Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanjakana Medianina-Persianina

Fanjakana Medianina-Persianina

RESAHIN’NY Baiboly imbetsaka ny Medianina sy Persianina, satria namela ny olona hanaraka izay fivavahana tiany ka nanatanteraka faminaniana.

Navelan’i Jehovah hoentina ho babo tany Babylona ny Jiosy. Tsy mba nanafaka an’ireo olona azony babo mihitsy ny Babylonianina. Naminany anefa Andriamanitra fa mbola hiverina any amin’ny taniny ny Jiosy. (Je 27:22; 30:3) Nanatanteraka izany fikasan’i Jehovah izany tokoa ny Medianina-Persianina, izay oharin’ny Baiboly amin’ny orsa.​—Da 7:5.

Taoriana kelin’ny nandresen’i Kyrosy Persianina an’i Babylona, dia namoaka didy izy hoe mahazo mody sy manorina indray ny tempolin’i Jehovah, ireo Jiosy babo. (Ezr 1:2-4) Nanamafy izany didy izany i Dariosy I tatỳ aoriana. (Ezr 6:1-11) I Ahasoerosy Mpanjaka (azo inoana fa i Ksersesy I) indray nanao sonia an’ilay didy nampandamòka tetika handripahana ny Jiosy, rehefa nampahafantarina azy ny marina. (Es 7:3–8:14) Nanome alalana an’i Nehemia hanorina indray ny mandan’i Jerosalema i Artaksersesy Lava Tanana tamin’ny 455 T.K. Nanomboka teo ny fanisana an’ilay daty hahatongavan’ny Mesia.​—Ne 2:3-8; Da 9:25.

SARITANY: Fanjakana Medianina-Persianina

Sary mivohitra ahitana Medianina (manao satro-bory) sy Persianina (manao satroka misy mivalombalona)

Hamadàna (any Iran) ankehitriny, nisy an’i Ekbatana. Nisy lapan’i Kyrosy Lehibe tao. Tsara fanahy tamin’ny Jiosy izy, satria navelany hanaraka izay fivavahana tiany izy ireo

Varingarin’i Kyrosy: Tanimanga mirefy 23 sm, misy soratra mitantara ny nandreseny an’i Babylona sy ny nanafahany an’ireo natao sesitany

Tombo-kase varingarina an’i Dariosy I. Hita eo hoe mihaza liona izy ary eo amboniny eny amin’ny habakabaka i Ahoura Mazda andriamaniny. Nanampy an’ireo Jiosy hanorina indray ny tempolin’i Jerosalema i Dariosy

Sisa tavela tamin’i Persepolisy. Nisy lapa naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana tao

Sisa tavela tamin’i Persepolisy. Nisy lapa naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana tao

Sisa tavela tamin’i Persepolisy. Nisy lapa naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana tao

Sisa tavela tamin’i Persepolisy. Nisy lapa naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana tao

Fikarohana ny any ambanin’ny tany natao teo amin’ilay nisy an’i Sosana

Haingon-trano fahita tao amin’ilay efitra fandraisana olona tao an-dapan’i Sosana

Mordekay sy Estera eo anoloan’i Ahasoerosy Mpanjaka (azo inoana fa i Ksersesy I)