanitra. (Ge 13:5-11; 14:18-24; 19:15-24; 21:9-13, 22-33) Rehefa avy nilaza àry ny mpanao salamo hoe ‘mihatra eran-tany ny didim-pitsaran’i Jehovah’, dia hoy izy momba an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba: “Vitsy izy ireo ... eny, vitsy kely sady vahiny nonina tao amin’ilay tany [Kanana]. Nifindrafindra tany amin’ny firenena samihafa izy ireo, ary avy tany amin’ny fanjakana iray, dia nankany amin’ny firenen-kafa. Tsy nisy navelan’[i Jehovah] Andriamanitra hanambaka an’ireo. Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’ireo, ka nanao hoe: ‘Aza mikasika ny voahosotro, ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.’” (Sl 105:7-15; ampit. Ge 12:10-20; 20:1-18; 31:22-24, 36-55.) Izany koa no porofo fa mbola nampihatra fahefana teto an-tany Andriamanitra. Azony nampifanarahina tamin’ny fahatanterahan’ny fikasany ny fomba nampiharany ny fahefany.

Tsy niandany tamin’ireo tanàna fanjakana tao Kanana ireo loham-pianakaviana tsy nivadika, sady tsy nomba an’ireo fanjakana tao na tany an-tany hafa. Tsy nitady fiarovana tao amin’ny tanàna iray nofehezin’ny mpanjaka olombelona izy ireo, fa naleony kosa nonina an-tranolay toy ny “vahiny sy mpivahiny teo amin’ilay tany.” “Ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany” tamim-pinoana, ary “Andriamanitra no mpanorina sy mpanao” an’io tanàna io. Andriamanitra no nekeny ho Mpitondra azy, ka ilay fanjakana any an-danitra tarihin’Andriamanitra no nandrasany hitondra ny tany. Ny fahefan’Andriamanitra sy ny sitrapony no fototra iorenan’io fanjakana io. Niandry izy ireo na dia mbola “lavitra” aza vao ho tanteraka ilay fanantenan’izy ireo. (He 11:8-10, 13-16) Tatỳ aoriana àry, dia afaka niteny toy izao i Jesosy, izay efa nohosoran’Andriamanitra ho mpanjaka: “Ravoravo erỳ i Abrahama ... noho ny fanantenana hahita ny androko, ary nahita izy ka ravoravo.”​—Jn 8:56.

Niroso tamin’ny dingana nanaraka i Jehovah mba hanatanterahana an’ilay fampanantenany hanome “taranaka” hitondra ilay Fanjakana. (Ge 3:15) Nanao fifanekena tamin’i Abrahama àry izy. (Ge 12:1-3; 22:15-18) Nilaza mialoha izy fa ‘hisy mpanjaka maro hipoitra’ avy amin’i Abrahama (Abrama) sy ny vadiny. (Ge 17:1-6, 15, 16) Nisy lehibem-poko sy mpanjaka tokoa nipoitra avy tamin’ny taranak’i Esao zafikelin’i Abrahama. Tamin’i Jakoba, zafikeliny hafa, anefa no nanamafisan’Andriamanitra an’ilay fampanantenany hoe hisy mpanjaka amin’ny taranany.​—Ge 35:11, 12; 36:9, 15-43.

Niforona ny firenen’Israely. Taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’ny fotoana voatondro (Ge 15:13-16), dia notsinjovin’i Jehovah ireo taranak’i Jakoba efa an-tapitrisany (jereo FANAFAHANA NY ISRAELITA AVY TANY EJIPTA [Ny isan’ireo Israelita nafahana]), ka narovany rehefa niezaka handripaka azy ireo ny fanjakana ejipsianina. (Ek 1:15-22) Nafahany tamin’ny fanandevozan’ny fitondrana ejipsianina koa izy ireo tamin’ny farany. (Ek 2:23-25) Tsy noraharahain’i Farao mpanjakan’i Ejipta ny didin’Andriamanitra nambaran’i Mosesy sy Arona taminy. Nihevitra mantsy izy fa tsy nanana fahefana hitsabaka tamin’ny raharahan-tokantranon’i Ejipta Andriamanitra. Imbetsaka i Farao no tsy nanaiky ny fahefan’i Jehovah. Nandefa loza àry i Jehovah mba hampisehoana ny heriny. (Ek 7-12) Noporofoin’Andriamanitra avy tamin’izany fa ambony noho ny fahefan’ny mpanjaka rehetra eran’izao tontolo izao ny fahefany eo amin’ny zavaboary sy ny zava-drehetra eto an-tany. (Ek 9:13-16) Nahatratra ny fara tampony izany fampisehoan-kery izany rehefa noringanin’i Jehovah ny tafik’i Farao. Tsy nisy nahavita nanao izany ireo mpanjaka tia ady sy nirehareha. (Ek 14:26-31) Ara-dalàna àry raha nihira toy izao i Mosesy sy ny Israelita: “Hanjaka i Jehovah mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.”​—Ek 15:1-19.

Mbola noporofoin’i Jehovah koa taorian’izany fa nanana fahefana teo amin’ny tany sy ny rano ary ny vorona izy. Nasehony fa afaka niaro sy namelona ny vahoakany izy, na dia tany amin’ny tany ngazana sy nampidi-doza aza. (Ek 15:22–17:15) Rehefa vitan’i Jehovah izany rehetra izany, dia niteny tamin’ilay vahoaka vao nafahany izy hoe hosinganiny amin’ny firenena rehetra izy ireo ka ho fananany manokana, raha manaja ny fahefany sy ny fifanekena hataony, satria “ahy ny tany manontolo”, hoy izy. Ho “fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina” izy ireo amin’izay. (Ek 19:3-6) Nilaza mazava izy ireo fa vonona hanaiky ny fahefan’i Jehovah. Nanjary Mpanjaka sy Mpanao Lalàna ho azy ireo i Jehovah noho izany, ka nanome azy fehezan-dalàna niavaka. Niezinezina sy nampahatahotra ny fomba nampisehoan’i Jehovah ny heriny sy ny voninahiny, tamin’io fotoana io. (Ek 19:7–24:18) Ny tranolay masina na tranolay fihaonana, indrindra fa ny Vata misy ny fifanekena, no nanondro fa nanatrika teo ilay Filoham-pirenena tsy hita maso any an-danitra. (Ek 25:8, 21, 22; 33:7-11; ampit. Ap 21:3.) I Mosesy sy ireo lehilahy voatendry no nitsara ny ankamaroan’ireo raharaha nampifanolana ny Israelita, ary ny lalàn’Andriamanitra no nitarika azy ireo rehefa nitsara. I Jehovah mihitsy anefa indraindray no nitsara ny raharaha sasany ka nanasazy an’ireo nandika lalàna. (Ek 18:13-16, 24-26; 32:25-35) Ny mpisorona voatendry kosa no nanampy an’ilay firenena hifandray tsara foana tamin’ilay Mpitondra azy any an-danitra, ka nanohana an’ireo niezaka nankatò ny fitsipika voalaza ao amin’ny fifaneken’ny Lalàna. (Jereo MPISORONA.) Andriamanitra mihitsy àry no tena mpitondra ny firenen’Israely.​—De 33:2, 5.

Andriamanitra sady Mpamorona i Jehovah, ary “Mpitsara ny tany manontolo.” (Ge 18:25) Izy àry no masi-mandidy amin’ny tany manontolo, ka afaka maka izay tany tiany halaina. Izany no nanomezany ny tany Kanana ho an’ny taranak’i Abrahama. (Ge 12:5-7; 15:17-21) Izy no Filoha Mpanatanteraka ka nasainy noroahin’ny Israelita hiala tamin’ny tany nisy azy ny Kananita, sady nasainy naripaka, satria efa nomelohiny.​—De 9:1-5; jereo KANANA, KANANITA No. 2 (Azon’ny Israelita i Kanana).

Tamin’ny andron’ny Mpitsara. I Jehovah ihany no mpanjakan’ny firenen’Israely, nandritra ny 350 taona taorian’ny nandresen’ny Israely an’ireo fanjakana tao Kanana. Tao anatin’ny fe-potoana samy hafa, dia Mpitsara nofidin’Andriamanitra no nitarika ny firenen’Israely na ny ampahany taminy, na tamin’ny ady izany na fotoana hafa. Nandresy ny Midianina i Gideona Mpitsara, ka nangataka azy hatao mpanjaka ny vahoakan’Israely. Nanda anefa izy satria niaiky fa i Jehovah no tena mpitondra azy ireo. (Mpts 8:22, 23) Te halaza kosa i Abimeleka zanany lahy ka nanjaka kelikely teo amin’ny olom-bitsy, saingy zava-doza no niafarany.​—Mpts 9:1, 6, 22, 53-56.

