Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanjakana Grika

Fanjakana Grika

NANATANTERAKA ny faminanian’ny Baiboly ireo zava-nitranga mahavariana teo amin’ny tantaran’i Gresy. Tsy nampoizina ho lasa firenena natanjaka indrindra eran-tany i Gresy, satria voazarazara ho foko nanana tanàna fanjakana nahaleo tena ny mponina tany.

Nilaza anefa ny faminanian’ny Baiboly tamin’ny taonjato fahenina T.K. fa hiova izany. Nohariny tamin’ny leopara nanana elatra i Gresy, ary avy eo tamin’ny osilahy nanan-tandroka niharihary be. Voalaza tao fa hohitsakitsahin’i Gresy ny Fanjakana Medianina-Persianina, izay firenena natanjaka indrindra tamin’izany. Nambara tao koa fa ho tapaka ilay “tandroka niharihary be”, ary hisy tandroka efatra hipoitra hisolo azy.​—Da 7:6; 8:5-8, 20-22; 11:3, 4.

I Aleksandra Lehibe io “tandroka niharihary be” io. Vitsy ireo miaramila grika notarihiny nefa nanaraka baiko tsara, ka nahazo fandresena maro izy nanomboka tamin’ny 334 T.K. Vetivety dia resiny i Azia Minora, Syria, Palestina, Ejipta, ny Fanjakana Medianina-Persianina manontolo, ary India (Inde). Maty anefa i Aleksandra taona vitsivitsy taorian’izay, ka tsy ela dia nifampizaran’ny efatra tamin’ireo jeneraliny ny fanjakany.

Tsy naharitra ela ny Fanjakana Grika, nefa namela soritra lalina teo amin’ny tantara. Nampiely ny kolontsaina sy ny teny grika nanerana ny fanjakany mantsy i Aleksandra, talohan’ny nahafatesany. Lasa fiteny niombonan’ny firenena maro àry ny fiteny grika tsotra, ka niely haingana eran’ny faritr’i Mediterane ny Fivavahana Kristianina.

I Atena sy ny Acropole ankehitriny. Mbola foibe ara-kolontsaina naneran-tany i Atena, na dia tsy firenena natanjaka indrindra intsony aza i Gresy

SARITANY: Tany azon’i Aleksandra

SARITANY: Gresy, Fanjakana Grika

Voan’ny tazomoka i Aleksandra tamin’izy 32 taona (323 T.K.) ka maty. Nalain’ny efatra tamin’ireo jeneraliny ny fahefana tamin’ny 301 T.K.: Lasan’i Ptolémée Lagus i Ejipta sy Palestina, lasan’i Séleucus Nicator i Mezopotamia sy Syria, lasan’i Lysimaque i Thrace sy Azia Minora, ary lasan’i Cassandre i Makedonia sy Gresy (Da 7:6; 8:8; 11:4)

Nifangaro fivavahana sy nanindrahindra ny kolontsaina grika ny lalao grika hoatran’ny eto amin’ity sary mivohitra hita tany Atena ity. Lasa tsy nanaraka ny fitsipiky ny Soratra Masina ny tanora jiosy mpankao amin’ilay kianja tao Jerosalema

Vilia bakoly misy sarina kisoa atao fanatitra. Fanatitra toy izany no nataon’i Antiokosa Faha-4 (Epifana) teo amin’ny alitara iray naorina teo ambonin’ilay alitara lehibe tao amin’ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Notokanany ho an’i Zeosy avy eo ilay tempoly. Te handoto sy hanafoana ny fivavahana tamin’i Jehovah mantsy izy

Vola madinika misy ny sarin’i Antiokosa Faha-4 (Epifana)

Korinto fahiny. Niady mafy ny Kristianina voalohany tao, mba tsy ho voataonan’ny filozofia grika sy ny fitondran-tena ratsin’ireo mpanompo sampy

Platon, filozofa tamin’ny taonjato fahefatra T.K. Izy no tena nampiely an’ilay finoan’ny Grika hoe tsy mety maty ny fanahy

Sora-tanana Alexandrinus, amin’ny teny grika, tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Saika ny Soratra Grika Kristianina manontolo no nosoratana tamin’ny fiteny grika tsotra (koine)