FANAZAVANA MAHALIANA
Fanjakana Babylonianina
TANÀNA nahavariana i Babylona, satria nisy manda avo be, Lalan’ny Mpilahatra, Zaridaina Mihantona nalaza, ary tempoly 50 mahery.
Efa hatry ny ela i Babela (na Babylona tatỳ aoriana) no foiben’ny fivavahana nanohitra an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. (Ge 10:9, 10) Nataon’i Jehovah nandamòka ny fikasan’ireo nanorina azy io, rehefa nataony nisafotofoto ny fiteniny ka naparitany naneran-tany izy ireo. (Ge 11:4-9) Izany no nahatonga ny fivavahan-diso tao Babylona hiely tany an-tany hafa.
Rava i Babylona tatỳ aoriana, noho izy sahy nanohitra an’i Jehovah. Oharin’ny faminaniana amin’ny liona manana elatry ny voromahery i Babylona. Nolazain’i Jehovah koa fa ho rava sy ho lao izy io, ary Kyrosy no anaran’ilay handresy azy. Resin’i Kyrosy Lehibe tao anatin’ny indray alina monja izy io tamin’ny 5 Oktobra 539 T.K. Efa voalazan’ny faminaniana ny fomba haharesy azy, ary tanteraka tokoa izany! Lasa “korontam-bato miavosa” ilay tanàna tatỳ aoriana, ka tsy naorina intsony.—Je 51:37; jereo Is 44:27–45:2.