Izao no voalaza momba izany fotoana nisian’ny Mpitsara izany: “Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany. Ary samy zatra nanao izay noheveriny fa nety ny olona.” (Mpts 17:6; 21:25) Tsy midika izany hoe tsy nisy lalàna nifehy. Nisy mpitsara sy anti-panahy mantsy isan-tanàna, ka ireny no nandamina ny raharaha nampifanolana, namaly ny fanontaniana momba ny lalàna, ary namoaka didim-pitsarana. (De 16:18-20; jereo FITSARANA.) Nanome tari-dalana ara-panahy ho an’ny vahoaka koa ireo mpisorona levita, ka nampianatra azy ireo ny lalàn’Andriamanitra. Nampiasa ny Orima sy Tomima koa ny mpisoronabe mba hanontaniana ny hevitr’Andriamanitra rehefa nisy raharaha sarotra. (Jereo MPISORONA; MPISORONABE; ORIMA SY TOMIMA.) Nisy tari-dalana tsara àry afaka namolavola ny feon’ny fieritreretan’ny olona nahay nanararaotra izany, nefa koa nahalala sy nankatò ny lalàn’Andriamanitra. Raha izany no izy, dia tsy nisy vokany ratsy ilay hoe “nanao izay noheveriny fa nety” ny olona. Navelan’i Jehovah hisafidy ny olona, ka hampiseho hoe vonona ny hankatò azy ve izy ireo sa tsia. Tsy nisy mpanjaka olombelona nanara-maso ny asan’ireo mpitsara isan-tanàna, na nandidy ny olona hirotsaka amin’ny tetikasa iray na hifarimbona hiaro ny firenena. (Ampit. Mpts 5:1-18.) Matoa àry niroborobo ny faharatsiana, dia satria ny ankamaroan’ny olona tsy vonona hankatò ny teny sy ny lalàn’ilay Mpanjakany any an-danitra, ary tsy nahay nanararaotra an’ireo fanampiana nomeny.​—Mpts 2:11-23.

Nangataka mpanjaka olombelona. Nangataka mpanjaka olombelona mba hitarika azy ireo ny Israelita, 400 taona teo ho eo taorian’ny nialany avy tany Ejipta, ary maherin’ny 800 taona taorian’ny nanaovan’Andriamanitra fifanekena tamin’i Abrahama. Amin’izay, hono, dia mba ho toy ny firenena hafa izy ireo. Nidika anefa izany hoe nolavin’izy ireo tsy ho mpanjakany i Jehovah. (1Sa 8:4-8) Ara-dalàna aloha raha nantenain’izy ireo hanorina fanjakana Andriamanitra, satria efa nampanantena izany tamin’i Abrahama sy Jakoba izy, araka ny efa voaresaka tany aloha. Nisy antony hafa koa anefa nahatonga azy ireo hanantena izany. Teo, ohatra, ilay faminanian’i Jakoba momba an’i Joda (Ge 49:8-10), ny tenin’i Jehovah tamin’ny Israelita taorian’ny nialany avy tany Ejipta (Ek 19:3-6), ny fifaneken’ny Lalàna (De 17:14, 15), ary na dia ilay hafatr’Andriamanitra nampilazainy an’i Balama mpaminany aza (No 24:2-7, 17). Niresaka momba an’io fanantenana io koa i Hana renin’i Samoela tamin’ny vavaka iray nataony. (1Sa 2:7-10) Tsy tena nahariharin’i Jehovah anefa ilay “zava-miafina masina” momba ilay Fanjakana, ary tsy nambarany ny fotoana voatondrony hananganana azy io, sy ny hoe hoatran’ny ahoana ny ho firafitr’izy io sy izay ho mpitondra ao. Tsy nolazainy koa na ho eto an-tany izy io na ho any an-danitra. Niana-kendry àry ny Israelita rehefa nangataka mpanjaka olombelona.

Natahotra ny hotafihin’ny Filistinina sy ny Amonita ny Israelita, ka azo inoana fa izany no anisan’ny nahatonga azy ireo haniry hahazo mpanjaka hita maso ho mpitari-tafika. Tsy tena nino izy ireo hoe ho vitan’Andriamanitra ny hiaro sy hitarika ary hanome izay ilain’izy ireo sy ny fireneny. (1Sa 8:4-8) Ratsy àry ny antony nahatonga azy ireo hangataka mpanjaka. Neken’i Jehovah Andriamanitra ihany anefa ny fangatahany. Nahoana? Tsy dia hoe mba hanomezana fahafaham-po azy ireo loatra, fa mba hanatanterahany ny fikasany hampiharihary tsikelikely an’ilay “zava-miafina masina” momba ilay Fanjakany ho avy hotantanan’ilay “taranaka.” Hitondra olana sy fandaniana fanampiny ho an’ny Israely anefa ny fisian’ny mpanjaka olombelona, ary nataon’i Jehovah nazava tsara tamin’ny vahoaka izany.​—1Sa 8:9-22.

Hisolo tena an’Andriamanitra eto an-tany ireo mpanjaka hotendren’i Jehovah. Tsy nampihena velively ny fahefan’i Jehovah tamin’ilay firenena anefa ny fisian’izy ireny. Mpanjaka lefitra izy ireny, ary nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah, raha ny marina. (1Ta 29:23) Nasain’i Jehovah nohosorana ho mpanjaka voalohany i Saoly (1Sa 9:15-17), nefa naharihariny koa ny tsy fahampiam-pinoan’ny vahoaka na izany aza.​—1Sa 10:17-25.

Tsy maintsy nanaja ny fahefan’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka, raha tiany hitondra soa ilay fanjakana. Ho ringana izy ireo sy ny mpanjakany raha miantehitra amin-javatra hafa, fa tsy amin’ny tari-dalan’i Jehovah sy ny fiarovany. (De 28:36; 1Sa 12:13-15, 20-25) Nila nitandrina ny mpanjaka mba tsy hiantehitra tamin’ny herin’ny tafiny, tsy hampitombo ny isan’ny vadiny, ary tsy ho matimatin-karena. Tokony hifanaraka tanteraka amin’izay takin’ny fifaneken’ny Lalàna ny fomba itondrany ny fanjakana. Nasain’Andriamanitra nadikany tamin’ny boky io Lalàna io mba hovakiny isan’andro. Hatahotra foana an’ilay Manam-pahefana Fara Tampony izy amin’izay, hanetry tena mandrakariva, ary hanao izay mahitsy foana. (De 17:16-20) Raha miezaka hanao izany izy, ka tia an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy tia ny namany tahaka ny tenany, dia hitondra fiadanana ny fitondrany, ary tsy hisy olona hitaraina hoe nampahorina na hoe nizaka ny mafy. Namela ny mpitondra hampiharihary izay tao am-pony anefa i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny vahoaka ihany. Ho hita amin’izay raha vonona hanaiky ny fahefan’Andriamanitra sy ny sitrapony izy ireo, na tsia.

Modely ny fitondran’i Davida. Tsy nanaja ny fahefan’ilay “Hajaina Indrindra eo amin’ny Israely” i Saoly benjaminita, sady tsy nanaraka ny lamina napetrany. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra izy noho izany, ka nesoriny tsy ho eo amin’ny seza fiandrianana. Tsy hisy ho mpanjaka koa ny taranany. (1Sa 13:10-14; 15:17-29; 1Ta 10:13, 14) Mbola tanteraka indray ilay faminanian’i Jakoba, rehefa nandimby an’i Saoly teo amin’ny fitondrana i Davida, izay avy amin’ny fokon’i Joda. (Ge 49:8-10) Marina fa nanao fahadisoana i Davida noho izy tsy lavorary, nefa modely ny fitondrany satria nahafoy tena tanteraka ho an’i Jehovah Andriamanitra izy, ary nanetry tena ka nanaiky ny fahefan’Andriamanitra. (Sl 51:1-4; 1Sa 24:10-14; ampit. 1Mp 11:4; 15:11, 14.) Nivavaka teo anatrehan’ny vahoaka i Davida tamin’ny fotoana nandraisana ireo fanomezana hanamboarana ny tempoly. Hoy izy: “Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny hatsarana ary ny haja amam-boninahitra, fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Ary anao ny fanjakana, Jehovah ô, dia ianao izay misandratra ambony noho ny zava-drehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary ianao no manjaka amin’ny zava-drehetra. Eo am-pelatananao ny hery sy ny tanjaka, ary ny tananao no manandratra sy manatanjaka ny rehetra. Koa misaotra anao izahay, ry Andriamanitray ô, ary derainay ny anaranao kanto dia kanto.” (1Ta 29:10-13) Hita amin’ny torohevitra farany nomen’i Davida an’i Solomona zanany koa fa nanana toe-tsaina tsara izy satria nekeny hoe avy tamin’Andriamanitra ilay fanjakana tetỳ an-tany.​—1Mp 2:1-4.

