Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanjakan’i Solomona

Fanjakan’i Solomona

MANAMPY antsika hahazo sary an-tsaina ny hoavy ny fanjakan’i Solomona Mpanjaka. Nandritra ny fitondrany no nanan-karena sy nalaza indrindra ny firenen’Israely. Sady mpanjaka hendry i Solomona no tena nahay nandamina an’izay rehetra nataony. Nanorina tempoly kanto ho an’i Jehovah izy, ary koa tranom-panjakana maromaro sy lapam-panjakana iray, araka ny aseho etsy ambany. Nozarazarainy ho faritra niadidian’ny lehibem-paritra ny fanjakany, ka nifandimby namatsy sakafo an’izay tao an-dapany izy ireo, tamin’ny vanim-potoana rehetra.

Tena niadana sy nilamina ny olona nandritra ny fanjakan’i Solomona. Hita taratra amin’izany ny fiadanana hisy mandritra ny fanjakan’ny Mesia. ‘Hisy olom-pehezin’izy io hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary hatrany amin’ny Renirano [Eofrata] ka hatrany amin’ny faran’ny tany.’​—Sl 72:8.

SARITANY: Faritra Nanjakan’i Solomona

Tsy nanana ahiahy ny Joda sy ny Israely tamin’ny andro nanjakan’i Solomona, ka toy ny hoe teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra (1Mp 4:25)

Nisy mpanjaka tonga avy tany amin’ny firenena maro mba hihaino ny fahendreny (1Mp 4:34; 10:1)