FANAZAVANA MAHALIANA
Fanjakana Asyrianina
FIRENENA mpiady ny Asyrianina, ary matetika no nampijalijaly tamin’ny fomba mahatsiravina an’ireo olona azony babo. Anisan’ny nanan-kery be teo amin’ny fiainan’izy ireo ny fivavahana, ary ny ady no fomba tena nanehoany izany. Hoy ilay mpahay tantara W. Bright: “Raharaham-pirenena ny ady, ary tsy nitsahatra nampirisika hiady ny mpisorona. Ny zavatra azo babo no tena nanohanana ny asan’izy ireo. Nisy ampahany efa voafaritra tsara natokana ho azy ireo, izay vao nomena ny anjarany ny hafa. Mpivavaka be mantsy io firenena mpandroba io.”—Tanàna Fahiny, 1886, p. 25.
Resahin’ny Baiboly sy ny tantara fa nifandray matetika i Israely sy Asyria. Voatery nandoa hetra tamin’ny mpanjakan’i Asyria, ohatra, i Israely. Resin’ny Asyrianina i Samaria, renivohitry ny fanjakana tany avaratra, tamin’ny 740 T.K., ka an’arivony ny Israelita natao sesitany. Efa tena tafahoatra ny faharatsian’ny Israely nivadi-pinoana, matoa izany navelan’i Jehovah hitranga! Naripaky ny anjelin’i Jehovah tao anatin’ny indray alina monja anefa ny miaramila asyrianina 185 000, rehefa nitady haka an’i Jerosalema koa i Sankeriba. (Is 36:1–37:38) Rava tanteraka i Asyria tatỳ aoriana, araka ny efa nolazain’ny mpaminanin’i Jehovah, ka i Babylona indray no lasa firenena natanjaka indrindra.—Is 23:13; Ze 2:13.