Fankahalana
Manana heviny maromaro mitovitovy ny hoe ‘mankahala’, ao amin’ny Soratra Masina. Mety hidika hoe tsy tia maizina izy io, na manao an-dolompo ka matetika no te hanisy ratsy. Mety ho lasa lalim-paka ny fankahalana, ka hitarika olona hanisy ratsy an’izay ankahalainy. Ny hoe ‘mankahala’ dia mety hidika koa hoe tena tsy tia, saingy tsy mieritreritra ny hanisy ratsy an’izay ankahalaina, fa mihataka aminy kosa satria maharikoriko azy izy io. Ilazana fitiavana latsa-danja koa ny hoe “fankahalana”, ao amin’ny Baiboly. (Ge 29:31, 33; De 21:15, 16) Hoy, ohatra, i Jesosy Kristy: “Raha misy manatona ahy nefa tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny ary ny anabaviny, eny fa na dia ny ainy mihitsy aza, dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.” (Lk 14:26) Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tokony hankahala na hahatsapa rikoriko amin’ny havan’izy ireo na ny tenan’izy ireo ny mpianany. Tsy araka ny Soratra Masina mantsy izany.—Ampit. Mr 12:29-31; Ef 5:28, 29, 33.
Hoy Andriamanitra tamin’ny Israelita: “Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao.” (Le 19:17) Raha nahafaty olona tsy nahy, ohatra, ny olona iray, dia nilaina noporofoina hoe tsy nankahala an’ilay olona matiny izy. Amin’izay ihany izy vao ho voaro tao amin’ireo tanàna fialokalofana.—De 19:4, 11-13.
Tokony hankahalaina ve ny fahavalo? Nampirisika ny mpianany ho tia ny fahavalony i Jesosy, ary mifanaraka tsara amin’ny Soratra Hebreo izany. (Mt 5:44) Niaiky i Joba fa diso izy raha nifaly rehefa tra-doza izay nankahala azy. (Jb 31:29) Nandidy an’ireo Israelita ny Lalàn’i Mosesy mba hanampy Israelita hafa, na dia izay noheveriny ho fahavalony aza. (Ek 23:4, 5) Tsy tokony hifaly ny mpanompon’Andriamanitra rehefa tra-doza ny fahavalony. Nilazana kosa izy ireo hoe: “Raha noana izay mankahala anao dia omeo hanina, ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny.”—Oh 24:17, 18; 25:21.
Tsy hevitra tao amin’ny lalàn’Andriamanitra ilay hoe tokony hankahalaina ny fahavalo, fa hevitra vao nampian’ireo Jiosy mpampianatra lovantsofina. Nihevitra izy ireo fa matoa ny Lalàna nandidy an’ireo Israelita mba ho tia ny namany dia midika izany fa tokony hankahalainy ny fahavalony. (Le 19:18) Nanjary noheverina àry hoe ny Jiosy fotsiny no notondroin’io teny hoe ‘namana’ io fa ny hafa rehetra kosa tokony hoheverina ho fahavalo. Araka izany lovantsofina izany sy ilay lovantsofina nampirisika ny Jiosy hankahala ny hafa firenena, dia tsy mahagaga raha nampian’ireo mpampianatra ireo toy izao ny lalàn’Andriamanitra: “Ary ankahalao ny fahavalonao.” Tsy avy tamin’Andriamanitra anefa izany.—Mt 5:43.
Ny Kristianina kosa tsy maintsy tia an’ireo mitsangan-ko fahavalony. Tsy toy ilay fitiavana misy firaiketam-po, araka ny heverin’ny ankamaroan’ny olona, io fitiavana (gr.: agape) io. Tsy voatery hanana firaiketam-po amin’ilay olona mantsy ilay maneho fitiavana, fa manaraka fitsipika na toro lalana kosa izy. Safidim-pony tanteraka ny manao izany, satria fantany fa izay no mety ary adidiny koa izany, ka izay hahasoa an’ilay olona no katsahiny. Vitan’ny olona manana fitiavana (agape) ny mandresy ny fankahalany, ka tsy avelany mihitsy izany fankahalany izany hitarika azy tsy hanaraka fitsipika na hamaly faty. Mivavaka mihitsy ho an’izay manohitra sy manenjika azy noho ny tsy fahalalana ny Kristianina, mba hahafantaran’izy ireny ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.—Mt 5:44.