Nihira toy izao i Davida rehefa nentina tany Jerosalema renivohitra ny Vata misy ny fifanekena, izay nanambara ny fanatrehan’i Jehovah: “Aoka hiravoravo ny lanitra, ary hifaly ny tany, aoka ireny hilaza amin’ireo firenena hoe: ‘Lasa mpanjaka i Jehovah!’” (1Ta 16:1, 7, 23-31) Efa hatrany am-piandohan’ny famoronana i Jehovah no mpanjaka. Nahoana anefa izy no lazaina hoe “lasa mpanjaka”? Asehon’io hiran’i Davida io fa azony omena endriny vaovao ny fitondrany, na koa misy zavatra azony ampiasaina mba hisolo tena azy amin’ny fotoana iray na amin’ny toe-javatra iray.

Fifanekena momba ny fanjakana. Nanao fifanekena tamin’i Davida momba ny fanjakana iray ho mafy orina mandrakizay i Jehovah, ka nampanantena fa ny taranany no hitondra azy io. Hoy i Jehovah: “Hotendreko ny taranaka handimby anao ... ary hataoko mafy orina tokoa ny fanjakany. ... Tsy hihozongozona eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandriananao.” (2Sa 7:12-16; 1Ta 17:11-14) Mbola porofo koa io fifanekena io fa ho tanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra tany Edena, dia ny hoe hisy “taranaka” hitondra ilay Fanjakany. (Ge 3:15) Io fifanekena io koa no nanome fanazavana fanampiny mba hamantarana an’ilay “taranaka” rehefa ho tonga izy io. (Ampit. Is 9:6, 7; 1Pe 1:11) Voahosotr’Andriamanitra ho mpanjaka ireo notendreny hitondra ny Israely, ka azo antsoina hoe “mesia”, izay midika hoe “voahosotra.” (1Sa 16:1; Sl 132:13, 17) Mazava àry fa ilay fanjakana teto an-tany, izay naorin’i Jehovah teo amin’ny Israely, dia taratr’ilay Fanjakana ho avy tarihin’ny Mesia, izany hoe i Jesosy Kristy “zanak’i Davida.”​—Mt 1:1.

Rava ireo fanjakana teo amin’ny Israely. Tsy narahina ny fitsipika marin’i Jehovah, ka lasa ratsy be ny toe-piainana teo amin’ilay firenena. Tezitra mafy àry ny vahoaka ka nikomy ary nizara roa ny fanjakana (997 T.K.). Vao fanjakana telo monja anefa tamin’izay no nifandimby ary vao nanomboka ny fahefatra. Nanjary nisy àry ny fanjakana tany avaratra sy ny fanjakana tany atsimo. Mbola nanan-kery anefa ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida. Nihatra tamin’ireo mpanjaka tao amin’ilay fanjakan’ny Joda tany atsimo io fifanekena io. Zara raha nisy anefa ny mpanjaka tsy nivadika tao Joda rehefa nandeha ny fotoana, ary tsy nisy mihitsy kosa tao amin’ilay fanjakan’ny Israely tany avaratra. Nanamarika ny tantaran’ilay fanjakana tany avaratra ny fanompoan-tsampy, ny tetika maizina, ny famonoana olona, ary matetika koa no nisesisesy nifandimby ireo mpanjaka satria tsy naharitra ny fitondrany. Niharan’ny tsy rariny sy ny famoretana ny vahoaka. Nikomy tamin’Andriamanitra foana ilay fanjakana tany avaratra, ka navelan’i Jehovah handrava azy tanteraka (740 T.K.) ny mpanjakan’i Asyria, 250 taona teo ho eo taorian’ny niforonan’io fanjakan’ny Israely io.​—Ho 4:1, 2; Am 2:6-8.

Nilamindamina kokoa ny fanjakan’ny Joda, satria ny taranak’i Davida no nifandimby nanjaka. Tamin’ny farany anefa dia ratsy kokoa noho ny nataon’ny fanjakana tany avaratra ny nataon’ilay fanjakana tany atsimo, na dia teo aza ny mpanjaka natahotra an’Andriamanitra toa an-dry Hezekia sy Josia, izay niezaka mafy nisakana ny olona tsy hanompo sampy na handa ny tenin’i Jehovah sy ny fahefany. (Is 1:1-4; Ezk 23:1-4, 11) Nomelohin’ny mpaminanin’i Jehovah ireo mpitondra sy ny vahoaka satria nampanjaka ny tsy rariny, nanampatra fahefana, matimatin-karena, nanao ny tsy marina, nanao kolikoly, nanana fitondran-tena mamoafady, nanao heloka bevava, nandatsa-dra, ary mody niseho ho mpivavaka nefa nataony toy ny “lava-bato fieren-jiolahy” ny tempolin’Andriamanitra. (Is 1:15-17, 21-23; 3:14, 15; Je 5:1, 2, 7, 8, 26-28, 31; 6:6, 7; 7:8-11) Tsy maintsy ho rava io fanjakana nivadika io. Tsy hisy hahasakana izany na ireo mpisorona nivadi-pinoana na ny fifanekena ara-politika nifanaovana tamin’ireo firenen-kafa. (Je 6:13-15; 37:7-10) Rava i Jerosalema renivohitra, ary nataon’ny Babylonianina lao tanteraka i Joda tamin’ny 607 T.K.​—2Mp 25:1-26.

Tsy voatohintohina ny maha mpanjaka an’i Jehovah. Rava tanteraka ny fanjakan’ny Israely sy ny Joda, nefa tsy nisy vokany teo amin’ny fitondran’i Jehovah Andriamanitra izany. Tsy midika koa izany hoe nisy tsy nety ny nataon’Andriamanitra. Nataon’i Jehovah mazava tsara nandritra ny tantaran’ny firenen’Israely fa olona manompo sy mankatò azy an-tsitrapo no tian’i Jehovah. (De 10:12-21; 30:6, 15-20; Is 1:18-20; Ezk 18:25-32) Nampianatra sy nananatra izy, ary nifehy sy nampitandrina ary nanasazy. Tsy nampiasa hery anefa izy mba hanerena ny mpanjaka sy ny vahoaka hanaraka ny fitsipiny marina. Nandrora nitsilany ny Israelita, satria izy ireo ihany no nampisy ny fijaliana sy ny loza nanjo azy, ary nahatonga ny fiainany hiharatsy. Izy ireo ihany mantsy no be di-doha nanamafy ny fony ary nisisika hanao izay tiany fotsiny. Izy ireo ihany no voan’ny nataony noho ny hadalany.​—Ft 1:8, 9; Ne 9:26-31, 34-37; Is 1:2-7; Je 8:5-9; Ho 7:10, 11.

Nasehon’i Jehovah fa izy no manana ny fahefana fara tampony, ka nataony tsy afa-nikofoka ny firenena matanjaka sy lian’ady toa an’i Asyria sy Babylona, mandra-pahatongan’ny fotoana nofaritany. Izy mihitsy aza no nanentana azy ireo mba hanatanteraka ny faminaniany. (Ezk 21:18-23; Is 10:5-7) Tsy niaro ny firenen’Israely intsony i Jehovah tamin’ny farany, ary izany no fomba nampisehoany fa nampihatra didim-pitsarana ara-drariny izy, noho izy Mpanjakan’izao rehetra izao. (Je 35:17) Efa nilaza faminaniana Andriamanitra mba hampitandremana an’ireo mpanompony nankatò, ka tsy gaga intsony izy ireo rehefa lao i Israely sy Joda. Nampietry an’ireo mpitondra nirehareha i Jehovah, ka nisandratra ny “voninahitry ny fahalehibeazany.” (Is 2:1, 10-17) Ambonin’izany rehetra izany anefa dia noporofoiny fa nahavita niaro sy nitsimbina an’ireo nanaiky azy ho Mpanjaka izy, na dia nisy mosary sy aretina ary fandripahana aza nanodidina azy ireo, ary na dia nenjehin’ireo nankahala ny fahamarinana koa aza izy ireo.​—Je 34:17-21; 20:10, 11; 35:18, 19; 36:26; 37:18-21; 38:7-13; 39:11–40:5.

