Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanjakana

Fanjakana

Manondro fitondram-panjakana izy io, amin’ny ankapobeny; faritany sy vahoaka entin’ny mpanjaka na indraindray mpanjakavavy. Matetika no nifandovana ny fanjakana. Mety hanana anaram-boninahitra hafa, toy ny hoe Farao na Kaisara, ny mpanjaka.

Misy lafiny maro maha fanjakana ny fanjakana, na taloha izany na ankehitriny. Saika ny fanjakana rehetra, ohatra, no nanana renivohitra (na toerana nisy ny lapam-panjakana), tandapa, tafika (angamba vitsy ny miaramila rehefa tsy nisy ady). Ilay teny hoe “fanjakana”, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, dia tsy tena ahalalana ny firafitry ny fitondram-panjakana na ny haben’ny faritra nanjakana na ny fahefan’ny mpanjaka. Nisy ny fanjakana lehibe sy mahery, anisan’izany ny fanjakana natanjaka eran-tany toa an’i Ejipta, Asyria, Babylona, Media-Persa, Gresy, ary Roma. Nisy kosa ny fanjakana kely toa an’ireo tanàna fanjakana, anisan’izany ireo fanjakana resin’ny Israelita tao Kanana. (Js 12:7-24) Mety ho samy hafa be koa ny firafitry ny fitondram-panjakana.

Ny fanjakan’i Nimroda no fanjakana voalohany natsangan’olombelona. Toa tanàna fanjakana izy io tamin’ny voalohany, ary avy eo nitatra tany amin’ny tanàna hafa, fa i Babela ihany no renivohiny. (Ge 10:9-11) Tao Salema kosa ny fanjakana voalohany nankasitrahan’Andriamanitra. I Melkizedeka, izay sady mpanjaka no mpisorona, no mpitondra azy io. Toa tanàna fanjakana koa izy io. (Ge 14:18-20; ampit. He 7:1-17.) Nisy ny fanjakana lehibe kokoa, toa an’i Edoma sy Moaba ary Amona, izay nifehy faritra iray manontolo. Nisy koa ny fanjakana tena natanjaka izay nifehy faritra nidadasika sy nampandoa hetra fanjakana hafa. Toa tanàna fanjakana na foko maromaro izy ireny tamin’ny voalohany, ary nikambana ka notarihin’ny mpitarika lehibe iray. Matetika izy ireny no nivondrona mba hiady tamin’ny fahavalo niombonana, nefa vonjimaika fotsiny indraindray ny fiarahan’izy ireny. (Ge 14:1-5; Js 9:1, 2; 10:5) Matetika no nahaleo tena ihany ireny fanjakana nofehezin’ny fanjakana hafa ireny, na dia tsy maintsy nanatanteraka an’izay notakin’ilay fanjakana nifehy azy aza.​—2Mp 17:3, 4; 2Ta 36:4, 10.

Misy heviny maro. Mety hanondro lafiny iray amin’ny fitondram-panjakana ny hoe “fanjakana”, araka ny ampiasan’ny Soratra Masina azy. Mety hanondro ny faritra nofehezin’ilay fanjakana, ohatra, izy io, ary tsy ny faritra nisy ny renivohitra ihany, fa ilay faritra manontolo mihitsy, anisan’izany ny fanjakana rehetra nofehezin’ilay fanjakana foibe.​—1Mp 4:21; Es 3:6, 8.

Mety hanondro fitondram-panjakana iray na ny fitondran’olombelona rehetra koa ny hoe “fanjakana”, na misy mpanjaka izy io na tsia.​—Ezr 1:2; Mt 4:8.

Mety hanondro ny asan’ny mpanjaka na ny toerana tanany koa izy io (Lk 17:21), anisan’izany ny voninahitra sy ny fahefan’ny mpanjaka. (1Ta 11:10; 14:2; Lk 19:12, 15; Ap 11:15; 17:12, 13, 17) Mety ho ny zanaky ny mpanjaka no lazaina hoe “ny tarana-mpanjaka [a.b.t.: taranaky ny fanjakana].”​—2Mp 11:1.

Ny fanjakana teo amin’ny Israely. Nanome lalàna momba ny fitondran’ny mpanjaka ny fifaneken’ny Lalàna natao tamin’ny firenen’Israely tamin’ny alalan’i Mosesy. (De 17:14, 15) Nomena fahefana sy voninahitra ny mpitondra an’ilay fanjakana. Tsy natao hanandratana azy anefa izany, fa ho voninahitr’Andriamanitra sy hanasoavana an’ireo Israelita rahalahiny. (De 17:19, 20; ampit. 1Sa 15:17.) Nangataka mpanjaka olombelona ny Israelita tatỳ aoriana. Nampitandrina azy ireo anefa i Samoela mpaminany fa hitaky zavatra be dia be amin’ny vahoaka ny mpanjaka. (1Sa 8) Toa mora nohatonina sy mora nifandraisana ireo mpanjaka teo amin’ny Israely, raha oharina amin’ny ankamaroan’ny mpanjaka tatsinanana fahiny.​—2Sa 19:8; 1Mp 20:39; 1Ta 15:25-29.

