FANAZAVANA MAHALIANA
Fanjakana Nizara Roa
NIZARA roa ny fanjakan’ny Israely, 120 taona monja taorian’ny nitondran’i Saoly mpanjaka voalohany. Nahoana? Satria nivadi-pinoana i Solomona Mpanjaka. Navelany hiditra tsikelikely ny fanompoan-tsampy ary nanorina “toerana avo” ho an’ireo sampy izy, satria te hampifaly an’ireo vadiny hafa firenena. Tena rikoriko àry i Jehovah. Tsy hadinony anefa ny fifanekena nataony tamin’i Davida, ka nilaza izy fa hisy taranany hanjaka ihany saingy hesoriny aminy ny ampahany amin’ilay fanjakana. —1Mp 11:7-13.
Tanteraka izany tamin’ny 997 T.K., rehefa nanjaka i Rehoboama zanak’i Solomona. Tsy nilefitra mihitsy izy, ka nikomy ny foko folo. Nanangana fanjakana tany avaratra àry izy ireo, ary anisan’izy io ireo tanànan’ny Simeonita tao amin’ny faritanin’i Joda. Ny fokon’i Benjamina sy Levy sisa no tao amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo.
I Jeroboama no nanjaka voalohany tany avaratra. Natahotra anefa izy sao hivadika aminy ny vahoakany raha mbola mandeha mivavaka any Jerosalema, ka namorona fivavahana hafa izy. Nasiany zanak’omby volamena àry tany Dana tany avaratra sy tao Betela, 17 km monja avaratr’i Jerosalema. Nanendry mpisorona araka izay tiany fotsiny koa izy, ary namorona andro fety. —1Mp 12:26-33.
Nizara roa teo amin’ny lafiny politika sy fivavahana àry i Israely. Niady an-trano ilay firenena ary mora notafihina. Niala tamin’ny fivavahana marina ireo foko folo, ka sady naloto fitondran-tena no nanompo sampy be. Naniraka mpaminany foana anefa i Jehovah mba handrisika azy ireo hibebaka.