Nilazana mialoha ilay mpanjaka farany teo amin’ny Israely fa hesorina aminy ny satroboninahiny, izany hoe tsy ho mpanjaka voahosotra misolo tena an’i Jehovah intsony izy. Tsy hanan-jo ho mpanjaka voahosotra intsony àry ny taranak’i Davida, ‘mandra-pahatongan’ilay manan-jo ara-dalàna hahazo izany. Dia homen’i Jehovah azy izany.’ (Ezk 21:25-27) Rava sy tsy nisy intsony, araka izany, ilay fanjakana tetỳ an-tany izay taratr’ilay tena izy, ka ilay “taranaka” ho avy (ny Mesia) indray no nifantohan’ny saina.

Noravan’ny firenena toa an’i Asyria sy Babylona ny fanjakan’ny Israely sy ny Joda nivadi-pinoana. Nilaza Andriamanitra fa ‘nampirisihiny’ na ‘nentiny’ ireny firenena ireny mba handrava an’ireo fanjakana nomelohiny ireo. (De 28:49; Je 5:15; 25:8, 9; Ezk 7:24; Am 6:14) Midika ve izany fa i Jehovah mihitsy no nampirisika na nitondra azy ireo? Tsia. Lazaina, ohatra, fa ‘nanamafy’ ny fon’i Farao izy, nefa namela izany hitranga fotsiny izy, raha ny marina. Azo inoana àry fa toy izany koa no nataony tamin’ireny firenena ireny. (Jereo FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA [Momba ny olona sasany].) Lazaina hoe ‘nentiny’ ireny mpanafika ireny satria navelany hanatanteraka ny faniriana efa tao am-pon’izy ireny (Is 10:7; Ft 2:16; Mi 4:11), ka toy ny hoe nesoriny tsy hiaro an’ireo fanjakana notsiriritin’ireny firenena ireny ny ‘tanany.’ (De 31:17, 18; ampitahao amin’ny Ezr 8:31 sy Ezr 5:12; Ne 9:28-31; Je 34:2.) Mbola tsy nety nanaraka ny lalàna sy ny sitrapon’i Jehovah ihany ny Israelita nivadi-pinoana, ka matin’ny “sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary.” (Je 34:17) Tsy hoe nanjary nankasitrahan’Andriamanitra anefa ireny firenena mpanompo sampy ireny, na koa hoe nanjary nadio teo imason’Andriamanitra ny tanan’izy ireny, rehefa nandringana tsy nisy indrafo an’ireo fanjakana tany avaratra sy tany atsimo izy ireny, ary nandrava an’i Jerosalema renivohitra sy ilay tempoly masina tao. Rariny raha nanameloka azy ireny i Jehovah, ilay Mpitsara ny tany manontolo, noho izy ireny ‘nandroba ny lovan’Andriamanitra.’ Afaka nandringana azy ireny àry Andriamanitra, toy ny nandringanan’izy ireny an’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fifanekena.​—Is 10:12-14; 13:1, 17-22; 14:4-6, 12-14, 26, 27; 47:5-11; Je 50:11, 14, 17-19, 23-29.

Fahitana momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Daniela. Manasongadina ny zon’Andriamanitra hitondra an’izao rehetra izao ny faminanian’i Daniela manontolo, sady manazava bebe kokoa momba ny fikasan’i Jehovah. Natao sesitany tao amin’ny renivohitr’ilay firenena nandrava an’i Joda i Daniela tamin’izay, ary nampiasa azy Andriamanitra mba hanazava ny dikan’ilay fahitana azon’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Nambara mialoha tao amin’ilay fahitana hoe iza ireo firenena matanjaka hifanesy. Nambara koa fa horavan’ilay fanjakana mandrakizay haorin’i Jehovah izy ireny, amin’ny farany. Nandre ny fanazavan’i Daniela i Nebokadnezara ka niankohoka teo anatrehany, ary niaiky fa “Tompon’ireo mpanjaka” ilay Andriamanitr’i Daniela. Azo inoana fa gaga ny tao an-dapany rehefa nahita azy niankohoka teo anatrehan’ilay olona nobaboiny, nefa izy ilay mpanjaka nandresy an’i Jerosalema. (Da 2:36-47) “Hazo nokapaina” no fahitana nanaraka hitan’i Nebokadnezara tao amin’ny nofy. Nataon’i Jehovah nazava tsara tao amin’io fahitana io fa “ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena azy no omeny azy, ary ilay ambany indrindra amin’ny olombelona no apetrany eo amin’izany fanjakana izany.” (Da 4; jereo ny fanazavana an’io fahitana io, ao amin’ny hoe FE-POTOANA VOATONDRO HO AN’NY HAFA FIRENENA.) Misy ifandraisany amin’i Nebokadnezara ny fahatanterahan’io nofy io, ka rehefa nolazaina taminy izany, dia niaiky indray i Nebokadnezara mpanjaka fa “Mpanjakan’ny lanitra” ilay Andriamanitr’i Daniela, ary “manao araka izay sitrapony izy, eo amin’ny tafiky ny lanitra sy ny mponin’ny tany. Tsy misy mahasakana ny tanany, na afaka miteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’”​—Da 4:34-37.

Nahita fahitana ara-paminaniana i Daniela, rehefa nadiva ho lefy ny fahefan’i Babylona teo amin’ny firenena maro eran-tany. Bibidia maromaro nifanesy no hitany, ary manondro firenena matanjaka manana toetram-biby izy ireo. Hitan’i Daniela koa ny fizotran’ny Fitsarana iray niezinezina tany an-danitra. Nitsara an’ireo firenena matanjaka ireo i Jehovah, ka nanameloka azy ho tsy mendrika hitondra. Nisy “toy ny zanak’olona” koa hitan’i Daniela, ary nomena azy io “ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo.” Hitany koa fa niady tamin’ny “olona masina” ilay fanjakana matanjaka farany, ary voatery naringana izy io vokatr’izany. Avy eo dia “nomena an’ireo olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony [Jehovah] ny fanjakana sy ny fitondrana ary ny fahalehibeazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra eny.” (Da 7, 8) Nanjary nazava àry fa maro no ho anisan’ilay “taranaka” nampanantenaina, satria tsy ny “zanak’olona” fotsiny no hitondra, fa hisy olon-kafa hiara-manjaka aminy, dia “ireo olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony.”

Babylona, Media sy Persa. Tampoka sy tsy nampoizina ny nahatanterahan’ilay didim-pitsarana tsy azo ivalozana navoakan’Andriamanitra momba an’i Babylona, na dia natanjaka aza izy io. Voaisa ny androny ary nofaranana. (Da 5:17-30) Ny fanjakana medianina sy persianina no nandimby azy. Mbola nampahafantatra zavatra hafa momba ilay Fanjakan’ny Mesia i Jehovah tamin’izay, ka nambarany ny fotoana hahatongavan’ny Mesia. Nilaza mialoha koa izy fa “hovonoina” ny Mesia, ary horavana fanindroany i Jerosalema sy ny toerana masina tao. (Da 9:1, 24-27; jereo FITOPOLO HERINANDRO.) Toy ny nataon’i Jehovah nandritra ny fotoana nanjakan’i Babylona, dia noporofoiny indray fa vitany ny miaro an’ireo manaiky ny fahefany, na dia tezitra tamin’izy ireo aza ny manam-pahefana ary na dia norahonana ho faty aza azy ireo. Nasehony fa manana fahefana amin’ny bibidia sy ny zava-drehetra eto an-tany izy. (Da 3:13-29; 6:12-27) Nataony nivoha nidanadana ara-potoana ny vavahadin’i Babylona, mba hivoahan’ny vahoakany ka hahafahan’izy ireo hiverina any amin’ny taniny ary hanorina indray ny tranon’i Jehovah. (2Ta 36:20-23) Nanafaka ny vahoakany i Jehovah ka azo natao ny nanambara tamin’i Ziona hoe: “Lasa mpanjaka ny Andriamanitrao!” (Is 52:7-11) Tatỳ aoriana, dia samy tsy nahomby ireo tetika sy didim-panjakana natao hamelezana ny vahoakan’Andriamanitra, ary tsy nisy vokany koa ny fanosoram-potaky ny manam-pahefana. Nataon’i Jehovah mantsy izay hahatonga ny mpanjaka persianina hanatanteraka ny sitrapony.​—Ezr 4-7; Ne 2, 4, 6; Es 3-9.