Avy tamin’ny fokon’i Benjamina ny mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, fa avy tamin’ny fokon’i Joda kosa ireo mpanjaka tatỳ aoriana, araka ny faminanian’i Jakoba tamin’izy efa ho faty. (1Sa 10:20-25; Ge 49:10) Nanjary nisy tarana-mpanjaka àry avy tamin’i Davida. (2Sa 2:4; 5:3, 4; 7:12, 13) ‘Nesorina’ tamin’i Rehoboama zanak’i Solomona ny fanjakana tatỳ aoriana, ka nanjary nisy ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra. Navelan’i Jehovah hisy foko iray (fokon’i Benjamina) kosa hiaraka tamin’ny fokon’i Joda, “mba hisy jiro ho an’i Davida mpanompoko foana eo anatrehako, any Jerosalema, ilay tanàna nofidiko ho ahy mba hametrahana ny anarako.” (1Mp 11:31, 35, 36; 12:18-24) Marina fa resin’ny Babylonianina ny fanjakan’ny Joda tamin’ny 607 T.K. Amin’ny farany anefa, dia ilay mpandova ara-dalàna no hahazo ny zo hitondra, izany hoe i Jesosy Kristy, “zanak’i Davida.” (Mt 1:1-16; Lk 1:31, 32; ampit. Ezk 21:26, 27.) Tsy hifarana mihitsy ny Fanjakany.​—Is 9:6, 7; Lk 1:33.

Nisy lamina napetraka teo anivon’ny fitondram-panjakana teo amin’ny Israely mba hampandehanana ny raharaham-panjakana. Teo, ohatra, ireo mpanolo-tsaina sy tompon’andraiki-panjakana (1Mp 4:1-6; 1Ta 27:32-34), ary koa ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa sy ny mpiandraikitra azy ireny. Niandraikitra ny tanin’ny mpanjaka izy ireny, nanara-maso ny toe-karena, ary nikarakara izay nilain’ny tao an-dapa.​—1Mp 4:7; 1Ta 27:25-31.

Marina fa afaka namoaka didy ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Davida, nefa Andriamanitra ihany no tena manana fahefana hanao lalàna. (De 4:1, 2; Is 33:22) Tompon’andraikitra tamin’ny zava-drehetra ny mpanjaka, teo imason’i Jehovah, satria i Jehovah no tena Mpanjaka sy Tompo. Nosaziny ny mpanjaka raha nanao ratsy sy nikomy. (1Sa 13:13, 14; 15:20-24) Niresaka nivantana tamin’ny mpanjaka izy indraindray (1Mp 3:5; 11:11), fa nampiasa mpaminany kosa indraindray mba hampahafantarany ny didiny sy ny toroheviny ary ny fananarany. (2Sa 7:4, 5; 12:1-14) Afaka naka hevitra tamin’ireo zokiolona koa ny mpanjaka. (1Mp 12:6, 7) I Jehovah ihany anefa, fa tsy ny mpaminany na ny zokiolona na ny anti-panahy, no nanao ampamoaka rehefa tsy narahina ny toromarika sy ny anatra nomeny.

Rehefa nanaja tsara ny fifaneken’ny Lalàna nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo ny mpanjaka sy ny firenen’Israely, dia niadana sy nilamina ary nanana fahalalahana izy ireo, fa tsy toy ny fanjakana hafa. (1Mp 4:20, 25) Izany, ohatra, no nitranga rehefa nankatò an’i Jehovah i Solomona. Nalaza sy nohajaina hatraiza hatraiza ny fanjakan’ny Israely tamin’izany. Fanjakana maro no nandoa hetra taminy, ary zava-tsoa be dia be no azony avy tamin’ny tany maro.​—1Mp 4:21, 30, 34.

Mpanjakan’izao rehetra izao i Jehovah Andriamanitra, fa naka endriny hita maso fotsiny ny fitondrany, tamin’ny alalan’ilay fanjakana teo amin’ny Israely. (1Ta 29:11, 12) Tsy manam-petra sy tsy miova ny fanjakany. Anisan’ny eo ambany fifehezany koa ny tany manontolo, na manaiky izany ny olona sy ny fanjakan’olombelona, na tsia. (Sl 103:19; 145:11-13; Is 14:26, 27) Mpamorona i Jehovah, ka manatanteraka ny sitrapony any an-danitra sy eto an-tany, araka izay efa nokasainy. Tsy misy olona afaka manao ampamoaka azy (Je 18:3-10; Da 4:25, 34, 35), nefa manaraka ny fitsipiny marina foana izy na izany aza.​—Ml 3:6; He 6:17, 18; Jk 1:17.