Misy fankahalana mety. Tsy ratsy foana anefa ny mankahala, satria voalaza fa “misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana.” (Mpto 3:1, 8) Lazaina mihitsy aza fa halan’i Jehovah i Esao. (Ml 1:2, 3) Tsy hoe halan’Andriamanitra fotsiny tamin’izao izy. Efa nasehon’i Esao mihitsy mantsy fa tsy mendrika ny hotiavin’i Jehovah izy: Nataony tsinontsinona sy namidiny ny zon’ny lahimatoa, ka lasa nataony tsinontsinona koa ny fampanantenana sy ny fitahian’Andriamanitra izay tokony ho azy. Nikasa ny hamono an’i Jakoba rahalahiny koa izy. (Ge 25:32-34; 27:41-43; He 12:14-16) Halan’i Jehovah koa ny maso miandranandrana, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy, ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga, ary izay rehetra mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy. Raha fintinina àry dia halan’i Jehovah izay olona na zavatra manohitra an-kitsirano azy sy ny lalàny marina.—Oh 6:16-19; De 16:22; Is 61:8; Za 8:17; Ml 2:16.
Inona no tokony hankahalain’ny mpanompon’Andriamanitra?
Hankahala an’izay halan’i Jehovah ny mpanompony, raha tena tsy mivadika aminy. (2Ta 19:2) “Jehovah ô, tsy hankahala an’izay mankahala mafy anao ve aho? Tsy haharikoriko ahy ve izay mikomy aminao? Halako dia halako tokoa ireny, ary lasa tena fahavaloko.” (Sl 139:21, 22) Ny hoe mankahala eto dia tsy hoe te hanisy ratsy ny hafa, fa mahatsapa rikoriko amin’izay ratsy ka miala amin’izany sy amin’izay mankahala mafy an’i Jehovah. (Ro 12:9, 17, 19) Ara-dalàna raha halan’ny Kristianina ireo mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra, toy ny Devoly sy ny demoniany ary ireo olona minia manohitra an-kitsirano an’i Jehovah.
Tsy tian’ny Kristianina ny olona mamadika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra ho fialan-tsiny hananana fitondran-tena baranahiny. Tsy ankahalainy kosa anefa ny olona nahavita zava-dratsy raha mendrika ny hamindrana fo izy io. Tsy ilay olona nibebaka no halany, fa ny zava-dratsy nataon’izy io, ary halany hatramin’ny “akanjo anatiny voapentimpentin’ny nofo aza.”—Jd 4, 23.
Misy fankahalana tsy mety. Tsy mifankahala intsony ny olona rehefa lasa Kristianina. (Tit 3:3) Mbola mandeha ao amin’ny haizina kosa ny olona mankahala ny rahalahiny, ary tena mandainga izy raha milaza hoe tia an’Andriamanitra. Toy ny mamono olona ihany mantsy izay mankahala ny rahalahiny.—1Jn 2:9, 11; 4:20; 3:15.
Rehefa entin’ny fihetseham-po fotsiny ny olona iray, dia mety hankahala an’izay tokony hotiavina, ary ho tia an’izay tokony hankahalaina, toy ny nanjo an’i Davida rehefa nikomy taminy i Absaloma zanany. (2Sa 18:33; 19:1-6) Voalaza koa fa “izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, fa izay tia azy kosa manara-maso azy ka mananatra azy.”—Oh 13:24.
Azo atao ve ny misoroka ny fankahalan’ny hafa? Eny, raha tsy helingelenina ny fiainany ary asiam-piheverana ny zavatra tiany sy tsy tiany. Hoy àry ny Baiboly: “Aza mandeha matetika mankany an-tranon’ny namanao, sao ho leo anao izy ka ho halany ianao.”—Oh 25:17.