Hita amin’izany àry fa tsy niova ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra, ary tsy azo nosakanana ny fahatanterahany. Na inona na inona fiovan’ny zava-nitranga teto an-tany, dia nasehon’i Jehovah fa hainy foana ny nifehy ny toe-javatra, ary resiny foana izay nanohitra azy, na olona izany na ny devoly. Tanteraka an-tsakany sy an-davany ny fikasany na ny sitrapony, ary tsy nisy afaka nisakana izany. Taratr’ilay fanjakana tena izy ny fanjakan’ny Israely sy ny tantarany, ary nahitana mialoha izay hataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Hita amin’izany koa anefa fa tsy hisy mihitsy filaminana sy fandriampahalemana ary fahasambarana maharitra, raha tsy ekena amin’ny fo manontolo fa Andriamanitra no mpitondra. Tombony ho an’ny Israelita ny hoe iray ihany ny razambeny sy ny fiteniny ary ny taniny, ary nanana fahavalo niombonana izy ireo. Na izany aza, dia ny tsy fivadihan’izy ireo tamin’i Jehovah Andriamanitra ihany no nahatonga azy ireo ho tafaray, ho firenena matanjaka, hampanjaka ny rariny, ary ho tena sambatra. Nikororosy haingana ilay firenena rehefa niharatsy ny fifandraisany tamin’i Jehovah.

“Manakaiky” ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy maintsy nateraka ho olombelona ny Mesia satria tokony ho avy amin’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ary tokony ho avy amin’ny fokon’i Joda, ary ho “zanak’i Davida.” Tokony ho “zanak’olona” koa izy, araka ny faminanian’i Daniela. Nirahin’i Jehovah Andriamanitra àry ny Zanany, rehefa “tapitra tanteraka ny fotoana voafetra.” Natera-behivavy izy io, ary fenony daholo izay rehetra notakin’ny lalàna amin’izay ho mpandova “ny seza fiandrianan’i Davida rainy.” (Ga 4:4; Lk 1:26-33; jereo TETIRAZAN’I JESOSY KRISTY.) Teraka enim-bolana talohany i Jaona Mpanao Batisa sady mpialoha lalana azy. (Lk 1:13-17, 36) Hita tamin’ny tenin’i Maria sy Elizabeta renin’izy roa lahy fa efa nanantena izy ireo hoe hanao zavatra Andriamanitra mba ho tanteraka ny fikasany momba ny fanjakany. (Lk 1:41-55, 68-79) Rehefa teraka i Jesosy, dia nisy anjely nirahina hanambara ny dikan’ilay zava-niseho, ka nohazavain’izy ireo fa fahagagana avy tamin’Andriamanitra ilay izy. (Lk 2:9-14) Hita amin’ny tenin’i Simeona sy Ana tao amin’ny tempoly koa fa efa nanantena izy ireo hoe ho tonga ny famonjena sy ny fanafahana. (Lk 2:25-38) Asehon’ny Baiboly sy ny boky hafa àry fa efa niandriandry ny hahatongavan’ny Mesia ny ankamaroan’ny Jiosy. Ny ho afaka tamin’ny famoretan’ny Romanina anefa no tena nandrandrain’ny maro.​—Jereo MESIA.

Inona no asa nanirahana an’i Jaona? Ny “hampody ny fon’ny” olona ho amin’i Jehovah, sy ho amin’ireo fifanekena nataony, ary ho amin’ilay ‘voninahitra hanao fanompoana masina tsy amin-tahotra, ka tsy hivadika ary hanao ny marina eo anatrehany.’ Nanomana “vahoaka voaomana” ho an’i Jehovah àry i Jaona. (Lk 1:16, 17, 72-75) Nambarany mazava tsara tamin’ny olona fa fotoam-pitsaran’Andriamanitra tamin’izay. Nanambara koa izy hoe “efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra” ka mila mibebaka haingana izy ireo, satria tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra na nankatò ny lalàny. Mbola manamafy indray izany fa ny olona manompo azy an-tsitrapo no tian’i Jehovah, izany hoe ny olona manaiky sy mankasitraka ny lalàny sy izay rehetra ataony.​—Mt 3:1, 2, 7-12.

Tonga ny Mesia rehefa nanatona an’i Jaona mba hatao batisa i Jesosy, ary nohosorana tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra. (Mt 3:13-17) Lasa Mpanjaka voatendry izy, ary izy no neken’ny Fitsaran’i Jehovah hoe manan-jo ara-dalàna handova ny seza fiandrianan’i Davida. Efa taonjato enina talohan’izay no tsy nisy nanana izany zo izany. (Jereo JESOSY KRISTY [Ny batisany].) Nanaovan’i Jehovah fifanekena momba ny Fanjakana iray any an-danitra koa anefa io Zanany io. Ho Mpanjaka sy Mpisorona, toa an’i Melkizedeka tany Salema fahiny, izy io. (Sl 110:1-4; Lk 22:29; He 5:4-6; 7:1-3; 8:1; jereo FIFANEKENA.) Io Mpanjaka sy Mpisorona any an-danitra io ilay notendren’Andriamanitra ho Mpitarika Lehibe Indrindra hitahiana ny olona avy amin’ny firenena rehetra, satria izy io ilay ‘taranak’i Abrahama’ nampanantenaina.​—Ge 22:15-18; Ga 3:14; As 3:15.

Niaro an’i Jesosy i Jehovah raha vao teraka kelikely io Zanany io, ka noporofoiny tamin’izany fa Mpanjaka manana fahefana izy. Nasain’Andriamanitra nandeha tamin’ny lalan-kafa, ohatra, ireo mpanandro tatsinanana, izay saika hilaza tamin’i Heroda Mpanjaka lozabe hoe taiza no nisy an’ilay zaza. Nasain’Andriamanitra nandositra tany Ejipta koa ny ray aman-drenin’i Jesosy, mba tsy ho tratran’ireo olona nirahin’i Heroda handripaka ny zazakely tany Betlehema. (Mt 2:1-16) Efa voalazan’ilay faminaniana tao Edena fa hifandrafy ilay “taranaka” nampanantenaina sy ny ‘taranak’ilay menarana’, ka midika izany fa i Satana Devoly Fahavalon’Andriamanitra no nanao an’io tetika namonoana an’i Jesosy io, satria tsy tiany ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah. Tsy nahomby anefa izy.​—Ge 3:15.

Nijanona 40 andro teo ho eo tany an-tany efitr’i Jodia i Jesosy rehefa vita batisa, ary niatrika an’ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra izy, taorian’izay. Te hamitaka an’i Jesosy io Fahavalo tsy hita maso io ka nanipy hevitra taminy mba hitarihana azy tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy handika ny didiny. Nilaza mihitsy aza izy fa raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany i Jesosy dia homeny azy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ka tsy mila miady mafy akory izy sady tsy voatery hijaly mba hahazoana izany. Nanda anefa i Jesosy, ka midika izany hoe i Jehovah no nekeny ho tena Mpanjaka Fara Tampony manan-jo ara-dalàna hanome fahefana, ary izy irery ihany no tokony hivavahana. Nitady tetika hafa hamelezana an’ilay Solontenan’i Jehovah àry ilay Fahavalon’Andriamanitra, ka nampiasa olona maro tamin’ny fomba samihafa, toy ny nataony tamin’i Joba ela be talohan’izay.​—Jb 1:8-18; Mt 4:1-11; Lk 4:1-13; ampit. Ap 13:1, 2.

Inona no dikan’ny hoe ‘teo afovoan’ireo’ olona nitorian’i Jesosy ny Fanjakan’Andriamanitra?

Natoky i Jesosy fa mahavita miaro azy sy mitahy izay ataony i Jehovah. Nanomboka ny fanompoany àry izy, ka nitory tamin’ny vahoakan’i Jehovah hoe: “Efa tonga ny fotoana voatondro”, ka efa manakaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mr 1:14, 15) Inona no dikan’ny hoe ‘akaiky’ ilay Fanjakana? Manampy hahafantarana izany ny tenin’i Jesosy tamin’ny Fariseo hoe: “Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lk 17:21) Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny rehefa manazava an’io andininy io: “Matetika io andininy io no ampiasaina mba hilazana hoe toe-tsaina no tian’i Jesosy holazaina. Ilay dikan-teny tranainy hoe ‘ao anatinareo’ [Prot., Kat.] anefa no tena nahatonga ny olona hieritreritra an’izany. Noeritreretina hoe ny ao anatin’ny olona iray no tian’izany holazaina. Milaza maro ([hymôn]) anefa ilay izy eo (niteny tamin’ireo Fariseo mantsy i Jesosy, araka ny and. 20). ... Mifanohitra amin’ireo andininy manodidina àry ilay hevitra hoe ny fanjakan’Andriamanitra dia toe-tsaina ao anaty na fahatsapana anaty hoe efa voavonjy. Mifanipaka amin’izay voalazan’ny T[estamenta] V[aovao] manontolo koa io hevitra io.” (Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 883) Fantatsika fa mety hidika hoe “voninahitry ny mpanjaka” ny hoe “fanjakana [basileia].” Te hilaza àry i Jesosy hoe teo anivon’izy ireo ilay mpanjaka solontenan’Andriamanitra sy nohosorany ho mpanjaka, izany hoe ny tenany. Tsy vitan’ny hoe teo izy tamin’ny naha mpanjaka azy, fa nanana fahefana koa izy hanao zavatra mba hanaporofoana fa Mpanjaka manana fahefana i Jehovah. Nanana fahefana koa i Jesosy hanomana olona ho mpanjaka ao amin’ilay fitondrany ho avy. ‘Akaiky’ àry ilay Fanjakana, ary fotoana tena tokony hohararaotina izany.

Fitondram-panjakana manana fahefana. Tamin’ny mpianatr’i Jesosy, dia tena fitondram-panjakana ilay Fanjakana, ary fanjakana tarihin’Andriamanitra. Tsy fantatr’izy ireo anefa hoe hatraiza ny faritra hanjakan’izy io. Hoy, ohatra, i Natanaela tamin’i Jesosy: “Raby ô, Zanak’Andriamanitra ianao! Mpanjakan’ny Israely ianao!” (Jn 1:49) Fantatr’ireo mpianatra ireo izay resahin’ny faminanian’i Daniela momba ny ‘olona masina.’ (Da 7:18, 27) Nampanantena an’ireo apostoly i Jesosy fa hipetraka eo amin’ny ‘seza fiandrianana’ izy ireo. (Mt 19:28) Te hahazo toerana miavaka tao amin’io fitondram-panjakan’ny Mesia io i Jakoba sy Jaona, ary neken’i Jesosy fa misy tokoa izany toerana izany. Nilaza anefa izy fa ny Rainy, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, ihany no manendry izay hahazo izany. (Mt 20:20-23; Mr 10:35-40) Nihevitra ireo mpianatr’i Jesosy fa ny tany, na ny Israely fotsiny, no faritra hanjakan’ny Mesia. Nieritreritra mihitsy aza izy ireo fa nanomboka nanjaka ny Mesia tamin’ilay andro niakarany tany an-danitra. (As 1:6) Marina fa diso hevitra izy ireo tamin’izany, nefa azony tsara kosa fa fitondram-panjakana ilay fanjakan’ny Mesia.​—Ampit. Mt 21:5; Mr 11:7-10.

Imbetsaka i Jesosy, mpanjaka Solontenan’i Jehovah, no nampiseho tamin’ny fomba hita maso hoe Mpanjaka manana fahefana eo amin’ny zavaboary eto an-tany i Jehovah. Nampiasa ny fanahin’Andriamanitra, na ny heriny, mantsy io Zanany io ka nahavita nifehy ny rivotra, ny ranomasina, ny zavamaniry, ary ny trondro. Vitany hatramin’ny nifehy an’ireo singa simika ao amin’ny sakafo, ka nanjary nitombo ny sakafo. Nahita an’ireny fahagagana nataon’i Jesosy ireny ny mpianany, ka nanjary nanaja lalina ny fahefana nananany. (Mt 14:23-33; Mr 4:36-41; 11:12-14, 20-23; Lk 5:4-11; Jn 6:5-15) Vao mainka mahagaga aza ny nampiasany ny herin’Andriamanitra teo amin’ny vatan’olombelona ka nanasitranany ny marary, hatramin’ny jamba ka hatramin’ny boka, ary ny nananganany ny maty. (Mt 9:35; 20:30-34; Lk 5:12, 13; 7:11-17; Jn 11:39-47) Sitrana ny boka, ka nasain’i Jesosy nankany amin’ny mpisorona “mba ho porofo amin’izy ireo”, satria tsy nino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny mpisorona. (Lk 5:14; 17:14) Mahery noho ny olombelona ireo zavaboary tsy hita maso, kanefa noporofoin’i Jesosy fa mbola mahery noho izy ireny ny herin’Andriamanitra. Nanaiky ireo demonia hoe nomena fahefana i Jesosy. Tsy sahy nitsapa ny herin’i Jesosy izy ireo, fa nankatò ny baikony kosa ka nivoaka tamin’ireo olona azony. (Mt 8:28-32; 9:32, 33; ampit. Jk 2:19.) Ny fanahin’Andriamanitra no nananany hery hamoahana demonia, ka nidika izany fa ‘efa teo amin’ireo [nihaino azy] tokoa ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatr’izy ireo.’​—Mt 12:25-29; ampit. Lk 9:42, 43.

Nasehon’izany rehetra izany fa nanana fahefan’ny mpanjaka i Jesosy, ary tsy avy eto an-tany na avy amin’ny olombelona na ny politika izany fahefana izany. (Ampit. Jn 18:36; Is 9:6, 7.) Nahita maso ny fahagagana nataony ireo olona nirahin’i Jaona Mpanao Batisa. Nasain’i Jesosy niverina tany amin’i Jaona tany am-ponja àry ireny olona ireny mba hitantara izay hitany sy reny, ka hanamafy fa i Jesosy tokoa “Ilay ho avy.” (Mt 11:2-6; Lk 7:18-23; ampit. Jn 5:36.) Ny mpianatr’i Jesosy koa nahita sy nandre an’ireo porofon’ny fahefan’ilay Fanjakana. Naniry hahita sy handre izany ireo mpaminany fahiny, nefa tsy nahita. (Mt 13:16, 17) Nanome fahefana an’ireo mpianany koa i Jesosy mba hanaovan’izy ireo fahagagana toy ny nataony, satria notendrena ho solontenan’i Jesosy izy ireo. Amin’izay dia hanan-kery kokoa ilay hafatra notorin’izy ireo hoe: “Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.”​—Mt 10:1, 7, 8; Lk 4:36; 10:8-12, 17.

Fidirana ao amin’ilay Fanjakana. Nasongadin’i Jesosy fa fotoana tokony hohararaotina izany fotoana izany. Hoy izy momba an’i Jaona Mpanao Batisa, ilay mpialoha lalana azy: “Amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra anefa dia lehibe noho izy. Hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa ka hatramin’izao, dia ny fanjakan’ny lanitra no tanjona isesehan’ny [biazetai] olona, ary mandrombaka azy izay misesika [biastai] ho amin’izany. Fa samy naminany izy rehetra, na ny Mpaminany na ny Lalàna, mandra-pahatongan’i Jaona.” (Mt 11:10-13) Novonoina i Jaona taoriana kelin’izay, ka nifarana ny fanompoany. Nanamarika ny faran’ny fe-potoana iray sy ny fanombohan’ny fe-potoana iray hafa àry ny fanompoan’i Jaona. Hoy ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao momba ilay matoanteny grika hoe biazômai ao amin’io andininy io: “Midika hoe miezaka mafy araka izay azo atao ilay matoanteny.” (1981, Boky Faha-3, p. 208) Hoy ilay manam-pahaizana alemà hoe Heinrich Meyer momba ny Matio 11:12: “Izany no fomba nilazana ny ezaka mafy sy ny ady mafy natao mba hahazoana ilay fanjakan’ny Mesia efa manakaiky ... Tena te hahazo an’ilay fanjakana ny olona ka niezaka mafy sy nikely aina (tsy tony intsony na nanantena fotsiny). Tsy iza àry ireo misesika [biastai] hiditra ireo fa mpino [tsy hoe fahavalo mpanafika] izay miady mafy mba hahazoana azy io.”​—Boky Mamakafaka sy Mitsikera ny Filazantsaran’i Matio, nataon’i Meyer, 1884, p. 225.

Tsy mora àry ny mahazo ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy mba toy ny fidirana ao amin’ny tanàna iray tsy misy sakana firy na tsy misy sakana mihitsy. Nanisy sakana kosa i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompo Fara Tampony, mba tsy ho tafiditra ao amin’ilay Fanjakana izay olona tsy mendrika. (Ampit. Jn 6:44; 1Ko 6:9-11; Ga 5:19-21; Ef 5:5.) Izay te hiditra dia tsy maintsy mandeha amin’ny lalana ety, mitady ny vavahady tery, ary mangataka sy mitady ary mandondòna foana. Amin’izay ihany ny varavarana vao hisokatra. “Tery” ny lalana satria tsy ho afaka hanao zavatra hiteraka olana ho an’ny tenany na ho an’ny olon-kafa ny olona mandeha amin’ilay lalana. (Mt 7:7, 8, 13, 14; ampit. 2Pe 1:10, 11.) Mety ho tsy maintsy mamoy ny masony na ny tanany an’ohatra ilay olona. (Mr 9:43-47) Tsy fanjakan’ny mpanankarena ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hoe azo vidina ny fankasitrahan’ny mpanjaka. Ho sarotra amin’ny mpanankarena (gr.: plosiôs) mantsy ny hiditra ao amin’ilay Fanjakana. (Lk 18:24, 25) Tsy fitondran’ny olona ambony eto amin’ity tontolo ity koa izy io, satria tsy misy vidiny eo imason’Andriamanitra ny fananana toerana ambony. (Mt 23:1, 2, 6-12, 33; Lk 16:14-16) Ireo olona lazaina fa “voalohany”, izany hoe ireo malaza ho mpivavaka be, no ho “farany”, ary ny “farany” kosa no “ho voalohany” hahazo ny voninahitra ho mpitondra ao amin’ilay Fanjakana. (Mt 19:30–20:16) Natoky ny toerana ambony notanany ny Fariseo mpihatsaravelatsihy sy nanambony tena, kanefa ho hitan’izy ireo fa ny mpivaro-tena sy ny mpamory hetra efa niova no hiditra ao amin’ilay Fanjakana alohan’izy ireo. (Mt 21:31, 32; 23:13) Holavin’i Jesosy izay rehetra nihatsaravelatsihy ka niantso azy hoe “Tompo ô, Tompo ô”, nefa tsy nanaja ny tenin’Andriamanitra sy ny sitrapony. “Tsy fantatro mihitsy ianareo!”, hoy izy, “mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.”​—Mt 7:15-23.

Afaka miditra ao amin’ilay Fanjakana ny olona iray raha ilay Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra aloha no katsahiny, fa tsy ny vola aman-karena. (Mt 6:31-34) Tia fahamarinana sy mankahala ny ratsy izy, toa an’i Kristy Jesosy Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra. (He 1:8, 9) Ho lasa mpitondra ao amin’ilay Fanjakana ny olona mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, ny olona mamindra fo, madio am-po, ary mpampihavana, na dia tevatevain’ny olona sy enjehiny aza. (Mt 5:3-10; Lk 6:23) Nanasa azy ireny hitondra ‘zioga’ i Jesosy. Mitondra an’ilay zioga izy ireo raha manaiky ny fahefan’i Jesosy Mpanjaka. Mora entina anefa ilay izy, ary maivana koa ny entana asaina entin’ireo “malemy fanahy sy manetry tena” toa an’ilay Mpanjaka. (Mt 11:28-30; ampit. 1Mp 12:12-14; Je 27:1-7.) Tokony hanohina ny fon’ireo nihaino an’i Jesosy izany, ka hanome toky azy ireo fa tsy toy ny fanjakan’ireo mpitondra israelita sy tsy israelita ratsy toetra ny fanjakan’i Jesosy. Izany no nanampy azy ireo hino fa tsy hisy intsony ny fitakiana hetra mihoa-pampana, na ny fanandevozana na ny famoretana hafa, rehefa i Jesosy no hitondra. (Ampit. 1Sa 8:10-18; De 17:15-17, 20; Ef 5:5.) Nilaza i Jesosy, tatỳ aoriana, fa tsy tia tena ilay ho Filohan’io fanjakana ho avy io ka hanome ny ainy ho an’ny vahoakany mihitsy mba hanaporofoana izany. Izay rehetra hiara-miasa aminy ao amin’io fanjakana io koa dia olona niezaka ny hanompo fa tsy hotompoina.​—Mt 20:25-28; jereo JESOSY KRISTY (Ny nataony sy ny toetrany).

Tena ilaina ny manaiky an-tsitrapo. Nanaja fatratra ny fahefana sy ny sitrapon’ny Rainy, izay Tompo Fara Tampony, i Jesosy. (Jn 5:30; 6:38; Mt 26:39) Raha mbola nanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna, dia tokony hanaraka sy hankatò azy io ireo Jiosy mpanara-dia an’i Jesosy. Tsy hahazo ny Fanjakan’Andriamanitra ny Jiosy tsy nanao toy izany. Tokony ho vokatry ny fo anefa izany, fa tsy fombafomba fotsiny. Tsy tokony hifidifidy an’izay lalàna ankatoaviny koa izy ireo ka hanizingizina hoe ilaina arahina ara-bakiteny ny Lalàna. Ny hevitra fonosin’ny Lalàna anefa no tokony harahina, anisan’izany ny hoe tokony hanao ny rariny sy hamindra fo ary ho mendri-pitokisana. (Mt 5:17-20; 23:23, 24) Hoy i Jesosy tamin’ny mpanora-dalàna iray: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.” Neken’io lehilahy io mantsy fa manana toerana miavaka i Jehovah ary “sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana [an’Andriamanitra] amin’ny fo manontolo sy ny fahaiza-misaina manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.” (Mr 12:28-34) Nasehon’i Jesosy mazava tsara àry fa vahoaka manaiky azy an-tsitrapo no tian’i Jehovah Andriamanitra, izany hoe olona mifidy ny lalany marina sy maniry mafy hiaina eo ambany fahefany.

Fifanekena vaovao. Niresaka momba ny “fifanekena vaovao” i Jesosy, tamin’ny alina farany niarahany tamin’ny mpianany. Nilaza izy fa hampiharina amin’ny mpanara-dia azy ilay fifanekena, noho ny sorom-panavotana homeny. (Lk 22:19, 20; ampit. 12:32) Izy no ho Mpanelanelana amin’ilay fifanekena ifanaovan’i Jehovah Tompo Fara Tampony sy ny mpanara-dia an’i Jesosy. (1Ti 2:5; He 12:24) Nifanaovan’i Jesosy fifanekena “ho amin’ny fanjakana” koa ireo mpanara-dia azy, mba hiarahan’izy ireo manjaka aminy.​—Lk 22:28-30; jereo FIFANEKENA.

Naharesy an’izao tontolo izao. Mpanjaka i Jesosy nefa toa nihena ny fahefany rehefa nosamborina sy notsaraina ary novonoina izy. Tsy izany anefa no izy, satria izany indrindra aza no fomba nahatanterahan’ny faminanian’Andriamanitra, ary izany koa no antony namelan’Andriamanitra an’ilay izy hitranga. (Jn 19:10, 11; Lk 24:19-27, 44) Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, ka porofo izany fa ‘tsy nanana fahefana taminy’ i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao” sady Fahavalon’Andriamanitra. Voaporofo àry fa “naharesy an’izao tontolo izao” izy. (Jn 14:29-31; 16:33) Na mbola teo amin’ny hazo fijaliana aza ny Zanany, dia nasehon’i Jehovah fa izy no mahery indrindra, satria navadiny ho haizina ny hazavan’ny masoandro, ary nampisy horohoron-tany mahery vaika izy, sady nataony triatra nizara roa ilay ridao lehibe tao amin’ny tempoly. (Mt 27:51-54; Lk 23:44, 45) Vao mainka nasehony ny maha Tompo Fara Tampony azy, telo andro taorian’izay, rehefa natsangany ho zavaboary tsy hita maso ny Zanany, na dia nezahin’ny fahavalo nosakanana aza ny fitsanganany. Nataon’izy ireo tsara ambina mantsy ny fasan’i Jesosy sady nasiany tombo-kase.​—Mt 28:1-7.

“Ny fanjakan’ilay Zanany tiany.” Nahita porofo ny mpianatr’i Jesosy, folo andro taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, fa efa “nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra izy”, satria nandatsaka ny fanahy masina tamin’izy ireo tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 1:8, 9; 2:1-4, 29-33) Nanomboka nampiharina tamin’izy ireo ilay “fifanekena vaovao” tamin’izay, ary izy ireo no voalohany anisan’ilay “firenena masina” vaovao, na Israely ara-panahy.​—He 12:22-24; 1Pe 2:9, 10; Ga 6:16.

Efa nipetraka teo ankavanan’ny Rainy i Kristy tamin’izay, ary izy no Lohan’io fiangonan’ny Israely ara-panahy io. (Ef 5:23; He 1:3; Fi 2:9-11) Hazavain’ny Soratra Masina fa nisy fanjakana ara-panahy nanana fahefana teo amin’ireo mpianatr’i Kristy, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Niresaka an’i Jesosy Kristy ho efa manana fanjakana ny apostoly Paoly, tamin’izy nanoratra ho an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany nonina tany Kolosia. Hoy izy: “Nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny haizina [Andriamanitra], ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ilay Zanany tiany.”​—Kl 1:13; ampit. As 17:6, 7.

Tsy inona àry ilay fanjakan’i Kristy nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 fa fanjakana ara-panahy teo amin’ny Israely ara-panahy, na Kristianina nateraky ny fanahin’Andriamanitra mba ho zanany ara-panahy. (Jn 3:3, 5, 6) Tsy anisan’ny vahoaka eto an-tany fehezin’io fanjakana ara-panahy io intsony ireny Kristianina nateraky ny fanahy ireny rehefa mahazo ny valisoany any an-danitra, fa ho lasa mpanjaka miaraka amin’i Kristy any an-danitra kosa.​—Ap 5:9, 10.

“Fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny.” Nahazo fahitana avy tamin’Andriamanitra ny apostoly Jaona tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, ka hitany mialoha ilay fotoana hanomezan’i Jehovah endriny vaovao ny fitondrany, amin’ny alalan’ny Zanany. Tamin’io fotoana io i Jehovah no lazaina hoe ‘nandray fahefana lehibe ka efa nanomboka nanjaka’, toy ny tamin’ny fotoana nitondran’i Davida an’ilay Vata masina niakatra tany Jerosalema. Tamin’iny fotoana hitan’i Jaona iny koa no nandrenesana feo mafy tany an-danitra, nanao hoe: “Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay.”​—Ap 11:15, 17; 1Ta 16:1, 31.

I Jehovah Tompo Fara Tampony ilay “Tompontsika” voalaza eo. Nohamafisiny fa izy no manana fahefana eo amin’ny “fanjakan’izao tontolo izao”, ka nomeny endriny vaovao ny fitondrany eto an-tany. Notendreny hitana toerana ao amin’io Fanjakana io koa i Jesosy Kristy Zanany, hany ka lazaina hoe “fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny” io Fanjakana io. Lehibe kokoa noho “ny fanjakan’ilay Zanany tiany” resahin’ny Kolosianina 1:13 izy io. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 mantsy “ny fanjakan’ilay Zanany tiany”, ary tsy nanana fahefana afa-tsy tamin’ireo mpianatr’i Kristy voahosotra. Nanomboka tamin’ny faran’ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena” kosa “ny fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny”, ary manana fahefana amin’ny olona rehetra eto an-tany.​—Lk 21:24.

Nanaisotra an’izay rehetra nanohitra ny zon’Andriamanitra hitondra i Jesosy rehefa nahazo fahefana teo amin’ny “fanjakan’izao tontolo izao.” Ny tany an-danitra aloha no nodioviny. Resy i Satana sy ny demoniany, ka natsipy tetỳ an-tany. Tamin’izay no nanambarana hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny.” (Ap 12:1-10) Kely sisa ny fotoana tavela ho an’i Satana, ilay Fahavalo lehibe indrindra, ary mbola manatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 izy ka miady amin’ny “sisa” amin’ny ‘taranaky’ ny vehivavy, izany hoe ireo ‘olona masina’ hiara-manjaka amin’i Kristy. (Ap 12:13-17; ampit. Ap 13:4-7; Da 7:21-27.) Miharihary anefa hoe mamoaka ‘didim-pitsarana ara-drariny’ i Jehovah, ary hita izany rehefa mahatonga loza amin’ireo mpanohitra azy izy, ka ho ringana i Babylona Lehibe, ilay tena mpanenjika ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany.​—Ap 15:4; 16:1–19:6.

Aorian’izay, dia haniraka ny tafiky ny lanitra ilay “fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny”, mba hiady amin’ireo mpitondra fanjakana rehetra eto an-tany sy ny tafiny, ka handringana azy ireo. Io ilay ady antsoina hoe Hara-magedona. (Ap 16:14-16; 19:11-21) Hitranga izany ho valin’ilay vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mt 6:10) Hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana aorian’izay, ary hanomboka ny fe-potoana haharitra arivo taona, ka i Kristy Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy no ho mpanjaka sy mpisorona hitondra ny tany sy ny mponina ao aminy.​—Ap 20:1, 6.

“Hanolotra ny fanjakana” i Kristy. Niresaka momba ny fitondran’i Kristy mandritra ny fanatrehany koa ny apostoly Paoly. Aorian’ny hananganan’i Kristy an’ireo voahosotra mpanara-dia azy, dia ‘hofoanany avokoa ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra’, izay azo inoana fa ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery manohitra ny sitrapon’Andriamanitra. “Hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy izy”, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, ary izy mihitsy no hanaiky “an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”​—1Ko 15:21-28.

Nahoana no voalaza imbetsaka ao amin’ny Soratra Masina hoe fanjakana “mandrakizay” ny fanjakany, nefa hitantsika teo fa “hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy izy”? (2Pe 1:11; Is 9:7; Da 7:14; Lk 1:33; Ap 11:15) Satria “tsy ho rava mandrakizay” ny fanjakany, haharitra mandrakizay ny zava-bitan’izy io, ary homem-boninahitra mandrakizay izy noho izy Mesia Mpanjaka.​—Da 2:44.

Hanao ny asan’ny mpisorona ho an’ny olona mankatò i Kristy, rehefa izy no hitondra ny tany mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. (Ap 5:9, 10; 20:6; 21:1-3) Hanao izany izy mba hifarana hatreo ny fanjakan’ny ota sy ny fahafatesana eo amin’ny olona mankatò, izay voatery nanaiky ny lalàn’ireo. Ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fahamarinana kosa no hanjaka hisolo an’ireo. (Ro 5:14, 17, 21) Hodiovina ho afaka tanteraka amin’ny ota sy ny fahafatesana ny mponin’ny tany. Midika izany fa tsy hila an’i Jesosy ho “mpanampy any amin’ny Ray” intsony ny olona, ka tsy hila sorona fampihavanana intsony noho ny fahotan’ny olombelona tsy lavorary. (1Jn 2:1, 2) Ho toy ny tamin’ny voalohany indray ny olombelona, ka ho lavorary toa an’i Adama tao Edena. Tsy nila na iza na iza hampihavana azy tamin’Andriamanitra i Adama tamin’izy lavorary. Ho tompon’andraikitra feno amin’izay ataony koa ny mponina eto an-tany, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Ho tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra Mpitsara Fara Tampony izy ireo, ka tsy hila na iza na iza ho mpanelanelana ara-dalàna, na mpanampy. Ho “zava-drehetra ho an’ny rehetra” i Jehovah, ilay manana hery fara tampony. Midika izany fa ho efa tanteraka amin’ny an-tsipiriany ny fikasan’Andriamanitra ‘hanangona indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.’​—1Ko 15:28; Ef 1:9, 10.

Ho efa vita tanteraka àry ny nilana an’ilay Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy. Hiverina ho toy ny tamin’ny voalohany ny tany. Tsy hisy ota sy fikomiana intsony eto. Tsy hisy hanakiana intsony koa ny zon’i Jehovah hitondra an’izao rehetra izao. Tsy hisy fanjakana intsony hanelanelana an’Andriamanitra amin’ny olona mpankatò.

Aorian’izay anefa, dia hotsapaina farany ny olona rehetra eto an-tany raha tena tsy hivadika amin’Andriamanitra sy hifikitra aminy, na tsia. Hovahana avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana ka hamitaka ny olona. Mbola hamerina an’ilay adihevitra tany Edena ireo ho voafitany, dia ny hoe manan-jo hitondra ve Andriamanitra sa tsia. Voalaza mantsy fa hotafihina “ny tobin’ny olona masina sy ilay tanàna malala.” Efa voalamin’ilay Fitsarana any an-danitra anefa iny adihevitra iny, sady efa nambarany hoe nikatona iny raharaha iny. Tsy avela hisy fikomiana haharitra intsony àry. Tsy ho afaka hiantso an’i Kristy Jesosy mba hanampy sy hampihavana azy amin’Andriamanitra intsony ireo mivadika amin’Andriamanitra, satria ho “zava-drehetra” ho azy ireo i Jehovah Andriamanitra, ka tsy hisy hiangavy ho azy ireo na ho mpanelanelana intsony. Fandringanana amin’ny “fahafatesana faharoa” no didim-pitsaran’Andriamanitra ho an’ny mpikomy rehetra, na anjely na olombelona.​—Ap 20:7-15.